FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lfb lesona 96 p. 224-p. 225 feh. 2
  • Nifidy An’i Saoly i Jesosy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nifidy An’i Saoly i Jesosy
  • Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahita Hazavana Lehibe Ilay Mpanenjika
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Teny An-dalana ho any Damaskosy
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • “Nilamina ny Fiangonana”
    ‘Torio Amin’ny Fomba Feno ny Fanjakan’Andriamanitra’
  • Notoherina i Saoly Satria Nitory
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
Hijery Hafa
Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
lfb lesona 96 p. 224-p. 225 feh. 2
Misy hazavana be manodidina an’i Saoly

LESONA 96

Nifidy An’i Saoly i Jesosy

Nanana zom-pirenena romanina i Saoly, ary teraka tany Tarsosy. Fariseo izy sady tena nahay ny Lalàna Jiosy. Tsy tiany maizina anefa ny Kristianina ka nalehany tany an-tranony, dia notaritaritiny hivoaka, ary avy eo nogadrainy. Nataony an’izany na lehilahy na vehivavy. Nijery teo mihitsy aza izy tamin’i Stefana notorahan’ny olona vato dia maty.

Rehefa avy nisambotra ny Kristianina tany Jerosalema i Saoly, dia tiany hosamborina koa ny tany Damaskosy. Niteny tamin’ny mpisoronabe àry izy mba hamela azy hankany, dia hanenjika ny Kristianina any koa. Rehefa akaiky ho tonga anefa izy, dia nahita hazavana be tampoka ka nianjera. Naheno feo niteny an’izao izy avy eo: ‘Saoly, fa maninona aho no tsy tianao mihitsy dia henjehinao?’ Dia hoy i Saoly: ‘Fa iza ianao?’ Dia namaly ilay feo hoe: ‘I Jesosy. ’Ndana mankao Damaskosy, fa hampahafantarina anao hoe inona no tsy maintsy hataonao.’ Tonga dia lasa jamba i Saoly, ka tsy maintsy notantanana izy rehefa niditra tao amin’ilay tanàna.

Nisy Kristianina atao hoe Ananiasy tany Damaskosy. Niresaka taminy tao amin’ny fahitana i Jesosy hoe: ‘Mandehana mitady an’i Saoly any an-tranon’i Jodasy, any amin’ilay lalana hoe Imahitsy.’ Dia hoy i Ananiasy: ‘Tompo ô! Haiko tsara iny lehilahy iny. Gadrainy daholo ange ny mpianatrao e!’ Hoy anefa i Jesosy: ‘Mandehana fa efa nofidiko izy mba hitory ny vaovao tsara any amin’ny firenena be dia be.’

Saoly, lasa jamba rehefa avy nahita hazavana be

Lasa nitady an’i Saoly àry i Ananiasy. Dia hoy izy rehefa nahita azy: ‘Ry rahalahiko, nirahin’i Jesosy ho atỳ aminao aho mba hahita indray ny masonao.’ Tonga dia nahita indray i Saoly. Nianatra momba an’i Jesosy izy avy eo, ka lasa Kristianina. Rehefa vita batisa izy, dia nanomboka nitory tany amin’ny synagoga niaraka tamin’ny Kristianina hafa. Tsy maintsy hoe taitra be izao ny Jiosy nahita azy nampianatra momba an’i Jesosy! Hoy ry zareo: ‘Fa tsy io ve ilay rangahy nisambotra ny mpianatr’i Jesosy iny foana e?’

Nitory tany Damaskosy i Saoly nandritra ny telo taona. Tsy tia maizina an’azy àry ny Jiosy, dia nanao tetika hamonoana azy. Lasa fantatry ny mpiara-manompo anefa ilay izy, ka nampiany handositra i Saoly. Nataony tao anaty sobika izy, dia nampidininy avy teo amin’ny lavaka anankiray teo amin’ny mandan’ilay tanàna.

Nankany Jerosalema i Saoly, dia nitady Kristianina tany. Natahotra azy anefa ry zareo. Soa ihany fa tsara fanahy taminy ny mpianatra atao hoe Barnabasy, dia nitondra azy tany amin’ny apostoly. Izy no nandresy lahatra an-dry zareo hoe efa tena niova i Saoly. Lasa nazoto nitory ny vaovao tsara niaraka tamin’ny fiangonana tany Jerosalema i Saoly. Nantsoina hoe Paoly izy tatỳ aoriana.

“Tonga teto amin’izao tontolo izao i Kristy Jesosy mba hamonjy ny mpanota, ary izaho no lohany amin’ireny.”​—1 Timoty 1:15

Fanontaniana: Nahoana no natahotra an’i Saoly ny Kristianina? Nahoana izy no niova?

Asan’ny Apostoly 7:54–8:3; 9:1-28; 13:9; 21:40–22:15; Romanina 1:1; Galatianina 1:11-18

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara