FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ie p. 19-20
  • Ny Fanahy Araka ny Baiboly

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Fanahy Araka ny Baiboly
  • Inona no Mitranga Amintsika Rehefa Maty Isika?
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny “fanahy [âme]” — Zavaboary velona
  • Ny “fanahy [âme]” — Ny ain’ilay zavaboary
  • Misy Fanahy Tsy Mety Maty ve ao Anatin’ny Olona?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Fiainana Aorian’ny Fahafatesana — Inona no Lazain’ny Baiboly?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Velona hatrany aorian’ny fahafatesana ve ny fanahy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Misy heriny eo amin’ny fiainanao ny fomba fiheveranao ny fanahy (âme)
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
Hijery Hafa
Inona no Mitranga Amintsika Rehefa Maty Isika?
ie p. 19-20

Ny Fanahy Araka ny Baiboly

“Tonga fanahy [“âme”] velona ny olona.” — GENESISY 2:7, “NW”.

1. Inona no ilaintsika hodinihina mba hamaritana izay ampianarin’ny Baiboly momba ny fanahy (âme)?

ARAKA ny efa hitantsika, dia maro samihafa ireo zavatra inoana momba ny fanahy. Na dia eo amin’ireo izay milaza ho manorina ny finoany amin’ny Baiboly aza, dia misy hevitra tsy mitovy momba ny fanahy sy izay mitranga amin’izy io rehefa maty isika. Inona anefa no tena ampianarin’ny Baiboly momba ny fanahy? Mba hahitana ny valiny, dia mila mandinika ny hevitr’ireo teny hebreo sy grika nadika hoe “fanahy [âme]” ao amin’ny Baiboly isika.

Ny “fanahy [âme]” — Zavaboary velona

2, 3. a) Teny inona no nadika hoe “fanahy [âme]” ao amin’ireo Soratra Hebreo, ary inona no hevitra fototr’io teny io? b) Ahoana no anamarinan’ny Genesisy 2:7 (NW ) fa ny teny hoe “fanahy [âme]” dia manondro olona iray manontolo?

2 Ny teny hebreo nadika hoe “fanahy [âme]” dia hoe neʹphesh, ary miseho in-754 izy io ao amin’ny Soratra Hebreo (antsoin’ny olona hoe ny Testamenta Taloha). Inona no hevitry ny hoe neʹphesh? Araka ny The Dictionary of Bible and Religion, izy io “mazàna dia manondro ilay zavamiaina velona manontolo, ilay olona manontolo”.

3 Ohatra, ny Genesisy 2:7 dia manambara hoe: “Vovo-tany no namoronan’i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga [fanahy (âme) velona ny olona, NW ].” Mariho fa tsy hoe nanana fanahy (âme) akory i Adama, fa hoe izy dia fanahy (âme) — tsy misy hafa amin’ny olona iray tonga dokotera dia dokotera. Ny teny hoe “fanahy [âme]” àry dia afaka milaza olona iray manontolo.

4, 5. a) Manomeza ohatra mampiseho fa ny teny hoe “fanahy [âme]” dia manondro olona iray manontolo. b) Ahoana no anohanan’ny The Dictionary of Bible and Religion ilay fahazoan-kevitra hoe ny olona dia fanahy (âme)?

4 Manohana io fomba fahazoan-kevitra io ny Soratra Hebreo manontolo. Ao isika dia mahita teny toy ny hoe “raha misy [fanahy (âme), NW ] manota”, (Levitikosy 5:1), “ny [fanahy (âme), NW ] rehetra izay manao raharaha”, (Levitikosy 23:30), “raha misy olona hita mangalatra [fanahy (âme), NW ] anankiray”, (Deoteronomia 24:7), “nanjary tsy nanam-paharetana ny fanahiny [âme]”, (Mpitsara 16:16, NW ), “mandra-pahoviana no hampalahelovanareo ny fanahiko [âme, “NW”]”, (Joba 19:2), ary “mipotrapotra-dranomaso [ny fanahiko (âme), NW ] noho ny alaheloko”. — Salamo 119:28.

5 Tsy misy filazana mihitsy ao amin’ireo andalan-teny ireo hoe zavatra iray manjavozavo mbola miaina aorian’ny fahafatesana ny fanahy (âme). “Ny filazana araka ny fomba fahazoantsika azy hoe efa lasana mba hiaraka amin’ny Tompo ny ‘fanahy [âme]’ an’ilay hava-malala, na ny firesahana momba ny ‘fanahy [âme] tsy mety maty’, dia tsy ho takatra tsotra izao, raha araka ny kolontsain’ny TT [Testamenta Taloha]”, hoy ny The Dictionary of Bible and Religion.

6, 7. Teny inona no nadika hoe “fanahy [âme]” ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, ary inona no hevitra fototr’io teny io?

6 Ny teny nadika hoe “fanahy [âme]” injato mahery ao amin’ny Soratra Grika Kristianina (antsoin’ny olona hoe Testamenta Vaovao) dia hoe psy·kheʹ. Toy ny hoe neʹphesh, io teny io matetika dia manondro olona iray manontolo. Diniho, ohatra, ireto fanambarana manaraka ireto: “Mangorohoro ny fanahiko [âme, “NW”]”. (Jaona 12:27). “Raiki-tahotra ny [fanahy (âme), NW ] rehetra”. (Asan’ny Apostoly 2:43). “Aoka ny [fanahy (âme), NW ] rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe”. (Romana 13:1). “Omeo toky ny [fanahy (âme) ketraka, NW ]”. (1 Tesaloniana 5:14). “Namboarina ny sambo-fiara, izay nidiran’ny olona vitsy, [izany hoe fanahy (âme) valo, NW ] mianaka, ka dia namonjena azy ny rano”. — 1 Petera 3:20.

7 Ny hoe psy·kheʹ, toy ny hoe neʹphesh, dia mazava fa manondro ilay olona manontolo. Araka an’ilay manam-pahaizana atao hoe Nigel Turner, io teny io dia “midika hoe izay mampiavaka ny olombelona, ilay izy manontolo, ilay vatana azo tsapain-tanana ka nofofonina ny rûaḥ [fanahy (esprit)] an’Andriamanitra tao aminy. (...) Ny antitranterina dia ilay olona manontolo”.

8. Moa ve fanahy (âme) ny biby? Hazavao.

8 Ao amin’ny Baiboly, ny teny hoe fanahy (âme) dia tsy ampiharina amin’ny olombelona ihany, fa amin’ny biby koa. Ohatra, rehefa milazalaza ny namoronana ny zavaboary an-dranomasina ny Genesisy 1:20, dia hoy ny baikon’Andriamanitra: “Aoka ny rano ho be [fanahy (âme) velona, NW ]”. Ary tamin’ny andro famoronana nanaraka, dia hoy Andriamanitra: “Aoka ny tany hamoaka [fanahy (âme) velona, NW ], samy araka ny karazany avy, dia biby fiompy sy biby mandady na mikisaka ary bibi-dia, samy araka ny karazany avy”. (Genesisy 1:24; ampitahao amin’ny Nomery 31:28, NW.) Araka izany, ny hoe “fanahy [âme]” dia afaka manondro zavaboary velona iray, na olombelona na biby.

Ny “fanahy [âme]” — Ny ain’ilay zavaboary

9. a) Hevitra miitatra inona no azo omena ny teny hoe “fanahy [âme]”? b) Moa ve izany mifanipaka amin’ilay hevitra hoe ny fanahy dia ilay olona mihitsy?

9 Indraindray, ny teny hoe “fanahy [âme]” dia manondro ilay aina ananan’ny olona iray na ny biby iray. Izany akory tsy manova ny hevitra omen’ny Baiboly ny hoe fanahy (âme), izany hoe ny olona iray na ny biby iray. Indro misy ohatra: Rehefa milaza isika hoe ny olona iray dia velona, ny tiantsika holazaina dia hoe olona mananaina izy. Azontsika atao koa ny milaza hoe manana aina izy. Mitovy amin’izany koa fa ny olona mananaina iray dia fanahy (âme). Kanefa, raha mbola velona koa izy, ny hoe “fanahy [âme]” dia azo resahina ho ilay zavatra ananany.

10. Manomeza ohatra mampiseho fa ny teny hoe “fanahy [âme]” dia afaka manondro ilay aina ananan’ny olona iray na ny biby iray.

10 Ohatra, Andriamanitra dia nilaza tamin’i Mosesy hoe: “Maty ny olona rehetra izay nitady ny [fanahinao (âme), NW ].” (Eksodosy 4:19). Mazava fa ireo fahavalon’i Mosesy dia nitady haka ny ainy. Ahitana io fomba fampiasa azy io koa ireto fanambarana manaraka ireto. “Natahotra [noho ny amin’ny fanahinay (âme), NW ] izahay”. (Josoa 9:24). “Lasa nandositra hamonjy ny [fanahiny (âme), NW ] izy.” (2 Mpanjaka 7:7). “Ny marina mitsimbina ny [fanahin’ny (âme), NW ] bibiny”. (Ohabolana 12:10). “Ny Zanak’olona (...) tonga mba (...) hanolotra ny [fanahiny (âme), NW ] ho avotra hisolo ny maro.” (Matio 20:28). “Saiky maty izy (...) sady [nampisetra loza ny fanahiny (âme), NW ]”. (Filipiana 2:30). Ao amin’ny tsirairay amin’ireo ohatra ireo, ny teny hoe “fanahy [âme]” dia midika hoe “aina”.a

11. Inona no azo lazaina momba ny fampiasan’ny Baiboly ny teny hoe “fanahy [âme]”?

11 Koa ny teny hoe “fanahy [âme]” ampiasaina ao amin’ny Baiboly àry dia manondro olona iray na biby iray na ny aina ananan’ny olona iray na ny biby iray. Tsotra sy tsy miovaova ary tsy vesaran’ireo filôzôfia sarotra sy finoanoam-poanan’ny olona, ny hevitra omen’ny Baiboly ny hoe fanahy (âme). Inona anefa no mitranga amin’ny fanahy (âme) eo amin’ny fahafatesana? Mba hamaliana io fanontaniana io, dia tsy maintsy mahatakatra ny antony ahafatesantsika aloha isika.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ny Matio 10:28 dia mampiasa koa ny teny hoe “fanahy [âme]” mba hilazana hoe “aina”.

[Sary, pejy 20]

Fanahy (“âme”) avokoa izy rehetra ireo

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara