Fiainana Aorian’ny Fahafatesana — Inona no Lazain’ny Baiboly?
“Vovoka hianao, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray hianao.” — GENESISY 3:19.
1, 2. a) Inona avy ireo hevitra samy hafa misy, mahakasika ny Any Ankoatra? b) Inona no ilaintsika hodinihina mba hahafantarana izay ampianarin’ny Baiboly momba ny fanahy?
“NY TEÔRIA momba ny fijaliana mandrakizay dia tsy mifanaraka amin’ny finoana ny fitiavan’Andriamanitra ny zavatra noforoniny. (...) Ny hoe mino ny fanasaziana mandrakizay ny fanahy, noho ireo fahadisoana nataony tao anatin’ny taona vitsivitsy, ka tsy hisy fanomezana azy fahafahana ho voahitsy, dia mifanohitra tanteraka amin’izay azon’ny saina ekena.” Izany no fanamarihan’ilay filôzôfa hindoa atao hoe Nikhilananda.
2 Sahala amin’i Nikhilananda, dia olona maro amin’izao andro izao no tsy mahazoazo ilay fampianarana momba ny fampijaliana mandrakizay. Sarotra amin’ny hafa ihany koa ny mahatakatra hevitra toy ny hoe fahatratrarana ny Nirvana sy ny hoe tafaray amin’ny natiora. Na dia eo anivon’ireo izay milaza ho manorina ny zavatra inoany amin’ny Baiboly aza, dia misy hevitra maro samy hafa mahakasika ny atao hoe fanahy sy izay mitranga amin’izy io rehefa maty isika. Inona anefa no tena ampianarin’ny Baiboly momba ny fanahy? Mba hahalalana izany, dia ilaintsika hodinihina ny hevitr’ireo teny hebreo sy grika nadika hoe “fanahy” ao amin’ny Baiboly.
Ny fanahy (âme) araka ny Baiboly
3. a) Teny inona no adika hoe “fanahy [âme]” ao amin’ny Soratra Hebreo, ary inona no heviny fototra? b) Ahoana no anamafisan’ny Genesisy 2:7 fa afaka manondro olona iray manontolo ny teny hoe “fanahy [âme]”?
3 Ny teny hebreo nadika hoe “fanahy [âme]” dia neʹphesh, ary miseho in-754 izy io ao amin’ny Soratra Hebreo. Inona no hevitry ny hoe neʹphesh? Araka ny The Dictionary of Bible and Religion, dia ‘mazàna izy io no manondro ilay zavamiaina manontolo, ilay olona manontolo’. Manamafy izany ny filazalazana omen’ny Baiboly mahakasika ny fanahy (âme), ao amin’ny Genesisy 2:7: “Vovo-tany no namoronan’i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga [fanahy (âme) velona ny olona, NW ].” Mariho fa “tonga” fanahy (âme) ilay lehilahy voalohany. Milaza izany fa tsy nanana fanahy i Adama, fa izy kosa no fanahy, tsy misy hafa amin’ny olona iray izay tonga dokotera, dia dokotera. Milaza ilay olona iray manontolo àry eto ny teny hoe “fanahy [âme]”.
4. Teny inona no adika hoe “fanahy [âme]” ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, ary inona no hevitra fototra fonosin’io teny io?
4 Ny teny grika nadika hoe “fanahy [âme]” (psy·kheʹ), dia miseho in-100 mahery ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Sahala amin’ny neʹphesh, dia matetika no manondro ilay olona iray manontolo io teny io. Diniho, ohatra, ireto teny manaraka ireto: “Mangorohoro ny fanahiko [âme]”. (Jaona 12:27). “Raiki-tahotra ny [fanahy, NW ] rehetra”. (Asan’ny Apostoly 2:43). “Aoka ny [fanahy, NW ] rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe”. (Romana 13:1). “Omeo toky ny [fanahy ketraka, NW ]”. (1 Tesaloniana 5:14). ‘Olona vitsy monja, izany hoe fanahy valo, no tafita velona tamin’ny rano.’ (1 Petera 3:20, NW ). Mazava fa manondro ilay olona manontolo ny psy·kheʹ, tsy misy hafa amin’ny neʹphesh. Araka ny voalazan’ilay manam-pahaizana atao hoe Nigel Turner, io teny io dia “midika hoe izay mampiavaka ny olombelona, ilay izy manontolo, ilay vatana azo tsapain-tanana ka nofofonina ny rûaḥ [fanahy (esprit)] an’Andriamanitra tao aminy. (...) Ny antitranterina dia ilay olona manontolo”.
5. Fanahy (âme) ve ny biby? Hazavao.
5 Mahaliana fa ao amin’ny Baiboly, dia tsy amin’ny olona fotsiny no ampiharana ilay teny hoe “fanahy [âme]”, fa amin’ny biby koa. Rehefa milazalaza ny namoronana ny zavaboary an-dranomasina, ohatra, ny Genesisy 1:20, dia milaza fa nandidy toy izao Andriamanitra: “Aoka ny rano ho be [fanahy (âme) velona, NW ]”. Ary tamin’ny andro famoronana manaraka, dia hoy Andriamanitra: “Aoka ny tany hamoaka [fanahy (âme) velona, NW ], samy araka ny karazany avy, dia biby fiompy sy biby mandady na mikisaka ary bibi-dia, samy araka ny karazany avy”. — Genesisy 1:24; ampitahao amin’ny Nomery 31:28, NW.
6. Inona no azo lazaina mahakasika ny fampiasan’ny Baiboly ilay teny hoe “fanahy [âme]”?
6 Araka izany, ilay teny hoe “fanahy [âme]”, araka ny ampiasana azy ao amin’ny Baiboly, dia manondro olona na biby iray na ilay aina ananan’ny olona na ny biby iray. (Jereo ny faritra voafefy etsy ambony.) Ilay famaritana omen’ny Baiboly ny teny hoe fanahy (âme), dia tsotra, tsy miovaova, no sady tsy feno filôzôfian’olombelona saro-takarina sy finoanoam-poanan’olombelona. Koa satria izany no izy, dia izao no fanontaniana maika tsy maintsy apetraka: Araka ny Baiboly, inona no mitranga amin’ny fanahy (âme) eo amin’ny fahafatesana?
Tsy mahatsiaro tena ny maty
7, 8. a) Inona no ahariharin’ny Soratra Masina mahakasika ny hoe manao ahoana ny maty? b) Manomeza ohatra avy ao amin’ny Baiboly mba hampisehoana fa mety maty ny fanahy (âme).
7 Ambara mazava ao amin’ny Mpitoriteny 9:5, 10 hoe manao ahoana ny maty. Izao no vakintsika ao: “Ny maty tsy mahalala na inona na inona (...). Tsy misy fikatsahan-javatra, na fikasana, na fahalalana, na fisainana, ao anaty fasana.” (Moffatt). Ny tsy fisiana àry no atao hoe fahafatesana. Nanoratra ny mpanao salamo fa rehefa maty ny olona iray, dia “miverina ho amin’ny taniny izy; ary amin’izay indrindra no hahafoanan’ny fikasany”. (Salamo 146:4). Sady tsy mahatsiaro tena ny maty no tsy afaka manao zavatra.
8 Nanambara toy izao Andriamanitra fony nanonona didim-pitsarana ho an’i Adama: “Vovoka hianao, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray hianao.” (Genesisy 3:19). Talohan’ny nanaovan’Andriamanitra an’i Adama avy tamin’ny vovoky ny tany, ka nanomezany aina azy, dia tsy nisy i Adama. Rehefa maty izy, dia niverina indray ho amin’izany tsy fisiana izany. Fahafatesana, fa tsy famindrana ho any amin’ny faritra hafa, no saziny. Inona àry anefa no nitranga tamin’ny fanahiny (âme)? Matetika no manondro fotsiny olona iray ny teny hoe “fanahy [âme]”, ao amin’ny Baiboly. Rehefa milaza àry isika fa maty i Adama, dia milaza isika fa maty ilay fanahy (âme) nantsoina hoe Adama. Mety ho toa hafahafa izany ho an’ny olona iray izay mino ny tsy fahafatesan’ny fanahy. Izao anefa no ambaran’ny Baiboly: “Ny fanahy [âme] izay manota no ho faty.” (Ezekiela 18:4). Ny Levitikosy 21:1 (NW ), dia miresaka ny amin’ny “fanahy [âme] maty” (“faty”, The Jerusalem Bible). Ary nilazana ireo Nazirita mba tsy hanakaiky “fanahy [âme] maty” (“vatana maty”, Lamsa). — Nomery 6:6, NW.
9. Inona no tian’ny Baiboly holazaina rehefa milaza izy hoe ‘niala ny fanahin-dRahely’?
9 Ahoana anefa ny amin’ilay fanambarana ao amin’ny Genesisy 35:18, mahakasika ilay fahafatesana mampahonena nahazo an-dRahely, izay nitranga fony izy niteraka ny zanany lahy faharoa? Izao no vakintsika ao: “Rehefa hiala ny [fanahiny (âme), NW ] (fa maty izy), dia nataony hoe Benony ny anarany; fa ny rainy kosa nanao azy hoe Benjamina.” Te hilaza ve io andininy io fa nisy zavatra velona nandao an-dRahely avy tao anatiny tao, tamin’ny fotoana nahafatesany? Tsy izany velively. Tadidio fa afaka manondro koa ny aina ananan’ny olona iray ny teny hoe fanahy (âme). Eto àry, ny hoe ‘fanahin-dRahely’ dia nidika fotsiny hoe ny “ainy”. Izany no antony andikan’ny Baiboly hafa ilay teny hoe ‘niala ny fanahiny’, amin’ny hoe ‘niala aina izy’ (Fandikan-teny Malagasy), sy hoe ‘niala ny ainy’ (Fandikan-teny Katolika), ary ny hoe “niala taminy ny ainy” (Bible in Basic English). Tsy misy filazana mihitsy eo fa ny ampahany tamin-dRahely, izay ampahany nifono zava-miafina, dia mbola velona taorian’ny nahafatesany.
10. Tamin’ny heviny ahoana no ‘nody taminy ny fanahin’ny’ zanakalahin’ilay mpitondratena natsangana tamin’ny maty?
10 Toy izany koa ny amin’ny nananganana tamin’ny maty an’ilay zanakalahin’ny mpitondratena iray, voarakitra ao amin’ny 1 Mpanjaka toko faha-17. Eo amin’ny andininy faha-22, dia vakintsika fa rehefa nivavaka ho an’ilay tovolahy i Elia, ‘dia nohenoin’i Jehovah ny feon’i Elia, dia nody taminy indray ny [fanahy (âme) an’ilay zaza, NW ], ka velona izy’. Eto indray koa, dia midika hoe “aina” ny teny hoe “fanahy”. Noho izany, dia izao no vakina ao amin’ny Fandikan-teny Malagasy: “Nody taminy indray ny ain’ny zaza, ka dia velona izy.” Eny, ny aina, fa tsy endri-javatra manjavozavo iray, no niverina tamin’ilay zazalahy. Izany dia mifanaraka amin’izay nolazain’i Elia tamin’ny renin’ilay zazalahy, manao hoe: “Inty, fa velona ny zanakao [ilay olona manontolo].” — 1 Mpanjaka 17:23.
Ahoana ny amin’ny fanahy (esprit)?
11. Nahoana ny teny hoe “fanahy [esprit]” no tsy hety hanondro ampahany iray amin’ny olombelona izay tafasaraka amin’ny vatana ka mbola velona ihany aorian’ny fahafatesana?
11 Milaza ny Baiboly fa rehefa maty ny olona iray, dia “miala ny [fanahiny (esprit), NW ], ka miverina ho amin’ny taniny izy”. (Salamo 146:4). Midika ve izany fa misy fanahy (esprit) tafasaraka amin’ny vatana, lasa ara-bakiteny, ka mbola miaina aorian’ny hahafatesan’ny olona iray? Tsy hety ho izany no izy, satria milaza toy izao avy eo ilay mpanao salamo, araka ny Fandikan-teny Katolika: “Amin’izay andro izay ihany dia levona ny hevitra kasainy” (“mifarana avokoa ny fisainany rehetra”, The New English Bible). Inona àry no atao hoe fanahy (esprit), ary ahoana no ‘ialany’ amin’ny olona iray amin’ny fotoan’ny fahafatesana?
12. Inona no tondroin’ireo teny hebreo sy grika nadika hoe “fanahy [esprit]” ao amin’ny Baiboly?
12 Ao amin’ny Baiboly, ny hevitra fototra fonosin’ireo teny nadika hoe “fanahy [esprit]” (hebreo: ruʹach; grika: pneuʹma), dia midika hoe “fofonaina”. Araka izany, dia tsy mampiasa ny teny hoe ‘miala ny fanahiny [esprit]’ ny Fandikan-teny Malagasy, fa milaza kosa hoe “miala ny fofonainy”. (Salamo 146:4). Manondro zavatra be lavitra noho ny fifohan-drivotra anefa ny teny hoe “fanahy [esprit]”. Milaza toy izao, ohatra, ny Genesisy 7:22, rehefa milazalaza ny fandringanana ny olombelona sy ny biby tamin’ny fotoan’ilay Safo-drano naneran-tany: “Izay rehetra [niasan’ny fofonain’ny herim-piainana (na, fanahy [esprit]; hebreo: ruʹach) tao am-bavorony, NW ], avy tamin’izay rehetra teo amin’ny tany maina, dia maty avokoa.” Ny hoe fanahy (esprit) àry, dia azo anondroana ilay herim-piainana miasa ao amin’ny zavamananaina rehetra, na olona na biby, herim-piainana izay tohanan’ny fifohan-drivotra.
13. Amin’ny ahoana no miverina amin’Andriamanitra ny fanahy (esprit) rehefa maty ny olona iray?
13 Milaza ny Mpitoriteny 12:7 fa rehefa maty ny olona iray, dia ‘hiverina amin’Andriamanitra, Izay nanome azy ny fanahy [esprit]’. Inona no hevitr’izany? Midika ve izany fa mamakivaky ara-bakiteny ny habakabaka ny fanahy (esprit) mba ho eo anatrehan’Andriamanitra? Tsy misy milaza izany eo. Koa satria ny herim-piainana no atao hoe fanahy (esprit), dia ‘miverina amin’Andriamanitra’ izy io, amin’ny heviny hoe miankina tanteraka amin’Andriamanitra izao ny fanantenana fiainan-koavy ho an’iny olona iny. Andriamanitra irery ihany no afaka mamerina amin’ny laoniny ny fanahy (esprit), na herim-piainana, ka hahatonga ny olona iray ho velona indray. (Salamo 104:30). Mikasa ny hanao izany ve anefa Andriamanitra?
“Hitsangana izy”
14. Inona no nolazain’i Jesosy sy nataony mba hanamaivanana ny alahelon’ireo anabavin’i Lazarosy sy hampiononana azy ireo, taorian’ny nahafatesan’i Lazarosy anadahiny?
14 Tao amin’ilay tanàna kely atao hoe Betania, tokony ho telo kilaometatra any atsinanan’i Jerosalema, dia vonton’alahelo i Maria sy i Marta, satria maty vao herotrerony i Lazarosy, anadahin’izy ireo. Niombona alahelo tamin’izy ireo i Jesosy, satria niraiki-po tamin’i Lazarosy sy ny anabaviny, izy. Ahoana no hampiononan’i Jesosy azy mirahavavy? Tsy tamin’ny filazana tantara saro-takarina akory, fa tamin’ny filazana tamin’izy ireo ny marina. Hoy fotsiny i Jesosy: “Hitsangana ny anadahinao.” Nankeny amin’ilay fasana i Jesosy tamin’izay, ary nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty, izany hoe, namerina ny ain’ny lehilahy iray izay efa maty nandritra ny efatra andro! — Jaona 11:18-23, 38-44.
15. Nanao ahoana ny fihetsik’i Marta teo anoloan’izay nolazain’i Jesosy sy nataony?
15 Nahagaga an’i Marta ve ilay tenin’i Jesosy hoe “hitsangana” i Lazarosy? Miharihary fa tsy izany, satria namaly toy izao izy: “Fantatro ihany fa hitsangana izy amin’ny fitsanganan’ny maty amin’ny andro farany.” Efa nino ilay fampanantenana fitsanganana amin’ny maty izy. Hoy i Jesosy taminy avy eo: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray.” (Jaona 11:23-25). Ilay fahagagana tamin’ny nananganana an’i Lazarosy tamin’ny maty, dia sady nanamafy ny finoan’i Marta no niteraka finoana tao amin’ny hafa. (Jaona 11:45). Inona marina anefa no tiana holazaina amin’ny teny hoe “fitsanganana amin’ny maty”?
16. Inona no hevitry ny teny hoe “fitsanganana amin’ny maty”?
16 “Ny teny hoe “fitsanganana amin’ny maty” dia nadika avy tamin’ilay teny grika hoe a·naʹsta·sis, izay midika ara-bakiteny hoe “fitsanganana indray”. Ireo nandika ny teny grika ho amin’ny teny hebreo, dia nandika ny hoe a·naʹsta·sis amin’ny teny izay midika hoe “fahaveloman’ny maty indray” (hebreo: techi·yathʹ ham·me·thimʹ).a Araka izany, ny fitsanganana amin’ny maty dia mahafaoka fananganana ilay olona amin’ny fahafatesana, fananganana azy amin’ny tsy fananana aina, izany hoe famerenana amin’ny laoniny sy famelomana indray ny fiaimpiainan’ilay olona.
17. a) Nahoana no tsy hametraka olana ho an’i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy ny fananganana olona amin’ny maty? b) Fampanantenana inona no nomen’i Jesosy momba ireo ao amin’ny fasam-pahatsiarovana?
17 Tsy manam-petra ny fahendren’i Jehovah Andriamanitra ary tonga lafatra ny fitadidiany, ka afaka manangana mora foana ny olona iray izy. Tsy olana ho azy ny mitadidy ny fiaimpiainan’ireo maty, toy ny lafin-toetra maha izy azy ireny, ny tantaram-piainan’izy ireny manokana, sy ireo tsipiriany rehetra amin’ny mombamomba azy. (Joba 12:13; ampitahao amin’ny Isaia 40:26.) Ankoatra izany, araka ny hita tamin’i Lazarosy, dia sady vonona hanangana ny maty i Jesosy Kristy no afaka manao izany rahateo. (Ampitahao amin’ny Lioka 7:11-17; 8:40-56.) Nilaza toy izao i Jesosy Kristy, raha ny marina: “Avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra any [amin’ny fasam-pahatsiarovana, NW ] ny feony [ny an’i Jesosy]; dia hivoaka izy”. (Jaona 5:28, 29). Eny, nampanantena i Jesosy Kristy fa hitsangana amin’ny maty ireo rehetra ao amin’ny fitadidian’i Jehovah. Mazava fa, araka ny Baiboly, dia maty ny fanahy (âme), ary ny fitsanganana amin’ny maty no fanafodin’ny fahafatesana. Olona an’arivony tapitrisa maro anefa no efa niaina sy maty. Iza amin’izy ireny no ao amin’ny fitadidian’Andriamanitra, ka miandry fitsanganana amin’ny maty?
18. Iza no hatsangana amin’ny maty?
18 Hatsangana amin’ny maty ireo izay nanaraka lalana mahitsy tamin’ny naha mpanompon’i Jehovah azy. Olon-kafa an-tapitrisany maro efa maty anefa no mbola tsy nampiseho na hanaraka ireo fari-pitsipika marin’Andriamanitra ny tenany na tsia. Na, tsy nahafantatra ireo zavatra takin’i Jehovah izy ireny, na, tsy nanana fotoana ampy mba hanaovana ireo fiovana nilaina. Ao amin’ny fitadidian’Andriamanitra koa izy ireny ka hatsangana amin’ny maty, satria mampanantena toy izao ny Baiboly: “Hisy fitsanganan’ny marina sy ny [tsy marina, NW ].” — Asan’ny Apostoly 24:15.
19. a) Fahitana inona no azon’ny apostoly Jaona, mahakasika ny fitsanganana amin’ny maty? b) Inona no ‘hatsipy ao amin’ny farihy afo’, ary inona no hevitr’io teny io?
19 Hitan’ny apostoly Jaona tamin’ny fahitana mampientanentana iray ireo olona tafatsangana tamin’ny maty izay mijoro eo anatrehan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra. Izao no nosoratany, raha nilazalaza azy io izy: “Ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany izy. Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita dia natsipy tany amin’ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo.” (Apokalypsy 20:12-14). Eritrereto ange izay dikan’izany e! Ny maty rehetra izay ao amin’ny fitadidian’Andriamanitra, dia hafahana avy ao amin’ny fiainan-tsy hita, na ny fasana falehan’ny olombelona. (Salamo 16:10; Asan’ny Apostoly 2:31). Avy eo “ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita” dia hatsipy ao amin’izay antsoina hoe “farihy afo”, izay sary mampiseho ny fandringanana mandrakizay. Tsy hisy intsony ilay fasana iombonan’ny olombelona rehetra.
Fanantenana tsy manam-paharoa!
20. Eo amin’ny karazana tontolo manodidina manao ahoana no hananganana ireo olona an-tapitrisany maro efa maty?
20 Rehefa hatsangana amin’ny maty ny olona an-tapitrisany maro, dia tsy ho tany foana iray akory no hamerenana azy ireo ho amin’ny fiainana. (Isaia 45:18). Hifoha ao anatin’ny tontolo manodidina namboarina ho tsara tarehy izy ireo ary hahita fa efa nisy trano fonenana sy fitafiana ary sakafo tondraka, nomanina ho azy ireo. (Salamo 67:6; 72:16; Isaia 65:21, 22). Iza no hanao izany fanomanana rehetra izany? Mazava fa tsy maintsy efa hisy olona hiaina amin’ilay tontolo vaovao, alohan’ny hanombohan’ny fitsanganana amin’ny maty eto an-tany. Iza anefa?
21, 22. Fanantenana tsy manam-paharoa inona no miandry an’ireo izay velona amin’ny “andro farany”?
21 Asehon’ny fahatanterahan’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly fa miaina amin’ny “andro farany” amin’ity fandehan-javatra ity isika ankehitriny.b (2 Timoty 3:1, NW ). Tsy ho ela intsony izao, dia hiditra an-tsehatra amin’ny raharahan’ny olombelona i Jehovah Andriamanitra, ka hanaisotra ny faharatsiana amin’ny tany. (Salamo 37:10, 11; Ohabolana 2:21, 22). Inona amin’izay fotoana izay no hitranga amin’ireo izay manompo an’Andriamanitra amim-pahatokiana?
22 Tsy handringana ny marina miaraka amin’ny ratsy fanahy i Jehovah. (Salamo 145:20). Tsy mbola nanao zavatra toy izany mihitsy izy, ary tsy hanao izany koa rehefa hanadio ny tany tsy hisy ny faharatsiana rehetra. (Ampitahao amin’ny Genesisy 18:22, 23, 26.) Raha ny marina, ny boky farany ao amin’ny Baiboly dia miresaka ny amin’ny “olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa ny fiteny”, izay avy tamin’ny “fahoriana lehibe”. (Apokalypsy 7:9-14). Eny, hisy olona sesehena ho tafita velona amin’ilay fahoriana lehibe hamarana ny tontolo ratsy ankehitriny, ka hiditra ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra. Ao dia ho afaka handray soa feno amin’ny fandaharana mahatalanjona ataon’Andriamanitra mba hanafahana ny olombelona amin’ny ota sy ny fahafatesana, ny olombelona mankato. (Apokalypsy 22:1, 2). Araka izany, dia tsy voatery handia fahafatesana intsony mihitsy ny “olona betsaka”. Izany ka fanantenana tsy manam-paharoa!
Fiainana tsy hisy fahafatesana
23, 24. Inona no tsy maintsy ataonao raha irinao ny hanana fiainana tsy hisy fahafatesana ao amin’ny Paradisa eto an-tany?
23 Afaka matoky izany fanantenana mahazendana izany ve isika? Eny tokoa! I Jesosy Kristy mihitsy no nilaza fa hisy fotoana izay hiainan’ny olona nefa tsy handiavany fahafatesana mihitsy. Taloha kelin’ny nananganany an’i Lazarosy sakaizany, dia nilaza toy izao tamin’i Marta i Jesosy: “Izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay.” — Jaona 11:26.
24 Maniry hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany ve ianao? Maniry fatratra ny hahita indray ireo havan-tianao ve ianao? “Mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay”, hoy ny apostoly Jaona. (1 Jaona 2:17). Izao no fotoana tokony hianarana ny sitrapon’Andriamanitra, ka hananana fahatapahan-kevitra ny hiaina mifanaraka amin’ny sitrapony. Amin’izay ianao, mbamin’ny olon-kafa an-tapitrisany maro efa manao ny sitrapon’Andriamanitra, dia ho afaka hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Na dia tsy miseho ao amin’ny Soratra Hebreo aza ny teny hoe “fitsanganana amin’ny maty”, dia ambara mazava kosa ao amin’ny Joba 14:13 sy ny Daniela 12:13 ary ny Hosea 13:14, ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty.
b Jereo ny Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania, pejy faha-98-107.
Tadidinao Ve?
◻ Inona no hevitra fototra fonosin’ireo teny tany am-boalohany nadika hoe “fanahy [âme]”?
◻ Inona no mitranga amin’ny fanahy (âme) eo amin’ny fahafatesana?
◻ Inona no fanafodin’ny fahafatesana, araka ny Baiboly?
◻ Inona no fanantenana tsy manam-paharoa miandry ireo olo-mahatoky amin’izao andro izao?
[Efajoro, pejy 15]
Ny Fanahy (âme) Amin’ny Maha Ain’ny Zavaboary Azy
Indraindray ny teny hoe “fanahy [âme]” dia manondro ny aina ananan’ny olona iray na ny biby iray. Izany akory tsy manova ny famaritan’ny Baiboly ny fanahy (âme) ho olona na biby. Indro misy ohatra: Milaza isika fa velona ny olona iray, ka ny tiana holazaina amin’izany dia hoe miaina izy. Azontsika atao koa ny milaza fa manana aina izy. Mitovy amin’izany koa fa ny olona miaina iray dia fanahy (âme). Raha mbola velona koa anefa izy, dia azo lazaina ho zavatra ananany ny “fanahy [âme]”.
Nilaza toy izao tamin’i Mosesy, ohatra, Andriamanitra: “Maty ny olona rehetra izay nitady ny [fanahinao (âme), NW ].” Mazava fa nitady handatsaka ny ain’i Mosesy ireo fahavalony. (Eksodosy 4:19; ampitahao amin’ny Josoa 9:24, NW; Ohabolana 12:10, NW.) Mitovy amin’izany ny fomba nampiasan’i Jesosy ilay teny, fony izy nilaza hoe: ‘Ny Zanak’olona dia tonga mba hanompo ka hanolotra ny [fanahiny (âme), NW ] ho avotra hisolo ny maro.’ (Matio 20:28; ampitahao amin’ny 10:28.) Amin’ny tsirairay amin’ireo, dia midika hoe “ain’ny zavaboary iray” ilay teny hoe ‘fanahy’.
[Sary, pejy 15]
Fanahy (“âme”) avokoa ireo rehetra ireo
[Sary nahazoan-dalana]
Soy: U.S. Fish and Wildlife Service, Washington, D.C./Dean Biggins
[Sary, pejy 17]
Nasehon’i Jesosy fa ny fitsanganana amin’ny maty no fanafodin’ny fahafatesana
[Sary, pejy 18]
“Izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay.” — Jaona 11:26