Aza Mitsahatra Mandroso
MOA ve ianao niezaka nitandrina ny tsirairay amin’ireo lafin-javatra ampianarina ato amin’ity fandaharana ity? Efa vitanao koa ve ireo fanazaran-tena anoroana hevitra ato? Ampiharinao ve ireny lafin-javatra tsirairay ireny rehefa manao anjara, ao amin’ny sekoly na amin’ny fivoriana hafa ianao, sy rehefa eny amin’ny fanompoana?
Manohiza mandray soa avy amin’ny fampianarana ao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana. Na hafiriana na hafiriana no efa nanaovanao anjara, dia misy lafiny azonao hatsaraina foana.