FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lv toko 16 p. 183-195
  • Tohero ny Devoly sy ny Teti-dratsiny

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tohero ny Devoly sy ny Teti-dratsiny
  • “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • “MANDEHANDEHA TAHAKA NY LIONA MIERONA” NY DEVOLY
  • ‘MITOLONA AMIN’NY FANAHY RATSY ISIKA’
  • MPAMADIKA IZAY REHETRA MAMPIASA HERIN’NY MAIZINA
  • ATAONY IZAY HAMPISALASALA ANTSIKA
  • HARARAOTINY NY ZAVATRA IRINTSIKA SY ILAINTSIKA
  • BE DIA BE NY TANTARA MOMBA NY DEMONIA
  • Avelao Hanampy Anao Hanohitra ny Fanahy Ratsy i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2019
  • Iza moa ny Devoly?
    Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?
  • Miambena Satria Te Handrapaka Anao i Satana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Tohero Ireo Hery Ara-panahy Ratsy
    Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
Hijery Hafa
“Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”
lv toko 16 p. 183-195
Lehilahy atao batisa ao anaty rano mandritra ny fivoriambe

TOKO 16

Tohero ny Devoly sy ny Teti-dratsiny

‘Tohero ny Devoly, dia handositra izy.’—JAKOBA 4:7.

1, 2. Iza avy no faly rehefa misy atao batisa?

AZO inoana fa efa imbetsaka ianao no nandre lahatenin’ny batisa tany amin’ny fivoriambe, raha efa ela ianao no nanompo an’i Jehovah. Mipetraka eny aloha foana ireo hatao batisa, ary azo inoana fa mihetsi-po foana ianao rehefa mitsangana izy ireo amin’ny faran’ilay lahateny. Ny mpanatrika hafa rehetra koa mientanentana erỳ, ary mitehaka mirefodrefotra avy eo. Mety ho latsa-dranomaso mihitsy ianao mieritreritra hoe miampy indray ireo olona mifidy ny hanompo an’i Jehovah. Faly be isika amin’ireny fotoana ireny!

2 Mety ho indroa na intelo isan-taona ihany anefa isika no mahita olona atao batisa, fa ny anjely kosa mahita an’izany imbetsaka. Mba eritrereto ange ny “fifaliana” tsapan’ny anjely “any an-danitra” e! Olona an’arivony isan-kerinandro no lasa anisan’ny fandaminan’i Jehovah. (Lioka 15:7, 10) Azo antoka fa faly be ny anjely mahita an’izany fitomboana izany!—Hagay 2:7.

“MANDEHANDEHA TAHAKA NY LIONA MIERONA” NY DEVOLY

3. Nahoana i Satana no mandehandeha “tahaka ny liona mierona”? Inona no tiany hatao?

3 Misy kosa anjely tezitra mafy rehefa mahita olona atao batisa. Tsy iza izany fa i Satana sy ny demonia. Romotra izy ireo mahita olona an’arivony miala amin’ity tontolo ratsy ity. Nirehareha erỳ mantsy i Satana nilaza fa tsy misy olona manompo an’i Jehovah noho ny fitiavana, ary hivadika daholo isika rehefa tojo fitsapana mafy. (Vakio ny Joba 2:4, 5.) Voaporofo anefa hoe diso i Satana, isaky ny misy olona atosiky ny fony hanokan-tena ho an’i Jehovah. Toy ny hoe voafelaka tehamaina in’arivony izy isan-kerinandro. Tsy mahagaga àry raha “mandehandeha tahaka ny liona mierona, mitady olona harapaka” izy! (1 Petera 5:8) Te handrapaka antsika io “liona” io, izany hoe tiany tsy hifandray tsara amin’Andriamanitra isika na tsy hifandray aminy intsony mihitsy.—Salamo 7:1, 2; 2 Timoty 3:12.

Isaky ny misy olona manokan-tena ho an’i Jehovah sy atao batisa, dia voaporofo hoe diso i Satana

4, 5. a) Inona no antony lehibe roa ilazantsika fa nasian’i Jehovah fetrany ny herin’i Satana? b) Inona no toky ananan’ny Kristianina?

4 Tsy tokony hatahotra anefa isika, na dia masiaka be aza ny fahavalontsika. Nasian’i Jehovah fetrany mantsy ny herin’io “liona mierona” io. Nahoana isika no milaza an’izany? Voalohany, satria efa nilaza i Jehovah fa hisy “vahoaka be” ho tafavoaka velona amin’ny “fahoriana lehibe.” (Apokalypsy 7:9, 14) Tsy maintsy tanteraka foana anefa ny faminaniany. Fantatr’i Satana àry fa tsy ho vitany mihitsy ny hamitaka ny vahoakan’Andriamanitra rehetra.

5 Hitantsika amin’ny tenin’i Azaria mpaminany tsy nivadika ny antony faharoa. Hoy izy tamin’i Asa Mpanjaka: “Momba anareo foana i Jehovah, raha momba azy ianareo.” (2 Tantara 15:2; vakio ny 1 Korintianina 10:13.) Asehon’ny ohatra maro tamin’ny lasa fa tsy vitan’i Satana mihitsy ny nandrapaka an’izay rehetra nifandray akaiky tamin’Andriamanitra. (Hebreo 11:4-40) Ho afaka hanohitra an’i Satana àry ny Kristianina ankehitriny, raha mifandray akaiky amin’Andriamanitra foana. Ho afaka handresy azy mihitsy aza izy ireo. Manome toky ny Baiboly hoe: ‘Tohero ny Devoly, dia handositra anareo izy.’—Jakoba 4:7.

‘MITOLONA AMIN’NY FANAHY RATSY ISIKA’

6. Inona no ataon’i Satana mba hahafahany handrapaka antsika?

6 Tsy ho resin’i Satana mihitsy ny vahoakan’Andriamanitra rehetra, nefa mety hisy ho voany ihany raha tsy mailo. Fantany fa afaka mandrapaka antsika izy, raha vitany ny mitaona antsika tsy hifandray tsara amin’i Jehovah. Ahoana no ataony? Mamely mafy izy, manafika ny isam-batan’olona, ary mampiasa hafetsena. Hodinihintsika ireo tetika tena fampiasany ireo.

7. Nahoana i Satana no mamely mafy ny vahoakan’i Jehovah?

7 Mamely mafy izy. Hoy ny apostoly Jaona: ‘Eo ambany fahefan’ilay ratsy izao tontolo izao manontolo.’ (1 Jaona 5:19) Fampitandremana ho an’ny tena Kristianina rehetra izany. Efa an’i Satana ny ratsy fanahy eo amin’izao tontolo izao, ka ireo mbola tsy azony no ifantohany sy asiany mafy. Tsy iza izany fa ny vahoakan’i Jehovah. (Mika 4:1; Jaona 15:19; Apokalypsy 12:12, 17) Tezitra mafy izy satria fantany fa fohy ny fotoana ananany. Vao mainka àry izy manery antsika hivadika. Manao izay ho afany faramparany mihitsy izy izao, ka mandravarava.

8. Inona no tian’ny apostoly Paoly holazaina tamin’ilay hoe “mitolona” amin’ny fanahy ratsy ny Kristianina?

8 Tafihiny ny isam-batan’olona. Nampitandrina ny apostoly Paoly hoe: ‘Mitolona amin’ireo fanahy ratsy any amin’ny faritry ny lanitra isika.’ (Efesianina 6:12) Nahoana izy no nilaza hoe “mitolona”? Ady ataon’ny olona mifampitazona ny tolona. Nasongadin’i Paoly àry fa ny isam-batan’olona mihitsy no mila miady amin’ny fanahy ratsy. Na mino ny fisian’ny fanahy ratsy ny olona ao amin’ny tanintsika na tsia, dia tsy tokony hohadinointsika mihitsy fa manomboka mitolona amin’ny fahavalo isika rehefa manokan-tena ho an’i Jehovah. Tsy afa-miala amin’ilay ady àry ny Kristianina tsirairay, indrindra aorian’ny nanokanany tena ho an’Andriamanitra. Tsy mahagaga raha intelo i Paoly no nampirisika ny Kristianina tany Efesosy mba ho “mafy orina.”—Efesianina 6:11, 13, 14.

9. a) Nahoana i Satana sy ny demonia no mampiasa ‘teti-dratsy’ maro? b) Nahoana i Satana no miezaka manimba ny fomba fisainantsika? Ahoana no hanoherana an’izany? (Jereo ilay efajoro hoe “Tandremo fa Fetsy i Satana!”) d) Teti-dratsy inona no hodinihintsika?

9 Mampiasa hafetsena izy. Nampirisika ny Kristianina i Paoly mba ho mafy orina sy hanohitra ny “teti-dratsin’ny Devoly.” (Efesianina 6:11) Teny milaza maro ilay nampiasain’i Paoly eo. Tsy teti-dratsy tokana àry no ampiasain’ireo fanahy ratsy, fa maro. Nahatohitra karazam-pitsapana iray mantsy ny Kristianina sasany, fa lavo kosa tatỳ aoriana rehefa tojo fitsapana hafa. Mandinika akaiky ny fihetsitsika tsirairay àry ny Devoly sy ny demonia, mba hahitany hoe inona no fahalementsika. Manararaotra an’izany izy mba hanimbana ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra. Soa ihany anefa fa azo fantarina ny ankamaroan’ny fomba fiasan’ny Devoly, satria aharihary ao amin’ny Baiboly. (2 Korintianina 2:11) Anisan’ny tetikadiny efa noresahintsika, ohatra, ny fitiavan-karena, naman-dratsy, ary ny fitondran-tena maloto. Hodinihintsika kosa izao ny teti-dratsy hafa ampiasainy, dia ny herin’ny maizina.

MPAMADIKA IZAY REHETRA MAMPIASA HERIN’NY MAIZINA

10. a) Inona avy no anisan’ny fampiasana herin’ny maizina? b) Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny fampiasana herin’ny maizina? Ahoana no fiheveranao azy io?

10 Mifandray mivantana amin’ny fanahy ratsy ny olona mampiasa herin’ny maizina. Anisan’izany ny olona manao sikidy, milalao ody, milaza ozona famosaviana, ary manontany amin’ny maty. Fantatsika tsara fa “maharikoriko” an’i Jehovah ny fampiasana herin’ny maizina. (Deoteronomia 18:10-12; Apokalypsy 21:8) Tsy maintsy ‘mankahala ny ratsy’ koa isika, ka tsy isika mihitsy no hifandray amin’ny fanahy ratsy. (Romanina 12:9) Mivadika amin’i Jehovah Raintsika any an-danitra isika, raha manao izany zavatra maharikoriko izany!

11. Nahoana no mahazo fandresena lehibe i Satana raha mahatarika antsika hampiasa herin’ny maizina? Hazavao amin’ny ohatra.

11 Ataon’i Satana izay hitaomana ny sasany amintsika hampiasa herin’ny maizina, satria tena mivadika amin’i Jehovah izay manao an’izany. Mahazo fandresena lehibe izy isaky ny mahatarika Kristianina iray hifandray amin’ny demonia. Nahoana? Raha misy, ohatra, miaramila voataona hiala an-daharana, ka mamadika ny tafika misy azy ary miaraka amin’ny tafika fahavalo, dia ho faly tokoa ny mpitari-tafika fahavalo. Mety haderaderany toy ny amboaram-pandresena mihitsy aza ilay nivadika, mba hahatezitra an’ilay mpitari-tafika niarahan’izy io taloha. Toy izany koa fa miala an-kitsirano amin’i Jehovah ny Kristianina, raha lasa mampiasa herin’ny maizina ary manolo-tena ho eo ambany fahefan’i Satana. Ho faly be i Satana hampideradera azy toy ny amboaram-pandresena! Isika ve dia te hanome fandresena toy izany ho an’ny Devoly? Mazava ho azy fa tsia! Tsy mpamadika isika.

ATAONY IZAY HAMPISALASALA ANTSIKA

12. Ahoana no ataon’i Satana mba hanovana ny fiheverantsika ny herin’ny maizina?

12 Tsy hahatarika antsika hampiasa herin’ny maizina i Satana, raha mankahala an’izany isika. Fantany àry fa tsy maintsy manova ny fomba fisainantsika izy. Ahoana no anaovany an’izany? Ataony izay hahatonga ny Kristianina hihevitra ‘ny tsara ho ratsy sy ny ratsy ho tsara.’ (Isaia 5:20) Fomba fiasa efa nahomby hatry ny ela no ampiasainy matetika: Ataony izay hampisalasala antsika.

13. Ahoana no nataon’i Satana mba hahatonga ny olona sasany hisalasala?

13 Efa nampiasa an’io fomba fiasa io izy taloha. Hoy izy tamin’i Eva tao Edena: “Marina tokoa ve fa niteny taminareo Andriamanitra hoe tsy tokony hihinananareo ny voan’ny hazo rehetra ato amin’ny zaridaina?” Hoy koa izy tamin’ny andron’i Joba, rehefa nivory tany an-danitra ny anjely: “Hatahotra an’Andriamanitra ve i Joba raha tsy misy tombontsoany ao?” Ary rehefa nanomboka ny fanompoany teto an-tany i Jesosy, dia hoy i Satana taminy: “Raha zanak’Andriamanitra ianao, dia teneno ho tonga mofo ireto vato ireto.” Tena sahy tokoa i Satana! Hoatran’ny te hilaza mantsy izy fa tsy marina ilay tenin’i Jehovah, iray volana sy tapany talohan’izay, hoe: “Io no Zanako malalako, izay sitrako.”—Genesisy 3:1; Joba 1:9; Matio 3:17; 4:3.

14. a) Inona no ataon’i Satana mba hahatonga ny olona hampiasa herin’ny maizina? b) Inona no hodinihintsika izao?

14 Mbola mampiasa an’io tetikady io ny Devoly ankehitriny. Ataony, ohatra, izay hahatonga ny olona hisalasala raha tena ratsy ny mampiasa herin’ny maizina. Mampalahelo fa mahomby izy. Na ny Kristianina sasany aza lasa misalasala raha mampidi-doza tokoa ny karazany sasany amin’ny fampiasana herin’ny maizina. (2 Korintianina 11:3) Ahoana no hanampiana azy ireo hanitsy ny fomba fiheviny? Inona no atao mba ho azo antoka fa tsy hisy vokany eo amintsika ny tetikadin’i Satana? Mba hamaliana an’izany, dia andeha isika hiresaka momba ny fialam-boly sy ny fitsaboana. Tena fetsy mantsy i Satana, ka vitany ny mampifangaro an’ireo amin’ny herin’ny maizina.

HARARAOTINY NY ZAVATRA IRINTSIKA SY ILAINTSIKA

15. a) Ahoana no fiheveran’ny olona maro any Eoropa sy Amerika Avaratra ny herin’ny maizina? b) Nifindra tamin’ny Kristianina ve ny fomba fihevitr’ity tontolo ity?

15 Heverin’ny olona ho tsy mampidi-doza ny asan’ny maizina, sy ny filalaovana ody, ary ny toy izany, indrindra fa any Eoropa sy Amerika Avaratra. Mihabetsaka koa ny filma, boky, fandaharan’ny tele, ary lalao video ahitana fifandraisana amin’ny demonia. Aseho ho toy ny zavatra mahafinaritra na misy hakingan-tsaina na tsy mampaninona izy ireny. Lasa be mpitia ny filma sy boky sasany toy izany. Vitan’ny demonia àry ny mampino ny olona fa tsy dia mampidi-doza ny asan’ny maizina. Nifindra tamin’ny Kristianina ve izany fomba fihevitra izany? Izany tokoa! Izao, ohatra, no nolazain’ny Kristianina iray avy nijery filma tsy miresaka afa-tsy asan’ny maizina: “Nijery an’ilay filma fotsiny aho, fa tsy nanao asan’ny maizina.” Nahoana no mampidi-doza izany fomba fihevitra izany?

16. Nahoana no mampidi-doza ny mifidy fialam-boly manasongadina asan’ny maizina?

16 Marina fa tsy mitovy ny hoe mampiasa herin’ny maizina sy ny hoe mijery an’izany. Mampidi-doza anefa na ny mijery fotsiny aza. Nahoana? Eritrereto izao: Asehon’ny Baiboly fa tsy mahay mamantatra ny eritreritsika i Satana sy ny demonia.a Inona anefa no ataony mba hahalalana izay eritreretintsika sy hahitana izay fahalementsika? Dinihiny akaiky ny zavatra ataontsika, anisan’izany ny fialam-boly fidintsika. Mampita hafatra amin’ny demonia àry ny Kristianina iray, raha hita fa tia filma na boky misy tantarana mpamoha angatra, na mpamosavy, na olona misy demonia, na ny toy izany. Izy mihitsy amin’izay no mampahafantatra ny fahalemeny! Mety hanamafy ny tolona ataony amin’io Kristianina io ny demonia, mba hanararaotana an’ilay fahalemena, mandra-pandresin’izy ireo azy tanteraka. Nanao fialam-boly manasongadina asan’ny maizina ny olona sasany, ka lasa liana tamin’izany ary nampiasa herin’ny maizina mihitsy tamin’ny farany.—Vakio ny Galatianina 6:7.

Vehivavy mivavaka

Mangataha fanampiana amin’i Jehovah, rehefa marary

17. Inona no teti-dratsy ampiasain’i Satana, rehefa misy Kristianina marary?

17 Fantatr’i Satana koa fa mila mitsabo tena isika rehefa marary, ka hararaotiny izany. Mety ho kivy, ohatra, ny Kristianina iray raha tsy mety sitrana, na dia efa niala nenina nitsabo aza. (Marka 5:25, 26) Mety hanararaotra an’izany i Satana sy ny demonia. Mety hataon’ny demonia izay hahatonga an’ilay Kristianina hamoy fo, ka hanaraka fitsaboana mifandray amin’ny “herin’ny maizina.” (Isaia 1:13) Tena misy vokany ratsy anefa izany. Hanimba ny fifandraisan’ilay Kristianina amin’Andriamanitra io teti-dratsin’ny demonia io, raha mahomby. Amin’ny fomba ahoana?

18. Inona avy no fomba fitsaboana tsy eken’ny Kristianina, ary nahoana?

18 Nampitandrina an’ireo Israelita nampiasa “herin’ny maizina” i Jehovah hoe: “Rehefa mamelatra ny tananareo ianareo, dia tampenako tsy hijery anareo ny masoko. Na manao vavaka maro aza ianareo, dia tsy hihaino aho.” (Isaia 1:15) Tsy tiantsika mihitsy ny hanao zavatra mety hanakana ny vavaka ataontsika, na hampihena ny fanampian’i Jehovah antsika, indrindra fa rehefa marary isika. (Salamo 41:3) Raha fantatra àry fa mety hisy ifandraisany amin’ny herin’ny maizina ny fomba fizahana aretina na fomba fitsaboana iray, dia tsy tokony hanaiky an’izany ny tena Kristianina.b (Matio 6:13) Ho azony antoka amin’izay fa hanampy azy foana i Jehovah.—Jereo ilay efajoro hoe “Tena Herin’ny Maizina ve Izany?”

TENA HERIN’NY MAIZINA VE IZANY?

Toro lalana: “Miharihary ny asan’ny nofo, dia ... filalaovana ody, ... fisaratsarahana, sekta ... Tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra izay mpanao an’ireo.”—Galatianina 5:19-21.

Fanontaniana mila eritreretinao

  • Sao dia misy mifandray amin’ny zavatra inoan’ny fivavahan-diso ny fombafomba arahiko?—2 Korintianina 6:16, 17.

  • Mampiasa zavatra mifandray mivantana amin’ny herin’ny maizina ve aho?—Asan’ny Apostoly 19:19.

  • Mifangaro herin’ny maizina ve ny fitsaboana eritreretiko hatao?—Levitikosy 19:26.

BE DIA BE NY TANTARA MOMBA NY DEMONIA

19. a) Ahoana no fiheveran’ny olona maro ny herin’ny Devoly? b) Inona no tsy tokony hotantarain’ny Kristianina?

19 Raha tsy dia mino ny herin’i Satana ny any Eoropa sy Amerika Avaratra, dia mifanohitra amin’izany kosa ny any an-tany hafa. Maro no voafitaky ny Devoly, ka mihevitra azy ho mahery be tsy araka ny tena izy akory. Misy matahotra fanahy ratsy foana, na rehefa misakafo na miasa na matory. Be dia be koa ny tantara momba ny zava-mahagaga ataon’ny demonia. Faly erỳ ny olona matetika mitantara azy ireny, ary ny hafa indray liana be amin’ilay izy. Tokony hitantara zavatra toy izany ve isika? Tsia. Misy antony lehibe roa tsy anaovantsika an’izany.

20. Ahoana no mety hahatonga ny olona iray hanao fampielezan-kevitra ho an’i Satana, na tsy fanahy iniany aza?

20 Voalohany, manampy an’i Satana isika raha mampiely tantara momba ny zava-bitan’ny demonia. Nahoana? Marina fa milaza ny Tenin’Andriamanitra hoe mahavita fahagagana i Satana. Mampitandrina koa anefa izy io fa mampiasa ‘famantarana mandainga’ sy “famitahana” izy. (2 Tesalonianina 2:9, 10) Tena mahay mamitaka i Satana, ka hainy ny mamolavola ny sain’ny olona liana amin’ny herin’ny maizina sy ny mampino azy zavatra tsy marina. Mety hino amim-pahatsorana àry ireny olona ireny fa tena nahita na nandre zavatra, ka mety hitantara an’izany. Mitatra koa ireny tantara ireny rehefa miampitampita. Raha mampiely tantara toy izany ny Kristianina, dia toy ny manao ny sitrapon’ny Devoly, ilay “rain’ny lainga.” Manao fampielezan-kevitra ho an’i Satana izy amin’izany.—Jaona 8:44; 2 Timoty 2:16.

21. Inona no tena resahintsika?

21 Faharoa, tokony hifantoka amin’i Jesosy isika fa tsy amin’i Satana. Mampirisika antsika mantsy ny Hebreo 12:2 hoe: ‘Banjino tsara ilay Mpitarika Lehibe Indrindra sy Mpandavorary ny finoantsika, dia i Jesosy.’ Marina fa afaka nitantara zavatra betsaka momba an’izay mety ho vitan’i Satana sy izay tsy ho vitany i Jesosy. Tsy nitantara momba ny fanahy ratsy anefa izy mba hampiala voly ny mpianany. Tsy hanao toy izany koa àry ny Kristianina, na dia tena nahita na nandre fanahy ratsy aza taloha. Ny hafatra momba ilay Fanjakana no nifantohan’i Jesosy. Manahaka azy sy ny apostoly isika, ka “ny asa lehibe nataon’Andriamanitra” no tena resahintsika.—Asan’ny Apostoly 2:11; Lioka 8:1; Romanina 1:11, 12.

22. Inona no tokony hataontsika foana mba hisy ‘fifaliana any an-danitra’?

22 Mampiasa teti-dratsy maro hanimbana ny fifandraisantsika amin’i Jehovah i Satana, anisan’izany ny herin’ny maizina. Raha mankahala ny ratsy anefa isika ary mifikitra amin’ny tsara, dia tsy ho voataonan’ny Devoly mihitsy. Tapa-kevitra isika hoe hanalavitra foana an’izay rehetra misy ifandraisany amin’ny herin’ny maizina. (Vakio ny Efesianina 4:27.) Hisy “fifaliana” lehibe “any an-danitra”, raha miezaka foana isika ‘hanohitra ny teti-dratsin’ny Devoly’ mandra-pandringana azy!—Lioka 15:7; Efesianina 6:11.

a Tsy mahay mandinika ny fontsika sy ny saintsika i Satana, na dia antsoina hoe Mpanohitra, Mpanendrikendrika, Mpamitaka, Mpaka fanahy, ary Mpandainga aza. I Jehovah kosa no lazaina hoe “mpandinika ny fo”, ary i Jesosy no “mandinika ny voa sy ny fo.”—Ohabolana 17:3; Apokalypsy 2:23.

b Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ilay hoe “Fizaham-pahasalamana Iray ho Anao Ve?”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Desambra 1994, pejy 19-22, sy ilay hoe “Ny Fiheveran’ny Baiboly—Zava-dehibe ve ny Fitsaboana Fidinao?”, ao amin’ny Mifohaza! 8 Janoary 2001.

TANDREMO FA FETSY I SATANA!

Tena mahay mamitaka i Satana, ary efa hatry ny ela izy no “manajamba ny sain’ny tsy mino.” (2 Korintianina 4:4) Ataony foana izay hanimbana ny fomba fisainan’ny mpivavaka amin’Andriamanitra. Nahoana? Satria fantany fa misy vokany eo amin’izay ataontsika ny fomba fisainantsika. Fantany koa fa ho vitany ny hampanao ratsy antsika, raha vitany ny manova ny fomba fisainantsika.—Jakoba 1:14, 15.

Tadidio ny fomba namitahany an’i Eva. Hoy ny apostoly Paoly: ‘Matahotra aho sao ny sainareo ho simba hiala amin’i Kristy, tahaka ny nitaoman’ny menarana an’i Eva tamin-kafetsena.’ (2 Korintianina 11:3) Nampiasa menarana i Satana mba hitaomana an’i Eva hanao zavatra mampidi-doza. Niezaka nanimba ny fomba fisainan’i Eva izy. Nahomby ilay tetika satria nihaino azy i Eva, ka niova ny fomba fiheviny ary nanjary nahafinaritra azy ilay zavatra voarara. Vao simba ny fomba fisainany, dia lasa mora nanota izy.—Genesisy 3:1-6; Apokalypsy 12:9.

Tsy niova i Satana. Tsy niova koa ilay fomba fiasany hoe: Simbana fotsiny ny fomba fisainan’ny olona dia hanota ho azy izy. Nataon’i Satana hampielezana ny heviny ny politika, ny fivavahana, ny varotra, ary ny fialam-boly eto amin’ity tontolo ity. (Jaona 14:30) Vitany ny nanova ny toe-tsain’ny ankamaroan’ny olona sy ny fomba fiheviny. Manjary ekena, ary mahafinaritra mihitsy aza, ny fanao izay noheverina ho fahotana, anisan’izany ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy, ny manao tokantranomaso, ary ny miteraka nefa tsy mpivady ara-dalàna. Be dia be ve ny olona voafitak’i Satana? Hoy ny Baiboly: ‘Eo ambany fahefan’ilay ratsy izao tontolo izao manontolo.’—1 Jaona 5:19.

Tsy vita fanefitra amin’ny asan’i Satana isika Kristianina. (1 Korintianina 10:12) Fantany fa fohy ny fotoana ananany ka “tezitra mafy” izy, ary ny hamitaka ny vahoakan’Andriamanitra no tena tanjony. (Apokalypsy 12:12) Raha tsy mitandrina isika, dia mety hanimba ny fomba fisainantsika sy hitaona antsika hanota ny fampielezan-kevitra an-kolaka ataon’i Satana sy ireo “mpamitaka” ampiasainy.—Titosy 1:10.

Eritrereto ange ny fiheveran’ity tontolo ity ny fanambadiana e! Milaza ny Baiboly fa masina ny fanambadiana ary natao haharitra. (Matio 19:5, 6, 9) Matetika anefa ny filma sy ny fandaharan’ny tele no mampiseho hoe fifanarahana tsy maharitra sy azo ialana mora foana izy io. Mila mitandrina isika Kristianina sao hanimba ny fomba fisainantsika izany hevitra aelin’i Satana izany. Mety hanova ny fomba fihevitsika mantsy izany raha tsy toherintsika, ka tsy ho zava-dehibe amintsika intsony ny voady nataontsika. Rehefa misy olana ao an-tokantrano, dia mety halaim-panahy isika hitady olon-kafa azo ianteherana sy mahatakatra ny manjo antsika. Tsy ela dia iny tokoa fa misy olona toa manome an’ilay fitiavana ilaintsika, ary angamba mpiara-miasa izy io na mpiray finoana. Mety ho voatarika hanota isika raha manaiky ho raiki-pitia aminy.

Fahita eto amin’ity tontolon’i Satana ity koa ny toe-tsain’ny olona tsy manaiky fahefana. Maro no “be di-doha” sy ‘mieboebo.’ (2 Timoty 3:4) Mety hiova ny fiheverantsika ny fanekena fahefana sy ny fankatoavana, raha mifindra amintsika izany toe-tsaina izany. Mety ho tezitra àry ny rahalahy manana toe-tsaina toy izany, rehefa mahazo torohevitra avy amin’ny anti-panahy. (Hebreo 12:5) Ny anabavy indray mety hisalasala raha mety ny nanaovan’Andriamanitra ny lehilahy ho lohan’ny vehivavy.—1 Korintianina 11:3.

Mankasitraka an’i Jehovah isika, noho izy mampitandrina antsika momba ny fomba fiasan’i Satana. (2 Korintianina 2:11) Enga anie isika tsy hamela ny hevitr’i Satana hiditra ao an-tsaintsika mihitsy. Mila ‘mampifantoka ny saintsika amin’ny zavatra any ambony’ foana isika, mba ho tian’Andriamanitra foana.—Kolosianina 3:2.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara