FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • jl lesona 7
  • Inona no Ataonay Rehefa Mivory?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Ataonay Rehefa Mivory?
  • Iza no Tena Manao ny Sitrapon’i Jehovah?
  • Mitovitovy Aminy
  • Faly Izahay Manasa Anao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Fivoriana ‘Mandrisika Hampiseho Fitiavana sy Hanao Asa Tsara’
    Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
  • Handray Soa Ianao Raha Miara-mivory Aminay
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Nahoana Isika no Tokony Hivory?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
Hijery Hafa
Iza no Tena Manao ny Sitrapon’i Jehovah?
jl lesona 7

LESONA 7

Inona no Ataonay Rehefa Mivory?

Vavolombelon’i Jehovah mivory, any Nouvelle-Zéland

Nouvelle-Zélande

Vavolombelon’i Jehovah mivory, any Japon

Japon

Ankizy vavolombelona mamaky Baiboly any Ogandà

Ogandà

Vavolombelona roa any Litoania manao fampisehoana ny fomba fitory

Litoania

Tsy nanao fombafomba ny Kristianina voalohany rehefa nivory fa nihira, nivavaka, ary namaky sy nandinika ny Baiboly. (1 Korintianina 14:26) Toy izany koa no ataonay.

Mahazo torohevitra ara-baiboly izahay any. Mihaino lahateny ara-baiboly (30 minitra) ny fiangonana tsirairay, isaky ny faran’ny herinandro. Ahazoana torohevitra ilay izy sady miresaka momba ny fiainana amin’izao. Manaraka ao amin’ny Baibolinay izahay rehefa misy andinin-teny vakina. Aorian’izay no atao ny Fianarana “Ny Tilikambo Fiambenana” (adiny iray), ary lahatsoratra iray no ianarana. Mametraka fanontaniana ny mpitarika ka afaka mamaly ny mpanatrika. Manampy anay hampihatra ny torohevitry ny Baiboly izany. Mitovy ny lahatsoratra ianaran’ny fiangonana 110 000 mahery eran-tany isan-kerinandro.

Ampiana hahay hampianatra Baiboly kokoa izahay any. Mivory indray mandeha koa izahay amin’ny andavanandro, fa hariva. Antsoina hoe Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana ilay fivoriana. Ilay hoe Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana no ampiasaina amin’izany. Mivoaka isam-bolana izy io. Mizara telo ilay fivoriana. Voalohany, ny Harena avy ao Amin’ny Tenin’Andriamanitra. Toko vitsivitsy ao amin’ny Baiboly efa novakin’ny mpanatrika mialoha no dinihina. Manampy anay hahay kokoa ny Soratra Masina izany. Faharoa, ny Fampiofanana Amin’ny Fanompoana. Misy fampisehoana mahakasika ny fomba hiresahana Baiboly amin’ny olona amin’izy io. Misy torohevitra omena avy eo mba hanatsarana ny vakiteny sy ny fahaizana miresaka. (1 Timoty 4:13) Farany, Ny Fiainantsika Kristianina. Dinihina amin’izany hoe ahoana no hampiharana ny toro lalan’ny Baiboly. Mametraka fanontaniana ny mpitarika azy io, ary afaka mamaly ny mpanatrika. Manampy anay hahazo kokoa izay lazain’ny Baiboly izany.

Azo antoka fa ho gaga ianao raha manatrika ny fivorianay, satria tena tsara ny zavatra hianaranao any.—Isaia 54:13.

  • Inona no ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa mivory?

  • Iza amin’ireo fivoriana ireo no tianao hatrehina amin’ny manaraka?

IEZAHO ATAO IZAO

Vakio mialoha ny boky sasany hodinihina amin’ny fivoriana manaraka. Jereo izay hitanao hoe azo ampiharina eo amin’ny fiainanao.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara