TOKO 7
Fivoriana ‘Mandrisika Hampiseho Fitiavana sy Hanao Asa Tsara’
EFA taonjato maro izay ny vahoakan’i Jehovah no niara-nivory, ary voalamina tsara izany. Nisy fety lehibe telo, ohatra, tany Israely fahiny, ka nankany Jerosalema foana ny lehilahy israelita rehetra isaky ny tonga ireo fotoana ireo. (Deot. 16:16) Niara-nivory tsy tapaka koa ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, ary natao tany an-tranon’olona izany matetika. (Filem. 1, 2) Miara-manatrika fivoriana sy fivoriambe koa isika ankehitriny. Nahoana àry ny mpanompon’Andriamanitra no miara-mivory? Satria tena zava-dehibe izany ary anisan’ny fanompoantsika an’Andriamanitra.—Sal. 95:6; Kol. 3:16.
2 Izao no nasaina nataon’ny Israelita fahiny, isaky ny Fetin’ny Trano Rantsankazo tamin’ny taona fahafito: “Vorio daholo ny vahoaka, dia ny lehilahy, ny vehivavy, ny ankizy, ary ny vahiny mipetraka ao an-tanànanareo. Dia amin’izay izy ireo hihaino sy hianatra momba an’i Jehovah Andriamanitrareo ary hatahotra azy, ka hanaraka tsara an’izay rehetra voalazan’ity Lalàna ity.” (Deot. 31:12) Hita avy amin’izany fa mandray soa izay manatrika an’ireny fivoriana ireny, satria ‘ampianarin’i Jehovah.’ (Isaia 54:13) Mahazo fampaherezana koa isika rehefa miara-mivory, sady afaka mifankahafantatra tsara.
FIVORIAN’NY FIANGONANA
3 Niara-nivory ‘tao amin’ny tempoly isan’andro’ ny mpianatra, taorian’ny Pentekosta taona 33. “Niray saina” izy ireo ary nifantoka tamin’ny fampianaran’ny apostoly. (Asa. 2:42, 46) Ny Kristianina tatỳ aoriana indray namaky ny Soratra Masina rehefa nivory. Anisan’ny novakin’izy ireo ny taratasy nosoratan’ny apostoly sy ny mpianatra hafa. (1 Kor. 1:1, 2; Kol. 4:16; 1 Tes. 1:1; Jak. 1:1) Nisy vavaka natao koa nandritra ny fivorian’ny fiangonana. (Asa. 4:24-29; 20:36) Nisy fitantarana momba ny fitoriana nataon’ny misionera indraindray. (Asa. 11:5-18; 14:27, 28) Ankoatra izany, dia nandinika ny fampianaran’ny Baiboly sy ny fahatanterahan’ny faminaniana izy ireo. Nomena toromarika koa ny Kristianina hoe ahoana no tokony ho fitondran-tenany. Nampirisihina izy ireo mba hahafoy tena ho an’Andriamanitra sy hazoto hitory ny vaovao tsara.—Rom. 10:9, 10; 1 Kor. 11:23-26; 15:58; Efes. 5:1-33.
Mila mivory tsy tapaka isika amin’izao andro farany izao, mba hahazo fampaherezana
4 Atao toy ny tamin’ny andron’ny apostoly ny fivoriana kristianina ankehitriny. Arahintsika ny fampirisihana ao amin’ny Hebreo 10:24, 25 hoe: ‘Andao isika hifampiahy, ka tsy hahafoy ny fiarahantsika mivory, hoatran’ny sasany efa zatra tsy mivory, fa hifampahery kosa. Vao mainka tokony hanao an’izany isika, satria hitanareo fa mihamanakaiky ilay andro.’ Mila mivory tsy tapaka isika amin’izao andro farany tena sarotra izao, mba hahazoana fampaherezana. Hanana finoana matanjaka foana isika amin’izay, ary tsy hivadika amin’i Jehovah. (Rom. 1:11, 12) Ratsy fanahy sy tsy manao ny marina ny mpiara-belona amintsika. Tsy manahaka azy ireo anefa isika, fa mandà izay mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fanirian’izao tontolo izao. (Fil. 2:15, 16; Tit. 2:12-14) Tsy atakalontsika na inona na inona mihitsy ny hoe miaraka amin’ny vahoakan’i Jehovah. (Sal. 84:10) Aleontsika foana miara-mianatra ny Tenin’Andriamanitra, satria tsy misy mahasoa antsika noho izany. Andeha isika hamantatra bebe kokoa an’ireo karazana fivoriana alamin’ny fandaminana mba hahasoa antsika.
FIVORIANA AMIN’NY FARAN’NY HERINANDRO
5 Inona no atao amin’izany? Misy lahateny ara-baiboly amin’ny tapany voalohany. Natao manokana ho an’ny besinimaro izy io, izany hoe ny olona tsy Vavolombelona, anisan’izany ireo sambany vao mivory. Tena ilaina io lahateny io satria manampy ny rehetra hifandray tsara amin’Andriamanitra, na ny vaovao izany na ny mpitory eo anivon’ny fiangonana.—Asa. 18:4; 19:9, 10.
6 Nanao fivoriana ho an’ny besinimaro mitovitovy amin’ilay ataon’ny vahoakan’i Jehovah ankehitriny i Kristy Jesosy sy ny apostoly ary ny mpianatra hafa. I Jesosy no mpandahateny niavaka indrindra hatramin’izay. Hoy ny olona momba azy: “Mbola tsy nisy olona niteny hoatr’izany mihitsy.” (Jaona 7:46) Toy ny olona manana fahefana mantsy i Jesosy rehefa niteny, ka talanjona ny olona. (Mat. 7:28, 29) Nandray soa be dia be tokoa ireo nanaiky ny fampianarany. (Mat. 13:16, 17) Nanahaka azy ny apostoly, tatỳ aoriana. Tena nanohina ny fon’ireo nihaino azy, ohatra, ny lahateny nataon’i Petera tamin’ny Pentekosta taona 33, ka an’arivony no nampihatra izay nolazainy. (Asa. 2:14-36) Olona maro koa no lasa mpino rehefa avy nandre ny lahateny nataon’i Paoly tany Atena.—Asa. 17:22-34.
7 Tsy misy hafa amin’izany ankehitriny. Olona an-tapitrisany no mandray soa avy amin’ny lahateny ho an’ny besinimaro atao isan-kerinandro eo anivon’ny fiangonana, sy ireo lahateny atao any amin’ny fivoriambe. Manampy antsika hitadidy ny fampianaran’ny Baiboly ireny lahateny ireny, sady mandrisika antsika hanompo foana. Hanampy an’ireo olona liana sy ny olon-kafa hahafantatra izay ampianarin’ny Baiboly isika, raha manasa azy ireny hiara-mivory amintsika.
8 Misy isan-karazany ny foto-kevitra resahina mandritra ny lahateny ho an’ny besinimaro. Ao, ohatra, ny momba ny faminaniana, fampianaran’ny Baiboly, torolalan’ny Soratra Masina, fitondran-tena kristianina, ary ny torohevitra ho an’ny fianakaviana na ny mpivady na ny tanora. Ny lahateny hafa indray miresaka ny zavatra mahatalanjona noforonin’i Jehovah. Misy kosa manasongadina ny finoana sy herim-po ary tsy fivadihan’ireo mpanompon’i Jehovah fahiny, sady manazava hoe ahoana no hanahafantsika azy ireny.
9 Inona no tokony hataontsika, raha tiantsika ny handray soa avy amin’ny lahateny ho an’ny besinimaro? Mila mihaino tsara isika, mitady an’ireo andinin-teny voatonona, ary manaraka tsara rehefa vakina sy hazavaina izy ireny. (Lioka 8:18) Lasa fantatsika tsara ilay hevitra resahina amin’izay. Ho tadidintsika tsara koa ilay izy, ary ho azontsika ampiharina.—1 Tes. 5:21.
10 Azo antoka hoe hisy lahateny ho an’ny besinimaro foana isan-kerinandro, raha ampy ny mpandahateny. Mety hanasa mpandahateny avy amin’ny fiangonana manodidina ireo rahalahy indraindray. Atao anefa izay hisian’ny lahateny matetika araka izay azo atao, raha mbola tsy ampy ihany ny mpandahateny.
11 Ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana no atao amin’ny tapany faharoa amin’ny fivoriana amin’ny faran’ny herinandro. Lahatsoratra avy ao amin’ny gazety fianarana no dinihina amin’izy io amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Manome antsika sakafo ara-panahy amin’ny fotoana mety i Jehovah, amin’ny alalan’ny Tilikambo Fiambenana.
12 Matetika no hazavaina ao amin’ny lahatsoratra ianarana hoe ahoana no hampiharana ny torolalan’ny Baiboly eo amin’ny fiainana andavanandro. Tena ilain’ny Kristianina ireny lahatsoratra ireny, satria manampy azy hanohitra “ny toe-tsain’izao tontolo izao” sy ny fitondran-tena maloto. (1 Kor. 2:12) Hazavaina bebe kokoa ao amin’ny Tilikambo Fiambenana ireo fampianarana sy faminaniana ao amin’ny Baiboly. Manampy antsika haharaka ny fanazavana farany momba ny fahamarinana izany, sady hahatonga antsika hanaraka ny lalan’ny marina foana. (Sal. 97:11; Ohab. 4:18) Ho faly sy hanantena an’ilay tontolo vaovao nampanantenain’i Jehovah isika, raha manatrika ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana sady mandray anjara amin’izany. (Rom. 12:12; 2 Pet. 3:13) Vao mainka isika haniry hanompo an’i Jehovah foana raha manao izany, sady hiezaka hanana ny vokatry ny fanahy. (Gal. 5:22, 23) Ho vonona hiaritra fitsapana koa isika amin’izay, ka hanana “fototra tsara ho amin’ny hoavy” ary “hifikitra mafy amin’ny tena fiainana.”—1 Tim. 6:19; 1 Pet. 1:6, 7.
13 Inona no azonao atao, raha tianao ny handray soa avy amin’io fandaharana io? Omano mialoha ilay lahatsoratra hianarana. Azonao atao miaraka amin’ny fianakaviana izany, na ataonao samirery. Jereo ireo andinin-teny voatonona, ary ataovy amin’ny fomba fiteninao ny valin-teninao. Ho latsa-paka ao am-ponao ny fahamarinana amin’izay. Handray soa ianao isan-kerinandro rehefa mihaino ny valin-tenin’ny hafa, ary izy ireo koa handray soa rehefa mandre anao mampiseho ny finoanao.
FIVORIANA ANDAVANANDRO
14 Mbola manao fivoriana hafa ny fiangonana, isan-kerinandro. Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana no iantsoana azy. Misy fizarana telo izy io, ary natao hanampiana antsika mpanompon’Andriamanitra “hahay an’ilay asa” nankinina tamintsika. (2 Kor. 3:5, 6) Ao amin’ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana no ahitana ny fandaharana sy ny lahatsoratra dinihina ary ny hevitra azo resahina eny amin’ny fanompoana. Mivoaka isam-bolana izy io, ary azo antsoina hoe Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana.
15 Antsoina hoe “Harena avy ao Amin’ny Tenin’Andriamanitra” ny fizarana voalohany amin’io fivoriana io. Hanampy antsika hahazo kokoa ny fitantarana ao amin’ny Baiboly izy io, ary hanoro antsika ny zavatra azo ampiharina. Hampiasaina amin’izany ireo sary sy fampiasana ao amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana. Misy lahateny, vakiteny, ary fiaraha-midinika momba ny famakiana Baiboly isan-kerinandro ao amin’io fivoriana io. Hahasoa antsika eo amin’ny fiainana izany fandalinana ny Baiboly izany, sady hanampy antsika hahay hampianatra kokoa. Amin’izay isika mba “ho tena mahay sy ho ampy fitaovana tsara hanaovana ny asa tsara rehetra.”—2 Tim. 3:16, 17.
16 Natao mba hahafahan’ny rehetra manao fanazaran-tena amin’ny fanompoana sy manatsara ny fahaizany mitory sy mampianatra ilay fizarana faharoa hoe “Fampiofanana Amin’ny Fanompoana.” Ankoatra ny anjaran’ny mpianatra, dia misy video ahitana ny hevitra azo resahina koa hodinihina amin’izy io. ‘Hampianatra ny lelantsika hahay hiteny’ io fandaharam-pivoriana io, mba ‘hahafantarantsika an’izay tokony holazaina amin’ny olona reraka.’—Isaia 50:4.
17 Antsoina hoe “Ny Fiainantsika Kristianina” ny fizarana fahatelo amin’ilay fivoriana. Hodinihina amin’izany ny fomba hampiharana ny torolalan’ny Baiboly eo amin’ny fiainana. (Sal. 119:105) Ny Fianarana Baiboly Ataon’ny Fiangonana no fandaharana lehibe indrindra amin’izy io, izay misy fanontaniana sy valiny toy ny amin’ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana.
18 Handinika tsara ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana ny mpiandraikitra ny Fivoriana Momba ny Fiainantsika sy ny Fanompoana na izay anti-panahy manampy azy, rehefa voarainy izy io. Avy eo izy manao ny fandaharana, izay ahitana ny anaran’ireo manana anjara sy ny anjaran’ny tsirairay. Anti-panahy iray mahay mampianatra sy neken’ny anti-panahy rehetra no ho mpitari-draharaha amin’io fivoriana io isan-kerinandro. Anisan’ny andraikitry ny mpitari-draharaha ny manome teny fiderana sy torohevitra an’ireo mpianatra manana anjara. Hataony azo antoka koa hoe manomboka sy mifarana ara-potoana ilay fivoriana.
19 Inona ny soa horaisintsika raha manomana sy manatrika ary mandray anjara amin’ny Fivoriana Momba ny Fiainantsika sy ny Fanompoana isika? Hahalala ny Soratra Masina isika, hahatakatra ny torolalan’ny Baiboly, hatoky tena rehefa mitory, ary ho havanana amin’ny fanaovana mpianatra. Handray soa koa ireo mbola tsy vita batisa, rehefa mifanerasera amin’ireo Kristianina be fitiavana sady manaraka an’ireo fiaraha-midinika mampahery. Hanampy antsika hanomana an’io fivoriana io sy ny fivoriana hafa ny Watchtower Library, ny FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny Internet, ny JW Library®, ary ny fitehirizam-bokin’ny Efitrano Fanjakana. Inona avy no tsara hananana ao amin’izy io, raha misy? Ireo boky na gazety navoakan’ny fandaminana, Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah, Baiboly fandikan-teny maromaro, fizahan-teny, rakibolana, ary loharanon-kevitra mahasoa hafa. Azon’ny rehetra ampiasaina izy io, aloha na aorian’ny fivoriana.
FIVORIANA ALOHAN’NY FANOMPOANA
20 Manao fivoriana alohan’ny fanompoana ny mpitory vitsivitsy amin’ny andavanandro, na rehefa faran’ny herinandro. Tsy maharitra ela ilay fivoriana, ary matetika no atao any an-tranon’olona na any amin’ny Efitrano Fanjakana na any an-toeran-kafa mety hanaovana an’izany. Azo atao any amin’ny toerana maromaro ao amin’ny faritany ny fivoriana alohan’ny fanompoana, ka mpitory vitsivitsy isaky ny andia-mpitory no miara-manao izany. Mety tsy ho sarotra amin’ny mpitory amin’izay ny mamonjy an’ilay fivoriana sy ny faritany itoriana. Tsy handany fotoana be koa ny mizara ny mpitory ary afaka mankeny amin’ny faritany avy hatrany izy ireo avy eo. Ho afaka hanampy tsara ny mpitory tsirairay ao amin’ny andia-mpitoriny koa ny mpiandraikitra ny andia-mpitory. Na misy tombony aza anefa ny hoe samy manao ny fivoriana alohan’ny fanompoany ny andia-mpitory tsirairay, dia mety ho voatery hatambatra ny andia-mpitory sasany indraindray. Mety ho vitsivitsy, ohatra, ny mpitory manompo rehefa andavanandro, ka tsara kokoa raha andia-mpitory maromaro, na ny mpitory rehetra mihitsy, no miara-manao fivoriana alohan’ny fanompoana. Azo atao ao amin’ny Efitrano Fanjakana ilay fivoriana amin’izay, na any an-toeran-kafa mety amin’izany. Samy hana-namana koa ny mpitory rehefa manompo. Mety hiara-manao fivoriana alohan’ny fanompoana ao amin’ny Efitrano Fanjakana ny fiangonana manontolo rehefa fety. Mety hiara-manao an’izany koa izy ireo aorian’ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana.
21 Ny mpiandraikitra ny andia-mpitory no mitarika ny fivoriana alohan’ny fanompoana, rehefa samy manao ny azy ny andia-mpitory tsirairay. Azony tendrena hanao izany, indraindray, ny mpanampy azy na ny rahalahy iray mahafeno fepetra. Tokony ho zavatra azo ampiharina eny amin’ny faritany sy hanampy ny mpitory amin’ny fanompoana no resahin’ilay mpitarika. Tokony hanomana tsara àry izy. Zaraina ny mpitory ary faranana amin’ny vavaka ilay fivoriana. Tonga dia hankeny amin’ny faritany ilay andia-mpitory aorian’izay. Dimy ka hatramin’ny fito minitra no faharetan’ny fivoriana alohan’ny fanompoana, fa tokony ho latsaka an’izay raha atao aorian’ny fivorian’ny fiangonana. Tokony hatao mampahery ilay izy ary hisy toromarika azo ampiharina tsara amin’ny asa fitoriana. Afaka miara-manompo amin’ny mpitory efa mahay ny mpitory vaovao na ireo mbola mila fanampiana, mba hahazo traikefa.
FIVORIANA ATAON’NY FIANGONANA KELY NA FIANGONANA VAOVAO
22 Mitombo ny isan’ny fiangonana rehefa mihabetsaka ny olona lasa mpianatra. Ny mpiandraikitra ny faritra mazàna no mandefa taratasy fangatahana, rehefa misy fiangonana vaovao tokony hoforonina. Mety ho tsara anefa indraindray raha miaraka amin’izay fiangonana akaiky azy indrindra ny mpitory, raha mbola vitsivitsy.
23 Mety hisy fiangonana kely tsy misy afa-tsy anabavy. Manao saron-doha ny anabavy amin’izay rehefa hivavaka eo anivon’ny fiangonana na hitarika fivoriana, satria izany no lazain’ny Soratra Masina. (1 Kor. 11:3-16) Mipetraka manatrika ny mpanatrika izy amin’ny ankapobeny. Tsy manao lahateny ny anabavy. Mamaky loharanon-kevitra navoakan’ny fandaminana fotsiny izy ary manome fanazavana. Azony atao fiaraha-midinika na fampisehoana koa ilay izy. Mety hangataka anabavy iray ao amin’ilay fiangonana ny biraon’ny sampana mba hikarakara ny taratasy sy handamina ny fivoriana. Rehefa misy rahalahy mahafeno fepetra anefa any aoriana, dia izy ireo indray no hiandraikitra an’izany.
FIVORIAMBEN’NY FARITRA
24 Manao fivoriamben’ny faritra iray andro ny fiangonana rehetra miray faritra, ary indroa isan-taona no anaovana an’izany. Fotoana mahafinaritra ho an’ny rehetra izany, sady ahafahana ‘manokatra midanadana ny fo’ amin’ny Kristianina hafa. (2 Kor. 6:11-13) Ny fandaminan’i Jehovah no manomana ny anjara rehetra amin’ilay fivoriambe sy ny foto-kevitra ara-baiboly horesahina amin’izy io, ka arakaraka izay hitany hoe tena ilaina no anaovany an’izany. Velabelarina amin’ny alalan’ny lahateny ilay hevitra, na amin’ny alalan’ny fampisehoana, na fanadinadinana. Mampahery ny mpanatrika rehetra ireny toromarika tonga ara-potoana ireny. Amin’ireny fivoriambe ireny koa ny mpianatra vaovao no atao batisa, mba hampisehoany hoe nanokan-tena ho an’i Jehovah izy.
FIVORIAMBEN’NY VONDROM-PARITRA
25 Manao fivoriamben’ny vondrom-paritra maharitra telo andro ny Vavolombelon’i Jehovah, isan-taona. Lehibe kokoa noho ny fivoriamben’ny faritra izy io, satria fiangonana avy amin’ny faritra maromaro no miara-mivory. Raha vitsivitsy ny fiangonana ao amin’ny tany iray, dia mety ho hitan’ny sampana hoe tsara kokoa raha miara-manao an’ilay fivoriambe ao amin’ny toerana iray ihany ny fiangonana rehetra. Mety hiovaova ny fomba andaminana an’ireny fivoriambe ireny, any amin’ny tany sasany, arakaraka ny zava-misy na ny toromarika avy amin’ny fandaminana. Asiana fivoriambe iraisam-pirenena na fivoriamben’ny vondrom-paritra manokana any amin’ny tany sasany indraindray, ka Vavolombelona an’aliny avy any amin’ny tany maro no manatrika azy ireny. Ampahafantarina ny besinimaro ireny fivoriambe ireny, ka betsaka ny olona afaka nandre ny vaovao tsara, tao anatin’ny taona maro.
26 Fotoana mahafaly ho an’ireo Vavolombelona nanokan-tena ho an’i Jehovah ireny fivoriambe ireny, satria fotoana ahafahany miara-manompo an’Andriamanitra. Amin’ireny fotoana ireny koa no avoaka ny fanazavana farany momba ny fahamarinana. Misy zavatra vaovao avoaka any amin’ny fivoriambe sasany. Ampiasaina hanaovana fianarana samirery na hianarana any am-pivoriana na ampiasaina eny amin’ny fanompoana izy ireny. Misy batisa koa amin’ireny fotoana ireny. Tena ilaina ny fivoriambe satria manampy antsika handroso ara-panahy. Miharihary amin’izy ireny koa fa tena manana ilay toetra amantarana ny mpianatr’i Jesosy Kristy ny vahoakan’i Jehovah eran-tany, satria tena mifankatia toy ny mpirahalahy.—Jaona 13:35.
27 Rehefa manatrika ny fivorian’ny fiangonana sy ireo fivoriambe isika, dia vonona kokoa hanao ny sitrapon’i Jehovah. Ireny koa no miaro antsika amin’ny fitaoman’izao tontolo izao, izay mety hanimba ny finoantsika. Mahazo dera sy voninahitra i Jehovah amin’ireny fiaraha-mivory ireny. (Sal. 35:18; Ohab. 14:28) Tokony hankasitraka an’i Jehovah isika rehetra, satria omeny an’ireny fandaharana mampahery ireny ny vahoakany amin’izao andro farany izao.
SAKAFO HARIVAN’NY TOMPO
28 Isan-taona dia mahatsiaro ny nahafatesan’i Jesosy Kristy ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra eran-tany. Io ilay antsoina hoe Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy na Sakafo Harivan’ny Tompo. (1 Kor. 11:20, 23, 24) Io no fivoriana lehibe indrindra ataon’ny vahoakan’i Jehovah ao anatin’ny taona. I Jesosy mihitsy no nandidy antsika mba hankalaza ny Fahatsiarovana.—Lioka 22:19.
29 Mifanitsy amin’ilay datin’ny Paska resahina ao amin’ny Baiboly ny datin’ny Fahatsiarovana. (Eks. 12:2, 6; Mat. 26:17, 20, 26) Tsarovana isan-taona ny Paska, izany hoe ilay fotoana nanafahana ny Israelita avy tany Ejipta tamin’ny 14 Nisana 1513 T.K. Nasain’i Jehovah nihinana zanak’ondry ny Israelita tamin’io fotoana io ary avy eo niala tany Ejipta. (Eks. 12:1-51) Ahoana no amantarana an’io daty io? Rehefa 21 na 22 Martsa eo ho eo, dia mitovy ny halavan’ny andro sy alina. Io fotoana io ilay antsoina hoe ekinôksa amin’ny lohataona. Ny tsinam-bolana voalohany hita any Jerosalema, ka akaiky indrindra an’io ekinôksa io, no voalohan’ny volana Nisana. Nankalazaina 13 andro taorian’izay ny Paska. Matetika ny datin’ny Fahatsiarovana no mifanitsy amin’ny volana fenomanana voalohany amin’ny faramparan’ny Martsa na fiandohan’ny Aprily.
30 Lazain’i Jesosy ao amin’ny Matio 26:26-28 ny fomba ankalazana ny Fahatsiarovana. Tsy fombafomba mifono zava-miafina akory izy io. Misy mofo sy divay ampiasaina amin’izy io, ary manana heviny an’ohatra izy ireo. Ireo nantsoina hiara-manjaka amin’i Jesosy Kristy any an-danitra ihany anefa no mihinana amin’ny mofo sy misotro amin’ny divay. (Lioka 22:28-30) Ampirisihina ny Kristianina nanokan-tena rehetra sy ny olona liana mba hanatrika ny Sakafo Harivan’ny Tompo na dia tsy mihinana amin’ny mofo sy misotro amin’ny divay aza. Ny fanatrehan’izy ireo dia midika fa ankasitrahany ilay fandaharana nataon’i Jehovah Andriamanitra mba hahasoa ny olona rehetra, tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy Zanany. Misy lahateny manokana, alohan’ny Fahatsiarovana, mba hahatonga ny rehetra hafana fo amin’io fotoan-dehibe io sy hampirisihana ny olona hianatra Baiboly.
31 Tsy andrin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fotoana hiarahana any am-pivoriana, satria any izy ireo no afaka ‘mifampiahy mba hifandrisika hampiseho fitiavana sy hanao asa tsara.’ (Heb. 10:24) Ataon’ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina mifanaraka amin’izay ilaintsika foana ireny fivoriana ireny. Ampirisihina ny mpanompon’i Jehovah rehetra sy ny olona liana mba hivory tsy tapaka, ka handray soa feno avy amin’izany. Mankasitraka ny fandaharana ataon’i Jehovah amin’ny alalan’ny fandaminany isika mpanompony ka lasa miray saina hatrany. Ny zava-dehibe indrindra anefa dia hoe midera sy manome voninahitra an’i Jehovah isika amin’izany.—Sal. 111:1.