FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • jy toko 20 p. 54-p. 55 feh. 8
  • Fahagagana Faharoa tao Kana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fahagagana Faharoa tao Kana
  • I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Mitovitovy Aminy
  • Fahagagana faharoa tany Kana
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Fahagagana faharoa tany Kana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Ny Fahagagana Voalohany Nataon’i Jesosy
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Be zotom-po ho amin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
Hijery Hafa
I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
jy toko 20 p. 54-p. 55 feh. 8
Tandapa iray malahelo be ary mitalaho amin’i Jesosy mba ho avy hanasitrana ny zanany lahy

TOKO 20

Fahagagana Faharoa tao Kana

MARKA 1:14, 15 LIOKA 4:14, 15 JAONA 4:43-54

  • NITORY I JESOSY HOE “EFA MANAKAIKY NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA”

  • NANASITRANA ZAZALAHY IRAY TANY LAVITRA I JESOSY

Nody tany Galilia, faritra niaviany, i Jesosy rehefa avy nijanona roa andro tao Samaria. Efa nitory elaela tany Jodia izy, nefa tsy nody mba hiala sasatra. Vao mainka aza izy nitory bebe kokoa tao amin’ilay faritra nahalehibe azy. Angamba izy tsy nanantena hoe handray azy tsara ny olona, satria efa nilaza izy fa “tsy hajaina ny mpaminany raha ao amin’ny taniny.” (Jaona 4:44) Tsy niaraka taminy ny mpianany fa nody tany amin’ny fianakaviany sy niverina tamin’ny asany.

Inona no hafatra notorin’i Jesosy? “Efa manakaiky ny fanjakan’Andriamanitra. Mibebaha ianareo, ka minoa ny vaovao tsara.” (Marka 1:15) Ahoana no fihetsiky ny olona tao Galilia? Maro no nandray tsara an’i Jesosy sy nanome voninahitra azy. Tsy noho ny hafatra notoriny fotsiny anefa izany. Nisy tamin’izy ireo mantsy tany Jerosalema tamin’ny Paska, volana vitsivitsy talohan’izay, ka nahita ny famantarana mahagaga nataon’i Jesosy.—Jaona 2:23.

Taiza tao Galilia i Jesosy no nanomboka nitory? Tao Kana angamba. Tao izy no nanova ny rano ho divay tamin’ny fampakaram-bady iray. Ren’i Jesosy tamin’ity indray mandeha ity fa nisy zazalahy iray narary efa ho faty. Tsy iza izany fa ny zanaky ny tandapan’i Heroda Antipasy, ilay mpanjaka nanapaka ny lohan’i Jaona Mpanao Batisa tatỳ aoriana. Ren’io tandapa io fa niala tany Jodia i Jesosy ary tonga tao Kana. Te hahita an’i Jesosy izy ka niainga tany aminy tany Kapernaomy mba ho any Kana. Nalahelo be izy niteny tamin’i Jesosy hoe: “Midìna re, Tompo ô, dieny mbola tsy maty ny zanako.”—Jaona 4:49.

Gaga angamba ilay tandapa rehefa namaly i Jesosy hoe: “Mandehana fa velona ny zanakao.” (Jaona 4:50) Nino an’i Jesosy izy ka niverina nody. Nisy mpanompony nifanena taminy teny an-dalana. Nihazakazaka hilaza vaovao tsara taminy izy ireo. Velona tokoa ilay zanany sady salama! Tiany ho fantatra tsara izay nitranga ka nanontany izy hoe: ‘Oviana izy no sitrana?’

Hoy izy ireo: “Omaly tamin’ny ora fahafito no nialan’ny fanaviana taminy.”—Jaona 4:52.

Nifanena tamin’ny mpanompony ilay tandapa ary nody tany amin’ny zanany, izay efa nositranin’i Jesosy

Fantatr’ilay tandapa fa tamin’izay fotoana izay mihitsy i Jesosy no niteny hoe: “Velona ny zanakao.” Lasa mpianatr’i Kristy io mpanankarena nanana mpanompo maro io sy ny ankohonany manontolo.

Indroa àry i Jesosy no nanao fahagagana tao Kana. Nanova rano ho divay izy tao, ary nanasitrana zazalahy tany amin’ny 26 kilaometatra teo ho eo. Tsy ireo ihany ny fahagagana nataony. Miavaka anefa io fanasitranana io satria izy io no nahalalana fa niverina tao Galilia izy. Hita tokoa fa mpaminany nankasitrahan’Andriamanitra izy. Hohajaina foana ve anefa io mpaminany io “ao amin’ny taniny”?

Niharihary ny valin’izany rehefa tonga tao Nazareta, tanàna niaviany, i Jesosy. Inona no niandry azy tao?

  • Inona no hafatra notorin’i Jesosy tany Galilia, ary ahoana no nandraisan’ny olona azy?

  • Inona no fahagagana nataon’i Jesosy rehefa niverina tao Kana izy, ary inona no vokatr’izany?

  • Inona no nampiavaka ny fomba nanasitranan’i Jesosy an’ilay zazalahy tao Kapernaomy?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara