FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 15/2 p. 16-17
  • Be zotom-po ho amin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Be zotom-po ho amin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Mitovitovy Aminy
  • Zotom-po ho an’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Nafana Fo Tamin’​ny Fivavahana Marina i Jesosy
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Kapernaomy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Fahagagana Faharoa tao Kana
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 15/2 p. 16-17

Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany

Be zotom-po ho amin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah

TAORIAN’NY fanasana amin’ny fampakaram-bady tany Kana, dia nankany Kapernaomy, tanàna tany akaikin’ny ranomasin’i Galilia, i Jesosy. Tany niaraka taminy ireo mpianany, ny reniny sy ireo rahalahiny, izany hoe Jakoba, Josefa, Simona sy Jodasy. Alohan’ny handehanana ho any Kapernaomy anefa, dia angamba izy ireo nijanona tao an-tranon’i Jesosy, tao Nazareta, mba hahafahan’ny fianakaviana manangona ireo fitaovana hilainy.

Fa nahoana i Jesosy no nankany Kapernaomy fa tsy nanohy ny fanompoany tany Kana, tany Nazareta na tany amin’ny toeran-kafa iray any amin’ireo havoan’i Galilia? Voalohany indrindra, Kapernaomy dia tanàna tsara toerana kokoa sy azo inoana fa lehibe kokoa. Afa-tsy izany koa, ny ankamaroan’ny mpianatr’i Jesosy vaovao dia nonina tany Kapernaomy na tsy lavitra teo. Ho azon’i Jesosy atao àry ny hampianatra azy ireny, nefa tsy ho voatery handao ny tranony izy ireny.

Nandritra ny fivahiniany tany Kapernaomy, dia nanao asa mahatalanjona i Jesosy, araka ny holazain’ny tenany volana vitsivitsy atỳ aoriana. Tsy ela anefa dia teny an-dalana indray i Jesosy sy ireo namany. Lohataona tamin’izay ka nankany Jerosalema izy ireo mba hankalaza ny Paska taona 30. Nandritra ny fivahinian’izy ireo tany Jerosalema, ireo mpianany dia hahita lafiny iray amin’ny toetran’i Jesosy izay mbola tsy fantany angamba.

Araka ny Lalàn’Andriamanitra, ny Isiraelita dia tokony hanolotra sorona biby. Noho izany antony izany, tany Jerosalema, dia nisy nivarotra biby sy vorona tamin’ny Isiraelita, ka nanamora zavatra tokoa izany ho azy ireo. Tao anatin’ny tempoly mihitsy anefa no nanaovan’izy ireo izany varotra izany ary nangalatra tamin’ny olona izy ireo tamin’ny fitakiana vidiny lafo loatra.

Tezitra i Jesosy. Nanamboatra karavasy tamin’ny tady izy ka nandroaka ireo mpivarotra ho any ivelan’ny tempoly. Nararany tamin’ny tany ny vola madinik’ireo mpanakalo vola, ary naongany ny latabatr’izy ireo. “Ento mivoaka ireto zavatra ireto, hoy izy niantsoantso an’ireo mpivarotra voromailala; aza atao trano fivarotana ny tranon’ny Raiko.”

Rehefa hitan’ireo mpianatra izany, dia tsaroany ilay faminaniana izay nilaza toy izao ny amin’ny Zanak’Andriamanitra: “Ny firehetako ny amin’ny tranonao no haharìtra aina ahy.” Nanontany an’i Jesosy anefa ny Jiosy hoe: “Inona no famantarana asehonao aminay, no manao izao zavatra izao Hianao?” Hoy ny navalin’i Jesosy azy ireo: “Ravao ity tempoly ity, ary amin’ny hateloana dia hatsangako indray izy.”

Noheverin’ny Jiosy fa niresaka ny amin’ny tempoly vato izy, kanefa nanisy fitenenana ny amin’ny tempoly hafa iray, dia ny tenany, i Jesosy. Telo taona atỳ aoriana, rehefa hatsangana amin’ny maty i Jesosy, dia hotsaroan’ny mpianatra ny teniny. Jaona 2:12-22; Matio 13:55; Lioka 4:23.

◆ Nankaiza moa i Jesosy taorian’ny fampakaram-bady tany Kana?

◆ Nahoana no tezitra i Jesosy, ary inona no nataony tamin’izay?

◆ Inona no tsaroan’ireo mpianatr’i Jesosy raha nahita azy nanao toy izany izy?

◆ Inona no nolazain’i Jesosy ny amin’ilay ‘tempoly’, ary inona no tiany hambara tamin’izany?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara