FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lfb lesona 37 p. 90-p. 91 feh. 1
  • Niresaka Tamin’i Samoela i Jehovah

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Niresaka Tamin’i Samoela i Jehovah
  • Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Mitovitovy Aminy
  • Nanao ny Tsara Foana i Samoela
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Nanompo An’i Jehovah Foana Izy
    Tahafo ny Finoan’izy Ireo
  • “Nihalehibe teo Anatrehan’i Jehovah” Izy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Nanao ny Tsara Foana i Samoela
    Ampianaro ny Zanakao
Hijery Hafa
Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
lfb lesona 37 p. 90-p. 91 feh. 1
Samoela, manokatra ny varavaran’ny tranolay masina

LESONA 37

Niresaka Tamin’i Samoela i Jehovah

Nanana zanaka roa lahy i Ely Mpisoronabe. Hofinia sy Finehasa no anarany, ary mpisorona tao amin’ny tranolay masina ry zareo. Tsy niraharaha ny lalàn’i Jehovah anefa ry zareo sady ratsy toetra be. Nalain-dry zareo, ohatra, ny hena tsara indrindra rehefa nanao sorona biby ho an’i Jehovah ny Israelita. Henon’i Ely ny zava-dratsy nataon’izy roa lahy, nefa tsy nanao na inona na inona izy. I Jehovah ve dia hijery fotsiny an’izany?

Efa lehibe i Hofinia sy Finehasa, fa i Samoela kosa mbola kely. Tsy nanao hoatran’izy roa lahy anefa i Samoela, dia faly i Jehovah. Rehefa natory izy indray alina izay, dia nisy niantso. Nifoha àry izy, dia nihazakazaka nankany amin’i Ely sady niteny hoe: ‘Ahoana tompoko?’ Dia hoy i Ely: ‘Tsy niantso anao aho ka! Mandehana miverina matory.’ Dia lasa natory i Samoela. Mbola nisy niantso fanindroany anefa izy, dia avy eo fanintelony. Fantatr’i Ely amin’izay àry hoe i Jehovah ilay niantso. Dia hoy izy tamin’i Samoela: ‘Raha mbola misy miantso ianao, dia ataovy hoe: “Mitenena Jehovah fa mihaino anao ny mpanomponao.”’

Samoela, miteny amin’i Ely ny zavatra notenenin’i Jehovah taminy

Niverina natory i Samoela. Nisy niantso indray izy hoe: ‘Samoela! Samoela!’ Dia hoy izy: ‘Mitenena fa mihaino anao ny mpanomponao.’ Niteny taminy àry i Jehovah hoe: ‘Teneno i Ely hoe hosaziko izy sy ny fianakaviany. Efa fantany hoe manao ratsy ny zanany lahy ato amin’ny tranolay masina, nefa izy tsy mibedy an-dry zareo akory.’ Ny ampitso maraina, dia nanokatra ny varavaran’ny tranolay masina hoatran’ny mahazatra i Samoela. Tsy sahy niresaka tamin’i Ely ny zavatra notenenin’i Jehovah anefa izy. Dia hoy i Ely taminy: ‘Inona no notenenin’i Jehovah taminao, anaka? Lazao daholo fa aza misy afenina.’ Dia notenenin’i Samoela taminy ilay izy.

Nihalehibe i Samoela, ary nanampy azy foana i Jehovah. Lasa fantatry ny olona rehetra tany Israely hoe nofidin’i Jehovah ho mpaminany sy mpitsara izy.

“Tsarovy àry ilay Mpamorona Be Voninahitra nanao anao. Tsarovy izy amin’ny andro fahatanoranao.” ​—Mpitoriteny 12:1

Fanontaniana: Inona no tsy nitovizan’i Samoela tamin’i Hofinia sy Finehasa? Inona no notenenin’i Jehovah tamin’i Samoela?

1 Samoela 2:12-17, 22-26; 3:1-21; 7:6

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara