FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lfb lesona 64 p. 152-p. 153 feh. 4
  • Tao Anaty Lavaky ny Liona i Daniela

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tao Anaty Lavaky ny Liona i Daniela
  • Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Mitovitovy Aminy
  • Daniela tao An-davaky ny Liona
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Voavonjy Tsy ho Azon’ny Vavan’ny Liona!
    Diniho ny Faminanian’i Daniela
  • Nanompo An’Andriamanitra Tsy Nisy Fiovaovana i Daniela
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Dariosy — Mpanjaka Iray Nanao ny Rariny
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
Hijery Hafa
Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
lfb lesona 64 p. 152-p. 153 feh. 4
Lehilahy nialona an’i Daniela, mahatratra azy mivavaka eo anoloan’ny varavarankely

LESONA 64

Tao Anaty Lavaky ny Liona i Daniela

Lasa mpanjaka tao Babylona i Dariosy Medianina tatỳ aoriana. Hitan’i Dariosy hoe tsy hoatran’ny olona ambony hafa i Daniela, dia nataony lehiben-dry zareo. Nialona azy anefa ireo olona ambony ireo, ka te hamono azy. Fantatry ry zareo fa nivavaka tamin’i Jehovah intelo isan’andro i Daniela, dia hoy ry zareo tamin’i Dariosy: ‘Mpanjaka ô, manaova lalàna hoe tokony hivavaka aminao irery ihany ny olona rehetra. Izay tsy mety manao an’izany, dia hatsipy ao anaty lavaka feno liona.’ Tian’i Dariosy ilay soso-kevitra, dia nataony sonia ilay lalàna.

Nankany an-tranony i Daniela raha vao henony ilay lalàna vaovao. Nandohalika teo anoloan’izay varavarankely efa nisokatra izay izy, dia nivavaka tamin’i Jehovah. Tonga dia nitsofoka tao an-tranony ireo olona nialona azy, dia nahatratra azy nivavaka. Nihazakazaka nankany amin’i Dariosy ry zareo avy eo dia niteny hoe: ‘I Daniela ange tsy miraharaha ny teninao e! Mbola mivavaka amin’ny Andriamaniny intelo isan’andro ihany izy.’ Tian’i Dariosy anefa i Daniela, dia tsy tiany ho faty. Nitady hevitra hanavotana azy àry izy nandritra ny tontolo andro. Na ny mpanjaka aza anefa tsy afaka nanova lalàna efa nataony sonia. Tsy maintsy nasainy natsipy tao anatin’ilay lavaka feno liona masiaka ihany i Daniela.

Niady saina be i Dariosy ny alin’iny, ka tsy nahita tory. Vao maraina ny andro, dia nihazakazaka nankany amin’ilay lavaka izy ary niantsoantso hoe: ‘Namonjy anao ve ny Andriamanitrao, ry Daniela?’

Henony avy eo i Daniela namaly hoe: ‘Nakombon’ny anjelin’i Jehovah ny vavan’ny liona, dia tsy naninona an’ahy mihitsy ry zareo.’ Faly be i Dariosy, dia nasainy navoaka tao anatin’ilay lavaka i Daniela. Tsy naratra mihitsy izy, na ny kely aza! Hoy ny mpanjaka avy eo: ‘Atsipazo ao anatin’ilay lavaka ireny olona tsy tia an’i Daniela ireny.’ Tonga dia lanin’ny liona ry zareo rehefa natsipy tao.

Namoaka didy i Dariosy avy eo hoe: ‘Tsy maintsy matahotra an’ilay Andriamanitr’i Daniela ny olona rehetra, satria izy namonjy azy tamin’ny liona.’

Ary ianao? Mivavaka amin’i Jehovah ve ianao isan’andro, hoatran’ny nataon’i Daniela?

Daniela ao an-davaky ny liona

“Hain’i Jehovah ny manafaka ny olona mahafoy tena ho Azy mba ho tafavoaka amin’ny fitsapana.”​—2 Petera 2:9

Fanontaniana: Inona no nataon’i Daniela intelo isan’andro? Ahoana no namonjen’i Jehovah azy?

Daniela 6:1-28

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara