FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lfb lesona 76 p. 180-p. 181 feh. 2
  • Nanadio ny Tempoly i Jesosy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nanadio ny Tempoly i Jesosy
  • Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Mitovitovy Aminy
  • Manadio ny Tempoly i Jesosy
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Nafana Fo Tamin’​ny Fivavahana Marina i Jesosy
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Zotom-po ho an’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Be zotom-po ho amin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
Hijery Hafa
Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
lfb lesona 76 p. 180-p. 181 feh. 2
Jesosy, mandroaka an’ireo biby ao amin’ny tempoly amin’ny karavasy sy manjera ny latabatry ny mpanakalo vola

LESONA 76

Nanadio ny Tempoly i Jesosy

Nankany Jerosalema i Jesosy tamin’ny Aprily taona 30. Be dia be ny olona tonga nankalaza ny Paska tao tamin’izay, dia nanao sorona biby tao amin’ny tempoly. Anisan’ny fanao tamin’io fety io mantsy izany. Nitondra biby ny olona sasany, fa ny hafa kosa nividy tao Jerosalema.

Rehefa niditra tao amin’ny tempoly i Jesosy, dia nahita olona nivarotra biby. Aiza ve ka trano natao hivavahana amin’i Jehovah, nefa nataon-dry zareo hitadiavana vola! Dia ahoana hoy i Jesosy? Nanamboatra karavasy tamin’ny tady izy, dia noroahiny tany ivelan’ny tempoly daholo ireo ondry sy omby. Nazerany koa ny latabatry ny mpanakalo vola, dia nararany tamin’ny tany ny volan-dry zareo. Dia hoy i Jesosy tamin’ny mpivarotra voromailala: ‘Ento mandeha any ireo! Aza atao toerana fitadiavam-bola ny tranon’ny Raiko!’

Gaga be ny olona tao amin’ny tempoly nahita an’i Jesosy nanao an’izany. Dia tadidin’ny mpianany ilay faminaniana momba ny Mesia hoe: ‘Hafana fo be hiaro ny tranon’i Jehovah aho.’

Mbola nanadio ny tempoly indray i Jesosy tamin’ny taona 33. Tsy navelany hisy hanao tsinontsinona ny tranon’ny Rainy mihitsy.

“Tsy mahavita manompo an’Andriamanitra sy ny Harena ianareo.” ​—Lioka 16:13

Fanontaniana: Inona no nataon’i Jesosy rehefa nahita olona nivarotra biby tao amin’ny tempoly? Nahoana i Jesosy no nanao an’izany?

Matio 21:12, 13; Marka 11:15-17; Lioka 19:45, 46; Jaona 2:13-17; Salamo 69:9

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara