FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lfb lesona 83 p. 194-p. 195 feh. 1
  • Nanome Sakafo Olona An’arivony i Jesosy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nanome Sakafo Olona An’arivony i Jesosy
  • Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Mitovitovy Aminy
  • Namahana Olona An’arivony Tamin’ny Mofo sy Trondro Vitsivitsy
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Namahana tamin’ny fomba mahagaga olona an’arivony maro i Jesosy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Namahana olona an’arivony maro tamin’ny fomba mahagaga i Jesosy
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Mofo Azo Tamin’ny Fomba Mahagaga
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2024
Hijery Hafa
Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
lfb lesona 83 p. 194-p. 195 feh. 1
Ny apostoly, mizara sakafo amin’ny olona be dia be

LESONA 83

Nanome Sakafo Olona An’arivony i Jesosy

Taona 32 tamin’izay, ary efa ho tonga ny Paska. Reraka ny apostoly fa avy nitory lavitra be. Nentin’i Jesosy niaraka taminy nandeha sambokely nankany Betsaida àry ry zareo mba haka aina. Inona anefa no tazan’i Jesosy rehefa akaiky ho tonga teny amoron-drano ry zareo? Olona be dia be nanaraka an-dry zareo tany, dia niandry teo. Dia inona no nataony? Noraisiny tsara ry zareo, na dia hoe saika mba hitokana kely niaraka tamin’ny mpianany aza izy. Nanasitrana ny marary izy, dia avy eo nanomboka nampianatra an-dry zareo. Niresaka momba ny Fanjakan’Andriamanitra izy nandritra an’iny andro iny. Rehefa hariva ny andro, dia hoy ny apostoly taminy: ‘Noana be izao ireo olona ireo, fa aleo asaina mandeha mitady sakafo.’

Ankizilahy anankiray manome mofo sy trondro an’i Jesosy

Dia hoy i Jesosy: ‘Aza alefa mandeha izany ry zareo fa omeo zavatra hohaniny.’ Dia hoy ny apostoly: ‘Andeha hividy sakafo ho an-dry zareo izany izahay?’ Hoy anefa i Filipo, iray tamin’ny apostoly: ‘Na vola be aza tsy ho ampy hividianantsika mofo ho an’ireo olona be dia be ireo.’

Hoy i Jesosy: ‘Inona ny sakafo misy ao?’ Dia hoy i Andrea: ‘Mofo dimy sy trondro kely roa fotsiny.’ Hoy indray i Jesosy: ‘Ento atỳ àry izany e!’ Dia nasainy nipetraka teny amin’ny bozaka ny olona, ary nasainy nitambatambatra 50 na 100. Noraisin’i Jesosy ilay mofo sy trondro, ary nijery ny lanitra izy dia nivavaka. Nomeny an’ireo apostoly ilay sakafo avy eo, dia ry zareo no nizara an’ilay izy tamin’ny olona. Nisy lehilahy 5000 sy vehivavy ary ankizy teo tamin’izay. Nihinana daholo ry zareo dia voky. Nangonin’ny apostoly ny ambin’ilay sakafo avy eo, ka nahafeno harona 12. Fahagagana miavaka be izany, sa tsy izany?

Gaga be ny olona ka tian-dry zareo hatao mpanjaka i Jesosy. Fantatr’i Jesosy anefa hoe mbola tsy tamin’izay ny fotoana tian’i Jehovah hanaovana azy ho mpanjaka. Nalefany nandeha àry ny vahoaka, fa ny apostoly kosa nasainy nankeny ampitan’ny Ranomasin’i Galilia. Dia nankao anatin’ilay sambokely ry zareo, fa i Jesosy nandeha irery nankany amin’izay tendrombohitra iray izay. Fa maninona? Te hivavaka tamin’ny Rainy izy. Na be atao be aza i Jesosy, dia nanokana fotoana hivavahana foana.

“Miasà, nefa tsy hoe mba hahazoana sakafo mety simba, fa mba hahazoana sakafo maharitra izay hahazoana fiainana mandrakizay, dia ny sakafo homen’ny Zanak’olona anareo.”​—Jaona 6:27

Fanontaniana: Inona no nataon’i Jesosy ka ahitana hoe tia olona izy? Inona no ianarantsika momba an’i Jehovah tamin’izay nataon’i Jesosy?

Matio 14:14-22; Lioka 9:10-17; Jaona 6:1-15

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara