Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Namahana tamin’ny fomba mahagaga olona an’arivony maro i Jesosy
NITETY an’i Galilia ireo apostoly roa ambin’ny folo ary nahita fahafinaretana lehibe nitory tany ny vaovao tsara. Taoriana kelin’ny namonoana an’i Jaona izao, dia niverina nankany amin’i Jesosy izy ireo ary nitantara taminy ireo fotoana nahafinaritra niainany. Rehefa hitan’i Jesosy fa sasatra izy ireo ary tsy nanam-potoana hihinanana akory aza izy ireo noho ny fivezivezen’ny vahoaka, dia hoy i Jesosy taminy: “Andeha isika hitokana any an-tany foana izay hahafahanareo hiala sasatra.”
Dia niakatra tao an-tsambokeliny izy ireo, azo inoana fa tany akaikin’i Kapernaomy, ary nitodi-doha ho any amin’ny toerana nihataka iray, toa tany atsinanan’i Jordana, tany ampitan’i Betsaida. Nisy nahita azy ireo niainga anefa ary nandre izany ny hafa. Nihazakazaka nanaraka ny moron-drano àry ny rehetra ary tonga teny rehefa nanakaiky ny sambokely.
Rehefa nidina avy teo an-tsambokely i Jesosy, dia onena teo anoloan’ireny olona rehetra ireny, satria tahaka ny ondry tsy misy mpiandry izy ireny. Nositraniny àry ireo marary teo amin’izy ireny ary nanomboka nampianatra zavatra betsaka azy izy.
Nandeha haingana ny fotoana, hany ka nanatona azy ireo mpianatr’i Jesosy ary nilaza taminy hoe: “Tany foana ity, ka efa hariva ny andro ankehitriny; ravao ny olona mba hankanesany eny an-tsaha sy eny amin’ny vohitra manodidina hividy hanina ho azy.”
Namaly azy ireo toy izao anefa i Jesosy: “Omeonareo hanina izy.” Avy eo, koa satria fantany sahady izay hataony, dia mba hizahan-toetra azy no nanontaniany an’i Filipo hoe: “Aiza no hividianantsika mofo hohanin’ireo?”
Teo imason’i Filipo dia tsy nisy zavatra firy azo natao. Efa nisy lehilahy 5 000 tafangona tokoa, izany hoe azo inoana fa olona 10 000 raha isaina koa ny zaza amam-behivavy! Koa izao no navaliny an’i Jesosy: “Na dia mofo vidina denaria roan-jato [karama indray andro ny denaria iray] aza tsy ampy azy rehetra hananany kely avy.”
Angamba mba hanaporofoana fa tsy azo atao ny hamahana vahoaka maro toy izany, dia nisalovana i Andrea nanao hoe: “Misy zazalahy atỳ manana mofo vary hordea dimy sy hazandrano madinika roa”, ary dia nampiany hoe: “Fa ho ampy inona moa izany amin’izao olona betsaka izao?”
Koa satria lohataona tamin’izay, talohan’ny Paska taona 32 indrindra, dia nirobona ny ahitra. Koa araka ny fangatahan’i Jesosy, dia nasain’ny mpianatra nipetraka teny amin’ny ahitra ny olona, nanao antokony 50 sy 100 avy. Dia noraisin’i Jesosy ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, nanandrandra ny masony ho amin’ny lanitra izy ary nanonona fisaorana, avy eo dia nanomboka namaky ny mofo sy nizara ny hazandrano. Nomeny ireo mpianany izany sakafo izany, ary ireo indray kosa nizara izany tamin’ny vahoaka. Zava-nahagaga fa voky daholo ny rehetra nihinana!
Taorian’izany, dia hoy i Jesosy tamin’ireo mpianany: “Angony ny sisa tsy lany, mba tsy hisy ho very.” Hahafeno harona 12 izy ireo amin’ny sisa! Matio 14:13-21; Marka 6:30-44; Lioka 9:10-17; Jaona 6:1-13.
◆ Nahoana moa i Jesosy no nitady toerana nitokana ho an’ireo apostoliny?
◆ Taiza moa no nitondran’i Jesosy an’ireo mpianany, ary na dia izany aza, nahoana izy ireo no tsy afaka naka fialan-tsasatra nilaina?
◆ Rehefa hariva ny andro, inona moa no namporisihan’ny mpianatra an’i Jesosy, nefa inona no nataon’i Jesosy mba hiahiana ny amin’ny hahasoa ny vahoaka?