FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lmd lesona 1
  • Zavatra Mahaliana Resahina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Zavatra Mahaliana Resahina
  • Tiavo ny Olona ka Ampianaro
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ahoana no nataon’i Jesosy?
  • Inona no ianarantsika avy amin’ny nataon’i Jesosy?
  • Tahafo i Jesosy
  • Avelao Hiresaka Ilay Olona
    Tiavo ny Olona ka Ampianaro
  • Hatsarao ny Fanompoanao: Mahaiza Manombo-dresaka Rehefa Mitory Tsy Ara-potoana
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2018
  • Fomba Fanatsarana ny Fahaiza-miresaka
    Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Hatsarao ny Fanompoanao: Manomboha Resaka mba Hitoriana Tsy Ara-potoana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2014
Hijery Hafa
Tiavo ny Olona ka Ampianaro
lmd lesona 1

MIRESADRESAHA ALOHA

Miresaka amin’ilay vehivavy eo am-pantsakana i Jesosy.

Jaona 4:6-9

LESONA 1

Zavatra Mahaliana Resahina

Torolalana: “Ny fitiavana ... tsy mitady izay hahasoa ny tenany.”​—1 Kor. 13:4, 5.

Ahoana no nataon’i Jesosy?

Miresaka amin’ilay vehivavy eo am-pantsakana i Jesosy.

VIDEO: Miresaka Amin’ilay Vehivavy eo Am-pantsakana i Jesosy

1. Jereo ilay VIDEO, na vakio ny Jaona 4:6-9. Diniho ireto fanontaniana ireto avy eo:

  1. Inona no tsikaritr’i Jesosy talohan’ny niresahany tamin’ilay vehivavy?

  2. Izao no nolazain’i Jesosy: “Mba omeo rano aho hosotroiko.” Nahoana izany no nety tsara mba hanombohana resadresaka?

Inona no ianarantsika avy amin’ny nataon’i Jesosy?

2. Raha zavatra mahaliana an’ilay olona no anombohanao ny resaka, dia tsy hihafahafa aminao izy.

Tahafo i Jesosy

3. Mahaiza mandanjalanja. Aza misisika hiresaka an’ilay hevitra efa nomaninao, fa atombohy amin’izay zavatra eritreretin’ny olona amin’izao ny resadresakareo. Saintsaino izao:

  1. ‘Inona no resahin’ny vaovao?’

  2. ‘Inona no resadresahin’ny mpiray tanàna, mpiara-miasa na mpiara-mianatra amiko?’

4. Mahaiza mandinika. Saintsaino izao:

  1. a. ‘Inona izao no ataon’ilay olona? Inona no mety ho ao an-tsainy?’

  2. b. ‘Inona ny zavatra inoany na ny kolontsainy raha jerena ny fitafiany, ny paozipaoziny, na ny tranony?’

  3. d. ‘Izao ve no fotoana mety hiresahana aminy?’

5. Henoy izy.

  1. Aza be resaka.

  2. Ampirisiho hilaza ny heviny ilay olona. Mametraha fanontaniana raha ilaina izany.

JEREO KOA IRETO

Mat. 7:12; 1 Kor. 9:20-23; Fil. 2:4; Jak. 1:19

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara