FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Aristarko”
  • Aristarko

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Aristarko
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Aristarko — Namana Tsy Nivadika
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Gaio
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Ho Vitanao ny Hampahery ny Hafa!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2020
  • Mahereza fa i Jehovah no Mpanampy Anao!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2020
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Aristarko”

ARISTARKO

(Arìstarkô) [Mpitondra Tsara Indrindra].

Anisan’ny mpiara-miasa akaiky tamin’i Paoly, ary niara-dia sy niara-nigadra taminy. Makedonianina avy any Tesalonika i Aristarko. (As 20:4; 27:2) Ny fitantarana momba ny dia misionera fahatelo nataon’i Paoly no miresaka voalohany momba azy. Rehefa nisahotaka be ny tao Efesosy, dia nentina an-keriny tao an-kianja filalaovana tantara an-tsehatra i Aristarko sy Gaio. (As 19:29) Mety ho izy “ilay rahalahy” nanampy an’i Paoly hanangona fanomezana tany Makedonia sy Gresy ho an’ireo Kristianina tany Jodia.​—2Ko 8:18-20.

Niaraka tamin’i Paoly nankany Roma i Aristarko. Tsy fantatra hoe nahoana izy no nahazo alalana hanao ilay dia. Angamba noho izy mpanompon’i Paoly. (As 27:2) Mbola nanampy sy nampahery an’i Paoly izy tany Roma, ary nisy fotoana niara-nigadra taminy. Nanao mampamangy an’ireo Kristianina tany Kolosia sy an’i Filemona i Aristarko, ao amin’ny taratasin’i Paoly ho an’ny Kolosianina (4:10) sy ho an’i Filemona (23, 24).

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara