FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w97 15/9 p. 29-31
  • Aristarko — Namana Tsy Nivadika

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Aristarko — Namana Tsy Nivadika
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Avy tany Grisia hatrany Jerosalema
  • Ilay dia nankany Roma
  • “Mpiara-mifatotra” tamin’i Paoly
  • “Fanampiana nanatanjaka”
  • Aristarko
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Ho Vitanao ny Hampahery ny Hafa!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2020
  • Gaio
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mandehana Amin’ny Lalan’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
w97 15/9 p. 29-31

Aristarko — Namana Tsy Nivadika

ANISAN’IREO mpiara-miasa maro tamin’ny apostoly Paoly nitokiany i Aristarko. Misy zavatra tonga ao an-tsainao ve rehefa mandre ny anarany ianao? Ho afaka hilaza ve ianao hoe inona no anjara asany teo amin’ny fizotran’ny tantaran’ny Kristianisma tany am-boalohany? Na dia mety tsy ho iray amin’ireo olona ao amin’ny Baiboly fantatrao tsara indrindra aza i Aristarko, dia nandray anjara tamin’ny fisehoan-javatra maro voatantara ao amin’ny Soratra Grika Kristiana izy.

Koa iza àry moa i Aristarko? Inona no fifandraisany tamin’i Paoly? Nahoana no azo lazaina fa namana tsy nivadika i Aristarko? Ary fianarana inona avy no azontsika raisina avy amin’ny fandinihana ny ohatra navelany?

Amin’ny fomba mampangitakitaka no isehoan’i Aristarko voalohany ao amin’ny fitantarana ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly, eo anivon’ny antsoantso sy ny tabataban’ny vahoaka romotra be tao amin’ny tanànan’i Efesosy. (Asan’ny Apostoly 19:23-41). Asa nahazoan’i Demetrio sy ireo mpanefy volafotsy hafa tao Efesosy tombom-barotra be ny fanaovana sary volafotsin’ny tempolin’i Diana, andriamani-diso. Noho izany, rehefa nahatonga olona maro hiala tamin’ny fivavahana naloto tamin’io andriamanibavy io ny fitorian’i Paoly tao amin’ilay tanàna, dia nitaona ireo mpanefy hafa hihetsika i Demetrio. Nilazany izy ireo fa tsy vitan’ny hoe nandrahona ny fidiram-bolany azo antoka ny fitorian’i Paoly, fa nety hanafoana koa ny fivavahana tamin’i Diana.

Tsy afaka nahita an’i Paoly ilay vahoaka romotra ka i Aristarko sy i Gaio namany no notaritarihiny an-keriny hiditra tao an-trano filalaovana. Koa satria notandindomin-doza ny ain’izy mirahalahy ireo, dia niangavy mafy an’i Paoly ireo namany mba “tsy ho sahy hiditra ao an-trano filalaovana”.

Alao sary an-tsaina ange hoe ny tenanao no tao anatin’io tarehin-javatra io e! Nandritra ny adiny roa teo ho eo, dia tsy nitsahatra niantsoantso ilay vahoaka romotra be hoe: “Lehibe Dianan’ny Efesiana!” Tsy maintsy ho tena nampahory sady nampahatahotra mafy an’i Aristarko sy i Gaio ny hoe teo am-pelatanan’io vahoaka nirehitra tafahoatra io, nefa tsy afaka niloa-bava niaro tena akory. Tsy maintsy ho nanontany tena izy ireo raha ho tafavoaka velona tamin’izany. Soa ihany fa tafavoaka izy ireo. Eny tokoa, ny fitantaran’i Lioka toa hitan’ny maso erỳ dia nahatonga manam-pahaizana sasany hanipy hevitra fa avy tamin’ny fanambarana vavolombelona nanatri-maso no nanovozany ilay fitantarana, angamba avy tamin’i Aristarko sy i Gaio mihitsy.

Tamin’ny farany, dia afaka nampitony ilay tabataba ny mpitahiry ny didy. Tsy maintsy ho fanamaivanana lehibe ho an’i Aristarko sy i Gaio ny nandre azy io niaiky araka ny zava-nisy fa tsy meloka izy mirahalahy, sy ny nahita fa rava nony avy eo ilay tabataba nanodidina azy ireo.

Inona no ho tsapanao rehefa avy nandia zavatra toy izany ianao? Ho nanatsoaka hevitra ve ianao fa tsy natao ho anao izany ho misionera naman’i Paoly izany, fa nampidi-doza loatra izany, ka tsara kokoa ny hitadiavanao fomba fiaina milamindamina kokoa? Tsy izany no hevitr’i Aristarko! Noho izy avy tany Tesalonika, dia azo inoana fa efa fantany tsara ireo loza tamin’ny nanambarana ny vaovao tsara. Fony i Paoly nitory tao amin’io tanàna io mantsy, roa taona monja talohan’izay, dia nisy rotaka koa nipoaka tao. (Asan’ny Apostoly 17:1-9; 20:4). Naneho tsy fivadihana i Aristarko tamin’ny nifikirany tamin’i Paoly.

Avy tany Grisia hatrany Jerosalema

Volana vitsivitsy taorian’ny nirotahan’ireo mpanefy volafotsy, dia tany Grisia i Paoly ary nadiva hiondrana an-tsambo hankany Syria tamin’ny diany ho any Jerosalema, raha nisy “Jiosy nanotrika azy”. (Asan’ny Apostoly 20:2, 3). Iza no hitantsika fa niaraka tamin’i Paoly tamin’ireo fisehoan-javatra nampidi-doza ireo? I Aristarko!

Nahatonga an’i Paoly sy i Aristarko ary ireo namany hanova ny lalany io fandrahonana vaovao io. Namakivaky an’i Makedonia aloha izy ireo, avy eo dia nijanona isaky ny seranana nanaraka ny moron-tsirak’i Azia Minora, talohan’ny niondranany an-tsambo tany Patara nankany Foinika, tamin’ny farany. (Asan’ny Apostoly 20:4, 5, 13-15; 21:1-3). Niharihary fa ny hanatitra ireo fanomezan’ny Kristiana tany Makedonia sy Akaia ho an’ireo rahalahiny nahantra tany Jerosalema no nokendrena tamin’io dia io. (Asan’ny Apostoly 24:17; Romana 15:25, 26). Maro be no niara-dia, angamba satria kongregasiona maro samihafa no nanankina ilay andraikitra tamin’izy ireo. Tsy isalasalana fa niantoka fiarovana bebe kokoa ny naha-maro azy ireo toy izany.

Nanana tombontsoa lehibe i Aristarko niaraka tamin’i Paoly avy tany Grisia hatrany Jerosalema. Kanefa, nitondra azy ireo avy tany Jodia ka hatrany Roma ny diany nanaraka.

Ilay dia nankany Roma

Tena hafa be ny toe-javatra tamin’itỳ indray mandeha itỳ. Talohan’izay dia notanana tao am-ponja tany Kaisaria nandritra ny roa taona i Paoly, nangataka ny handahatra teo anatrehan’i Kaisara, ary nadiva halefa nifatotra nankany Roma. (Asan’ny Apostoly 24:27; 25:11, 12). Miezaha ange haka sary an-tsaina izay tsapan’ireo naman’i Paoly e! Ho lava ilay dia avy tany Kaisaria hatrany Roma ary hisedra ara-pihetseham-po, satria tsy fantatra izay hiafarany. Iza no ho afaka hiaraka aminy mba hanolotra fanohanana sy fanampiana? Roa lahy no nofidina na nanolo-tena an-tsitrapo, dia i Aristarko sy i Lioka, ilay mpanoratra ny bokin’ny Asan’ny Apostoly. — Asan’ny Apostoly 27:1, 2.

Ahoana no nahafahan’i Lioka sy i Aristarko niondrana tamin’ilay sambo nisy an’i Paoly tamin’ny tapany voalohany tamin’ilay dia nankany Roma? Toy izao no fanipazan-kevitr’i Giuseppe Ricciotti, mpahay tantara: “Mpandeha nianto-tena izy mirahalahy ireo (...) na, azo inoana kokoa fa navela hiondrana noho ny hatsaram-panahin’ilay mpifehy zato izay mody nihevitra azy ireo ho mpanompon’i Paoly, satria ny lalàna namela ny olom-pirenena romana iray hanana mpanompo roa hanampy azy.” Tsy maintsy ho nahazo hery erỳ i Paoly noho ny niarahan’izy mirahalahy taminy sy ny nampaherezany azy!

Naneho ny fitiavany an’i Paoly i Lioka sy i Aristarko tamin’ny nanaovany vivery ny ainy. Raha ny marina aza, dia saika namoy ny ainy izy ireo fony vaky sambo teny akaikin’ny nosy Melita, niaraka tamin’i Paoly namany izay nifatotra. — Asan’ny Apostoly 27:13–28:1.

“Mpiara-mifatotra” tamin’i Paoly

Fony i Paoly nanoratra ireo taratasiny ho an’ny Kolosiana sy ho an’i Filemona tamin’ny 60-61 am.f.i., dia mbola teo anilany ihany i Aristarko sy i Lioka tany Roma. Noresahina hoe “mpiara-mifatotra” tamin’i Paoly i Aristarko sy i Epafra. (Kolosiana 4:10, 14; Filemona 23, 24). Nisy fotoana àry toa niarahan’i Aristarko nifatotra tamin’i Paoly.

Na dia nigadra tany Roma nandritra ny roa taona, fara fahakeliny, aza i Paoly, dia navela hipetraka tao amin’ny trano nohofany izy, saingy nambenana miaramila. Tao izy dia afaka nanambara ny vaovao tsara tamin’ireo nitsidika azy. (Asan’ny Apostoly 28:16, 30). Nanompo an’i Paoly i Aristarko sy i Epafra sy i Lioka ary ny hafa koa tamin’izay fotoana izay, ka nanampy sy nanohana azy.

“Fanampiana nanatanjaka”

Rehefa avy nandinika ireo fisehoan-javatra samy hafa ao amin’ny firaketana ara-tsindrimandrin’ny Baiboly, izay nahitana an’i Aristarko, isika, ahoana no fahitantsika azy? Araka ilay mpanoratra hoe W. D. Thomas, i Aristarko dia “niavaka noho izy lehilahy afaka niatrika fanoherana ary tafavoaka tamin’izany kanefa tsy nihena ny finoany sy ny fahatapahan-keviny hanompo. Niavaka izy noho izy lehilahy tia an’Andriamanitra, tsy tamin’ny andro mora ihany, rehefa nibaliaka teo amin’ny lanitra manga ny masoandro, fa rehefa nandalo fihantsiana sy rivo-doza koa”.

Nilaza i Paoly fa “fanampiana nanatanjaka” (grika: pa·re·go·riʹa), izany hoe loharanom-pampiononana, ho azy i Aristarko sy ny hafa koa. (Kolosiana 4:10, 11, NW ). Tamin’ny nampiononany sy nampaherezany an’i Paoly àry, i Aristarko dia tena namana tamin’ny fotoana nilana azy. Tsy maintsy ho fanandraman-javatra tena nahafa-po sy nampandroso ara-panahy ny fiarahana tamin’ilay apostoly sy ny fisakaizany, nandritra ny taona maromaro.

Mety tsy ho ao anatin’ny tarehin-javatra mampangitakitaka toy izay nodiavin’i Aristarko ny tenantsika. Na dia izany aza, dia tena ilain’ny rehetra ao anatin’ny kongregasiona kristiana amin’izao andro izao ny tsy fivadihana toy izany amin’ny rahalahin’i Kristy ara-panahy sy ny fandaminan’i Jehovah. (Ampitahao amin’ny Matio 25:34-40.) Na ho ela na ho haingana, dia azo inoana fa hisy mpiara-mivavaka amintsika fantatsika, handia fahavoazana na fahoriana, angamba noho ny famoizana havan-tiana amin’ny fahafatesana, noho ny aretina, na ny fisedrana hafa. Amin’ny fifikirantsika mafy amin’izy ireo sy amin’ny fanomezantsika fanampiana sy fampiononana ary fampaherezana, dia afaka mahita fifaliana isika ary afaka miseho ho namana tsy mivadika. — Ampitahao amin’ny Ohabolana 17:17; Asan’ny Apostoly 20:35.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara