JOSEBA-BASEBETA
(Josèba-basebèta).
Lehiben’ireo telo lahy mahery indrindra tao amin’ny tafik’i Davida. (2Sa 23:8) Antsoin’ny 1 Tantara 11:11 hoe Jasobeama izy, ary io angamba no fomba marina kokoa anoratana ny anarany. Nahitana olana ny 2 Samoela 23:8, satria tsy tena mazava ny soratra hebreo nataon’ny Masoreta (toa milaza hoe: “Izy ilay Edino Eznita.”). Voatery nahitsy toy izao àry izy io: “Izy no nanambana tamin’ny lefony.” (TV) Maro ny Baiboly maoderina nanao toy izany. (Kat.; DIEM, f.a.p.; AT; Sg) Natao nifanaraka tamin’ny 1 Tantara 11:11 àry ny 2 Samoela 23:8, ary narahina ny firafitry ny fehezanteny tao. Ankoatra izany, dia “telo lahy” no resahina eto, nefa lasa efatra izy ireo raha ampiana an’io Edino io. Samy nanana ny zava-bitany nampiavaka azy koa izy telo lahy, ka raha olon-kafa no nahafaty an’ireo 800 lahy, dia tsy nisy zava-bita nampiavaka an’i Joseba-basebeta (Jasobeama).—Jereo JASOBEAMA No. 2.
Mety ho zava-bita roa samy hafa nataon’i Joseba-basebeta no noresahin’ny 2 Samoela 23:8 sy ny 1 Tantara 11:11. Mety ho izany no antony ilazan’ny bokin’i Samoela hoe 800 lahy no matiny, fa ny bokin’ny Tantara kosa milaza hoe 300 lahy.