FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Voa, I”
  • Voa, I

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Voa, I
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny “voa” sy ny “fo” ao amin’ny Soratra masina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Ny “fo” ao amin’ny tenin’Andriamanitra, ny Baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • “Mahatalanjona ny Nanaovana” Antsika
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Aza Mivadika Mihitsy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Voa, I”

VOA, I

Taova roa mitovy, ao amin’ny faritra ambany amin’ny lamosina. Ny voa no manatantavana ny ra sy manaisotra ny loto amin’izy io. Kelayôht no teny hebreo nadika hoe “voa.” Hoy i J. Oswalt momba azy io: “Rehefa ampiasaina an’ohatra io teny io, dia ny toetra tena maha izy ny olona iray no heviny.” (Rakibolana Teolojikan’ny Testamenta Taloha, nataon’i R. Laird Harris, 1980, Boky I, p. 440; ampit. Sl 7:9.) Toy izany koa ilay teny grika nadika hoe “voa” (nefrôi).​—Ap 2:23.

I Jehovah Mpamorona no nahary ny voa sy ny taova hafa rehetra ao amin’ny vatana. (Sl 139:13) Ny tavy teo ambonin’ny voan’ny biby natao sorona no noheverina ho tsara indrindra, ka tokony hodorana mba hidona-tsetroka teo ambony alitara niaraka tamin’ny voa, rehefa nanao sorona iombonana (Le 3:10, 11; 9:19, 20) sy fanatitra noho ny ota (Le 4:8, 9; 8:14, 16; 9:10) ary fanatitra noho ny heloka. (Le 7:1, 4) Natao fanatitra ahetsiketsika, ary avy eo nodorana teo ambony alitara, ny voan’ny ondrilahy natao sorona mba hametrahana mpisorona teo amin’ny toerany. (Ek 29:22, 24, 25; Le 8:25, 27, 28) Manana heviny an’ohatra hoe “tsara” ny hoe voa. Nilaza àry i Mosesy hoe nomen’i Jehovah “varimbazaha faran’izay tsara” (a.b.t.: tavin’ny voa) ny Israely.​—De 32:14.

Anisan’ny taova tena any anatiny indrindra amin’ny vatana ny voa. Rariny àry raha ampiasain’ny Baiboly hilazana ny eritreritra sy ny fihetseham-po miafina indrindra any anatin’ny olona izy io. Tena lalina be ny ratra eo amin’ny voa, na ara-bakiteny na an’ohatra. (Jb 16:13; Sl 73:21; Ft 3:13) Resahina miaraka amin’ny fo ny voa indraindray, ary ny toetra maha izy ny olona iray no hevitry ny fo an’ohatra.​—Je 11:20; 17:10; 20:12; jereo FO.

Mahafantatra tsara amin’ny an-tsipiriany ny fomba nanaovana antsika ny Mpamorona antsika. Voalaza àry hoe mizaha toetra “ny fo sy ny voa” i Jehovah, ary mandinika “ny voa sy ny fo” koa ny Zanany. (Sl 7:9; Ap 2:23) Afaka manadio ny voa sy ny fon’ny olona i Jehovah, toy ny ataon’ny mpanefy rehefa manadio volafotsy. Ho afaka hanao izay mahitsy ilay olona amin’izay, ka ho mora kokoa aminy ny hankatò an’i Jehovah.​—Sl 26:2; 66:10.

Hoy i Davida: “Hisaorako i Jehovah, izay manome torohevitra ahy. Mananatra ahy mandritra ny alina ny voako.” (Sl 16:7) Mpanompon’ilay tena Andriamanitra izy ary latsa-paka tany anatiny lalina tany ny ‘torohevitr’Andriamanitra’, ka azo nampitovina tamin’ny voa. Azo lazaina àry hoe ny ‘voany’ no nananatra azy.

Mety hanaja ny Tenin’Andriamanitra amin’ny molony ny ratsy fanahy, nefa tsy tonga hatrany anatiny izany ary tsy misy heriny eo amin’ny toetra maha izy azy. Hoy àry i Jeremia momba azy ireny: “Miroborobo ny ataony, ary mamokatra izy. Tsy afaka am-bavany ianao, nefa lavitry ny fony [a.b.t.: voany].” (Je 12:2, f.a.p.) Milaza hevitra mitovy amin’izany ny Isaia 29:13 momba ny fon’ny ratsy fanahy, ary nanonona an’io andininy io i Jesosy ao amin’ny Matio 15:7, 8. Hita amin’izany fa mitovy ny fampiasana ny ‘fo’ sy ny ‘voa’ indraindray.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara