Ny “voa” sy ny “fo” ao amin’ny Soratra masina
AMIN’NY heviny ara-bakiteny, ny teny hoe “voa” dia manondro faritra iray amin’ny tena ambany kokoa noho ny fo. Araka ny anankiray amin’ireo filazana hevi-teny natolotra, ny “voa” dia toa mahaforona koa foiben’ny fihetseham-po sy ny firaiketam-po ary ny firehetan’olombelona. Araka ny filazan’ny diksionera iray (Le Petit Robert), indraindray izany dia toa mampiseho “ny fihetsika tsy nahy” na ny “atao tonga ho azy”a. Ao amin’ny Apokalypsy 2:23, dia nanambara toy izao Jesosy Kristy tafatsangana tamin’ny maty sy nomem-boninahitra: “Izaho no mandinika ny voa sy ny fo; ary homeko araka ny asanareo avy hianareo rehetra.” (Jereo koa Jeremia 11:20; ny amin’io andininy io, ny fanamarihana ambany pejy amin’ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao, fanontana amin’ny teny anglisy tamin’ny 1984, dia mampiaraka ny “voa” amin’ny “fihetseham-po lalina indrindra”.) Faritra amin’ny tena samy hafa ny voa sy ny fo, ary tsy mitovy ny toerana misy azy. Ao amin’ny tenan’olombelona, dia ambany kokoa ny misy ny voa noho ny fo. Ambonin’izany, dia tsy mitovy ny fandraisany ny fanaitairana samy hafa. Tsy hoe tsy misy heviny anefa ny famalin’izy ireo. Amin’ny fandinihana ireo faritra ireo tokoa, dia mety ho hita ao ny famantarana mampiharihary hoe an’ny karazan’olona manao ahoana izany. Amin’ny toe-javatra miseho iray, moa ve ny fo ara-bakiteny voatosika hitepo haingana kokoa na hiadana kokoa? Moa ve ny voa voatarika hiasa amin’ny ora iray na amin’ny fomba tsy mahazatra? Ilay mandinika ny fo sy ny voa dia mahay milaza ny hevitr’ireny famantarana ara-batana ireny ka hahafantatra lalina kokoa ilay olona mampiseho azy. Amin’izany heviny izany Izy no hahalala tokoa ny ‘voany’.
Ao amin’ny Salamo 16:6-8 i Davida dia nanoratra toy izao: “Ny voafaritrao ho anjarako dia eo amin’ny tany mahafinaritra; eny, manan-dova tsara aho. Hisaotra an’i Jehovah Izay manome saina ahy aho; ary na amin’ny alina aza dia mananatra ahy ny foko [ny voako, MN]. Ataoko eo anatrehako mandrakariva Jehovah, fa eo an-kavanako Izy, ka dia tsy hangozohozo aho.” Tamin’ny heviny ahoana moa ny voan’i Davida no nanitsy azy nandritra ny alina tsy nahitany tory? Raha nisy nampanahy azy ny amin’ny fomba niheveran’i Jehovah azy na ny amin’ny tena maha-izy azy, ny voany ara-panoharana dia nahatonga azy ho afaka hanana hevitra marina ny amin’ny fikasan’i Jehovah momba azy. Izany no antony nanampiany teny toy izao: “Fa tsy ho foinao ho any amin’ny fiainan-tsi-hita ny aiko; tsy hamela ny Iray Masinao ho latsaka ao amin’ny lavaka Hianao.” — Salamo 16:10.
Mazava ho azy fa hatsangana avy ao amin’ny Sheola na ny fasana Davida amin’ny fotoana voatendrin’i Jehovah. Nefa, tamin’ny Pentekosta taona 33, 50 andro taorian’ny nananganana an’i Jesosy Kristy tamin’ny maty, dia taminy no nampiharan’ny apostoly Petera ny Salamo 16:10 ara-tsindrimandrin’Andriamanitra. Ny teniny dia voatantara toy izao ao amin’ny Asan’ny apostoly 2:25-28: “Fa Davida milaza Azy hoe: ‘Nijery an’i Jehovah teo anatrehako mandrakariva aho; satria eo an-kavanako Izy, mba tsy hangozohozo aho, dia izany no nifalian’ny foko sy niravoravoan’ny lelako; ny nofoko koa hitoetra amin’ny fanantenana; fa tsy ho foinao ho any amin’ny fiainan-tsi-hita ny aiko; ary tsy hamela ny Iray Masinao ho tratry ny lo Hianao. Nampahafantatra ahy ny làlan’aina Hianao; hampifaly ahy indrindra amin’ny tavanao.’”
Namelombelona an’i Davida mpanao salamo indray ny fo falifaly. Toy izany koa, noho ny fon’i Jesosy Kristy, Davida Lehibe, falifaly no nahatonga ny fiainany ho feno faharisihana aoka izany. Ny toetry ny fo ara-batana koa dia misy akony eo amin’ny sisa amin’ny tena, araka ny miharihary amin’izao andinin-teny ao amin’ny Ohabolana (14:30) izao: “Ny fo mionona [tony, MN] no fiainan’ny nofo.” Ny fon’ilay Davida Lehibe, Jesosy Kristy, dia afaka ny ho tony hatrany, hanohy hitepo sy hampikoriana tsy tapaka ny rany, na dia teo ambany fanerena sy fanenjehana ary fitondrana ratsy aza. Niasa toy izany izy hatreo amin’ny fotoana nanomboana an’i Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana. Tamin’izay Kristy vao maty vaky fo. — Salamo 69:20.
Vakintsika ao amin’ny Hebreo 4:12 fa ‘ny tenin’Andriamanitra dia mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo’. Ny “fo” àry dia izay mametra na manome antony miteraka hevitra sy fikasana, izay ny “tenin’Andriamanitra” no vato fitsapana.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo koa eo amin’ny fanombohana hoe “voa, ny Dictionnaire alphabétique et analogique de la langue française, nataon’i Paul Robert; Grand Larousse encyclopédique; Dictionnaire du français contemporain (Larousse); Dictionnaire universel d’Antoine Furetière; Dictionnaire de la langue française, nataon’i Emile Littré.