Ny fomba hanarahana ny “hevitr’i Jehovah” amin’izao androntsika izao
1. Iza moa no firenena nasolo ny Isiraely araka ny nofo? Nampidirina tao anatin’ny fanekena inona izy io?
ILAY Zanak’Andriamanitra dia naka ny toeran’i Mosesy mpaminany, ilay mpanalalana tamin’ny fanekena nataon’Andriamanitra tamin’ny firenen’Isiraely. Jehovah tokoa dia nanendry azy ho Mpanalalana amin’ny fanekena vaovao izay nambarany taloha ny hamoronana azy. Io fanekena io dia nataony tamin’ilay firenena izay nasolo ny Isiraely araka ny nofo. Izany dia Isiraely ara-panahy, “ny Isiraelin’Andriamanitra”. (Galatiana 6:16.) Ny Didy Folo sy ny lalàna hafa rehetra tamin’ny fanekena natao tamin’ny alalan’i Mosesy, lehilahy tsy tanteraka iray, dia notehirizina tamin’ny soratanana. Izany kosa dia tsy tena voasoratra teo amin’ny fo sy ny sain’ny Jiosy voafora, dia ny Isiraelita ara-bakiteny. Teo anoloan’izany tsy ampy tamin’ny faneken’ny Lalàna izany, Jehovah dia nilaza mialoha, tamin’ny alalan’i Jeremia mpaminany (Jeremia 31:31-34), ny fampananan-kery ny fanekena vaovao iray.
2. a) Ahoana no nahatongavan’i Jesosy ho Mpanalalana tamin’io fanekena io? b) Tamin’ny fomba ahoana ary oviana no nidirany hanao ny raharahany?
2 Jesosy Kristy kosa dia nanao izay haha-ara-dalàna an’io “fanekena vaovao” io tamin’ny ran’ny tenany rehefa maty, vaky fo, izy, teo amin’ny hazo fijaliana, tany ivelan’i Jerosalema. Ny omalin’iny, rehefa avy nankalaza ny Paska natrehiny farany niaraka tamin’ ireo apostoliny nahatoky izy, araka ny lalàn’i Mosesy, dia natolony azy ireo ny kapoaka nisy divay iray izay nomeny heviny vaovao tamin’ny filazana hoe: “Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin’ny rako, izay aidina ho anareo.” (Lioka 22:20; I Korintiana 11:23-26). Tamin’izany no nahatongavany ho Mpanalalana amin’ny fanekena vaovao izay niharihary fa “tsaratsara kokoa” noho ny faneken’ny Lalàna (Hebreo 8:6; 9:11-28). Hatramin’ny nanolorany ny vidin’ny rany tanteraka tany an-danitra tamin’ny taona 33, dia tontosainy ny asany amin’ny maha-Mpanalalana ho an’ireo mpianatra nampidirin’i Jehovah ao anatin’ny fanekena vaovao. — I Timoty 2:5, 6.
3. Araka ny Hebreo 10:15, 16, taiza no nanoratan’i Jehovah ireo lalàna tamin’io fanekena io?
3 Ny amin’io fanekena vaovao io, ny apostoly Paoly dia nanonona ny faminanian’i Jeremia araka ny fandikan-teny grikan’ny Septante; ao amin’ny Hebreo 10:15, 16, dia izao no nambarany: “Ary ny Fanahy Masina koa manambara izany amintsika; fa rehefa voalazany hoe: ‘Izao no fanekena hataoko aminy, rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Hataoko ao am-pony [kardias] ny lalàko, sady hosoratako ao an-tsainy [dianoïan].’”
4. a) Inona no fahasamihafan’ny fo ara-panoharana sy ny saina? b) Araka ny Salamo 119, ahoana no ampiasan’ireo kristiana voaray ao anatin’ny fanekena vaovao ny fony sy ny sainy? d) Oviana ary tamin’ny fomba ahoana no nanomboka nosoratana teo amin’ny fo sy ny saina ireo lalàn’Andriamanitra?
4 Rehefa heverina amin’izay fantatsika ny amin’ireo asan’ny fo ara-panoharana sy ny saina, dia hita fa ireo kristiana voaray tao anatin’ny fanekena vaovao natao tamin’ny alalan’i Kristy dia tokony ho tia ireo lalàn’i Jehovah amin’ny fony amin’ny hoe hahatsiaro ho voatosika hanaraka izany izy ireo. Etsy andaniny koa, dia hanohy amim-pahatapahan-kevitra hitadidy izany ao an-tsaina izy, sahala amin’ny nataon’ny mpanao salamo izay nihiaka hoe: “Endrey ny fitiavako ny lalànao! Fisaintsainako mandrakariva izany.” (Salamo 119:27). Jehovah dia nanomboka nametraka ireo lalàny tao am-po ara-panoharan’ireo mpianatr’i Kristy sy nanoratra izany tao am-pony tamin’ny Pentekosta taona 33. Tamin’io andro io, ny fanahy masina dia nalatsaka teo amin’izy ireo ho valin’ny nantenainy. Ireo olo-nahatoky 120 tafavory tamin’io fotoana io dia nahita “lela maro mitarehin’afo”, nipetraka teo amin’ny lohany, ary nanomboka niteny tamin’ny fiteny hafa tsy nianarany mihitsy. Tsy azo lavina fa fahagagana izany. Taorian’ny fanambarana nataon’izy ireo tamin’ireo nanodidina azy, dia olona 3 000 no natao batisa mba hampiseho fa nino an’i Jesosy izy ireo ary nanaiky azy ho Mesia na Kristy. Ireo koa dia nampidirina tao anatin’ny fanekena vaovao izay izy no Mpanalalana. — Asa. toko faha-2; Joela 3:1-5.
5. Tamin’izao androntsika izao, iza no voaray tao anatin’ny fanekena vaovao? Ahoana no ahafantarantsika fa ireny olona ireny dia anisan’ny ‘sampan’ny’ hazo oliva ara-panahy?
5 Ankehitriny, taonjato sivy ambin’ny folo aty aoriana, dia mbola misy sisa amin’ny “Isiraelin’Andriamanitra” ihany eto an-tany. Miharihary fa ireo izay mahaforona azy dia nampidirina ao anatin’ny fanekena vaovao ary natao batisa tamin’ny fanahy masina. Ny fihetsika asehon’izy ireo tokoa dia manaporofo fa nametraka ny lalàny tao amin’ny fon’izy ireo ara-panoharana Jehovah ary nanoratra izany tao an-tsain’izy ireo. Miezaka izy ireo hanatanteraka ny faminanian’ilay Mpanalalana azy ireo voalaza ao amin’ny Matio 24:14 sy ao amin’ny Marka 13:10. Anisan’ireo “sampany” amin’ny hazo oliva ara-panoharana nolazalazain’ny apostoly Paoly ao amin’ny Romana toko faha-11 izy ireny. Marina tokoa fa mamoa be izy.
6. a) Lafiny hafa inona amin’ny “hevitr’i Jehovah” moa no naharihary nanomboka tamin’ny 1935? b) Amin’ny fomba ahoana no ampisehoan’ny “ondry hafa” ny fitiavany ny “lalàna” navoakan’Andriamanitra ho amin’ny androntsika?
6 Ny lafiny hafa iray amin’ny “hevitr’i Jehovah” dia naharihary tao amin’ny fivoriambe nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1935 tany Washington, any Etazonia. Inona no “hevitr’i Jehovah” ny amin’ny “olona betsaka” voalazalaza ao amin’ny Apokalypsy 7:9-17? Izany vahoaka maro be izany izay midera an’i Jehovah sy ny Zanak’ondry Jesosy Kristy, amin’ny fanompoana an’Andriamanitra ao amin’ny tempoliny ara-panahy dia niseho tamin’ny 1935. Nanomboka tamin’ireo olona 840 natao batisa tany Washington ny asabotsy 1 Jona tamin’io taona io, dia tsy nitsahatra ny nihamaro izany olona betsaka izany. Amin’izao andro izao, maneran-tany, ny “ondry hafa” an’ilay Mpiandry tsara, Jesosy Kristy, dia roa tapitrisa sy sasany mahery no mivory tsy tapaka miaraka amin’ireo kristiana nateraky ny fanahy izay voaray ao anatin’ny fanekena vaovao ary manao fanambarana ny amin’ilay Fanjakana araka ny faminaniana voatahiry an-tsoratra ao amin’ny Matio 24:14 (Jaona 10:16). Sahala amin’ilay mpanao salamo, izy ireo dia mampiseho miharihary fa tia ny “lalàna” nomen’i Jehovah azy ireo ho amin’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”, ka izany “lalàna” izany no saintsaininy ao an-tsaina sy mitana ny fony.
Ny famonjena amin’ny alalan’ny finoana sy ny fiaikena
7, 8. a) Ampy ve ny manana fahalalana ara-tsaina fotsiny mba hahavonjy? b) Inona no ahariharin’ny Romana 10:5-10 ny amin’ny fifandraisana misy eo amin’ny fo ara-panoharana sy ny saina?
7 Raha tiana ny hahazo famonjena, na mba hahazoana ny fanjakan’i Jehovah any an-danitra na mba hahazoana ny fiainana eo ambany fiandrianan’i Jesosy Kristy, dia fanjakana haharitra arivo taona, dia tsy ampy ny manana fahalalana ara-tsaina fotsiny. Tsy ny saina ihany no tafiditra amin’izany. Manipika izany fahamarinana izany koa ny apostoly Paoly ao amin’ny Romana 10:5-10. Raha niresaka tamin’ny kristiana nanana fo voajanahary tao aminy fa tsy fo napetaka na namboarin’olombelona izy dia nanao izao fanjohian-kevitra izao:
8 “Fa Mosesy nanoratra milaza fa izay olona manao ny fahamarinana avy amin’ny lalàna no ho velona amin’izany. Fa ny fahamarinana izay avy amin’ny finoana kosa manao hoe: ‘Aza milaza ao am-ponao hoe: Iza no hiakatra any an-danitra?’ (dia ny hampidina an’i Kristy izany,); na: ‘Iza no hidina any amin’ny lalina?’ (dia ny hampiakatra an’i Kristy avy any amin’ny maty izany.) Fa ahoana no lazainy? ‘Eo akaikinao ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao’, dia ny teny ny amin’ny finoana, izay torinay; satria raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao hianao ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena hianao. Fa amin’ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin’ny vava no anekena hahazoana famonjena.”
9. a) Inona avy moa no fepetra tokony hofenoina mba hahavonjy? Hamarino ny valinteninao. b) Inona moa no tokony hinoan’ny kristiana rehetra ao am-pony? d) Inona no fihetsika narahin’ny Ateniana sasany? Nahoana?
9 Araka izany àry, ny famonjena ny tsirairay avy dia miankina amin’ny lalina indrindra amin’ny maha-izy azy, fa tsy amin’ny fahaizany hahalala na ny sainy. Tsy ampy ny manangona fahafantaran-javatra, ny mandahatra izany ao an-tsaina mba hahafahana rehefa avy eo manao tsianjery izany toy ny boloky. Eo imason’Andriamanitra, dia tsy ny saina na ny fahalalana manana ny saina ho foibe, fa ny antony manosika hanao zavatra no misy vokany. Ny finoana kristiana dia tokony ho avy amin’ny fo ara-panoharan’ny kristiana. Tokony hinoany amin’ny fony rehetra ny nananganana an’i Kristy tamin’ny maty. Tokony ho feno fiderana sy fankasitrahana izy noho ny fahagagana notanterahin’ilay Andriamanitra Tsitoha tamin’izay. Ny marina dia ny hoe tsy ho afaka hanatontosa na oviana na oviana fahagagana toy izany ho an’ny tenany Kristy. Tsy nisy olon-kafa afaka nanao toy izany koa. Andriamanitra irery ihany no afaka nanangana ny Zanany ho amin’ny fiainana any an-danitra (II Korintiana 4:13). Tsaroantsika fa tamin’ny andron’i Paoly, ny nanan-tsaina sasany tany Atena dia nirona ‘hihomehy’ rehefa nandre firesahana ny amin’ny “fitsanganan’ny maty”. Mba tsy hiandaniana avy hatrany, dia nilaza toy izao tamin’ilay apostoly ny hafa: “Mbola hihaino anao indray izahay ny amin’izany zavatra izany.” Ny sainy feno fahalalana dia nisakana azy ireny tsy hanaiky io fampianarana io, na dia niorina tamin’ny zava-nisy aza izany. Vitsivitsy monja no tonga mpino ka niaraka tamin’i Paoly. — Asa. 17:21, 32-34.
10. a) Inona no antony manosika tokony homen’ny fo? b) Inona àry no zavatra anankiroa takin’i Jehovah amintsika?
10 Mba hahatonga ny olona iray hanjary hino àry, dia tokony hanosika azy ho amin’izany ny fony. Amin’ny fo no tokony hanehoana finoana. Aorian’izany, ny fo, ny maha-izy an’ilay mpino miafina indrindra, dia hanosika azy hiaiky ampahibemaso ny finoany amin’ny vava. Eny, ilaina aloha ny maneho finoana amin’ny fon’ny tena rehetra. Ny fanambarana ampahibemaso avy amin’ny vava sy atosiky ny fo mino dia tsy maintsy hanaraka. Rehefa atao batisa ao amin’ny rano ny olona iray mba hampisehoana fa nanolo-tena ho an’i Jehovah tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy izy, amin’izany mihitsy izy dia manao fanambarana ampahibemaso izay mitarika ho amin’ny famonjena. Jehovah dia tsy mianina amin’ny fandinihana ny fo ara-panoharana mba hahitana raha misy finoana miasa ao na tsia. Henoiny koa ny fanambarana ampahibemaso.
Miteraka fahatokiana ny fo “tsy voazarazara”
11. a) Ahoana no nahafahan’i Davida nitoetra ho nahatoky teo anatrehan’i Jehovah? b) Nahoana Davida no afaka nanonona ny vavaka voasoratra ao amin’ny Salamo 86:11, na dia tao aza ny fahotana nataony? d) Iza no nanaraka ny ohatra tsara dia tsara nomeny?
11 Sahala amin’ny tsirairay avy amintsika, Davida dia nateraka tao anatin’ny fahadisoana ary notorontoronina tao anatin’ny fahotana. Na dia izany aza, dia tsy nivadika hatrany tamin’ny Andriamaniny, Jehovah, izy satria ny fony ara-panahy dia “tsy voazarazara” teo anatrehany (Salamo 51:5). Porofon’izany izao fanamarihana voasoratra ao amin’ny I Mpanjaka 15:3 izao: “Ary ny fony [ny an’i Abia] tsy mba nahitsy [tsy voazarazara, MN] tamin’i Jehovah Andriamaniny tahaka ny fon’i Davida rainy.” Marina fa Davida dia nanao fahadisoana naharikoriko tamin’ny vadin’i Oria Hitita, nefa nibebaka tamim-pahatsorana ny amin’izany izy. Nifikitra tamin’ny fomba feno sy tsy azo ravana hatrany tamin’i Jehovah Andriamaniny ny fony (I Mpanjaka 15:4, 5). Ara-drariny ny nivavahany tamin’izao teny izao: “Ampiraiso ny foko hatahotra ny anaranao.” (Salamo 86:11). Tamin’ny fanaovana toy izany, dia namela ohatra tsara dia tsara izy ho an’ireo izay nandray ny toerany teo amin’ny seza fiandrianan’ny Isiraely. Asa mpanjaka, ohatra, dia nanahaka azy tamin’izany lafiny izany. Izao no voasoratra ao amin’ny I Mpanjaka 15:14: “Nahitsy [tsy voazarazara, MN] teo imason’i Jehovah ny fon’i Asa tamin’ny andro rehetra niainany.”
12. Inona no mitaky herim-po sy fanaovana ny marina? Ahoana no nanehoan’i Hezekia izany?
12 Tsy azo lavina fa ilaina ny ho be herim-po tokoa sy ho marina amin’ny tena mba hitodihana any amin’ilay Andriamanitra Avo Indrindra, Ilay mandinika ny fon’olombelona, mba hitalahoana ny famindrampony sy ny fiahiany. Izany anefa no nataon’i Hezekia, mpanjaka hafa iray teo amin’ny Isiraely. Rehefa voan’ny aretina iray izay tsy isalasalana fa ho niharihary fa nahafaty raha tsy nisy ny fandraisan’Andriamanitra anjara i Hezekia, dia nanao izao hataka izao: “Jehovah ô, enga anie ka hotsarovanao ny nandehanako teo anatrehanao tamin’ny fahamarinana sy tamin’ny foko rehetra ary ny nanaovako izay tsara eo imasonao.” — Isaia 38:3.
13. Toy ny nataon’i Jesosy, inona moa no tokony hotadidian’ireo kristiana voahosotry ny fanahy ao an-tsaina?
13 Mba hahafahana manaraka ohatra faka tahaka toy izany, ireo kristiana voahosotra amin’izao androntsika izao, izay voaray ho ao anatin’ny ‘fanekena ny amin’ny fanjakana iray’ any an-danitra miaraka amin’i Jesosy Kristy, dia tsy tokony hanadino na oviana na oviana fa manana adidy izy ireny handeha eo anatrehan’i Jehovah “amin’ny fo tsy voazarazara”. Sahala amin’i Davida razambeny mpanjaka, Jesosy Kristy dia nandeha ‘tamin’ny fo tsy voazarazara’ teo anatrehan’ny Rainy any an-danitra fony izy olombelona tanteraka teto an-tany. Noho izany antony izany, Jehovah, Ilay nanendry mpanjaka sy nanaisotra mpanjaka, dia nanome azy an-tsitrapo tokoa ny fahefana ao amin’ny Fanjakana any an-danitra mba hanjakany any amin’ny maha-“Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo” miaraka amin’ireo mpianany tsy mivadika izay voantso koa mba ho tonga mpanjaka sy tompo eo ambany fitarihany. — Lioka 22:29; Apokalypsy 19:16.
14. Inona no mahatonga ny “ondry hafa” ho afaka ny ho tafangona eo anivon’ny ‘andiany iray ihany’ eo ambany fitarihan’ny ‘Mpiandry iray ihany’?
14 Ireo ‘ondry hafan’i’ Kristy izay mahaforona ny “olona betsaka” dia manantena ny ho voalohany hiditra eo ambanin’ny fanjakan’ilay Mpiandry azy ireo sy ireo mpiara-miasa aminy 144 000 izay haharitra arivo taona (Apokalypsy 7:9, 10; Jaona 10:16; Apokalypsy 14:1; 20:4-6). Nanomboka tamin’ny 1935, taona fahatsiaro, dia niaraka tamin’ny sisa amin’ireo mpandova ny Fanjakana izay mandeha eo anatrehan’i Jehovah amin’ny fo tsy voazarazara izy ireo. Koa satria ireny ‘ondry hafan’ilay’ Mpiandry tsara, Jesosy Kristy, ireny, miezaka mba handeha eo anatrehan’i Jehovah “amin’ny fo tsy voazarazara” koa, izy ireo dia tsy mahaforona afa-tsy “andiany iray” ihany intsony amin’ireny mpandova farany ny Fanjakana ireny, eo ambany fitarihan’i Jesosy Kristy, ilay hany “Mpiandry”. Noho izy ireo mitana ny tsy fivadihany amin’ny fo tafaray sy tsy voazarazara, dia hanana anjara tena lehibe indrindra horaisina izy ireny eo amin’ny fanamarinana ny fiandrianan’i Jehovah, ilay Andriamanitra manana azy ireo ho vavolombelona, eo amin’izao rehetra izao. — Isaia 43:10, 12.
15. Inona no antony tokony hahavelom-pankasitrahana antsika rehetra?
15 Amin’izany no anarahan’ny tsirairay avy amin’ireo mpianatry ny Zanak’Andriamanitra, dia ilay Mpiandry tsara, ny ‘hevitr’i Jehovah’ araka ny ampiharihariany azy amin’izao andro izao amin’ireo mpivavaka aminy izay nanolo-tena ho azy sy natao batisa. Afaka sy tokony ho velom-pankasitrahana an’ilay Andriamanitra Avo Indrindra any an-danitra isika noho ny nampiharihariany tamintsika ny heviny, dia hevitra nipoitra tamin’ny voalohany tao an-tsainy ka tsy hety ho azo avy amin’ny olona nofo aman-dra na iza na iza. Ny fihetsika toy izany dia hanosika antsika hihevitra ny fikasany mahagaga amin’ny fomba sahala amin’ny azy.
16, 17. a) Ao amin’ny I Korintiana 2:16, inona no fantatsika ny amin’ny “hevitr’i Jehovah” sy ny “sain’i Kristy”? d) Inona no voalaza ao amin’ny Filipiana 2:5-8 ny amin’ny ‘sain’i Kristy’?
16 Azontsika izao ny hevitr’ity fanamarihana nosoratana ho antsika ao amin’ny I Korintiana 2:16 ity: “Fa ‘iza no nahafantatra ny sain’ny Tompo mba hampianatra Azy?’ Fa izahay manana ny sain’i Kristy.” Ao amin’io andinin-teny io, dia ny teny grika hoe nous no adika indroa amin’ny hoe “hevitra”.
17 Tsy azo lavina fa ny “hevitr’i Kristy” dia nifanaraka tamin’ny “hevitr’i Jehovah”. Ny teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra hitantsika ao amin’ny Filipiana 2:5-8 dia manampy antsika hahatakatra ny “hevitra” tao an-tsain’ny Zanak’Andriamanitra na dia talohan’ny hahatongavany teto an-tany aza. Izao no vakintsika: “Aoka ho ao aminareo izao saina izao [“ny hevitra”, Darby; Osty; Segond nahitsy], izay tao amin’i Kristy Jesosy koa, Izay na dia nanana ny endrik’Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin’Andriamanitra, fa nofoanany ny tenany tamin’ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ny olona; ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy dia nanetry tena ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin’ny hazo fijaliana.”
18. Inona no tsy maintsy nataon’i Jesosy mba hanarahana ny ‘hevitry’ ny Rainy?
18 Tao an-tsain’i Jehovah ny hanavotra ny taranak’olombelona amin’ny fahafatesana mandrakizay, ary ny Zanany lahitokana dia vonona ny hanaraka izany hevitra izany na dia niteraka fijaliana mafy ho azy aza izany teto an-tany.
19. a) Ahoana no azontsika ampiasana ny fontsika ara-panoharana mifandray amin’ny “hevitr’i Jehovah”? b) Inona no lafiny amin’ny “sain’i Kristy” tokony hotanterahintsika ankehitriny?
19 Fa raha ny amintsika, raha irintsika amin’izao andro izao ny hanaraka ny “hevitr’i Jehovah”, dia tokony hanetry tena tahaka ny nataon’i Kristy koa isika ka hanaiky tsy misy fepetra ny sitrapon’Andriamanitra. Amin’izany dia manana adidy isika ho vavolombelon’i Jehovah. Ny fontsika [kardia] dia tokony tsy hivadika sy ho feno fitiavana mba hanosika antsika hanatanteraka hatramin’ny farany ity faminaniana ity izay noforonin’ny sain’i Jesosy taloha ela be: “Ary hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra.” — Matio 24:14; Marka 13:10.
20. a) Avy aiza ny firaisan’ny asa mampiavaka ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany? b) Inona no vokatra tsara azon’ny andiany tafaray amin’ny mpanompon’Andriamanitra amin’izao andro izao?
20 Isika rehetra izay nanolo-tena ho an’ilay Andriamanitra Avo Indrindra ka natao batisa mba ho vavolombelony, dia maniry isika ny “hiray saina (ara-bakiteny “hitovy toe-tsaina”) raha ny amin’io tombontsoam-panompoana io (Filipiana 4:2). Izany no fanorenan’ny firaisan’ny asa izay mampiavaka antsika maneran-tany. Noho izany antony izany, dia notahin’i Jehovah ny “olona betsaka” amin’ny ‘ondry hafan’i’ Kristy sy ny sisa amin’ireo mpandova ny Fanjakany voahosotra amin’ny fanomezana azy ireo ny vokatra mahatalanjona azony maneran-tany. Noho izy tokoa no iangonan’ny “ondry hafa” sy andraisan’ny olombelona rehetra fampiomanana farany alohan’ny ora hanamarinany ny fiandrianany manerana izao rehetra izao amin’ny alalan’ny fandresena hanakoako ho azony ao Hara-Magedona. — Apokalypsy 16:16.
Aoka hofintinintsika:
◻ Inona no anjara raisin’ny “fo” sy ny “saina” amin’ny “lalàna” ao amin’ny fanekena vaovao?
◻ Inona moa ireo fepetra roa tokony hofenoina mba hahavonjy?
◻ Amin’ny ahoana moa ny fo “tsy voazarazara” no hanampy antsika tsy hivadika?
◻ Ahoana no azontsika ampisehoana fa sady manana ny “hevitr’i Jehovah” isika no manana ny “sain’i Kristy”?
[Sary, pejy 15]
Jehovah dia nanoratra ny ‘lalàn’ny’ fanekeny vaovao ao am-po sy ao an-tsain’ireo kristiana mitafy hosotra. Amim-pifaliana no iarahan’ny “ondry hafa” amin’izy ireo mba handraisana anjara amin’ny fanompoany masina.