“Iza no tonga amin’ny fahalalana ny hevitr’i Jehovah?”
“Fa ‘iza no tonga amin’ny fahalalana ny hevitr’i Jehovah, na iza no tonga mpanolo-tsaina azy’?” — ROMANA 11:34; ISAIA 40:13, fandikan-teny grikan’ny Septante.
1. a) Inona moa no fanontaniana amin’ny endriky ny fihaikana hitan’i Paoly tao amin’ny Isaia 40:13? b) Ahoana no nahatonga ny anankiray amin’ireo teny fototra ao amin’ny teny nalainy ho hafa noho ny teny hebreo tamin’ny voalohany?
EFA 2 700 taona mahery izao, ny fanontaniana iray tamin’ny endrika fihaikana dia napetraka tamin’ny firenen’ny Isiraely. Taty aoriana, ny Fariseo taloha iray dia nampahatsiahy izany tamin’izao teny izao tao amin’ny anankiray tamin’ireo taratasiny: “Fa ‘iza no tonga amin’ny fahalalana ny hevitr’i Jehovah, na iza no tonga mpanolo-tsaina azy’?” (Romana 11:34). Io Fariseo taloha io, dia ny apostoly Paoly. Notononiny ny fanontaniana mahaliana antsika, araka ny nahitany azy tao amin’ny Isaia 40:13 ao amin’ny fandikan-teny grikan’ny Septante. Ao amin’io andinin-teny io anefa io fandikan-teny io dia nandika ny teny hebreo adika hoe “saina” amin’ny heviny hoe hery miasa, tamin’ny teny grika hoe nous izay ny dikany dia hoe “esprit” amin’ny heviny hoe saina na “hevitra”.
2. Inona moa no atao hoe “saina” na ‘hevitry ny olombelona’? Hazavao amin’ny alalan’ny ohatra io hevitry ny teny io?
2 Fa ahoana no tokony handraisana ny fitenenana ara-tsindrimandrin’Andriamanitra hoe “ny hevitr’i Jehovah”? Rehefa miresaka ny amin’ny “saintsika” na ny “hevitsika” isika dia mahatsiahy ny fiasan’ny saina nomena antsika amin’ny maha-olombelona noharina. Afaka manararaotra izany fiasana izany isika, ohatra, amin’ny fanavaozana ny saintsika mba hanarahana ny “saina (...) izay tao amin’i Kristy Jesosy koa”. (Filipiana 2:5.) Raha ny marina, dia mampiavaka antsika amin’ny biby rehetra ny fahaizantsika misaina.
3-5. a) Inona no fantatsika ao amin’ny Isaia 55:8, 9 ny amin’ny ‘hevitr’i Jehovah? b) Nahoana moa no tsy misy mahagaga mihitsy tamin’ny nilazan’i Paoly ny teny mampiseho fahagagana hita ao amin’ny Romana 11:33? d) Inona no dikan’ny tenin’i Paoly voasoratra ao amin’ny Romana 11:34? e) Nahoana moa ireo mpanoratra ao amin’ny Baiboly tamin’ny andro talohan’ny kristianisma no tsy afaka nahafantatra ny ‘hevitr’i Jehovah?
3 Tsy misy fatra iombonana anefa amin’ny hevitra foronin’ny sain’i Jehovah sy izay mety ho haintsika zavaboary tsy tanteraka saintsainina. Ny tenan’ilay Fisiana tampony mihitsy no manintona ny saintsika ho amin’izany fahamarinana tena lehibe izany ao amin’ny Isaia 55:8, 9, izay anambarany toy izao: “Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo, ary ny làlanareo kosa tsy mba làlako hoy Jehovah. Fa tahaka ny hahavon’ny lanitra noho ny tany no hahavon’ny làlako noho ny làlanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo.” Koa ny ho avy omanin’Andriamanitra ho an’ny olombelona noforoniny, ary indrindra fa ho an’ireo nanaovany fanekena, dia mihoatra noho izay rehetra ho haintsika alaina sary an-tsaina. Amin’izany, dia tsy mahagaga loatra raha toa rehefa avy nandinika lafiny iray miavaka indrindra amin’ny fikasan’i Jehovah sy ny fomba ampiasainy mba hanatontosana izany ilay “Apostolin’ny jentilisa” ka nahatsiaro ho voatosika hihiaka hoe: “Endrey ny halalin’ny haren’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! Ny fitsarany tsy hita lany, ary ny làlany tsy azo fantarina!” (Romana 11:13, 33). Tsy azo lavina fa tsy olona iray no hahay hanoro an’Andriamanitra ny “lalana” tokony harahiny. Izany no antony nanampian’ilay apostoly teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra toy izao: “Fa ‘iza no nahalala ny sain’i Jehovah? ary iza no mpanolo-tsaina Azy?’” (Romana 11:34). Mandika an’io andininy io toy izao ny fandikan-teny hafa iray (Le Livre, fanontana Farel): “Fa iza amintsika no afaka mahafantatra ny hevitry ny Tompo? Iza no ampy fahalalana mba ho mpanolo-tsaina sy mpitari-dalana azy?”
4 Tsy te-hilaza anefa ilay apostoly hoe na dia nampiharihary taminy ny heviny aza Andriamanitra dia tsy hahay hahalala na hahatakatra izany ny olombelona. Ny porofon’izany dia ny tena nampihariharian’ny Mpamorona antsika tokoa ny heviny ao amin’ireo pejin’ny Teniny ara-tsindrimandry, dia ny Soratra Masina. Ny tian’i Paoly hosoritana kosa, dia ny hoe tsy misy mihitsy olona ho afaka, amin’ny fahaizan’ny tenany mieritreritra ihany, mamantatra na manatanteraka ny hevitra na ny fikasan’Andriamanitra raha mbola tsy noforoniny akory izany. Raha tsy misy koa ny fanambaran’Andriamanitra, dia tsy nisy mihitsy olona niseho ho nahay. Raha lazaina amin’ny teny hafa, talohan’ny fanambarana velabelarina ao amin’ny Baiboly, dia tsy nisy mihitsy olona ‘tonga tamin’ny fahalalana ny hevitr’i Jehovah’. Talohan’ny andron’ny kristianisma, dia tsy nisy na dia iray aza tamin’ireo mpanoratra ny boky 39 voalohany ao amin’ny Soratra Masina afaka nahatakatra izany hevitra izany, na dia Mosesy mpanao lalàna aza.
5 Ohatra, tsy nisy mihitsy olona nahatakatra izay nokasain’i Jehovah hatao tamin’i Abrahama sy ny taranany, na ny ho vokatr’izany eo amin’ireo zavatra hitranga amin’ny taonjato voalohany amin’ny fanisan-taona iraisana.
Ny ‘hevitr’i Jehovah’ sy ny “hazo oliva” ara-panoharana
6. a) Ny amin’ny fampanantenana inona moa no resahin’i Paoly ao amin’ny Romana toko faha-11? b) Inona moa no tombontsoa mahagaga noraisin’i Abrahama? Inona no antony?
6 Ao amin’ny Romana toko faha-11, ilay apostoly dia miresaka hatreo amin’ny andininy Ro 11 faha-34 ny amin’ny “taranaka” nampanantenaina an’i Abrahama tamin’ny alalan’ny terany na ‘taranany’. Ao amin’io taranaka io, na amin’ny alalany, no hitahian’ny Andriamanitr’i Abrahama ny fianakaviana rehetra sy ny firenena rehetra amin’ny fotoana noferany. Endrey ny tombontsoan’i Abrahama tonga mpandova fampanantenana mahafinaritra toy izany! Valisoa kanto noho ny finoany sy ny fankatoavany izany.
7. a) Mampiseho inona moa ireo fizarana isan-karazany amin’ilay “hazo oliva” ara-panoharana? b) Hatao inona ireo “sampany”? d) Raha ny amin’ilay “taranaka”, amin’ny ahoana moa ny ‘hevitr’i Jehovah’ no mbola tokony haharihary?
7 Ilay apostoly dia mampitaha ny fahatanterahan’ny hevitr’i Jehovah tamin’ny voalohany amin’ny fitomboan’ny hazo oliva iray, dia hazo fatra-piely tany Palestina. Tao amin’io fanoharana io, ny fakan’ny hazo oliva ara-panoharana dia tsy iza fa Abrahama. Ny vatana nivoaka avy amin’i Abrahama fakany ara-panoharana dia voaforon’ny zanany malala, Isaka, sy Jakoba na Isiraely zafikeliny ary ireo zanakalahin’i Jakoba roa ambin’ny folo, ireo razamben’ny foko roa ambin’ny folon’ny Isiraely. Amin’ny nahaterahany, ny taranak’ireo patriarka 12 rehetra ireo dia nahaforona ny rantsan’io hazo oliva ara-panoharana io. Amin’ny maha-izany azy ireo, dia ara-dalàna raha voantso ho tonga ny “taranaka” nampanantenaina an’i Abrahama izy, dia ilay taranaka hitahiana ny fianakaviana rehetra sy ny firenena rehetra amin’ny tany, mifanaraka amin’ny “hevitra” na ny fikasan’i Jehovah mampiseho fahamoram-panahy. Ny tsy fantatr’izy ireo anefa dia ny hoe tsy ho taranaka ara-nofo izany. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia tsy ho ampy ny ho taranak’i Abrahama patriarka mba hahatongavana ho anisan’izany. Ho “taranaka” ara-panahy kosa izany ka ny rainy dia tokony ho lehibe kokoa, ambony kokoa noho Abrahama. Izany Ray izany dia ho Jehovah, ilay loharanon’aina mihitsy. Fa iza no hahaforona ny lehibe indrindra amin’ny “taranaka”?
8. Ahoana no nahatongavan’i Jesosy ho Isaka Lehibe? b) Nahoana no nilaina ny sorony sy ny fananganana azy tamin’ny maty mba hitahiana ny fianakaviana rehetra amin’ny tany?
8 Io olona io dia tokony halaza kokoa noho Isaka zanakalahy naterak’i Abrahama tao anatin’ny fahanterany. Io ‘lehilahy io, Kristy Jesosy’, dia ho taranak’i Isaka sady ho lehibe noho izy, noho Jakoba (na Isiraely) zanany ary noho ireo zanakalahin’i Jakoba roa ambin’ny folo, dia ireo fanorenana roa ambin’ny folon’ny firenen’Isiraely (I Timoty 2:5). Ilay zaza vao teraka hantsoina hoe Jesosy tokoa dia ny “Zanak’Andriamanitra”, satria nateraka tao an-kibon’i Maria virijina tamin’ny alalan’ny fanahin’i Jehovah izy io. Raha ny marina, ny fiainany dia nafindra avy tany amin’ny faritra ara-panahy ho ao an-kibon’i Maria, hany ka Josefa vadin’i Maria dia ray nitaiza an’i Jesosy fotsiny teto an-tany (Lioka toko voalohany ka hatramin’ny faha-3). Kanefa, araka ny nasehon’ireo zava-nitranga taty aoriana, dia tsy tao anatin’ny fiainany tamin’ny naha-olombelona no nitahian’i Jesosy ny fianakaviana rehetra sy ny firenena rehetra amin’ny tany. Marina fa raha afaka mitahy ny olombelona rehetra izy dia noho ny sorona tanteraka sy tsy misy loto natolony tamin’ny taona 33 tao Kalvary, tany ivelan’i Jerosalema. Kanefa, tamin’ny andro fahatelo avy eo amin’ny nahafatesany, mbola tamin’ny taona 33 ihany, dia nanangana azy tamin’ny maty Jehovah Rainy tany an-danitra. Taty aoriana Jesosy dia niakatra indray ho any an-danitra tamin’ny naha-Zanak’Andriamanitra ara-panahy azy. Avy any izy no mitahy ny firenena rehetra sy ny fianakaviana rehetra amin’ny tany.
9. Inona koa moa no hevitry ny hazo oliva ara-panoharana mbola mitatra kokoa? b) Firy no isan’ny sampany ara-panahy? Ahoana no ahafantarantsika izany? d) Inona no fantatsika ao amin’ny Galatiana 3:28, 29 ny amin’ireny “sampany” ireny?
9 Raha jerena amin’izany lafiny izany, dia mifono heviny vaovao sy mitatra lavitra ny fanoharana ny amin’ny hazo oliva. Ny “fakan’ny” hazo oliva ara-panahy àry dia Jehovah, ilay Abrahama Lehibe loharanon’ny aina rehetra. Ny Zanaka lahitokan’izy io kosa dia niharihary fa Jesosy Kristy, ilay Isaka Lehibe. Izy io no tonga filohan’ny kongregasiona kristiana izay nateraky ny fanahin’ilay Abrahama Lehibe, dia Jehovah Andriamanitra. Ireo anisan’ny kongregasiona kristiana àry dia mahaforona ny ‘sampan’io’ hazo oliva ara-panahy io izay, araka ny Apokalypsy 7:1-8 sy 14:1-3, dia tokony hahatratra ny isa 144 000 amin’ny farany. Koa izao no vakintsika ao amin’ny Galatiana 3:28, 29: “Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany hianareo rehetra ao amin’i Kristy Jesosy. Fa raha an’i Kristy ianareo, dia taranak’i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana.”
10. a) Iza moa ireo nantsoina voalohany mba ho tonga sampany ara-panahy? b) Tamin’izy ireny, iza no tena ‘novonjena’? Inona no faminaniana notononin’i Paoly mba hanazavana an’io hevitra io?
10 Koa satria ireo Jiosy tamin’ny andron’i Jesosy rahalahiny araka ny nofo ary taranak’i Abrahama patriarka, dia izy ireo no voalohany nantsoina ho tonga ‘sampan’io’ hazo oliva ara-panahy io. Voaray tao anatin’ny faneken’ny Lalàna tokoa izy ireo, dia fanekena nataon’ilay Abrahama Lehibe tamin’ny alalan’i Mosesy. Tamin’ny fivahiniany teto an-tany, Jesosy dia tsy nitodika afa-tsy tany amin’ireo “ondry very amin’ny taranak’Isiraely”. (Matio 10:6.) Noho izany, ireo voalohany tonga ‘sampan’ny’ hazo oliva ara-panahy nanana an’i Jehovah ho fakany dia Jiosy araka ny nofo. Toy izany no hita tamin’ireo apostoly nahatoky roa ambin’ny folo sy mpianatra hafa an’arivony maro. Tamin’ny fitambarany anefa, dia “sisa” vitsy tamin’ny Jiosy ihany no ‘novonjena’ mba ho tonga taranak’ilay Abrahama Lehibe ka handova ny ‘fampanantenany’, araka ny nambara ao amin’ny Isaia 10:22, dia teny notononin’i Paoly ao amin’ny Romana 9:27.
11. a) Oviana no nisy “sampany” nahery nendahina? b) Tamin’ny heviny ahoana moa ireo ‘sampan’ny’ hazo oliva maniry ho azy no natsofoka? Teo amin’ny hazo oliva inona no nanaovana azy toy izany?
11 Nisy “sampany” nahery tamin’ny “taranak’i Abrahama” nanomboka nendahina tamin’ny fanovana Samaritana voafora. Natao toy izany tamin’ny hevitry ny teny feno ireo, telo taona sy tapany taorian’ny nahafatesan’i Jesosy Kristy, Abrahama Lehibe, sy nananganana azy tamin’ny maty. Tamin’izany fotoana izany, ireo mpino voalohany tsy jiosy sy tsy voafora, izany hoe Kornelio kapiteny romana sy ny ankohonany ary ireo namany tia fivavahana, dia voaovan’ny apostoly Petera. Rehefa avy nateraka sy nohosorana tamin’ny fanahin’i Jehovah izy ireo, dia natao batisa (Asa. Toko faha-10). Tamin’izany ireo ‘sampan’ny’ hazo oliva naniry ho azy no natsofoka teo amin’ilay hazo oliva ara-panahy izay Jehovah no “fakany” mahavelona.
12. a) Inona no hitranga raha mibebaka ny “sampany” nendahina? Manomeza ohatra. b) Mampiseho inona izany? d) Tokony hanao ahoana ny fihetsika hasehontsika eo anoloan’izany fanambarana ny ‘hevitr’i Jehovah’ izany?
12 Nefa, raha toa taorian’ny nanendahana azy, ny Jiosy sasany araka ny nofo ka nijery indray ny toerany ary nibebaka, dia azo natsofoka indray izy ireo. Sahala amin’i Akoila sy Prisila, dia mbola azon’izy ireo natao ny nanana anjara tamin’ny tombontsoa ara-panahy verin’ny firenena jiosy noho ny tsy fahampian’ny finoany an’ilay Isaka Lehibe, dia Jesosy Kristy (Asa. 18:1-4, 26; Romana 16:3; I Korintiana 16:19). Izany dia porofon’ny hatsaram-pon’ilay Abrahama Lehibe. Teo anoloan’izany fahalalaham-pon’i Jehovah niavaka tamin’ny Jiosy izay mbola maminy foana noho ireo razambeny izany, dia tsy voasakana tsy hihiaka toy izao ilay apostoly: “Endrey ny halalin’ny haren’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany!” Moa ve ny fonao voatohina koa noho izany fanambarana ny “hevitr’i Jehovah” izany?
Ny fomba hitiavana an’Andriamanitra amin’ny fon’ny tena rehetra sy ny sain’ny tena rehetra
13, 14. a) Ahoana no nanomezan’Andriamanitra ny Lalàna ho an’ny Isiraely? Noho ny fikendrena inona no nanaovany izany? b) Inona no nolazain’i Jesosy ny amin’ny Lalàna? Ahoana moa no tokony handraisana ny hevitry ny teny hoe “fo” eo? d) Inona moa no didy roa notononin’i Jesosy? Nahoana isika no tokony hitandrina izany?
13 Tamin’ny alalan’i Mosesy mpaminany, taloha Jehovah dia nanao fanekena tamin’ny firenen’Isiraely, taranaka ara-nofon’i Abrahama patriarka. Nitranga izany tamin’ny 1513 alohan’ny fanisan-taona iraisana, tany amin’ny efitry ny tany saika nosy Arabika, raha ny marimarina kokoa dia tao an-tendrombohitra Sinay. Tany izy no nanome ny Lalàna ho an’ny Isiraelita. Ny amin’io lalàna io, dia izao no nosoratan’ny apostoly Paoly: “Koa ny lalàna dia mpitaiza antsika ho amin’i Kristy, mba hohamarinina noho ny finoana isika.” (Galatiana 3:24). Inona anefa no nolazain’i Jesosy Kristy ny amin’ny lalàna navoaka tamin’ny alalan’i Mosesy? Rehefa nanontaniana izy hoe inona no ‘didy lehibe indrindra’ ao amin’ny fitambaran-dalàn’i Mosesy, dia izao no navaliny: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao [grika kardia], rehetra sy ny fanahinao [psukhê] rehetra ary ny sainao [dianoïa] rehetra’. Izany no didy lehibe sady voalohany. Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao’. Izany didy roa izany no ihantonan’ny lalàna rehetra sy ny mpaminany.” (Matio 22:35-40). Mariho fa ny fo dia ampiarahina amin’ny saina (amin’ny heviny hoe fahaizana hahalala); noho izany, eo ny teny hoe “fo” dia tokony horaisina amin’ny heviny ara-panoharana.
14 Ao amin’ireo andinin-teny ireo Kristy dia sady nanonona ny Deoteronomia 6:5, izay voasoratra toy izao: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao [hebreo lébâb] rehetra sy ny fanahinao [nèphèsh] rehetra ary ny herinao rehetra” no nanonona ny Levitikosy 19:18 manao hoe: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao: Izaho no Jehovah.” Jesosy àry dia nihevitra ireo fitsipika ireo ho ny didy voalohany sy faharoa tao amin’ny lalàn’i Mosesy araka ny halehibeny. Na dia tsy eo ambanin’ny Lalàna aza isika, ireo fepetra tena lehibe ireo dia mbola manan-kery foana ka tokony hofenointsika.
15. a) Inona no mahatonga ny fontsika ara-batana hitepo? Inona no asany? b) Inona no fifandraisana misy amin’ny fontsika nofo sy ny saina ao amin’ny atidoha?
15 Araka ny fantatsika dia ny “fanahin’aina” no manetsika ny fo amin’ny hevitry ny teny ara-bakiteny (Apokalypsy 11:11; Genesisy 7:22). Io herim-piainana io dia tena mahatonga tokoa ny fontsika nofo ho afaka handefa ny ra mpitondra aina ho any amin’ny faritra rehetra amin’ny tenantsika, anisan’izany ny atidoha. Nanambara toy izao tokoa Jehovah: “Fa ny amin’ny ain’ny [nèphèsh] nofo rehetra, dia ny rany no ainy; koa izany no nilazako tamin’ny Zanak’Isiraely hoe: Aza mihinana ny ran’ny nofo; fa ny rany no ain’ny nofo rehetra”. (Levitikosy 17:14). Mba hahatonga ny ain’ny tena haharitra, dia ilaina ny handefasan’ny fo ara-batana any amin’ny momba ny tena rehetra, ny ra afaka hitana azy. Na ny fo voajanahary nomen’Andriamanitra antsika no miantoka ny fikorianan’ny ra na fo nafindra na fo namboarin’olombelona tsy mihetsika sy tsy misy aina, amin’izany ny ra dia homena ny atidoha. Hanaitra ny fahaizany ara-tsaina izany ka ho afaka hiasa ny saina, ny hevitra. Mazava àry fa mamelona ny atidoha ny fo ara-batana satria manome azy ny ra izay mirakitra ny herim-piainana, ny “fanahin’aina”. Na tsapantsika izany na tsia, ny fontsika dia mizara tsy ankijanona ny ra ho an’ny atidoha sy ny faritra hafa rehetra amin’ny tenantsika.
16. a) Ao amin’ny Baiboly, mampiseho inona ny fo amin’ny heviny ara-panoharana? b) Inona no tokony hataontsika mba hitiavana an’i Jehovah ‘amin’ny fontsika rehetra’? d) Amin’ny heviny ahoana isika no afaka ny ho tia azy amin’ny ‘saintsika rehetra’?
16 Nefa aoka isika hijery any ambadiky ny fontsika ara-batana, ilay voaforon’ny tenan-javatra toy ny hita amin’ny taova hafa. Ao amin’ny Baiboly, ny fo dia mampiseho koa ny foiben’ny antony manosika hanao zavatra sy ny fihetseham-po. Amin’izay ny resahina dia fo ara-panoharana izay raha ny marina dia mampiseho ny toetrantsika miafina indrindra. Ao amin’ny I Petera 3:4 dia misy firesahana ny amin’ny “maha-izy miafin’ny fo” (MN), “ny zavatra tena misy miafin’ny fo” (Votre Bible) na ny “fisiana anaty”. (Bible en français courant.) Izany dia mahatonga antsika ho afaka hahatakatra ny ho amin’ny heviny ahoana isika no tokony ho tia an’i Jehovah, ‘amin’ny fontsika rehetra’. Nefa mbola ilaintsika koa ny ho tia azy amin’ny fanahintsika rehetra, amin’ny fisiantsika rehetra. Izany dia milaza koa ny tokony hitiavantsika ilay hany Andriamanitra velona sady marina sy Tsitoha amin’ny herim-piainantsika rehetra, amin’ny fampiasana ny herintsika hanaovana ny sitrapony araka ny nanambarany izany tamintsika sy hanatontosana ny asa nankininy tamintsika ho amin’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”. (Matio 24:3, MN.) Etsy andaniny koa, dia mety ny hitiavantsika an’ilay Andriamanitry ny Baiboly amin’ny saintsika rehetra, amin’ny fahaizantsika ara-tsaina rehetra. — Marka 12:29-31.
17. Raha tia an’i Jehovah amin’ny fontsika rehetra sy ny saintsika rehetra isika, inona no rariny raha antenaintsika? b) Araka ny Filipiana 4:7, inona no ho vokatry ny fiadanan’Andriamanitra eo amin’ny fontsika sy ny saintsika?
17 Mazava ho azy fa raha maneho fitiavana an’i Jehovah amin’ny fontsika rehetra sy ny saintsika rehetra isika, dia hahafaly azy ny hihaino ny vavaka ataontsika. Hahatonga antsika ho voatsimbina amin’ny fanahiana maro izany toky izany. Hanandrana fiadanana mihoatra noho ireo fanantenana sy fahalalan’izao tontolo izao misamboaravoara ankehitriny isika. Amin’ny fomba ahoana? Noho ny fahatanterahan’ity fampanantenana nomen’ny apostoly Paoly ho an’ireo rahalahiny malala tany Filipy, any Grisia, ity: “Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana [grika noun] rehetra, hiaro ny fonareo [kardias] sy ny hevitrareo [noêmata: “sainareo”, Bible en français courant; Ostervald; “eritreritrareo”, Osty, Segond; “fahalalanareo”, Bible du Centenaire] ao amin’i Kristy Jesosy.” (Filipiana 4:7). Ny fontsika ara-panoharana tokoa dia tsy hanaiky ho taitra amin’ny fanefena antony ratsy manosika. Tsy ho resin’ny fitebitebena koa izy. Fa raha ny amin’ny saintsika, izany hoe ny fahaizantsika ara-tsaina, izany dia tsy ho rembin’ny fisafotofotoana izay mety handiso ny fiheverantsika na ny hevitsika. Amin’izany ny kristiana dia ho afaka hanohy hanaraka ny Teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra amin’ny fanampian’ilay Mpitari-dalana azy, dia Jesosy Kristy.
Ho hainao ve ny hamaly?
◻ Inona no atao hoe “hevitr’i Jehovah”?
◻ “Hazo oliva” inona no nampiasain’i Paoly mba hanazavana izany “hevitra” izany?
◻ Inona moa ny fo ara-panoharana?
◻ Inona no anjara raisin’ny ‘fontsika’ sy ny ‘saintsika’ eo amin’ny fitiavantsika an’Andriamanitra?
[Sary, pejy 9]
Ao amin’ilay hazo oliva ara-panahy, ireo rantsana mampiseho ny Jiosy tsy nankato dia notapahina sy nosoloana hafa, dia: ny Samaritana sy ny tsy Jiosy tsy voafora izay niova hanaraka ny kristianisma.