FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Madmena”
  • Madmena

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Madmena
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Gilo
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Meronotita
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Aza Matahotra An’ilay Asyrianina
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
  • Ita-kazina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Madmena”

MADMENA

(Madmèna) [mety ho avy amin’ny fototeny midika hoe “zezika”].

1. Toerana nolalovan’ny Asyrianina tamin’izy ireo hanafika an’i Jerosalema. (Is 10:24, 31, 32) Tsy fantatra ny tena toerana nisy azy io. Misy anefa milaza azy io ho i Shoʽfat, tokotokony ho 4 km any avaratra avaratrandrefan’ny tendrombohitra nisy ny tempoly tany Jerosalema.

2. Toa toerana tany Moaba izay voalaza fa hisy hamely amin’ny sabatra. Ny teny hebreo hoe gam-madmen tiddômmi no nadika hoe “tokony hangina koa ianao, ry Madmena”, ao amin’ny Jeremia 48:2. Manam-pahaizana maro no milaza fa nisy namerina tsy nahy ilay m avy amin’ilay teny eo aloha (gam), ka izany no nahatonga ilay m voalohany amin’ny hoe madmen (“Madmena”). Raha tsy nisy an’io m io, hono, dia ho nitovy ny renisoratra amin’ny hoe Dimona sy Madmena. Maro àry no mihevitra fa i Dimona (angamba i Dimna, 10 km eo ho eo avaratr’i Karak) ihany no Madmena. Tsy anaran-toerana angamba anefa ny hoe Madmena, satria toy izao no nandikan’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo sy ny Peshitta syriàka ary ny Vulgate latinina an’ilay teny hebreo: ‘Eny, hatao gina tanteraka ianao [ry Moaba].’

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara