MERONOTITA
(Merônôtìta).
Teny ilazana ny fiavian’i Jedaia sy Jadona. Toa mponina avy any Meronota mantsy izy ireo. (1Ta 27:30; Ne 3:7) Misy manam-pahaizana mihevitra an’i Meronota ho tany akaikin’i Gibea, saingy tsy fantatra izay tena nisy azy io. Misy kosa milaza azy io ho i Beitoniya, tsy ampy 5 km any avaratra avaratrandrefan’i Gibeona.