FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w65 1/5 p. 85-92
  • Ny tsi-fivadihana amin’ny fandaminan’i Jehovah

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny tsi-fivadihana amin’ny fandaminan’i Jehovah
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fandaminan’Andriamanitra hita maso
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
  • Aoka ho mahatoky amin’ny zava-madinika isika
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
  • Ahoana no Itarihan’i Jehovah ny Fandaminany?
    Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
  • Ahoana no Itarihan’i Jehovah ny Fandaminany?
    Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
w65 1/5 p. 85-92

Ny tsi-fivadihana amin’ny fandaminan’i Jehovah

“Mandrenesa, ry Iaveh, ekeo vavaka aho, fa ory sy mahantra aho. Arovy aho fa hianao no ametrahako ny fitokiako.”—Salamo 86:1, 2, Li.

1. Ahoana no fomba anehoana ny fahatokiana na ny tsi-fivadihana amin’Andriamanitra?

NY FAHATOKIANA na tsi-fivadihana dia ny firaiketana amin’izay rehetra adidy, ny fanoavana tanteraka, ny fahafoizan-tena. Izany no hery hanohana antsika tsy hangozohozo eo anatrehan’ny zava-tsarotra isan-karazany mitady hampisaratsaraka ny olombelona. Mampiseho fahatokiana karazan’izany amin’Andriamanitra ny olony. Koa na amin’ny mora, na amin’ny sarotra dia mifikitra amim-pitiavana amin’i Jehovah sy ny fandaminany izy ireny, “na dia izao tontolo izao aza no hisakana” hoy ny fitenenana.

2, 3. Inona no fahambonian-toetra hita teo amin’i Abrahama mbola notsarovan’ny mpanoratra ny Baiboly, ary nahoana moa no nahatoky an’i Jehovah izy?

2 Ohatra tsara ny amin’izany Abrahama tamin’ny tsi-fivadihany tamin’Andriamanitra sy tamin’ny fandaminany. Tamin’ny taona 1943 talohan’i J. K., dia nanao fanekena lehibe tamin’i Abrahama, Jehovah (Genesisy 12:4, 7). Efa dimy amby fito-polo taona ilay patriarka tamin’izay, kanefa nahatoky an’Andriamanitra hatrany izy nandritry ny zato taona taoriana, izay niaretany fitsapana samihafa. Nifikitra tamin’i Jehovah izy fa ny Baiboly, dia nilaza azy hoe: “sakaizan’i Jehovah’’. (Jakoba 2:23, MN). Maty Abrahama rehefa dimy amby fito-polo amby zato taona rehefa nanompo tamim-pahatokiana nandritra ny zato taona (tamin’ny taona 1843 talohan’i J. K.). Izao no lazain’ny Baiboly ny amin’ izany (Genesisy 25:8): “Niala aina Abrahama ka maty, rehefa nahatsiaro sambatra teo amin’ny fahalehibiazany, sady tratra antitra no voky andro [afa-pon’ny miaina, NW], dia voangona any amin’ny razany izy.” Feno fahasambarana tokoa Abrahama tamin’ny tsi-fivadihany tamin’ny Andriamaniny hatramin’ny fara-fofonainy. Koa roa arivo taona tatỳ aoriana, dia tsaroana izy sady voatonona ho ohatry ny fahatokiana an’Andriamanitra ao amin’ny Hebreo toko faha-11.

3 Mariho koa izay voasoratra ao amin’io toko io ihany, momba an’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba: “Ary noho izany Andriamanitra dia tsy menatra noho ny aminy, ka antsoina hoe: Andriamaniny.” (Hebreo 11:16, MN). Fahatokiana manao ahoana re izany an’ireo lehilahy ireo izany, fa ny Mpanjakan’ny mpanjaka no manao fanambarana toy izany, aminy!

4. Inona no mampitovy ny vavolombelon’ i Jehovah amin’i Abrahama?

4 Ny vavolombelon’i Jehovah ankehitriny koa, dia fanta-daza amin’ny fahatokiany sy ny firaiketany amin’ny fitsipi-piainana araka ny Baiboly. Tsy handika mihitsy ny lalàn’Andriamanitra izy, na dia hihatra amin’ny ainy aza ka ho vonoin’ny fahavalony izy. Na fanenjehana ataon’i Kaisara izany, na fanenjehan’ny havana eo amin’ny ankohonana, na fandrika momba ny fitiavana ny zavatra hita maso, dia toheriny hatrany noho ny finoany efa tsara orina eo amin’ny Tenin’Andriamanitra. Eran’izao tontolo izao dia marobe ny fanambarana mampiseho fa ny vavolombelon’i Jehovah, dia tsy mivadika amin’ny Andriamaniny.

5. Iza no nomena adidy hampianatra fahatokiana ny vavolombelon’i Jehovah, ary ahoana no ampiharana izany eo amin’ny fianarana?

5 Avy aiza ny fandavantenan’ireo vavolombelon’i Jehovah? Iza no alainy tahaka amin’ny fanoavana feno tsy misy fepetra? Aiza no ahazoany ny sakafo ara-panahy manome hery azy? Ny Baiboly no avelantsika hamaly izany fa ao no misy ny tenin’i Jesosy hoe: “Iza tokoa moa io mpanompo mahatoky sady malina io, izay notendren’ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy ireny hanina, amin’ny fotoana? Sambatra io mpanompo io raha avy ny tompony ka hahita azy manao izany. Lazaiko aminareo marina tokoa: Hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy.” (Matio 24:45-47, MN). Tsy hanahirana akory ny hamantatra io “mpanompo” mahatoky sy sambatra io, izay nomena adidy maro iantsorohany amin’izao fotoana ankehitriny izao.

6, 7. Iza no mampianatra ny “mpanompo mahatoky sady malina’’ ary iza koa no manome modely azy?

6 Efa hatrany am-piandohana, ilay atao hoe: “mpanompo’’ no manaraka ny oha-piainana hita teo amin’i Jesosy Kristy ary naka tahaka ny fahambonian-toetra nananany, toy izay voalaza ao amin’ny Salamo 40:8 (Sy) hoe: “Andriamanitra ô! ny manao ny sitraponao no mahafinaritra ahy.” Mendrika itokiana va Kristy? Izany dia izany tokoa, satria izao no voasoratra ny amin’io Mpampianatra io: “Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.” (Hebreo 13:8, MN). Namolavola ny mpianany io “mpanompo” io ary nampianatra azy ny fomba ho enti-misetra ny fanoheran’ireo fahefana jiosy mahery vaika izay nandidy ny apostoly kristiana “tsy hiteny na hampianatra intsony na aiza na aiza, amin’ny anaran’Jesosy ho fototra”. Fa hoy ny valin-tenin’ireo apostoly: “Andriamanitra no tsy maintsy hekenay ho filoha noho ny olona.” (Asan’ny Apostoly 4:18; 5:29, MN). Koa rehefa tsara fahana toy izany ireo “mpanompo” ao an-tranon’i Jesosy Kristy, ara-panahy, dia hamahana ny olona hafa koa ny fikambanan’ireo mpanompo mahatoky ireo. “Ary nihamafy orina ny finoan’ny fikambanana sady nitombo isa isan’andro isan’andro izy ireny.”—Asan’ny Apostoly 16:5, MN.

7 Tsy mahalala làlana afa-tsy tokana ihany i Jesosy Kristy. Mahazo mangataka any an-kafa araka izay tiany angamba ny olona, kanefa aiza moa no nahitany “mpanompo” mahatoky hafa nandroso hanina mamelombelona ho azy eo ambany fitarihan’i Jesosy Kristy? Tsy misy na aiza na aiza, satria Petera dia namaly indrindra izany fanontaniana izany ka niteny hoe: “Tompo ô! hankany amin’iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay.”—Jaona 6:68, MN.

8. a) Ahoana no fomba itaizan’io “mpanompo mahatoky sady malina’’ io ny finoan’ny vahoakan’Andriamanitra? b) Amin-joto ve no anaovan’io mpanompo io ny adidiny?

8 Fa amin’izao ankehitriny izao, dia hitantsika ao amin’ny vavolombelon’i Jehovah, voalamina ho fikambanan’izao tontolo izao vaovao anankiray, ny finoana matanjaka sady tsy azo hozongozonina nananan’ireo kristiana voalohany. Ary hita miharihary fa mihamaro hatrany ireny vavolombelona ireny. Firenena tena sambatra izy. Manaraka ny modelin’ireo kristiana voahosotra ny fanahy masina, dia ireo kristiana voahosotra izay mbola eto an-tany miasa eo ambany fitarihan’i Jesosy Kristy izay mahaforona ny “mpanompo mahatoky sady malina”, ireo vavolombelona ireo. Andeha ho dinihintsika vetivety ny fandaminany. Noho ny fiarovany ny lalàn’ny Baiboly eo amin’ny tany manontolo, dia efa nentina teo anatrehan’ny fitsarana in’arivoarivo ireny kristiana ireny, ka nanambarany hoe: “Andriamanitra no tsy maintsy hekenay ho filoha noho ny olona”, tahaka ny nataon’ny kristiana tany am-boalohany. Ny fitoriana “ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity” no adidy nomena hataony ka ankehitriny, dia mitory izany tokoa isan-tokantrano eran’ny tany manontolo any amin’ny tany sy nosy 194 samihafa izy. Misy misionary vita hofana koa alefa saika eran’izao tontolo izao. Im-betsaka ao anatin’ny taona iray dia misy minisitra, masaka tsara amin’ny fahalalana sy ny finoana, matotra, mamangy ny fikambanana tsirairay mba hanampy ny rahalahy rehetra, ho tonga minisitra mahay tsara ny asany. Misy fivoriambe maro tsy tapaka atao mba hahafahan’ny vavolombelon’i Jehovah, hivelona amin’ny Tenin’Andriamanitra sy hifankazatra amin’ny rahalahiny hafa. Misy fivoriana dimy isan-kerinandro ao amin’ny fikambanana tsirairay avy, ary natao hitaizana sy hanamafy orina ny finoan’ny mpanatrika rehetra ny fandaharana amin’izany. Boky be dia be maro ifidianana sy trakitra misy fanazavana no atonta sy aely amin’ny fiteny mihoatra ny 162. Ny Baiboly koa aza dia voatonta amin’ny fiteny marobe ka azon’ny fianakaviana rehetra vakiana isan’andro, ary ny habeny dia voakendry ho mora ampiasaina.—Matio 24: 14.

9. a) Nahoana no azo lazaina ho ohatra tonga lafatra momba ny tsi-fivadihana ny “Ny Tilikambo Fiambenana’’? b) Inona sy inona no vokatra azo?

9 Mihoatra ny valo-polo taona izao no namoahan’io “mpanompo mahatoky sady malina” io ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana, isam-bolana tsy tapaka, izay voatonta pirinty amin’ny fiteny 68 ary misy 4.400.000 isaky ny nomerao mivoaka. Koa namporisika ny mpamandrika azy hangetaheta fatratra ny fahatongavan’ny nomerao manaraka hatrany ny fahitany, fa io gazety io dia tsy mba mivadika amin’ny Tenin’Andriamanitra, ary tsapany fa toy ny sakafo tsara voatra atobaka eo anoloany izany, amin’ny ara-panahy. Raha vao tamin’ny nomerao voalohany (navoaka tamin’ny teny anglisy tamin’ny taona 1879, boky I N° 1, pejy 1) dia nohamafisin’io gazety io fa “tsy miankina na mifandray amin’ny antoko politika na antokom-pivavahana na finoana inona arahin’ny olombelona mihitsy’’ izy. Ny Baiboly no iankinany. Koa tsy misy hafa amin’i Abrahama io antokon’ny “mpanompo” io amin’izany, fa voky taona anompoana an’Andriamanitra izy (Genesisy 25:8). Mifarimbona miasa aminy eo amin’ny fanompoam-pivavahana ataonao ho an’Andriamanitra!

10. Ny fitarihan’io fandaminana io ve mahafoana ny fanampiana ny tsirairay? Azavao.

10 Marina fa fandaminana iray haingam-pitatra ny fikambanan’izao tontolo izao vaovao. Ho porofon’izany dia 86.345 no olona nandray batisa ho minisitra vaovao ao aminy, tamin’ny taona 1959 fotsiny (Jereo ny diarin’ny vavolombelon’i Jehovah tamin’ny taona 1960, pejy 34, [amin’ny teny anglisy]). Tsy safotra ao anatin’ny betsaka tsy akory ny tsirairay ka tsy ho tazana! Kolokoloina amin’ny fampianarana Soratra Masina any an-tokantranony izy. Efa misy fomba fiasa hafa koa, hanampiana ny vaovao hifankazarany amin’ny fandaminana araka an’Andriamanitra sady amolavolana azy ho amin’ny asam-pitoriana atao isan-tokantrano. Raisin’ny mpikarakara tsirairay ho adidy mihitsy ny hifamantatra amin’ny mpikambana rehetra eo amin’ny fikambanana. Izany mihitsy koa no efa nanapahan’i Jehovah azy, satria izao no ambaran’ny Teniny: “Tandremo amim-paharetana na ny tenanao sy ny fampianaranao.’’ Ary koa: “Ireo zavatra ireo dia atolory koa hiadidian’ny olona mahatoky izay hahay mampianatra ny sasany kosa.” (I Timoty 4:16; II Timoty 2:2. MN). Ny fomba fandaharana nampiasaina taloha, izay hita fa nahomby, tamin’ny andron’i Paoly. dia arahina amin’izao andro izao ao amin’ny fikambanan’ny vavolombelon’i Jehovah. ary nahazoam-bokatra tsara (Efesiana 4:11, 12). Izany no ahitana olona an’arivony maro mirotsaka ao amin’io fandaminana io, ary izay efa ao anatiny rahateo dia mifikitra hihazona ny toerany.

11. Inona avy no andinindininy tokony ho fantatra raha hijery io fandaminana io, ary inona kosa ireo zava-droa loha tokony ho jerena?

11 Ahoana no tokony andraisana io fandaminana io arak’izany? Azontsika atao va re ny hiolonolona ka, hihevitra fa hifampiraharaha amintsika manokana amin’ ny fomba hafa ankoatry ny fandaminany, Andriamanitra? Raha tiantsika ny tsy hivadika amin’io fandaminana io, dia tsy maintsy hazava amintsika aloha fa an’Andriamanitra izany fandaminana izany, ary izy no fiasana entiny mamita asa lehibe anankiray. Koa tsy maintsy hanohy izany asa izany ny fandaminana mandra-pihavin’ ny fotoana anambaran’i Jehovah aminy ny fahavitany. Ary satria Jehovah no nanangana sy nanorina io fandaminana io, dia Izy ihany no namorona ny toerana misy adidy iandraiketana samihafa ao anatiny. Tsy namela antsika ho ao anatin’ny fisalasalana ny amin’izany Izy, ka izao no voalaza ao amin’ny Asan’ny Apostoly 20:28, MN: “Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay efa nanendren’ny fanahy masina anareo ho mpikarakara, hamahananareo ny fikambanan’Andriamanitra izay novidiny tamin’ny ran’ny Zanany mihitsy.” Hahita andinidininy maro ny amin’ny asan’io fandaminana io isika ao amin’ny Efesiana 4:11,12. Mivaofy betsaka ny amin’ny mpikarakara sy ny adidiny eo amin’ny fikambanana indrindra ny bokin’ny I Timoty, II Timoty ary ny bokin’ny Titosy ao amin’ny Baiboly. Koa zava-droa loha no tsy maintsy jerena: dia ny toerana misy andraikitra iantsorohana noforonin’i Jehovah eo an-daniny, ary ny olona izay zava-boahary tsy tanteraka, kanefa nomena tombon-tsoa hanao izany asa izany eo amin’ny ankilany.

12. a) Milazà ohatra iray isehoan’ny tarehin-javatra toy izany? b) Fa ahoana kosa no nandraisan’i Jehovah izany raharaha izany?

12 Kanefa mandrakariva dia mora adinoina ny amin’ilay toerana, ary ny olona izay mipetraka eo ihany no hita. Nihatra tamin’i Arona sy Miriama izany fahadisoan-kevitra izany. Ny maha-havan’izy ireo an’i Mosesy no hitany, fa adinony Ilay nanendry an’i Mosesy ho amin’ny toerany. Nihevitra izy ireo fa afaka hahavita izany asa izany, tahaka an’i Mosesy koa. Tsy sarotra taminy ny nitady kilema ho kianina, satria olona tsy tanteraka ihany Mosesy. Mba fantatrao moa anefa ny fandraisan’i Jehovah izany raharaha izany? Jehovah nanambara an’i Mosesy hoe: “Mahatoky amin’ny tranoko rehetra izy.” Fa izao kosa no voasoratra momba an’i Arona sy Miriama: “Dia nirehitra ny fahatezeran’i Jehovah tamin’izy mianadahy.” (Nomery 12:7, 9, AC). Izao no anatra omen’i Jehovah antsika ao anatin’ny Baiboly: “Fa izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra, ary izay manamavo Ahy no ho afa-baraka.” (I Samoela 2:30). Amin’izao androntsika izao koa, dia samy manana ny kilemany ny mpikarakara rehetra eo amin’ny fikambanana. Tsy hikaroka lavitra ny porofon’izany hianao vao hahita, satria tsy misy tonga lafatra ny mpikarakara na iray aza (Romana 5:12). Mila toro-hevitra misy famporisihana, tahaka anao ihany koa izy ireny mba hitomboany amin’ny fahalalana sy ny finoana hatrany. Betsaka ny zavatra tadiavina eo aminy, ka izany no toa mampiharihary loatra ny kilemany (Lioka 12:48). Mibanjina sy mandinika azy amin’ny fotoana rehetra ny olona.

13. Ahoana ary no fomba hahaizantsika mamantatra ny toetra tsara arahina?

13 Hifarimbona hiasa kosa ny kristiana manana fanetren-tena sy mahatoky, satria mazava aminy tsara fa Andriamanitra no nanendry ny fandaminany hanao asa lehibe anankiray. Ny ondry mora toroana dia handatsaka am-po ny anatra nomen’ny apostoly Paoly hoe: “Tsarovy ireo izay mitarika anareo, izay nanambara ny Tenin’ Andriamanitra taminareo, ka hevero ny niafaran’ny fiainany; ary manahafa azy amin’ny finoana. (...) Maneke izay mitarika anareo, ka manoava azy; fa izy miambina anareo tsy mijanona araka izay tokony hataon’ny olona mbola hampamoahina: mba hanaovany izany amin’ny fifaliana fa tsy amin’ny fisentoana; fa tsy hahasoa anareo izany.” (Hebreo 13: 7, 17, MN). Koa ireo zava-dehibe maro loha mikasika ny asan’Andriamanitra no ifantohan’ny sain’ireo “ondry” mahatoky sy manetry tena, satria ny fitiavana no vy miaina manetsika azy. Fa ny olona fohy fijery kosa tsy mba hahatazana izany zavatra izany; kanefa izay mitozo mianatra, dia hitombo fahalalana sy finoana ka hitraka ny lohanv ary hahita ireo zavatra ho avy koa izy. Nohamafisin’i Paoly izany hevitra izany ao amin’ny Filipiana 1:9, 10 (MN) ka, hoy izy: “Tsy mitsahatra ny mangataka izao amin’ny fivavahako aho: dia ny mbola itomboan’ny fitiavanareo bebe kokoa amin’ny fahalalana tsara sy ny fahaiza-manavaka rehetra, mba hamantaranareo izay zavatra tsara indrindra, ka tsy hanan-tsiny hianareo sady tsy hanafintohina ny sasany mandra-pihavin’ny andron’i Kristy.”

14. a) Ahoana no ahazoantsika antoka fa ny fanahin’ Andriamanitra no nanendry ny mpikarakara na ny mpiandry ho eo amin’ny toerany? b) Afaka hahavita ny zavatra rehetra eo amin’ny fikambanana ve ny olona iray? Koa inona ary izany no adidin’ny mpikarakara na mpiandry?

14 Voafidin’Andriamanitra ny mpiandry na ny mpikarakara, satria ny Asan’ny Apostoly 20: 28 dia manambara fa ny fanahy masina no nanendry irony olona ireny ho amin’ny toerany. Koa rehefa ampahafantarin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Teniny ny asa tokony ho tanterahina sy ny adidy miaraka lanjaina amin’izany, dia anjaran’ny “mpanompo mahatoky sady malina” sy ny fandaminana araka ny fandaminan’Andriamanitra hita maso, ny mitady olona iray mahafeno ny fepetra araka ny Soratra Masina sy manendry azy amin’izany. Tsy hanendry afa-tsy rahalahy efa vita fanoloran-tena anefa amin’izany, rehefa avy nihevitra izany tamin’ny fivavahana. Ny zava-dehibe indrindra dia ny asa hatao: ary izany no tokony hikezahan’ilay rahalahy voatendry mba hahavokatra eo amin’ny fanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra. Tsy maintsy ny fomba efa voalazan’ Andriamanitra mialoha ihany no enti-mamahana ny ondry. Manana toerana voatokana mihitsy amin’izany ny mpiandry na ny mpikarakara, satria “hamahana ny fikambanan’Andriamanitra” rahateo no antony nanendrena azy (Asan’ny Apostoly 20:28, MN). Afa-tsy izany dia misy minisitra mpanampy voatendry miara-miasa amin’ny mpikarakara hamahana ny fikambanana sy hanatontosa ny asa betsaka mifanandrify amin’izany (Efesiana 4: 11, 12). Misy andinidininy maro dia maro anefa izany hoe: mamahana ny fikambanan’Andriamanitra izany ankehitriny. Tsy maintsy manomana ny fivoriana dimy atao isan-kerinandro, ary manendry ireo hanana anjara, izay tokony hanao fikarohana hafa kosa ary hanao famerimberenana miaraka, mba hahatonga ny fandaharana hahasoa sy hahazoan-kery. Tsy maintsy hainy koa ny mitsinjara ny faritany iasan’ny fikambanana, mba hanatanterahana tsara ny fitoriana isam-baravarana sy ny fitsidihana ara-dàlana ny tokantrano rehetra. Tokony ho voatana an-tsoratra tsara ny famandrihana amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Réveillez-vous!, fa raha tsy izany dia mety tsy hahazo ny gazetiny ny mpamandrika sasany. Tena ilaina mihitsy koa ny hamangiany ny olona izay osaosa na marary ao amin’ny fikambanana. Ary na hofàna na an’ny tena ny Efitrano malalaka fivoriana, dia tsy maintsy diovina sy haingoina. Olona anankiray, ny mpikarakara ireny, dia tsy hahasahana izany rehetra izany. Izany no anoloran’ny rahalahy hafa ny tenany an-tsitrapo hiasa, satria fantany fa lafin’ny asan’Andriamanitra enti-mamahana ny ondry koa izany andinidininy rehetra izany. Manantena Jehovah fa hanefa izany adidy izany tsara ny fandaminany na ny fikambanany.

15. a) Milazà adidy sasantsasany izay atolotry ny mpikarakara ny mpikambana ao amin’ny fikambanana? b) Moa kely lanja ve ireny asa ireny raha ny mpikarakara no nanolotra azy?

15 Manana izay atao hoe: fandahara-pampianarana ho enti-manampy ny mpikambana ao aminy handroso bebe kokoa ho masaka amin’ny fahalalàna sy ny finoana, ny fikambanana tsirairay avy eo amin’ny vavolombelon’i Jehovah. Ny mpikarakara no manendry ny kristiana matotra hikarakara izay hita fa mbola mila fanampiana, na hianatra izany, na hanomana ny lahateny kely hatao isam-baravarana na, haseho amin’ny sampana hafa amin’ny asam- pitoriana. Lafiny iray hafa koa izany ho enti-mamahana ny ondry, mifaraka amin’ny sitrapon’i Jehovah. Tombon-tsoa manao ahoana re izany hanampy ny rahalahy na, atokan’Andriamanitra koa ho isan’izay mendrika handray fanolokoloana manokana! Arak’izany hevitra izany, dia aoka tsy hanamaivana ny fandraisana andraikitra amin’ny maha-mpikarakara ny tena, na dia antokon’olona kely any an-tokantrano ihany aza no iadidianao. Ao mantsy no itorian’ny vitsivitsy hianatra ny Baiboly sy handray toro-hevitra mikasika ny asa fitoriana any amin’ny sahan’ny Tompo izay atao amin’ny manodidina ny toeram-pianarana. Tsia, Jesosy dia nilaza marimarina hoe: “Raha misy roa na telo mivory amin’ny anarako, dia eo afovoany aho.” (Matio 18:10, MN). Tokony samy hanatanteraka ny adidy natolotra antsika amin-joto sy amim-pitiavana isika toy izay modely tokony hasehon’ny mpikarakara koa amin’ny famahanana ny ondry. Izao no nosoratan’i Petera ny amin’izany: “Andraso ny ondrin’ Andriamanitra izay eo amin’ny fiadidinareo, mitandrina azy tsy an-tery, fa an-tsitrapo; tsy amin’ny fitiavana karama tsy an-drariny fa amin’ny faharisihana fatratra, tsy ho mpanjakazaka amin’ny anjara lovan’Andriamanitra fa ho modely ianaran’ ny ondry andrasana.” (I Petera 5:2, 3, MN). Tsy tokony hanao tsirambina isika eo amin’izay heverina ho adidy, na amin’ny zotom-po na amin’ny faharisihana, na amin’ny fitiavana fa sombiny angaha ny asa natolotry ny mpikarakara antsika amin’ny fanampiana azy hamahana ny ondry. Tsy mba nihevitra ny tombon-tsoa natolotra azy ho kely lanja ny mpianatra fito-polo, rehefa naniraka azy hitory Jesosy.—Lioka 10:1-24.

16. Inona no toetra mety hanampy antsika ho sambatra sy hahazoam-bokatra ao amin’ny maha-isan’ny fikambanana antsika?

16 Ny asa no tokony hampisehoana ny fahatokiantsika an’i Jehovah sy ny fandaminany. Koa izay te-haneho tsi-fivadihana amin’ny fandaminan’Andriamanitra dia hahatsapa fa sarotra, eny, tsy azo atao mihitsy aza ny tsy handray anjara amin’ ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Mifanohitra amin’izany fa, hiomana tsara izy hahazoany manampy amin’ny famahanana ny ondry, mifanaraka amin’izao anatra omen’i Petera izao: ‘‘Koa amin’izany, sikino ny sainareo hiasa; dia mahonòna tena; ary apetraho eo amin’ny fitiavana sy ny fahasoavan’Andriamanitra izay ho entina ho anareo amin’ny fisehoan’i Jesosy Kristy, ny fanantenanareo.” (I Petera 1:13, MN). Heveronao kely ange izay mety ho vitan’ny fikambanana amin’ny hafanam-po sy ny fampandrosoana, raha mety hiara-mifarimbona tsara amin’ny mpiandry ny mpanampy sy ireo sasany nasaina hanana anjara eo amin’ny asa famahanana ny ondry, tahaka izay nataon’i Filemona. Nanoratra toy izao Paoly ny amin’izany: “Noho ny fahatokiako fa hanaiky hianao no anoratako aminao, ka fantatro fa hanao mihoatra noho izay zavatra nolazaiko aza hianao.”—Filemona 21, MN.

17. Ahoana no fomba fiasa atao hifarimbonana amin’ny fandaminan’Andriamanitra, hamahanana ny fikambanana ?

17 Tokony harahina tsara izao toro-hevitra izao, toy izay hampiseho fanoherana eo amin’ny fianarantsika na eo amin’ny fandraisantsika anjara amin’ny asa: “Diniho tsara izany zavatra izany, dia mikeleza aina fatratra amin’izany mba hiseho amin’ny olona rehetra ny fandrosoanao.” (I Timoty 4:15, MN). Araraoty mandrakariva ny fotoana hahazoanao handroso amin’ny fahalalana ao anatin’ny fandaminan’Andrimanitra, fa aza laniana amin’ny filan’ny nofo tsy mahavokatsoa ny andronao. Raha samy manao arak’izay itondran’ny sainy azy avy mantsy ny olona tsirairay eo amin’ny fikambanana, tsy hiasa afa-tsy ao amin’ny fari-tany tiany hiasana, ary hanendry tena amin’izay toeram-pivoriana mahafinarinaritra azy, dia ho sarotra amin’ilay mpikarakara tokoa ny hiandrasany ny ondry. Misy fahasamihafana lehibe mihitsy amin’izany, raha ny Tenin’Andriamanitra sy ny asany kosa no ataon’ny tsirairay izay eo amin’ny fikambanana, loha-laharana eo amin’ny fiainany ka, hanolo-tena izy hanampy amin’ny fampandrosoana ny fandaminana! Izany no fomba fiasa tokony arahin’ny kristiana, araka ny hafatra ao amin’ny Efesiana 4: 15 (MN): “Aoka isika hitombo amin’ny fitiavana, amin’ny zavatra rehetra, eo amin’ny Loha dia Kristy.”

18. Ahoana no ahafantarana ny fihevitr’i Jehovah, ary inona no fandaharam-potoana ampiharina ao amin’ny fikambanana ho enti-manampy antsika ny amin’izany?

18 Ny famonjentsika ara-dalàna ny fivoriana isan-karazany miaraka amin’ny namantsika eo amin’ny fandaminan’Andriamanitra, handinika ny fahamarinana ao anatin’ny Baiboly, ho fifamporisihana, dia porofo iray mampiseho ny fahatokiantsika koa. Ny fivoriana rehetra naorina ao anatin’ny fikambanana tsirairay mantsy, dia tena lafin’ny asam-pitoriana natolotr’Andriamanitra ho andraikitry ny fandaminana. Koa havesa-danja tokoa eo amin’ny fandaharam-potoanan’ny kristiana mahatoky ny fanatreham-pivoriana. Manazava ny anton’izany i Paoly ao amin’ny Hebreo 10:25, (MN) fa tsy tokony “hahafoy ny fiarahantsika mivory, tahaka ny fanao mahazatra ny sasany, fa mifananara kosa hatrany, satria hitanareo fa mihantomotra ny andro.” Ao amin’ireny fivoriana samihafa ireny koa dia omena alalana isika handray anjara hiteny, ka hizara ny finoantsika amin’ny hafa. Raha mizatra manazava hevitra amin’ny Soratra Masina koa isika, dia handroso tsikelikely ary zary ho fisainantsika mihitsy ireny hevitra ireny amin’ny farany. Toy izany koa, fa araka ny anatrehantsika ny fivoriana sy ny fivoriambe, andraisantsika anjara amin’ny asa fitoriana any amin’ny sahan’ny Tompo, ifampikasohantsika amin’ireo rahalahy efa zokiny amin’ny fahalalana, efa matotra, sy andalinana tsy mijanona ny fianarana ireny boky avoakan’ny fandaminana ireny, no hitovian’ny fitenintsika amin’ny fomba fitenin’ny fandaminana. Hiara-miasa akaiky aminy isika, hiaina sy hiteny tahaka azy ka hiombom-pifaliana aminy koa eo amin’ny asa rehetra sahaniny. Koa satria ny fandaminana manaraka an’i Jesosy Kristy, ny Mpampianatra lehibe, dia manaraka akaiky ny sain’i Kristy koa isika amin’ny fanarahana azy (I Korintiana 2:16, MN). Ary satria Jesosy manambara ny sitrapon’ny Rainy (Jaona 5:30), dia ho takatsika koa ny fihevitr’i Jehovah mba hizorantsika amin’ny lalany (Isaia 2:1-4). Tena hita fa tsy misy lalan-kafa hitarika amin’izany, ankoatr’izay, sa ahoana no hevitrao? Koa noho izany, aoka hifikitra tsara amin’ny fiasana rehetra ampiasain’Andriamanitra isika, hifanaraka amin’izay teny voasoratra ao amin’ny Kolosiana 3:10 (MN) hoe: “Ary mitafia ny toetra vaovao izay avaozina araka ny endrik’izay nahary azy, avy amin’ny fahalalana marina.”

19. Nahoana no arovantsika ny fandaminan’Andriamanitra?

19 Manarak’izany, dia aza adinoina fa adidintsika ny miaro ny fandaminana tsy ho pentina, satria silany anankiray isika. Ekentsika izao fa Andriamanitra no nanendry azy eo amin’ny tany manontolo. Miara-miasa amin’ny “mpanompo mahatoky sady malina” izy ary io mpanompo io no mampiasa azy ho enti-manitalra eto an-tany, ny ambain-dain’ny Fanjakan’Andriamanitra (Matio 24:45-47, MN). Izy no mandroso ny sakafo ho antsika amin’ny fotoana. Tsy mbola nitarain-tana-miempaka izy ka nidongy toy ny fanaon’ny mpiasa sasany. Tsy voazarazara izy. Mahery fo hatrany, ary vonona mandrakariva hanatontosa ny asan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Mikarakara antsika andro aman’alina izy. Tsy fikambanana azo anombinana tombon-tsoa ara-bola no andraisantsika azy. Koa raha misy hitantsika mitady hanararaotra azy, dia tsy hampiseho tsy firaikana isika ka hanao hoe: “Tsy mikasika ny tenako izany”. Mitatra sy mahazo vahana io fandaminana io ka mitombo isa ny tranony, ny milina, ny Efitrano lehibe ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra, ny boky sy ny zavatra madinika marobe hafa ho enti- manatontosa ny asa. Kanefa isika dia tsy mba hanao tahaka ny olon’izao tontolo izao, izay nanararaotra amin’ireny zavatra mitobaka ireny, fa hoe tsy hita ny fahavoazana satria lehibe ny fandaminana. Tsy mba hanao toy ny sasany koa isika, tsy hiraika ka hionona fa hoe: “Inona anefa no hahabe ahiahy amin’izany raha misy anankiray mba nahavita fahadisoana e? Tsy dia misy dikany ny zavatra toy izany.” Kanefa zava-dehibe tokoa izany! An’Andriamanitra anie io fandaminana io e! Koa raha misy manao ratsy azy, dia mamely antsika koa, ary ny tena ratsy amin’izay dia ny fanoheran’ilay olona mihitsy ny fandaharan’Andriamanitra.

20. Inona sy inona no antony hanosika antsika hanana fahasambarana?

20 Jereonao kely ny vavolombelon’i Jehovah voalamina ho fikambanan’izao tontolo izao vaovao anankiray. Na mahatahotra aza ny andro ankehitriny ka tandindomin-doza ny firaisana eo amin’izao tontolo izao, noho ny tamin’ny fotoan-dasa rehetra, izahay kosa dia miriaria amin’ny fiadanana, miorina amin’ny fifankatiavana. Tsy misy afaka hanozongozona izany na dia ny firenena mahery aza, satria tsara fototra ny fiadananay. Tsy misy afaka hanakorontana ny firaisana eo amin’ny fikambanana araka an’Andriamanitra na, ny fisarihan’ny hita maso na ny fitiavan-tanindrazana ka hampangatsiaka ny fitiavany an’ilay Mpamorona azy, dia Jehovah Andriamanitra. Olona tomady sy tsara fahana ara-panahy daholo no ho hitantsika ao anatin’io fikambanana io, ka afaka handroso hatrany, amin’ny fahalalana sy ny finoana. Ary mifanaraka tsara amin’ny toro-marika napetrak’i Jesosy tamin’i Petera, no amahanana ny ondry (Jaona 21:15-17). Mihamatotra hatrany ny fandaminana. Azo antoka ny fahalalantsika ny tsangan-kevitra ary tsy misy manalasala antsika ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra sy ny sitrapony. Mitobaka ny sakafo ara-panahy. Manana izay ho enti-miasa tsara indrindra isika momba ny fitoriana, dia: boky isan-karazany, Baiboly, toro-hevitra sy anatra feno famporisihana. Tsy misy isalasalana fa ny hany toeram-piadanana sy azo antoka, dia io fikambanana araka an’Andriamanitra io. Izao no ilazan’Isaia izany ao amin’ny toko faha-32:18: “Ny oloko hitoetra ao amin’ny fonenana mandry fahizay, sy ao amin’ny fitoerana mahatoky ary ao amin’ny fialan-tsasatra feno fiadanam-po.” Hitohy hatrany izany. Eny! ho afa-po tokoa, tahaka an’i Abrahama, isika. Vavolombelon’i Jehovah marobe, mahatoky an’Andriamanitra sady sakaizany rahateo, no manodidina antsika ao anatin’io fikambanan’ izao tontolo izao vaovao io; tsy menatra antsoina hoe: Andriamaniny Izy. Miandania amin’i Jehovah. Manaraha ny Teniny. Miaraha miasa amin’ny olony. Eny! mitoera mandrakizay ao amin’ny fandaminan’i Jehovah.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara