Aoka ho mahatoky amin’ny zava-madinika isika
“Tsara izany, ry mpanompo tsara; satria nahatoky tamin’ny kely indrindra hianao, dia manapaha tanàna folo”—Lioka 19:17, MN.
1. Inona no mitranga eo amin’ny fiainantsika isan’andro? Manao ahoana avy ny fihetsiky ny olona?
MARO ny zava-madinika mikasika ny fiainantsika isan’andro isan’andro. Mety ho adin-tsaina kely manahirana ny loha izany, mety ho fanaintainana mandalo, mety ho andinidinin-javatra amin’ny raharaha ho vitaina, na andraikitra tsy maintsy totosaina, na zavatra tsy toy inona ahazoan-tsitraka, na adidy ifamaliana. Mahita lalana hikarakarana ny maro amin’ireny zava-madinika ireny ihany isika, kanefa tsy tambo isaina koa ny mbola raharaha tsy mety vita. Misy olona toa afaka milanja andraikitra ngezabe erỳ, kanefa adim-piainana kely fotsiny dia mandreraka ny sasany. Misy olona tsy miraika fa mikaroka ny ho haniny anio, mikaroka ny ho atokona ny ampitso, tsy manao afa-tsy izay ilaina amin’ny andro miseho eo anoloany kanefa manatrika amin’ny fahatoniana ny adidy marobe hafa hianjera aminy any aoriana. Fa misy olona sasany hoatry ny efa safotra erỳ raha vao tolorana fanampin’asa kely atao. Misahirana foana amin’ny andinidini-javatra foronin’ny sainy izy. Isika kosa, dia tokony hahay mijoro tsara satria: “Ny ahiahy ao am-pon’ny olona dia mampitanondrika azy, fa ny teny soa no mahafaly azy.”—Ohabolana 12:25.
2. a) Raha isan’ny fandaminan’Andriamanitra ny tena, inona avy no zavatra fanampiny tsy maintsy atao? b) Inona no fiovàna miseho eo amin’ny fiainantsika?
2 Manana adidy hikarakara zava-madinika maro fanampiny isika eo amin’ny fandaminan’Andriamanitra amin’ny maha- iray antsika ao anatiny. Alaintsika ohatra: ny fianarana ny Baiboly, ny fanatrehana ny fivoriana handraisana ny sakafo ara-panahy, ny fitoriana ny filazantsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary indrindra ny fikendrena ny fiainan’ny ankohonan’ny tena ho azo alain-tahaka sy ny fombam-piainana madio. Raha mahatoky amin’ireny rehetra ireny isika, dia mety ho voantendry ho mpikarakara amin’ny fikambanana ka hanampy hamahana ny ondrin’Andriamanitra. Voatery hiandraikitra andinidininy maro hafa izay tsy azontsika anaovana tsirambina koa anefa izany tombon-tsoa izany. Raha manompo an’Andriamanitra ao anatin’ny fandaminany mantsy, dia tsy maintsy mahavita raharaha betsaka. Asa toy izany no ahazoantsika fahasalamana ara-panahy ho an’ny tenantsika sy ho an’ny namantsika (I Timoty 4:16). Ny zavatra ara-panahy no aoka hitana ny voalohan-toerana eo amin’ny fiainantsika (Matio 6:26). Rehefa torovana mifamadibadika amin’ny adim-piainana an-davanandro isika, dia azontsika atao ny mandray fanampiana avy amin’ireo voalaza ao amin’ny Isaia 50:4, (Da n. m.) toy izao: “Jehovah Tompo nanome ahy ny lelan’ny efa nampianarina, mba hahaizako manao teny hampahatanjaka izay reraka.” Ary ny Lioka 19:17 (MN) dia manambara azy toy izao: “Tsara izany, ry mpanompo tsara.” Ireo mpianatr’i Jesosy Kristy mahatoky, voahosotra ny fanahy masina, izay mikarakara ny tombon-tsoan’ny Fanjakana no antsoiny amin’izany (Matio 25:21, MN). Noho ny fahatokiany no nanononany azy ho “mpanompo mahatoky sady malina” notendreny hanitatra eto an-tany ny tombon-tsoan’ny Fanjakana. Tsy natokana ho an’ireo irery anefa izany fitsipi-pitondratena izany, fa ho an’ny mpanompon’Andriamanitra rehetra koa: tsy maintsy mahatoky ka tsy mivadika izy rehetra.
3. Azavao, fa ny fahatokian’ny kristiana iray no andrefesana ny mahamatotra azy koa.
3 Matetika dia eo amin’ny fomba fikarakarany ny zava-madinika no miseho ny tena toetran’ny olona anankiray. Mahazo dera mandrakariva ny olona mahavita zavatra lehibe. Koa na ny kamo aza dia mba manaiky hiasa satria mitady doka. (Ohabolana 13:4). Mba manomana ny lahateniny tokoa izy hataony eo anatrehan’ny fikambanana, ho enti-miseho; kanefa raha asa hafa no lazaina tahaka ny hoe: hanampy rahalahy efa zokiolona ho any amin’ny fivoriana na, hanao fampianarana isan-kerinandro tsy tapaka any amin’ny olona, dia hiharihary ny tsy fahatokian’ilay kamo amin’ny zava-madinika eo amin’ny fandaminan’Andriamanitra. Hita amin’izany fa amin’ny fomba hanatrehantsika ny adidy madinika indrindra aza, no andrefesana ny fahatokiana ananantsika. Ny olona mazoto manompo anefa, dia hahazo fahasoavana betsaka: “Izay manisy soa olona ho hatavezina; ary izay manondraka dia mba ho tondrahana kosa.” (Ohabolana 11:25). Mitahy ny olona mahatoky Azy Jehovah, ary mampiasa azy ireny ao amin’ny fandaminany ho enti-mamahana ny ondry. Fantany fa hitandrina tsara ny “ondry” izy ka hanome hanina azy araka ny fahatakaran-tsaina. Tsy tokony heverina ho tsy misy antony ireny zavatra ireny amin’ny maha-madinika azy. Matetika dia miankina amin’ny zavatra tsy toy inona ny trano ngezabe iray. Ohatra: ny tetezam-bato misy andohalambo iray, dia hikoro raha tsy misy ilay vato atao hoe: hidin’andohalambo (clef de voûte). Zavatra kely io fa vato iray monja, raha oharina amin’ny tenan’ny asa manontolo. Kanefa namboarina sady nokaliana fatratra izy ho enti-manohana ilay tetezana sy hahazoana antoka ny hamafiny.
4. Manonòna ohatry ny zava-madinika.
4 Andeha isika handray ohatra vitsivitsy mampiseho ny fijerin’i Jehovah sy ny olona, ireny zavatra madinika ireny. Raha nanao ny tabernakely dia tsy maintsy nisy andinidinin-javatra an’arivony nokarakaraina. Izao filazana izao anefa dia manambara fa tsara tokoa ny fiaraha-miasa, satria: “Ny olona mitondra mihoatra lavitra noho izay hahavita ny fanompoana amin’ny asa nandidian’i Jehovah hatao.” “Ary nizaha ny asa rehetra Mosesy ka indro, efa nataony araka izay nandidian’i Jehovah. Dia nisaotra azy Mosesy.” (Eksodosy 36:5; 39:43). Fa ahoana kosa no nandraisan’i Jehovah ny fihetsik’i Jona, raha nirahina ho any Ninive izy, kanefa nitady hivily ho any Tarsosy (Jona 1: 4, 10, 12) ? Aza adinoina ny amin’i Jodasy Iskariota izay nahafoy ny fiainana manontolo tamin’ny vola sekely volafotsy telo-polo (Matio 27:3-6).Fa Paoly kosa dia nadio raha ny hoe fitiavan-tena. Zavatra maro loha no tsy maintsy niadidiany, kanefa nahita fotoana nisisika ihany izy anoratany ho an’i Filemona, hidinihany ny amin’i Onesimosy. Ary izay niseho tamin’i Josefa izay notendren’ny tompony ho mpikarakara ny tranony manontolo, satria hitany ny fahatokiany sy ny fahamalinany amin’ny maha-andevo azy. Ary na dia natao an-tranomaizina aza izy, dia mbola namirapiratra teo aminy ireo fahambonian-toetra ireo ka, notendren’ny lehibeny izy hanana anjara amin’ny fikarakarana ny tranomaizina. Lazain’ny tantara fa nambinina koa izy teo amin’ny fanjakan’i Farao. Nitahy azy Jehovah, ary izany no nanoratana ao amin’ny Genesisy 39:23 (AC) ny aminy hoe: “Jehovah nomba an’i Josefa, ary izay nataony dia nambinin’i Jehovah.”
5. a) Nahoana no tokony ho vonona handray adidy daholo rehefa ho rahalahy nanao fanoloran-tena ? b) Ahoana no fomba amolavolana ny toetra tsara tadiavina?
5 Ny fikambanan’izao tontolo izao vaovao dia fandaminana izay fatra-pitatra sady miasa. Tsy azo sakanana izany satria manana asa makadiry ho tanterahina ny vavolombelon’i Jehovah, dia ny “hitoriana amin’ny tany rehetra onenana ity filazantsaran’ny fanjakana ity” (Matio 24:14, MN). Betsaka ny fikambanana vaovao vao niforona, ka mila mpikarakara hafa sy mpanampy azy amin’ny raharahan’Andriamanitra, hamahana ny ondriny. Ny olona mendrika izany adidy izany, dia izay hita fa mahatoky amin’ny zavatra madinika, ka manatanteraka izany amim-pitandremana sy amin-joto, hoatry ny zava-dehibe ihany. Raha misy, ohatra, loham-pianakaviana mikarakara ara-dalàna ny tsirairay eo amin’ny ankohonany ka mampianatra sy mitarika azy amim-paharetana, hanatrika ny fivoriana na handray anjara amin’ny asan’Andriamanitra, dia azo antoka koa fa hitandrina tsara ny fikambanana izy. Izany dia fepetra apetraky ny Baiboly amin’ny mpikarakara mihitsy. Koa tokony ho: “olona manapaka tsara ny ankohonany, mampanaiky ny zanany amin’ny fahamaotinana tsara” izy (I Timoty 3:4, MN). Araka ny ahitan’ny vaovao ny fahamarinana amin’ny fianarana ny Baiboly, no androsoany amin’ny toetra sy ny fahalalana matotra, ary hifankazarany amin’ny adidy maro tokony atao. Koa amin’ireo vavolombelon’i Jehovah voalamina ho fikambanan’izao tontolo izao vaovao, dia misy rahalahy hafa hatrany, kolokoloina sy tazaina hamahana ny “ondry”.
6. Inona izao no fomba miely tokoa ankehitriny ary nahoana no tokony hiezaka isika tsy hanara-drenirano?
6 Raha tsapatsika fa miaina ao anatin’izao tontolo izao feno olona mandositra adidy isika, dia ho fantatsika mora foana ny tokony hambolena ao amintsika ny toetra vaovao, rehefa manokana ny tenantsika ho amin’ny asan’i Jehovah Andriamanitra isika. Ao anatin’ny fandaminan’i Jehovah, tsy mba fanao ny mitaredretra fa mbola tsy ho tonga haingana angaha Haramagedona na, satria tsy mahazo dera isan’andro ny tena! Tokony hahay mitsiriritra hitondra andraikitra, mifanaraka amin’ny tombon-tsoan’ny asa isika. Raha avelantsika haniry sy ho kolokolointsika ao anatintsika ny saina feno fandavan-tena, dia ho entintsika manompo ny rahalahintsika ny fahalalàna sy ny finoana matotra ao amintsika, ary tsy hibahan-toerana eo amin’ny fiainantsika intsony izay momba ny tena. Misy kristiana betsaka mihevitra fa natao hanaraka izy fa tsy hitarika. Misy sasany koa milaza fa tsy hahatanty ny havesatry ny adidy ny toe-pahasalamany. Ny sasany koa dia manda izany tombon-tsoan’asa izany satria, hono, tsy te-ho voatery hanao izay mampalahelo na hanafintohina ny hafa izy amin’izany, noho ny fahitany fa isan’ny adidin’ny mpikarakara ny mananatra indraindray ary tokony hijoro tsara izy amin’izany. Tsy vitsy koa no mihevitra ny tenany ho tsy afaka hamaly ny fanontaniana na handamina ny zava-tsarotra izay tsy maintsy misy, noho ny tsy fahampian’ny fahalalany, hono. Izany toetra rehetra izany dia taratry ny tahotra. Tsarovy fa ny atao hoe: mitolona andraikitra lehibe, dia ny mihevitra sy mikarakara ny andinindininy maro hatramin’izay madinika aminy, isan’andro isan’andro; ary araka ny anaovana izany eo amin’ny fiainana no ahatonga anao hahay mitondra adidy hafa koa. Marina fa misy dingana sarotra ihoarana indraindray, tafahoatra ny azon’ny tena atao, kanefa tsy dia ho foana tanteraka akory ny azo atao. Aza adinoina koa fa ireo fahambonian-toetra ilaina ho fenoin’ny mpikarakara eo amin’ny tenany, dia takiana amin’ny “ondry” tsirairay ao amin’ny fikambanana koa.
7. Iza no manendry izay ho mpikarakara, ary fomba ahoana no anendrena azv?
7 Mba saino kely ange! Moa nisy olona efa voatokana hatramin’ny nahaterahany ho tonga mpikarakara ao amin’ny fikambanan’Andriamanitra? Tsia! Izao kosa no ambaran’ny Tenin’Andriamanitra: “Raha misy olona maniry hitondra andraikitra maha-mpikarakara, dia maniry asa tsara izy.” (I Timoty 3:1, MN). Ary koa: “Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay efa nanendren’ny fanahy masina anareo ho mpikarakara, hamahananareo ny fikambanan’Andriamanitra.” (Asan’ny Apostoly 20:28, MN). Jehovah Andriamanitra sy ny Zanany Jesosy Kristy izay miasa ao amin’ny “mpanompo mahatoky sady malina” no tena manao ny fanendrena ireo ho mpikarakara, izay ho tolorana kosa ny adidy hamahana ny ondrin’Andriamanitra. Koa izay hita fa mahafeno ireo fombam-piainana takiana, voavahavaha ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, dia azo ekena sy ampiasaina hamahana ny “ondry”.
8. Ahoana no fomba hahazoan-kery ho enti-manatrika ny adidy?
8 Aza tsy mahatsinjo ny avy, ka tsy hahita afa-tsy ny enta-mavesatra fotsiny sy ny zava-tsarotra lava ka itaraina amin’ny fotoana lany amin’ny fanampin’asa kely, ny fahasahiranan-tsaina, ny fanapahan-kevitra manoin-tsarotra ary ny fahasahiranana sy ny fivezivezena hanampy ny hafa; fa, andrandrao ny loha ary topazo maso ireo olona marobe tsy voakarakara noho ny tsy fananany mpiandry notendren’Andriamanitra, teo aloha, kanefa ankehitriny voakolokolo fatratra rehefa misy mpanompo nanolotra ny tenany hiasa. Dinihonao kely koa ny zava-bitan’ny fikambanan’izao tontolo izao vaovao. Mariho ny fandrosoan’ireo vaovao amin’ny finoana sy ny fahalalàna; tena fitomboana mahavariana! Andramo ka mandraisa anjara amin’ny fifaliana noho ny asa. Ary isao raha ho hainao, ny fifaliana sy ny tombon-tsoa ho raisinao raha miasa miaraka amin’ny rahalahinao sy, ho an’ny rahalahinao hianao, ao amin’ ny fanompoana an’Andriamanitra.
9. a) Ahoana no ampisehoantsika ao amin’ny fikambanana fa mendrika itokisana isika? b) Nahoana no tokony hihezaka mafy isika?
9 Izao fotoana iainantsika izao dia fotoana feno olona “manana ny endriky ny toe- panahy araka an’Andriamanitra nefa mandà ny heriny”. Izany indrindra no tokony itandremantsika, mba hijoro ho mendrika ny fitokiana (II Timoty 3:5. MN). Ny anjara asa ho tanterahina ao amin’ny fandaminan’Andriamanitra dia tsy mba tokony ho raisina toy ny tsinontsinona. Raha noheverin’izay mpikarakara ho mety ny manolotra sombin’asa ny mpanompon’Andriamanitra anankiray, dia tokony hikendry sy hitandrina tsara ilay voatendry mandritra ny fotoana anaovany izany raharaha izany. Izao indrindra no nolazain’i Jesosy ny amin’izany: “Na iza na iza manatona ahy sy mandre ny teniko ka mampiasa izany (...) dia tahaka ny olona nanao trano izy, izay nihady lalina ary nanorina ny fototra teo ambonin’ny vatolampy. (...) Fa izay mandre kosa kanefa tsy nanaraka, dia tahaka ny olona izay nanao trano teo ambonin’ny tany fa tsy nanao fototra.” (Lioka 6:47-49, MN). Ny kristiana izay azo ametrahana fitokiana dia afaka hiandry amim-pifaliana ny ho avy, arak’izay voasoratra ao amin’ny Jakoba 1:25 (MN) toy izao: “Fa izay mandinika ny lalàna tanteraka, dia ny lalàn’ny fahafahana, ka maharitra amin’izany, raha tsy mpihaino manadino fa mpanao ny asa, dia ho sambatra amin’ny fanatanterahana ny asany izany olona izany.” Ary noho izy miorina eo amin’ny fototra mafy sy noho ny fitahian’i Jehovah, ny kristiana mahay mankasitraka sy manana fahavononana dia hahefa asa lehibe tokoa. Afaka hanampy ny rahalahiny maro handroso amin’ny fiainana matotra izy ary ho tena ilaina eo amin’ny fandaminan’Andriamanitra, noho ny asany, araka ny fandroson’ny fotoana. Nahoana no manary ny fahalalàna teo an-tananao, noho ny tsy fampiasàna azy? Ny Ohabolana (11:24) dia manao fanambarana ny momba izany hoe: “Misy mahafoy malalaka, nefa mitombo fananana ihany, ary misy fatra-pahihitra loatra, nefa tonga malahelo ihany.”
10. a) Inona avy no fitahiana miandry izay mendrika ny fitokisana? b) Moa tokony hahatoky koa amin’ny zava-madinika?
10 Tazano koa ny fitahiana maro miandry ireo izay mendrika ny fitokisana. Izao indrindra no voalaza ao amin’ny Lioka 8:18 (MN): “Koa tandremo ny fihainoanareo; fa izay manana dia homena bebe kokoa; ary izay tsy manana kosa, na dia izay heveriny ho ananany aza dia hongotana aminy.” Andeha atao hoe: tsy te-hijanona amin’ny fikarakarana zava-madinika eo amin’ny fikambanana ny mpanompo iray efa nanao fanoloran-tena tamin’Andriamanitra satria, heveriny fa voafatotra loatra izy amin’izany ka tiany ny miala amin’io andraikitra io. Inona no ho vokatr’izany fihetsiny izany, eo amin’ny zanany, izay mba heveriny ho tezaina eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra? Tsy misy olona voatokana hatramin’ny andro nahaterahany ho ray, na ho mpikarakara avy hatrany dia ho mendrika alain-tahaka akory, kanefa noho ny fanampian’i Jehovah sy ny fahalalàna avy aminy, ary ny fitaizana tsara, ny fanandramana ary ny fikelezan’aina manokana koa, dia ho afaka hanao amim-pahamendrehana ny iray amin’ireo adidy ireo tokoa ny kristiana. Raha maha-toky amin’ny anankiray izy, dia angamba ho hainy koa ny hijoro hanefa ny anankiray. Araka ny Lioka 16:10 (MN), dia hoy Jesosy: “Izay mahatoky amin’ny kely indrindra dia mahatoky koa amin’ny be; ary izay tsy marina amin’ny kely indrindra, dia tsy marina koa amin’ny be.” Ny Commentary nosoratan’i Clarke (boky fahadimy, pejy faha-462), dia namoaka ity fanamarihana mahasoa ity momba izany hevitra izany: “Izay manana ny tena fototry ny fahatokiana ao anatiny, dia hitandrina tokoa, noho ny feon’ny fieritreretana, ka hiahy amim-pahamalinana ny zavatra rehetra ataony, na ny madinika indrindra aza; ny fizàrana mitondra tena amim-pahamarinana amin’ny zava-madinika dia miteraka toe-piaina mirindra, fahatokiana, voninahitra sy eritreritra tsara hibaiko azy na dia amin’ny raharaha vaventy indrindra aza. Ary izay tsy mahatana ny marina kosa amin’ny zava-madinika, dia tsy mba hahatsiaro hanaja mihitsy ny voninahiny, ka tsy hihaino ny feon’ny fieritreretany eo amin’ny raharaha misy antony lehibe. Koa moa azo ekena ho marina fa ny olona izay tsy mahahefa ny adidiny amin’ny zavatra madinika, dia ho afaka handositra ny fakam-panahy eo amin’ny fahotana vaventy? ”
11, 12. a) Lafiny inona eo amin’ny asany no ampisehoan’ny vavolombelon’i Jehovah fa, miandraikitra zavatra tena lehibe izy? b) Ahoana no fomba enti-mamamahana ny ondry sy ianarany mamantatra ny amin’ny fandaminana?
11 An-jaton’arivony maro ny vavolombelon’i Jehovah izay mijoro ho azo itokisana amin’ny zava-madinika, rehefa mandray anjara amin’ny fitoriana isan-tokantrano izy. Tamin’ny taona 1963, dia nisy 1.040.836 ny mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra izay miara-nifarimbona tamin’izany asa izany (jereo ny diarin’ny vavolombelon’i Jehovah tamin’ny taona 1964, atao hoe: Yearbook vita amin’ny teny anglisy ao amin’ny pejy faha-38). Rehefa manao izany asam-pitoriana izany izy ireny, dia mahita olona maniry hahafantatra bebe kokoa an’Andriamanitra sy ny fikasany, ary mila fanampiana raha hianatra ny Baiboly. Sambatra tokoa ny vavolombelon’i Jehovah raha sendra ny olona hoatran’izany. Diboky ny haravoana hoatry ny mpandranto volamena nahita ny nokatsahiny izy. Ny Baiboly dia manohatra tokoa ireny olona manetry tena ireny amin’ny ondry, ary ny tombam-bidiny eo amin’i Jehovah, dia izao no ilazan’i Matio izany (18:14, MN): “Ary tahaka izany, dia tsy mba zavatra alehan’ny fanirina mihitsy eo anilan’ny Raiko Izay any an-danitra, ny hahavery na dia ny iray amin’ireny madinika ireny aza.” Amin’izany moa ho adinon’ny vavolombelon’i Jehovah ve ny mandray ny adiresin’ilay “ondry” na ny mitana an-tsoratra ny fanontaniany izay ilàna valiny amin’ny fitsidihana manaraka? Hitana ny teniny va izy ka hiverina marina? Hanao ny fitsidihana vaovao va izy afaka fotoana fohy aorian’ny voalohany, afaka andro vitsivitsy? Nohamafisin’i Jesosy ny hasaro-bidin’ny hamahanana ny “ondry”, amin’ny nitenenany in-telo tamin’i Petera hoe: “Fahano ny ondrikeliko.” (Jaona 21:15-17, MN). Nampianarina sy nozarina “hamahana’’ ny ondry, ny vavolombelon’i Jehovah. Ary izany no antony anaovany fitsidihana hafa hatrany amin’ireo olona manetry tena. Toy izany sy toy izany no fomba ho entiny manatanteraka ny asan’Andriamanitra sy ampisehoany ny fahatokiany, na dia amin’ ny zavatra madinika aza.
12 Rehefa izany, dia handroso amin’ny fahalalàna ny zavatra madinika maro kosa ilay “ondry” vao hita: kojakojany amin’ny foto-kevitra eo amin’ny finoana, foto-pototry ny faminaniana, ny lafiny isan-karazany eo amin’ny fandaminana, ny lalàm-pitondrantena ifehezana ny tena eo amin’ny fikambanana araka an’Andriamanitra. Ho sombitsombiny fotsiny ve no andraisana ireny zavatra madinika ireny. ka tsy mendrika akory hiditra amin’ny fandaharana ny sakafo ara-panahy? Tena mifanohitra amin’izany, adidintsika ny mbola manampy ireny olona tso-po sy manetry tena ireny, amim-paharetana, ary hampianatra azy hanompo an’i Jehovah. Ireny zava-madinika ireny rehefa atambatambatra, no mitarika azy amin’ny zavatra vaventy sy tena saro-bidy dia ny fiainana; eny, ny fiainana mandrakizay!—Jaona 17:3.
13, 14. a) Ahoana no ampisehoan’ny fitenintsika raha mendrika itokisana isika na tsia? b) Mety ve ny tsy miraika raha misy resaka tsy dia mahasoa? d) Ahoana no fomba hanodinana ny resaka ho amin’ny zavatra ambonimbony kokoa?
13 Andeha kosa isika izao handinika ny amin’izay tokony ho resaka ataontsika. Marina aloha fa teny madinika no mitambatra ho fehezan-tsoratra, kanefa inona no venti-kevitra asehontsika ao anatiny? Inona no toetra amam-pombantsika hita taratra avy amin’izany? Mampiseho sy mampiharihary ny maha-isika antsika ny fitenintsika, fa “avy amin’ny haben’ny ao am-po no itenenan’ny vava”. (Matio 12: 34, MN). Izany no tokony hitandremantsika ny lela ary hamehezana azy tsy hiteniteny foana. Fantatra fa misy fotoana anaovana resaka mampihomehimehy ary azonao anehoana ny fifalianao sy hamoahana resaka araka ny Soratra Masina. Kanefa amin’ny fotoana rehetra, dia zavatra ho fadin’ny mpanompon’Andriamanitra ny mitaraindraim-poana, ny mimenomenona, ny hitsaratsara sy hitsingoloka, ny mifosafosa, ny miozona na, ny mandoka tena koa. Izany akory tsy milaza fa tokony hangina, ary ho foanana ny firesahana rehetra. Izao anatra nomena ao amin’ny Salamo 34:13 izao no aoka ho henoina ny amin’izany: “Dia arovy ny lelanao amin’ny ratsy ary ny molotrao mba tsy hiteny fitaka.”
14 Raha misy kristiana vitsivitsy mivory ka miresaka olona tsy manatrika eo, dia hita miseho mandrakariva, fa aolan’ny sasany izay tsy mbola matotra loatra ny resaka ka diso lalana, ary izay fahalemena hita eo amin’ny sasany no manjary tanisaina eo. Misy koa ny mpanampy trotraka ary zava-tsarotra no iafarany. Iza no hanana herin-tsaina hanodina ny resaka, hijery zavatra hafa mahasoa kokoa? Iza no hiseho mahatoky ny fandaminan’i Jehovah ka hiaro ny iray amin’ny mpiandany aminy? Zavatra tsy toy inona izany, ary matetika dia teny kely iray monja dia ampy hamiliana ny resaka teo. Fa iza ary no anankiray hanana fahasahiana hilaza izany? Raha ampy hanodina ny sambo lehibe mantsy, ny familiana kely, ho enti-miala ny rano misy loza miafina, dia afaka hamily ny resaka koa ny lela (Jakoba 3:4). Raha ny tena marina dia zava-dehibe no voatohina eto satria, raha misy sahy manìny ny mpanompon’Andriamanitra iray, dia hitsaratsara ny toerana ipetrahany koa izy avy eo, kanefa Andriamanitra no namorona io toerana io ho enti-manatanteraka ny asany.—Jakoba 5:9.
15. a) Ahoana no hampitombo ny saintsika raha mihaino amim-pitandremana ny resaky ny hafa isika? b) Moa mananatra mba hihaino koa va ny Baiboly?
15 Tokony hahitana famporisihana sy tombon-tsoa ny resaka. Mety hahafantarantsika ny zavatra rehetra nihatra tamin’ny namantsika izany. Izy koa dia hizara amintsika ny fahalalàna ananany momba ny hevitra anankiray. Mety hanampy antsika hankafỳ ny fahamarinana, izay lazainy amin’izany. Ho tsapatsika ny haben’ny fitiavan’i Jehovah amin’ny fiahiany izay mahasoa ny rahalahintsika. Ary amin’izay, raha mpihaino manongilan-tsofina isika, dia hahazo tombon-tsoa amin’ny resaka toy izany. Fa misy olona tsy mba tia ny mihaino; rombahiny ho azy samirery ny fitenenana ka manjary mamizana ny mpivory, na izay tsy dia matotra loatra aza. Koa zava-dehibe loatra ny ianaran’ny minisitry ny asan’Andriamanitra mihaino tsara. Miseho ao amin’ny Ohabolana 1:5 (Jé) izany hevitra izany: “Aoka ny hendry hihaino ka hitombo fahalalana; ary aoka izay miteny handroso amin’ny fahaiza-mitarika.” Raha tianao hihaino izay lazainao ny manodidina anao, dia mahaiza aloha mihaino azy raha miteny izy.
16. Nahoana ny rafitry ny famantaranandro no ohatra azo raisin-tanana ampisehoana ny tokony tsy anaovana tsirambina ny zava-mandinika?
16 Ny rafitry ny milina mampandeha ny famantaranandro, dia ohatra tsara mampiseho ny ilàna ny fahatokiana amin’ny zava- madinika. Na lehibe na kely ny famantaranandro, na lafo vidy na tsy be vidy loatra, dia asa kely tokana no anjarany: mandrefy ny fotoana isan-tsegaondra. Zava-dehibe mihitsy anefa ny anatanterahany izany asany izany amin’ny fahamarinana, andro aman’alina, isan-taona isan-taona. Manomboka amin’ny kely indrindra izany asa izany, dia ny segaondra na tsy hihevitra ny herinandro izay hitambatra ho volana aza isika. Raha vao maharefy ny segaondra iray izy, dia manomboka amin’ny manaraka indray. Marina fa tsy etsehin’ny milina hoatry ny famantaranandro isika, kanefa kosa isan’andro, ary im-betsaka isan’andro dia manana adidy sy tombon-tsoa haneho ny fahatokiantsika an’i Jehovah sy ny fandaminany, amin’ny zavatra madinika isika. Raha mikarakara ireny hatrany araka ny fisehony isika, ka mivoatra isan’andro ary manaraka ny lalam-pitondrantena araka ny Tenin’Andriamanitra, dia hahazo fahakingana miandalana sady ho afaka miandraikitra adidy vaventy kokoa. Hiteraka fitahiana lehibe ho antsika avy amin’Andriamanitra izany.
17. a) Nahoana no tena zava-dehibe ny hitandreman’nv vavolombelon’i Jehovah tsara, na dia ny zava-madinika aza, indrindra any amin’ny fari-tany tsy lehibe loatra? b) Inona no mety ho vokatr’izany eo amin’ny asan’ny Fanjakan’Andriamanitra ?
17 Andeha ho raisintsika ohatra indray ny tanàna lehibe iray, izay tsy misy afa-tsy ankohonana iray monja no vavolombelon’i Jehovah ao. Mitory amin’ny mpiray fonenana aminy, ireo. Miasa miaraka amin’ny sasany aminy izy na, miasa ao amin’ny sasany. Miara-mianatra amin’ny ankizy hafa ao amin’ny sekoly anankiray ny zanany. Manara-maso ny asan’io fianakaviana io amin’ny maha-kristiana azy ny iray tanàna. Mandinika ny fombam-piainany ao amin’ny ankohonany izy: manao ahoana ny fitaizany ny zanany ary aiza ho aiza no toerana asiany ny tenany amin’ny zava- mitranga mahavaka amin’izao fotoana izao. Manongilan-tsofina mihaino izay resak’io fianakaviana vavolombelon’i Jehovah io ny mponina, ary mitaratra azy amin’izay madinika indrindra eo amin’ny fiainany, toy ny mijery amin’ny fitaratra fanalehibiazana. Ny fombam-piainany no ambetindresaky ny tanàna manontolo, tsy mandritra ny andro vitsivitsy ihany akory, fa mandritry ny taona mifandimby. Ary maro ny olona miaiky fa mety ho marina ny Baiboly ary tsy lany andro akory, fa mbola azo ampiharina tsara ny lalàm-piainana ao anatiny, na dia amin’izao androntsika izao aza, rehefa nandinika ireo vavolombelon’i Jehovah ireo nandritra ny fotoana naharitra izy. Inona no vokany? Niova ho vavolombelon’i Jehovah koa izy. Tsy misy azo atao afa-tsy ny midera ny fahatokiana sy ny faharetan’ireny ankohonana maningatsingana sy miely patrana saika eran’izao tontolo izao ireny, izay manompo an’i Jehovah ary mitandrina isan’andro isan’andro ny fiainany, hatramin’ny zava-madinika. Izany dia mampahatsiaro antsika ny ankohonan’i Noa izay namboatra sambo fiara araka ny toro-marika nomen’Andriamanitra, teo ambany mason’ireo mpiara-belona taminy.—Genesisy toko faha-6 sy faha-7.
18. Inona no toky sy fanampiana omen’ny Baiboly antsika?
18 Tsy misy tokony hampanahiran-tsaina antsika izany, satria amin’Andriamanitra no itadiavantsika sitraka fa tsy amin’ny olombelona. Izao no voasoratra ao amin’ny Galatiana 1:10 (MN) ny amin’izany: “Ary ankehitriny, olona va no ilàko fitia sa Andriamanitra? Sa mila sitraka amin’olona aho? Raha mila sitraka amin’olona aho, dia tsy mpanompon’i Kristy.” Ary koa izay voalaza ao amin’ny I Tesaloniana 2:4 (MN): “Fa tahaka ny nankasitrahan’Andriamanitra anay, ka notolorana ny Filazantsara ho adidinay izahay, dia araka izany koa no itenenanay, tsy toy ny mila sitraka amin’olona fa amin’Andriamanitra, Izay mizaha toetra ny fonay.” Tsy misy antony tokony hampivadi-po antsika satria, Andriamanitra mihitsy no nanome antsika ny fitsipi-piainana tokony harahina amin’ny fitandremana izay rehetra atao, na dia ny zavatra kely indrindra aza isan’andro. Ao amin’ny Baiboly, ny Teniny, no hahitantsika izany, satria: “Ny Soratra rehetra dia nome-tsindrimandrin’Andriamanitra sady mahasoa koa ho fampianarana, ho fananarana, ho fanitsiana zavatra, ho famaizana araka ny fahamarinana, ho mahay tsara ny olon’Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.”—II Timoty 3:16, 17, MN.
19. a) Ahoana no fomba azonao ampitomboana ny fahasambaranao? b) Moa tsy misy antony va ny zavatra madinika? Ary nahoana no izany no avalinao?
19 Izany toetra amam-pomba tokony arahina eo amin’ny raharahan’Andriamanitra izany, dia hampitombo tokoa ny fahasambaranao. Raha tamin’ny taona lasa hianao izao, tsy afaka nanatrika fivoriana afa-tsy indray mandeha isan-kerinandro tao amin’ny fikambananao, kanefa amin’ity, handamina ny fotoana hianao mba ho afaka mamonjy fivoriana roa isan-kerinandro, dia efa avo sasaka izay ny fahasambaranao. Raha nanana tombon-tsoa, nanokana adiny enina isam-bolana hianao amin’ny fitoriana, ary amin’ny ho avy hahavita adiny fito sy sasany, dia mitombo 25 isan-jato ny fahasambaranao. Ary amin’ny manaraka, hianao izay mba nanombika fotsiny anjara kely amin’ny andraikitra iny, no voatendry ho mpanompo iray ao amin’ny fikambanana, dia mitombo folo heny ny fahasambaranao. Mba hevero fotsiny ange: im-piry ao amin’ny indray andro hianao no manana tombon-tsoa na alalana hanao fanapahan-kevitra momba ny hanaovana ny sitrapon’i Jehovah! Marina mihitsy fa ny fanapahan-kevitra lazaina amin’izany dia mikasika zavatra samihafa ary ny sasany amin’ireny, dia madinika loatra ka mila tsy ho tazana, kanefa tsy azo odian-tsy jerena fa tsy maintsy karakaraina koa. Raha manao izany hianao, dia tsy ho takatry ny sainao akory ny fahasambarana miandry anao. Ary aza mba adinoina itony fampanantenana itony fa: “Ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena, ary tsy mba arahiny alahelo izany.”—Ohabolana 10: 22.