Fizarana faharoa
1. Ahoana no ampisehoan’ny Joba 17:13-16, fa ny Sheola dia toerana any anaty tany, izany hoe ny fasana?
NY HADESY na Sheola, araka ny efa hitantsika, dia tsy toerana any an-danitra fa any ambanin’ny tany (Matio 1:23; Lioka 10:15. MN). Fahiny elabe, dia efa nasehon’i Joba be faharetana, fa any an-kibon’ny tany ny Sheola. Raha teo ambava-haonan’ny fahatesana noho ny aretina mahatsiravina Joba, dia nanambara toy izao: “Raha mbola manantena aho, ny sheola dia fonenako, mamelatra ny fandriako ao amin’ny maizina aho; ny lavaka no nantsoiko hoe: raiko hianao! ary kankana: reniko sy anabaviko! Fa aiza ary ny fanantenako? Ary iza no hahita azy? Hidina any amin’ny fefin’ny sheola izany, rehefa hiara-hahita fitsaharana ao amin’ny vovoka izahay.” (Joba 17:13-16, Da). Ny amin’ ny inona no nolazain’i Joba eto? Ny mpamaky mendrika dia hamaly fa milaza ny amin’ny fasana izy. Tena toerana maizina ao amin’ny vovoky ny tany tokoa ny fasana, ka hampandriana ny maty toy ny eo ambony farafara. Lavaka misy kankana mihinana ny faty mihasimba izany. Misy fefy io toerana io, amin’ny heviny hoe: tsy afaka mivoaka amin’ny herin’ny tenany ihany, izay milevina ao. Tsara ny manamarika fa ny fadikan-teny anglisy atao hoe: an’ny mpanjaka Jacques, dia nandika ny teny hebreo hoe Sheola, amin’ny teny hoe: “fasana”. — Jereo koa ny Fandikan-teny synodala.
2. Taolana inona no lazaina miaraka amin’ny Sheola, ao amin’ny Salamo 141:7?
2 Nampiasa fanoharana ny amin’ny mpikapa hazo izay mamela ny taim-bakona hiraraka, Davida mpanao salamo ka nanambara hoe: “Mihahaka eo ambavan’ny sheola ny taolanay, toy ny rehefa mikapa na mamaky hazo eo amin’ny tany.” (Salamo 141:7, Da). Amin’io andininy io, dia nadikan’ny fandikan-tenin’ny mpanjaka Jacques hoe fasana ny teny hoe “Sheola”, ary marina izany satria misy taolana mihahaka eo am-baravaram-pasana, alohan’ny an- devenana.
3. Ahoana no ilazana ao amin’ny Isaia 28:15-18 fa ny Sheola dia ny fasana?
3 Momba ny fahavalon’Andriamanitra, dia nampiarahin’Isaia tamin’ny hoe fahafatesana (fa tsy fiainana) ny teny hoe Sheola arak’izao: “Satria hianareo nilaza hoe: ‘Efa nanao fanekena tamin’ny fahafatesana izahay, ary efa nanao fifanarahana tamin’ny sheola; rehefa tonga ny loza manafotra, dia tsy hihatra aminay izany (...).’ Noho izany, dia izao no lazain’ny Tompo Iaveh: ‘(...) Hofoanana ny fanekenareo amin’ny fahafatesana ary tsy haharitra ny fifanarahanareo amin’ny sheola. Raha ho avy ny loza halefa aminareo, dia hotorotoroiny hianareo.’” (Isaia 28:15-18, Li). Ireo teny ireo dia ampy ampiseho amintsika fa ny Sheola dia ny fasana iarahan’ny maty manana, satria ny fasana no fitoeran’ny maty.
4. Ahoana no ampisehoana no amin’ny Salamo 57:9 fa ny Sheola dia toerana any ambanin’ny tany?
4 Milaza koa ny Isaia 57:9 (Li) fa ny Sheola dia toerana ambanin’ny tany, dia ny fasana. Rehefa avy nilaza io faminaniana io, fa ny fanjakan’i Joda dia nitady hanao fifanarahana ara-politika tamin’ny firenena jentilisa, dia nanambara hoe: “Nankany amin’i Meleka hianao nitondra diloilo, ary nataonao betsaka ny zava-manitra. Nampandehaninao hatrany lavitra ny irakao ka nietry hatrany amin’ny sheola hianao.” Tamin’ny fifanekena ara-politika nataony tamin’ny firenena jentilisa, dia nietry teo imason’Andriamanitra ny fanjakan’i Joda mpivadika, ka nihantsy ny fanamelohana ho faty. Ho any am-pasana io fanjakana io, izany hoe tsy ho firenena mahaleo tena manana ny mpanjakany intsony.
5. a) Ahoana no ampisehoan’ny Salamo 86:12, 13 fa ny Sheola dia any anatin’ny tany? b) Ahoana no ampitovian’ny Salamo 88:2-6, ny Sheola amin’ny fasana na lavaka, tsy ananan’ny olona hery intsony?
5 Raha nampifandraika ny Sheola tamin’ny fahafatesana sy ny toerana lalin’ny tany ny Salamo 86:12, 13 (Dhorme), dia nanambara toy izao: “Hidera anao amin’ny foko rehetra aho, Adonaï [Jehovah] Andriamanitro ô, ary hanome voninahitra ny anaranao mandrakizay aho, fa lehibe ny famindramponao amiko ary novonjenao ny fanahiko tsy ho any amin’ny sheola any ambany!” Raha nampitovy ny Sheola tamin’ny fasana na ny lavaka tsy ananan’ny olona hery intsony, ny Salamo 88:2-6 (Da), dia nilaza izao: ”Aoka ny fivavako ho tonga eo anatrehanao, atongilano amin’ny fitarainako ny sofinao. Fa diboky ny fahoriana ny fanahiko ary ny aiko manakaiky ny sheola. Natao ho isan’izay midina any an-davaka aho ary efa tahaka izay tsy manan-kery, ka mitsitra miaraka amin’ny maty, tahaka izay voavono mandry ao am- pasana izay tsy tsarovanao intsony fa voafongotry ny tananao. Efa nametraka ahy any an-davaka hianao, ao amin’ny maizina, dia ao amin’ny lalina.”
6. Inona no porofo fanampiny omena antsika ao amin’ny Salamo 116:3, 7-10, mampiseho fa ny Sheola dia ny fasana ?
6 Ny Salamo 116:3, 7-10 (Li) dia manome porofo iray koa araka ny Baiboly, milaza fa ny Sheola na Hadesy dia ny fasana iarahan’ny maty manana. Izao no vakina ao: “Efa nihodidina tamiko ny famatoran’ny fahafatesana, nahazo ahy ny fahorian’ny sheola, tsy nahita afa-tsy fahoriana sy alahelo aho. (..) Miverena ho amin’ny fitsaharanao ry fanahiko, fa Iaveh efa nanisy soa anao! Namonjy ny fanahiko tamin’ny fahafatesana hianao, sy ny masoko tamin’ny ranomaso, ary ny tongotro tamin’ny fahatafintohinana; mbola handeha eo anatrehan’Iaveh eo amin’ny tanin’ny velona aho! Natoky aho, tamin’ny fotoana nilazako indrindra hoe: mahantra loatra aho!” Voamarika tamin’ny famakiana ireo teny, ireo, fa ampiarahina amin’ny fahafatesana ny hoe Sheola, fa tsy amin’ny fiainana tsy ahitam-pahafatesana. Raha nijaly tamin’ny naha-kristiana azy ny apostoly Paoly, dia nanonona ny teny ao amin’ny Salamo 116:10 ary nampihatra izany tamin’ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty (Jereo II Korintiana 4:13, 14).
7. Ahoana no ilazan’ny II Samoela 22:6 sy ny Salamo 18:5, 6, fa nanintona an’i Davida ho any amin’ny fasana?
7 Toy izany koa dia nisy fotoana niheveran’i Davida mpanao salamo fa nandrirotra azy ny fasana. Izao no nambarany: “Nihodidina tamiko ny famatoran’ny sheola, nangeja ahy ny haraton’ny fahafatesana.” (II Samoela 22:6, Li). Izao no nosoratany ao amin’ny Salamo 18:5, 6, (Li): “Efa nihodidina tamiko ny famatoran’ny fahafatesana, ary nampahatahotra ahy ny riaka mpandringana; nihodidina tamiko ny fandriky ny sheola, ary mitana ahy tamin’ny haratony ny fahafatesana.” Nananontanona an’i Davida ny fahafatesana mahery vaika, ary toy ny niandry azy ny fasana tsy azo tohaina iarahan’ny maty manana. Kanefa nitaraina tamin’ilay Andriamanitra Tsitoha izay nanafaka azy tamin’ny fahafatesana sy ny Sheola na Hadesy izy. Toy ny nitsangana tamin’ny maty noho ny herin’i Jehovah Andriamanitra izy. — Salamo 18:9-20.
8. Noharin’ny mpaminany jona tamin’ny inona, ny nitoerany hateloana tao anatin’ny kibon’ny hazandrano lehibe ?
8 Raha natelin’ny hazandrano lehibe ny mpaminany Jona, tamin’ny tafio-drivotra, dia toy ny hanjary fasany ny kibon’io biby io, satria tsy naloa teny amin’ny tany maina Jona raha tsy afaka hatelona. Toy izao no fitantaran’ilay mpaminany izany: “Dia nivavaka tao an-kibon’ny hazandrano Jona ka nanao hoe: Niantso an’i Iaveh tamin’ny fahoriako aho. ka namaly ahy izy. Tao an-kibon’ny sheloa no nitarainako, dia nihaino ny feoko hianao. (...) Nampidinina tao amin’ny lalina aho [tao anaty hazandrano], tao amin’ny tany izay anjam-by no manidy azy [toy ny an’ny fasana] mandrakizay[NM: amin’ny fotoana tsy voafetra]. Nefa nampiakatra ny aiko avy tao an-davaka hianao, Iaveh Andriamanitro ô!” (Jona 2:2, 3, 7, Li). Nandritry ny hateloana dia toy ny maty tao am- pasana, tao amin’ny Sheola na Hadesy, Jona. Nilaza izany Jesosy raha nanambara ny amin’ny hahafatesan’ny tenany sy ny handevenana azy: “Fa tahaka ny nitoeran’i Jona hateloan’andro sy hateloan’ alina tao an-kibon’ny hazandrano lehibe, dia toy izany no hitoeran’ny Zanak’olona hateloan’andro sy hateloan’alina ao anatin’ ny tany.” — Matio 12:40, MN.
9. Tandidon’ny inona ny nanafahana an’i Jona tao an- kibon’ilay hazandrano, ary noho iza no hahafahana miala no amin’ny Sheola?
9 Ilay Andriamanitra Tsitoha izay manana anarana hoe: Jehovah ary, no namoaka ny mpaminany Jona, tamin’ny fomba mahagaga, avy tao anatin’ny kibon’ilay hazandrano lehibe, tamin’ny andro fahatelo. Io Andriamanitra io, dia Jehovah ihany koa no namoaka avy tao “anaty tany”, ny mpaminany makatokiny, Jesosy Kristy, tamin’ ny andro fahatelo. Noho izany, ny nanafahana an’i Jona dia sary ara-paminaniana mampiseho ny fitsanganan’ny Zanak’ Andriamanitra tamin’ny maty. Taorian’ny nitsanganany, dia nandray ny “fanalahidin’ny fahafatesana sy ny Hadesy” Jesosy Kristy, ary tonga Iraka izay hampiasain’ Andriamanitra ho enti-manangana izay rehetra maty ao amin’ny Hadesy na Sheola. Tsy misy olona afa-mandositra ny fahafatesana sy ny Sheola na Hadesy, fasana itambaran’ny maty milevina ao amin’ny vovoky ny tany, amin’ny alalan’ny tenany ihany.
10. a) Ahoana no nanamarinan’ny Salamo 89:18, 19 sy ny Joba 7:8, 9, ny tsy fananan’ny olona hery, ao amin’ny Sheola? b) Noho iza no hahafan’ireo ho tafita velona amin’i Haramagedona, handositra ny Sheola?
10 Nahatsapa izany zava-marina mampalahelo izany Etana Ezrahita mpanao salamo, raha nanambara tamin’i Jehovah Andriamanitra hoe: “Hevero ny hafohin’ny andronay, Tompo ô, ary ny fiaina-mandalo namoronanao ny zanak’olombelona rehetra: iza ary no ho velona tsy hahita fafatesana na ho afaka hamonjy ny fanahiny tsy ho azon’ny fangejan’ny sheola?” (Salamo 89:48, 49, Li). Noho izany, ny kristiana nanolo-tena izay ho tafita velona amin’ny adin’i Haramagedona efa akaiky, ka hiditra ao amin’ny fandaharan-javatra vaovao sy marina hanjaka ety, ary hanana alalana tsy ho faty intsony, ireny kristiana ireny, dia tsy ho tafita velona raha tsy noho ny herin’Andriamanitra mahagaga izay hiambina sy hiaro azy. Toy izany koa ny amin’izay maty sy milevina ao amin’ny Sheola na Hadesy; tsy ho afaka hitsangana amin’ny alalan’ny tenany ihany izy, avy amin’ny fahafatesana sy ny fahalovana. Raha narary efa ho faty Joba dia nilaza tamin’alahelo ny amin’izany tsy fananan’ny olombelona hery izany, ka nanao hoe: “Tsy hahita ahy intsony ny mason’izay mijery ahy: ny masonao hibanjina ahy, fa tsy ho ao aho! Tahaka ny rahona mandalo dia lasa, dia tahaka izany koa, izay midina any amin’ny sheola tsy mba hiakatra avy any.” — Joba 7:8, 9, Li.
11. a) Inona no hery tsy hananan’ireo mpanan-karena, araka ny voalaza ao amin’ny Salamo 49:8-11? b) Araka ny andininy faha-16, inona no fahagagana mety ho vitan’Andriamanitra?
11 Ny vola rehetra ananan’ny olona mpanan-karena indrindra eto an-tany, dia tsy afaka hisakana ny fahafatesana sy ny fasana, na hampitsangana azy avy ao amin’ ny Sheola na Hadesy. Tsy afaka mividy ireo zavatra ireo izy, na ho an’ny tenany, na ho an’ny havany akaiky indrindra. Izao no voalazan’ny Salamo 49:8-11 (Li) momba izany: “Tsy misy olona mahavotra ny tenany, na afaka hanome an’Andriamanitra izay avony. (...) Mba ho velona mandrakizay, ka tsy hahita ny lavaka. Ho hitany marina fa maty ihany ny olon-kendry, toy ny fahafatesan’ny adala sy ny ketrina, ka mamela ny fananany ho an’ny hafa.” Tsy mba toy ny olona mpanan-karena sy tia rendrarendra ny mpanao salamo nahazo tsindrimandry, fa nametraka ny fitokisany tamin’i Jehovah, ilay Andriamanitra Tsitoha kosa, ka nilaza hoe: “Fa Andriamanitra kosa hanafaka ny fanahiko amin’ny fangejan’ny sheola, satria handray ahy izy.” — Salamo 49:15, Li.
12. a) Ny amin’inona no nideran’i Davida an’Andriamanitra ao amin’ny Salamo 30:3, 4? b) Araka ny I Samoela 2:6, inona no hery ananan’Andriamanitra nolazain’i Ana?
12 Rehefa sitrana tamin’ny aretina saiky nitarika azy ho amin’ny fahafatesana sy ny fasana, Davida mpanao salamo, dia nidera sy nisaotra an’Andriamanitra toy izao: “Iaveh, Andriamanitra ô, nitaraina taminao aho, dia nahasitrana ahy hianao, Iaveh ô, efa nanaisotra ny fanahiko tamin’ny sheola hianao, efa nampody ny aiko hianao, tsy navelanao hidina tany an-davaka aho.” (Salamo 30:3, 4, Li). Manana fahefana hisakana ny olona tsy ho faty ka hakany am-pasana, aloha loatra ary, ilay Andriamanitr’i Davida; ambonin’izany dia afaka mamerina ny maty avy any amin’ ny Sheola na Hadesy izy, amin’ny alalan’ ny fitsanganan’ny maty, toy izay noporofoiny tamin’izay niseho tamin’i Jesosy Kristy Zanany. Nilaza izany fahamarinana izany ny renin’i Samoela mpaminany raha nanambara hoe: “Iaveh no mahafaty ary izy no mahavelona, izy no mampidina any amin’ny sheola sy mampiakatra avy any.” (I Samoela 2:6, NC). Nidera an’i Jehovah Maria renin’i Jesosy, noho izany antony izany koa. — Lioka 1:46-55.
MATY SA MAHATSIARO TENA?
13. Ahoana no nandikan’ny mpandika tenin’ny Baiboly maro, ny teny hoe Sheola sy Hadesy, mifanaraka amin’ny tena hevitr’ireo teny ireo?
13 Arak’izany dia betsaka sy mazava ny porofo araka ny Baiboly, ka tsy tokony hisy fisalasalana na dia kely akory aza, ao an-tsaintsika: ny Sheola na Hadesy araka ny Baiboly dia ny fasana iarahan’ny maty manana. Izany no antony nandikan’ny maro amin’ny mpandika tenin’ny Baiboly ireo teny roa ireo hoe: “ny fasana” (fa tsy “fasana iray”). Ny fandikan-tenin’ny mpanjaka Jacques amin’ny teny anglisy dia mandika ny teny hebreo hoe Sheola indraika amby telo-polo, amin’ny teny hoe “ny fasana” ary in-telo, amin’ny teny hoe “ny lavaka”. Nandika indray mandeha ny teny grika hoe Hadesy tamin’ny teny hoe “fasana”, izany (ao amin’ny I Korintiana 15:55). Nefa nampianarin’ny mpitondra fivavahana ao amin’ny fitambaramben’ny kristiana anarana, hatramin’ny taon-jato maro, fa ny Hadesy dia toeram-pijaliana. Mety ary ny mametraka izao fanontaniana izao: Manao ahoana ny maty ao amin’ny Sheola na Hadesy? Moa mahatsiaro tena sy tsy mety maty ve izy, sa tena maty sy tsy misy tokoa? Andeha hotadiavintsika ny valiny avy amin’ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly masina, fa tsy avy amin’ ny mpitondra fivavahana eo amin’ny fitambaramben’ny kristiana anarana.
14, 15. Araka ny Mpitoriteny 9:4-6, 10, manao ahoana ireo izay ao amin’ny Sheola?
14 Andeha horaisintsika, ho valin’izany, ireo tenin’ny mpanjaka Solomona izay nahazo ny fahendrena ho fanomezana manokana avy tamin’i Jehovah Andriamanitra: “Fa izay isan’ny velona dia mbola antenaina: ny amboa velona no tsara noho ny liona maty. Fa ny velona [na dia mitovy amin’ny amboa aza] dia mahalala fa ho faty izy, fa ny maty kosa [na dia toy ny liona aza] tsy mba mahalala na inona na inona, ary tsy mandray valim-pitia intsony, fa hadino ny fahatsiarovana azy. Na ny fitiavany, na ny fankahalany, na ny fialonany, dia efa samy efa levona: tsy hanana anjara intsony amin’izay atao aty ambanin’ny masoandro izy. (..) Izay rehetra azon’ny tananao atao dia ataovy mandritry ny ahavelomanao, fa tsy misy asa na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin’ny sheola izay halehanao.” — Mpitoriteny 9:4-6, 10, Li.
15 Arak’ireo andalan-teny ireo, ny maty ao amin’ny Sheola dia tena maty tokoa ary tsy manana na dia hoe: “fiainana (...) anelanelany” aza. Raha tsy “mahalala na inona na inona” izy, ka levona ny fihetseham-po mahery tao aminy toy ny fitiavana, ny fankahalana ary ny fialonana, ka tsy manana fahalalana na fahendrena, na asa na hevitra intsony izy, dia tsy isalasalana fa tena maty sy tsy misy tokoa. Tsy mahagaga raha antsona hoe ny “maty”, izay ao amin’ny Sheola, ka ampiarahina amin’ny teny hoe fahafatesana fa tsy fiainana, ny teny hoe Sheola.
16. a) Araka ny Salamo 6:5, 6, iza no tsy eritreretina, ao amin’ny Sheola? b) Araka ny Isaia 38:17-19, nahoana ny mpanjaka Hezekia no tsy te-ho faty teo amin’ny fahasivy amby telo-polo taonany?
16 Tsy mieritreritra an’Andriamanitra akory ny maty ao amin’ny Sheola ary tsy miresaka ny aminy. Izany no manazava ity fivavak’i Davida mpanao salamo, olona natahotra an’Andriamanitra ity: “Miverena Iaveh ô, afaho ny fanahiko, vonjeo aho, noho ny famindramponao! Fa tsy misy fahatsiarovana anao any amin’ny fahafatesana, any amin’ny sheola, iza no hidera anao?” (Salamo 6:5, 6, Li). Nanambara hevitra sahala amin’izany koa Hezekia mpanjaka rehefa saiky maty tamin’ny faha-sivy amby telo-polo taonany. Izao no nolazainy tamin’Andriamanitra izay namonjy azy: “Narovanao tamin’ny fasan’ ny fahalevonana ny fanahiko; fa narianao teo ivohonao ny fahotako rehetra. Fa ny sheola tsy mba midera anao, ny fahafatesana tsy mankalaza anao. Izay midina any an-davaka tsy manantena ny tsi-fivadihanao. Ny velona dia ny velona ihany no midera anao, tahaka izaho anio izao.” (Isaia 38:17-19, Li). Dimy ambin’ ny folo taona taty aoriana dia maty Hezekia ka nankany amin’ny Sheola, izay tsy nahafahany nidera an’i Jehovah Andriamanitra sy nanantena azy intsony, noho ny tsy fahatsiarovany tena. Maty tamin’ny fanantenana fa mbola hivoaka avy ao amin’ny Sheola amin’ny alalan’ny fitsanganan’ny maty anefa izy.
17. Ahoana no anaporofoan’ny Salamo 139:7, 8 sy ny Ohabolana 15:11, fa diso ny mpitondra fivavahana mampianatra fa velona ny maty, ary tafasaraka amin’Andriamanitra fotsiny?
17 Eo anoloan’ireo porofo ireo, dia hadalana ny milaza, toy ny ataon’ny mpitondra fivavahana eo amin’ny fitambaram-ben’ny kristiana anarana, fa izay ao amin’ ny Sheola na Hadesy, dia velona — satria tsy mety maty — ary maty, amin’ny heviny fotsiny hoe tafasaraka amin’Andriamanitra. Manohitra ny voalazan’ireny mpitondra fivavahana ireny Davida mpanao salamo, satria izao no nambarany tamin’i Jehovah Andriamanitra: “Aiza no hialako amin’ny fanahinao, aiza no handosirako tsy ho eo anatrehanao? Na dia miakatra any an-danitra aza aho, dia any hianao; na dia midina any amin’ny sheola aza aho, dia indro any hianao.” (Salamo 139:7, 8, Li). Ho fanamafisana izany, dia izao no nosoratan’i Solomona, zanak’i Davida mpanjaka, ao amin’ny Ohabolana 15:11 (Li): “Ny sheola sy ny fandringanana[NM: toeran’ny faharavana] aza dia miharihary eo anatrehanao, mainka fa ny fon’ny zanak’olombelona.” Toy ny ahafantaran’i Jehovah ny fon’ny olona, no ahalalany koa izay ao amin’ny Sheola.
18. Araka ny Amosa 9:1, 2, mahatratra hatraiza ny fanahin’Andriamanitra?
18 Mba hanehoany fa ny fanahiny na ny heriny miasa dia mahatratra na toerana inona na toerana inona, na dia ny Sheola aza, dia nanambara izao teny manaraka izao Jehovah Andriamanitra, ao amin’ny faminanian’i Amosa 9:1, 2 (Li): “Tsy hisy ho afa-mandositra, sady tsy hisy ho voavonjy na dia iray akory aza. Na dia mibosesika ho any amin’ny sheola aza izy, dia any no hanalan’ny tanako azy; na dia miakatra ho any an-danitra aza izy, dia avy any no hampidinako azy.” Eto dia ampifanoherina amin’ny halalin’ny Sheola ny hahavon’ny lanitra. Ahoana no mety hibosesehan’ny olona any amin’ny Sheola raha tsy eto an-tany onenan’ny olona ka andavahany fasana izany?
19. Araka ny Joba 26:5-7, fanahin’Andriamanitra ve izay ao amin’ny Sheola?
19 Ireo izay ao amin’ny Sheola na Hadesy dia tsy afa-mandositra ny maso sy ny herin’i Jehovah. Nosoritan’i Joba narary efa ho faty izany, raha nanambara ny momba ilay Mpahary ny tany izy arak’izao: “Ny maty mihovitrovitra any ambanin’ny rano sy izay monina ao aminy, ny sheola miharihary eo anatrehany ary ny lavaka tsy hita noanoa dia tsy misarona [eo anatrehany]. Mamelatra ny avaratra eo amin’ny toerana foana izy, ary manantona ny tany eo amin’ny tsy misy na inona na inona.” (Joba 26:5-7, Da). Arak’izany dia tsy manana sarona anafenana, eo anatrehan’ Andriamanitra, ny maty ao aminy, ny Sheola.
20, 21. Noho ny fahalalany ny inona momba ny Sheola, no nahatonga an’ Joba hangataka tamin’Andriamanitra mba hanafina azy ao amin’io toerana io?
20 Vao tany amin’ny taon-jato faha-enina ambin’ny folo talohan’izao fanisan-taona arahintsika izao, dia efa nahalala Joba fantatra tamin’ny faharetany, fa ny maty ao amin’ny Sheola dia tena maty tokoa, tsy mahatsiaro tena mihitsy, tsy mahatsiaro fanaintainana na fahafinaretana. Nahafantatra izany ary Joba raha nivavaka tamin’Andriamanitra mba hiafara haingana amin’ny fahafatesana ny aretiny mahamenatra sy mampijaly ka hampandrina ao amin’ny Sheola izy ho lavitry ny mason’ny olona. Izao no teny nataony tamin’i Jehovah Andriamanitra:
21 “Toy izany koa ny olona, mandry izy ka tsy mitsangana [amin’ny alalan’ny tenany iliany]: mandra-paha-tsy hisin’ny lanitra, dia tsy hahatsiaro izy, ary tsy hifoha amin’ny torimasony. Enga anie hanafina ahy any amin’ny sheola hianao, ka hampiery ahy mandra-pahafaky ny fahatezeranao, ary hanendry fetr’andro ho ahy, dia hahatsiaro ahy — (Raha maty ny olona, moa ho velona indray va?) mandritry ny androm-pahoriako, dia hiandry aho mandra-pahatongan’ny fahafahako: dia hiantso hianao, ary hamaly aho, ary mba hitodika amin’ny asan’ny tananao ny fanirianao.” — Joba 14:12-25, Da.
22. Ao amin’ny Joba 11:12-15, ahoana no nampisehoan’i Joba fa tsy noheveriny ho “tany tsy misy fiverenana” ny Sheola?
22 Arak’ireo teniny ireo dia tsy nihevitra ny Sheola (Hadesy, LXX) ho “tany tsy misy fiverenana”, Joba. Taminy dia tsy toerana anadinoana sy anarian’Andriamanitra ny maty akory izany. Fa mahatsiaro ny maty ao amin’ny Sheola kosa ny Andriamanitr’i Joba, ka amin’ny fotoana voafetrany, dia hiantso ireo izay ao amin’io fasana iarahan’ny maty manana io izy, ka hamoaka azy avy amin’ny fahafatesana toy ny mamoha azy amin’ny torimasony. Izany no nahatonga an’i Joba nianjadian’ ny aretina sy ny fanaintainana, haniry ny hanesoran’Andriamanitra ny ainy miaraka amin’izay mba hampifarana ny fijaliany sy hanafina azy any amin’ny Sheola. Noheverin’i Joba fa tezitra taminy Andriamanitra. Raha nilevina tao amin’ny Sheola Joba, dia ho voafina teo am-piandrasana ny hitsaharan’ny fahatezeran’Andriamanitra taminy sy mandra-pahatongan’ny fotoana hisehoan’ny famindrampon’Andriamanitra amin’ireo izay ao amin’ny Sheola, amin’ny hananganany azy amin’ny maty sy hamelomany azy indray ao amin’ny toe-javatra tsara.
23. Feon’iza no ho ren’i Joba amin’ny fitsanganan’ny maty, ary ahoana no teny tsara ilazan’i Ezekiela sy Jakoba an’i Joba?
23 Amin’ny fanambaran’i Jesosy (Jaona 5:28, 29), dia handre ny feon’ny Zanak’ Andriamanitra Joba efa maty, ka hihaino ny antson’i Jesosy ary hivoaka avy ao amin’ny fasana fahatsiarovana, ho amin’ny fitsanganana. Sivin-jato taona eo ho eo taty aorian’ny nidinan’i Joba tany amin’ny Sheola, dia voatonon’i Jehovah Andriamanitra, tamim-pankasitrahana izy, ao amin’ ny faminanian’i Ezekiela 14:14, 20. Jakoba, mpianatr’i Kristy koa dia naka an’i Joba ho ohatry fiaretana tokony hotahafin’ny kristiana. — Jakoba 5:11.
24. Hatramin’izao, inona no nasehon’ny fandinihantsika ny momba ny Sheola na Hadesy, mikasika ny toetr’ireo izay ao?
24 Hatramin’izao dia tsy nandinika afa- tsy ny tapany amin’izay mikasika ny Sheola na Hadesy, isika. Efa nanaitra antsika sahady anefa ny fanantenana mampahery omen’ny Baiboly masina ho an’ireo izay ao. Ny maty rehetra ao amin’ny Sheola dia tena maty tokoa fa tsy mahatsiaro tena, na rendremana. Tsy misy izy ireny, satria ny Sheola na Hadesy araka ny Baiboly, dia milaza ny fasana iarahan’ny maty manana. Tsy milaza fasana iray ihany na fasana fahatsiarovana tokana, ireo teny ireo, fa milaza ny fasana itambaran’ny maty an- tapitrisany izay mandry ao amin’ny vovoky ny tany, ny taolam-balony. Tsy mitsahatra mihalehibe ilay fasana arakaraky ny ahafatesan’ny olona sy andevenana azy. Toa tsy mety afa-po izy, na dia efa tsy tambo isaina aza ny maty ao aminy.
SHEOLA NA HADESY IRAY HIANY
25. Ahoana no teny ilazan’ny Ohabolana 30:13, 16 sy ny Tonon-kira dia Tonon-kiran’i Solomona 8:6) fa tsy mety afa-po ny Sheola na Hadesy?
25 Nahatsapa izany ny mpanjaka hendry iray fahiny, ka nanoratra hoe: “Misy zavatra telo tsy mety voky, eny efatra aza no tsy manao hoe: Aoka izay!... ny sheola, ny kibo momba, ny tany tsy vonton-drano ary ny afo koa no tsy mba manao hoe: Aoka izay!”(Ohabolana 30:15, 16, Da). Mba hampisehoany ny maha-lozabe ny sheola amin’ny olombelona voaheloka sy miandry fahafatesana, dia nampitaha azy tamin’ny fitiavana izay mila fahafoizan- tena tanteraka, io mpanjaka hendry io ihany. Izao no nosoratany: “Tsy mety afa-po toy ny fahafatesana ny fitiavana, tsy mety afa-diana toy ny sheola ny firedaredany; ny zana-tsipika alefany dia afo, ary ny lelafony dia lelafon’Iaveh.” (Tonon-kiran’i Solomona 8:6, Li). Mitady ny ain’ny olona voaheloka ny fahafatesana, ary maka ny tenany ny Sheola.
26. a) Noharin’i Habakoka tamin’ny inona ny fanirian’ny mpanjakan’i Babylona? b) Ahoana no teny hilazalazana ny amin’ny Sheola, ao amin’ny Isaia 5:14, 15, ary nahoana?
26 Ny firedaredan’ny fanirian’ilay mpanjakan’i Babylona fahiny hahazo firenena sy vahoaka hafa, dia noharina tamin’ny fanirian’ny Sheola mbola haka olona resin’ny fahafatesana bebe kokoa. Tamin’ny fotoana nanakaiky ny fahatongavan’i Babylona ho Herim-panjakana miezinezina ka nampitahorany an’i Jerosalema, dia izao no nosoratan’i Habakoka, mpaminanin’i Jehovah, momba ny mpitondra fanjakana tao Babylona: “Ary koa, mamitaka ny divay, miavonavona io olona io ka tsy mba mahatoetra, dia izy izay mampitatra ny faniriany toy ny sheola, ary toy ny fahafatesana ka tsy mety voky; fa manangona ny firenena rehetra ho ao aminy izy, sy mamory ny olona rehetra ho ao aminy.” (Habakoka 2:5, Da). Amin’ny heviny an-ohatra, dia misanasana ny vavan’ny Sheola afaka mitelina maty marobe miaraka. Toy izao no nilazan’Isaia izany hevitra izany: “Koa noho izany [satria olona maro no maty noho ny tsy fahalalana an’i Jehovah Andriamanitra] dia mampitatra ny lavany liana ny sheola ary mampitanatana ny vavany aoka izany. Hivarina any, ny hatsaran-tarehin’i Ziona sy ny vahoakany mitabataba ary ny antsoantsony mbamin’izay mifalifaly ao aminy.” — Isaia 5:14, 15, Li.
27. a) Ampitahao amin’ny fasana ny Hadesy, eo amin’ny hiany. b) Na dia misy tsy hita intsony aza ny fasana, toy izany koa ve ny Sheola?
27 Na dia milaza fasana maro aza ny Baiboly, dia tsy milaza afa-tsy Sheola na Hadesy iray ihany, ary marina izany, satria ireo teny ireo dia milaza ny fasana itambaran’ny maty rehetra, ao amin’ny vovoky ny tany. Nanamarika ny fisian’ny fasana maro ny Isiraelita raha nitaraina tamin’ny mpaminany Mosesy toy izao: “Moa tsy ampy va ny fasana tany Egypta, no nentinao ho faty an-efitra izahay?” (Eksodosy 14:11, Je). Sivin-jato taona eo ho eo taty aoriana, dia izao no nambaran’ny mpaminany Ezekiela tamin’ny olon’Andriamanitra babo tany Babylona izay toy ny efa very fanantenana: “Izao no lazain’i Jehovah Tompo: hanokatra ireo fasanareo aho ary hampiakariko avy amin’ireo fasanareo hianareo ry oloko, ka ho entiko ho any amin’ny tanin’ny Isiraely; ka ho fantatrareo fa izaho no Jehovah, rehefa manokatra ireo fasanareo aho ka mampiakatra anareo hiala ao amin’ireo fasanareo, ry oloko.” (Ezekiela 37:12, 13, AC). Fasana tsy tambo isaina tokoa no nolavahina, ary maro amin’ireny no tsy hita intsony ary tsy namela soritra. Nefa ny Sheola na Hadesy tokana, dia mbola misy foana ary mihalehibe arakaraky ny ahafatesan’ ny olona.
28. Inona no fanontaniana mipetraka momba ny Sheola na Hadesy, ary aiza no hahitantsika ny valin’izany?
28 Mbola hanohy handrapaka ny nofon’ ny olombelona hatrany ve ny Sheola na Hadesy liana? Hobaboiny mandrakizay ve izay resiny? Handresy tanteraka ny taranak’i Adama ve izy? Ho vavolombelon’ny fahafatesana nolovain’ny olombelona tamin’i Adama, raintsika voalohany, hatrany ve izy? Jehovah Andriamanitra Mpahary antsika ihany, no afaka hanome valin- teny azo itokiana. Mamaly ireo fanontaniana ireo Izy ao amin’ny faminanian’i Hosea 13:14 (Da), arak’izao voasoratra izao: “Hanafaka azy eo an-tanan’ny sheola aho, ka hanavotra azy amin’ny fahafatesana. Ry fahafatesana ô, aiza ny aretina fandripahanao? Ry sheola ô, aiza ny fandringananao? Afenina tsy ho hitan’ny masoko ny nenina.”
29. a) Ahoana no fomba nandikan’ny mpandika teny sasantsasany ny Hosea 13:14? b) Inona anefa no fanontaniana mbola mipetraka?
29 Ny mpandika tenin’ny Baiboly sasan- tsasany dia nandika ny Hosea 13:14 amin’ ny endrika fanontaniana efatra mifanarakaraka. Toy izany ny Baibolin’ny kardinaly Liénart: “Hanaisotra azy eo am-pelatanan’ny sheola ve aho? Hanavotra azy amin’ ny fahafatesana ve aho? Aiza ny fanimbanao, ry fahafatesana ô? Aiza ny lozanao, ry Sheola ô?” Ampy ny mamaky ny toko nakana ireo andininy ireo mba hahazoana mamaly hoe: tsia, amin’ireo fanontaniana roa voalohany. Tsy hanavotra na hanafaka ny Isiraelita tsy mankato, eo am-pelatanana na eo amin’ny fahefan’ny Sheola, Andriamanitra. Tsy hanavotra azy amin’ny fahafatesana izy. Tsy hisy nenina avy aminy, na fangorahana; havelany ho faty ireo mpiodina ireo, tsy hanafaka azy amin’ ny tanan’ny Sheola liana, Izy. Izany no antony hanontanian’Andriamanitra hoe: aiza ny aretina fandripahan’ny fahafatesana sy ny fandringanan’ny Sheola. Hamely ireo tsy mankatò, toy ny loza hoe ny Sheola sy ny fahafatesana ka handringana azy! Tena tsara izany, kanefa io fomba fandikana ny Hosea 13:14 io, dia mbola tsy mamaly ireto fanontaniana ireto: Inona no hataon’Andriamanitra amin’ireo mpiodina ireo rehefa avy namely azy toy ny loza ny fahafatesana ka nandringana azy ny Sheola? Havelany tanteraka ho eo ampelatanan’ny fahafatesana sy ny Sheola ve izy? Sa hatsangany izy ireny amin’ny andro ilana izany?
30, 31. a) Ahoana no valin-teny omen’i Paoly antsika no amin’ny I Korintiana 15:51-57? b) Ahoana no hahatongavan’ny fandresena, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy ary amin’ny toe-tsaina manao ahoana no hanohizantsika ny fandinihana io foto-kevitra io?
30 Raha nanoratra tamin’ny tsindrimandry Paoly, apostoly kristiana, dia manome valin-teny izay mamela antsika hahatsinjo fa hitsangana ny maty. Eo am-pamaranana ilay toko kanto momba ny fitsanganana, dia izao no ambaran’i Paoly: “Dia ho tanteraka ity teny voasoratra ity [ao amin’ny Isaia 25:8]: ‘Nolevonina mandrakizay ny fahafatesana.’ ‘Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao?’ Fa ny ota [nolovaina tamin’i Adama] no fanindronana mahatonga fahafatesana, ary ny Lalana [nomena tamin’ny alalan’i Mosesy ka nanameloka ny olona rehetra ho toy ny mpanota], no herin’ny ota. Fa isaorana anie Andriamanitra satria manome antsika ny fandresena izy, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, Tompontsika!” (I Korintiana 15:54-57, MN). Afaka mandevina ny fahafatesana mandrakizay tokoa mantsy, Andriamanitra Tsitoha ka hanafoana ny fandreseny! Nasehony fa afaka manao izany izy, tamin’ny nananganany an’i Jesosy Kristy Zanany, tamin’ny maty. Sivin-jato sy arivo taona lasa izay, dia navoakany avy tao amin’ny Sheola izy. Izany fitsanganan’i Jesosy Kristy izany, dia antoka azo ianteherana fa hanangana ny olona rehetra Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, ilay Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra nampanantenaina.
31 Amim-panantenana sy fiheverana ny zavatra ho avy fa ho tsara ary, no hanohizantsika ny fandinihana ity foto-kevitra kanto ity ka hitadiavantsika, ao amin’ny lahatsoratra manaraka, ny valin’ity fanontaniana ity: Iza no hitsangana amin’ny maty ?