Fizarana faharoa
1. a) Araka ny nambaran’i Paoly teo anatrehan’ny governora Feliksa, iza no hitsangana? b) Ahoana no hahalalantslka raha hisy olon-tsy marina hitsangana?
INDRAY mandeha, ny apostoly Paoly dia niseho teo anatrehan’i Feliksa govemora romana izay sady tsy nino ny Baiboly no tsy nino ny fampianarana momba ny fitsanganan’ny maty. Izao no nambaran’ilay apostoly kristiana tamin’izay fotoana izay: “Manao fanompoana masina an’Andriamanitry ny razako aho, satria mino ny zavatra rehetra voalaza ao amin’ny Lalàna sy voasoratra ao amin’ny Mpaminany; ary manantena amin’Andriamanitra aho, fanantenana izay ananan’ireo olona ireo koa, fa hisy fitsanganan’ny marina sy ny meloka.” (Asan’ny Apostoly 24:14, 15, MN). Mampianatra va ny Baiboly fa misy olon-tsy marina ao amin’ny Sheola na Hadesy izay hofoanana tsy hisy maty intsony amin’ny alalan’ny Fanjakan’Andriamanitra? Ho fantatsika ny valin’izany, amin’ny fandinihana ny momba ny olona nidina ho any amin’ny Sheola (Hadesy) sy amin’ny famakiana izay ambaran’ny Baiboly, momba ny toe-pitondran-tenan’ireny olona ireny ary ny toerana nisy azy fony fahavelony tety an-tany.
MISY OLON-TSY MARINA KOA AO AMIN’NY SHEOLA (HADESY)
2. Araka ny bokin’ny Nomery, ahoana no nampiasain’i Mosesy ny teny hoe Sheola, raha niantso fanamelohana ho an’ireo mpikomy telo sy ny ankohonany izy?
2 Ny teny hebreo hoe Sheola (grika Hadesy ao amin’ny LXX) dia miverina in-efatra ao amin’ny boky voalohan’ny Baiboly, dia ny Genesisy, nosoratan’ny mpaminany Mosesy. Tsy hita indray io teny io raha tsy ao amin’ny boky faha-efatry ny Baiboly, dia ny Nomery izay Mosesy koa no nanoratra azy. Indroa no nampiasana azy, mikasika ny ankohonan’ny Isiraelita telo, dia Kora sy Datana ary Abirama. Nikomy tamin’i Jehovah ireo olona ireo ka niantso fanamelohana ho azy ireo, tamin’ny alalan’i Mosesy, Andriamanitra. Nomen’Andriamanitra baiko aloha ny Isiraelita hafa mba hanalavitra ny taberina-kelin’ireo mpikomy telo ireo sy ny tranony. Rehefa izany, mba hanaporofoany fa avy tamin’Andriamanitra ny fanamelohana, dia izao no nambaran’i Mosesy: “Raha hanao zavatra tsy mbola fahita Iaveh ka hisokatra ny tany ary hitelina azy mbamin’izay azy rehetra, ka ho latsaka velona ho any amin’ny Sheola [Hadesy] izy, dia ho fantatrareo fa efa nanda an’i Iaveh ireo lehilahy ireo.”— Nomery 16:20-30, Jé.
3. Inona no sazy nangatahin’i Mosesy hampiharina amin’ireo olo-meloka ireo ary nidina nankaiza izy ireo tamin’ny fotoana namonoana azy?
3 Tsara ny manamarika fa ny mpaminany Mosesy dia tsy nangataka tamin’Andriamanitra mba handringanana mandrakizay ireo fianakaviana telo ireo. Tsy niantso ny fanamelohana mafy indrindra ho azy ireo izy. Nisokatra ny tany ka nitelina azy velona, ary nandevina azy tao amin’ny Sheola. Nankaiza izy ireo, nankany amin’ny Sheola (Hadesy) sa nankany amin’ny famaizana mbola ratsy noho izany? Ireo andininy manaraka (Nomery 16:31-33, Jé) dia manome valiny ho antsika toy izao: “Ary rehefa tapitra voalazany izany teny rehetra izany, dia nivava ny tany izay teo ambaniny, nisokatra ny tany ka nitelina azy sy ny ankohonany mbamin’ny olona rehetra izay an’i Kora ary ny fananany rehetra. Dia nidina velona ho any amin’ny sheola [Hadesy, LXX] izy mbamin’izay azy rehetra. Ary ny tany nikatona taminy ka tsy hita teo amin’ny fikambanana intsony izy.”
4, 5.) Ahoana no namonoana an’i Kora? b) Iza no tsy mba novonoina, ary nahoana?
4 Toa tsy teo amin’ireo izay nidina velona ho any amin’ny Sheola, Kora filoha. Noho izy Levita dia tsy isalasalana fa teo an-kianjan’ny taberinakely izy niaraka tamin’ireo Levita dimam-polo amby roan-jato hafa izay niandany taminy ka nanohitra an’i Mosesy sy Arona. “Ary nisy afo nivoaka avy tamin’i Jehovah ka nandevona ny lehilahy dimam-polo amby roan-jato izay nanatitra ditin-kazo manitra.”— Nomery 16:35, AC.
5 Arak’izany, tamin’io tany nivava sy afo mahagaga io no nanesorana ireo mpikomy telo sy ny ankohonany, saiky niaraka, teo amin’ny fikambanan’Isiraely. Mbola babo amin’ny Sheola na Hadesy izy ireo hatramin’izao. Tsy nanaraka ny nataon’ny rainy anefa ny zanak’i Kora, ka tsy mba levon’ ny afo. Izao no fanazavana omena antsika ao amin’ny Nomery 26:9-11: “Kanefa ny zanak’i Kora tsy mba maty.” Misy fanamarinana izany koa hitantsika ao amin’ ny lohatenin’ny Salamo 42-49, 84, 85, 87, ary ny 88.
6. Araka ny Deoteronomia 32:22, mety hihatra hatraiza ny fahatezeran’Andriamanitra, ary ahoana no lazain’ny Amosa 9:2, momba izany?
6 Nampiasa ny teny hoe Sheola Mosesy, ao amin’ny Deoteronomia, ny boky faha-dimy ao amin’ny Baiboly. Tamin’ny hira fanaovam-beloma nohirainy teo anatrehan’ny fikambanan’Isiraely, dia nampahafantarin’i Mosesy mialoha fa hampiseho ny firehitry ny fahatezerany Andriamanitra. amin’ireo izay mampaha-saro-piaro azy amin’ny fanarahana fivavahan-diso. Ho fampiomanana, dia izao no nambaran’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny alalan’i Mosesy: ‘’Arehitra ny afon’ny fahatezerako, ka handoro hatrany amin’ny sheola any ambany indrindra izany; ary handevona ny tany mbamin’ny vokatra eo aminy, sy hampirehitra ny fanambanin’ny tendrombohitra.” (Deoteronomia 32:22, Jé). Amin’izany fitenenana an-ohatra izany, dia mampiomana antsika Jehovah fa mihatra hatrany amin’ny lalina indrindra ny firehitry ny fahatezerany. Na dia manandrana mandositra ny fandringanana amin’ny fandavahana hatrany amin’ny Sheola aza isika, dia mbola hahatratra antsika tsy diso ihany ny fahatezeran’i Jehovah. Na any ambony indrindra na any ambany indrindra alehan’ny olona ety an-tany, dia tsy afaka handositra ny fampiharana ny didim-pitsaran’Andriamanitra izy (Amosa 9:2, Da). Na dia niorina teny an-tampon’ny tendrombohitra aza Jerosalema, dia mbola nahatratra azy ihany ny fahatezeran’Andriamanitra, ka nahatonga ny fandringanana azy.
7. Niteny nanohitra an’iza Kora sy Datana ary Abirania, ary nahoana no nety ho nisy vokany hafa ratsy kokoa ny fikomian’izy ireo?
7 Ao amin’ny tantaran’ireo Isiraelita voalaza ery aloha, dia Kora sy Datana ary Abirama, dia tsy tokony hohadinoina fa nikomy tamin’ny endrika roa an-ohatra na ara-paminaniana, ireo lehilahy ireo. Mosesy mpaminany sy Arona rahalahiny mpisoronabe, dia tandindon’i Jesosy Kristy izay hanao asa toy ny azy ireo. (Deoteronomia 18:15-19; Asan’ny Apostoly 3:20-23; Hebreo 3:1, 2; 5:4-6; 9:23-26). Raha nisy niteny nanohitra an’i Jesosy fony izy tety an-tany, dia izao no nambarany: “Ary na iza na iza no manao teny hanohitra ny Zanak’olona, dia hahazo famelan-keloka ihany; fa na iza na iza no miteny hanohitra ny fanahy masina, dia tsy mba hahazo famelan-keloka, na amin’izao fandehan-javatra ankehitriny izao, na amin’ilay ho avy.” (Matio 12:32, MN). Niteny nanohitra olona roa, dia Mosesy sy Arona, ohatra tadindona ara-paminaniana mampiseho ny Zanak’olona, dia Jesosy Kristy, Kora sy Datana ary Abirama. Raha tsy izany, dia nety ho nisy vokany hafa ratsy kokoa noho ny fidinana niaraka tamin’ny ankohonany tany amin’ny Sheola na Hadesy, ny fikomiany.
8. Ahoana no teny mitovitovy amin’ny nolazain’i Mosesy, nataon’i Davida tamin’i Solomona, momba an’i Simey?
8 Ny olona iray koa izay niteny toa an’i Mosesy, dia natao hoe Davida, mpanjaka jiosy voalohany tao Jerosalema. Davida koa dia tandindona na sary ara-paminaniana mampiseho an’i Jesosy Kristy izay teraka avy tao amin’ny fianakavian’io mpanjaka io. Tamin’ny anatranatra farany nataony ho an’i Solomona zanany, izay nomeny ny fiandrianana tao Jerosalema, dia izao no nambaran’i Davida: “Ary indro fa ao aminao koa Simey, zanak’i Gera, Benjamita avy any Bahorima izay nanozona ahy tamin’ny andro nankanesako tany Mahanaima, nefa izy mba nidina nitsena ahy tao Jordana ihany ary Iaveh no nianianako taminy fa tsy hovonoiko amin’ny sabatra izy. Koa aza ataonao afa-tsiny izy; ary amin’ny maha-olon-kendry anao, dia fantatrao izay tokony hatao mba hampidinana ny volo fotsiny any amin’ny sheola amin’ny fandatsahan-dra.” Tamin’ny fotoana naha-mety izany, dia nanatanteraka ny baikon’ny rainy Solomona.— I Mpanjaka 2:8, 9, 42-46, Jé.
9. Toy izany koa. ahoana no nambaran’i Davida momba an’i Joaba mpitari-tafiny taloha?
9 Ary ny amin’i Joaba, mpitarika ny tafiny taloha, dia izao no toro-hevitra nomen’i Davida an’i Solomona mpandimby azy, talohan’ny nahafatesany: “Avy hianao koa mahalala izay nataon’i Joaba, zanak’i Zeroia tamiko, dia ilay nataony tamin’izy roalahy mpitarika ny tafik’Isiraely, dia tamin’i Abnera, zanak’i Nera, sy tamin’i Amasa, zanak’i Jatera, izay novonoiny sady nalatsany ra toy ny amin’ny ady, nefa tsy ady tsinona, ka nasiany ra marina ny fehin-kibo teny am-balahako sy ny kapa teny amin’ny tongotro; koa manaova araka ny fahendrenao, ka aza avela hidina any amin’ny sheola amin’ny fiadanana ny volo fotsiny.” Taty aoriana, mba hisian’ny filamina sy ny firaisana tao amin’ny fanjakana, dia hitan’i Solomona fa mety ny mandefa an’i Benaia (Sg: Benaja) mba hamono an’i Joaba izay nitady hiery teo anilan’ ny alitaran’i Jehovah. “Dia niainga Banaia, zanak’i Joiada, ka namely an’i Joaba ho faty; ary nalevina tany aminy, tany an-efitra izy.” (I Mpanjaka 2:5, 6, 28-34, Jé). Arak’izany, dia tsy nidina tamim-piadanana ho any amin’ny Sheola, ny volo fotsin’i Joaba.— Jereo Genesisy 42:38.
10. Fantatr’i Davida ve ny hevitry ny teny hoe Sheola, ary arak’izany, nampidinin’i Solomona nankaiza Joaba sy Simey?
10 Raha nanome an’i Solomona zanany, ireo toro-hevitra momba an’i Joaba sy Simey ireo Davida mpanjaka, dia fantany tsara izay nolazainy. Fantany ny hevitry ny teny nampiasainy, indrindra fa ny hevitry ny teny hoe Sheola. Nampiasain’i Davida nahazo ny tsindrimandrin’Andriamanitra, araka ny tena heviny io teny io, ao amin’ny iraika ambin’ny folo amin’ireo Salamo nosoratanya. Ao amin’ny Salamo 16:10 (Da) dia nambarany mialoha fa hitsangana avy ao amin’ny Sheola Jesosy Kristy. Noho ny fitsanganan’i Jesosy, no hahazoan’ireo izao ao amin’ny Sheola hitsangana mandritry ny hanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny Mesia, dia Jesosy, taranak’i Davida. Noho izany, raha nanome baiko an’i Solomona Davida mba hampidina an’i Joaba sy Simey any amin’ny Sheola, amin’ny alalan’ny fahafatesana mahery vaika, dia fantany mazava tsara fa tsy nilaza tamin’ny zanany izy mba handefa ireo olona tsy mpankatò ireo ho any amin’ny fandringanana mandrakizay izay tsy hananany fanantenana ho velona indray any aoriana.
11. Araka ny vavak’i Davida ao amin’ny Salamo 31:18, 19, aiza no hidinan’ny ratsy fanahy tsy afa-miteny, ary nahoana no tsy diso hevitra akory Davida?
11 Mifarana amin’ny baiko nomen’i Davida an’i Solomona momba ny toerana nampidinana ny olona toa an’i Simey sy Joaba, ny Salamo nataon’i Davida sy ireo Isiraelita hafa. Izao no hataka nataon’i Davida tamin’Andriamanitra, ao amin’ny Salamo 31:18, 19 (Jé): “Aoka tsy ho menatra aho Iaveh ô, satria miantso anao, fa aoka ho menatra ny ratsy fanahy! Aoka izy handeha tsy afa-miteny [aiza?] any amin’ ny Sheola; aoka hangina ny molotra mandainga izay miteny sahisahy hanohitra ny marina amin’ny avonavona sy ny fanamavoana!” Raha mamaky io vavak’i Davida io isika, dia aoka tsy hanadino fa nanoratra izany tamin’ny tolotsain’ny fanahin’Andriamanitra izy, ka noho izany, ny teny nampiasaina dia mazava sy marina.
12. Ahoana no vavaka nataon’i Davida tamin’Andriamanitra, momba ny firenena ratsy fanahy, ao amin’ny Salamo 9:18-21?
12 Ao amin’ny Salamo 9:18-21 (Dhorme), Davida izay mbola nomen’Andriamanitra tsindrimandry ihany, dia nangataka tamin’Andriamanitra mba hanafaizany ny firenena izay tsy niraharaha ny Mpamorona mihitsy ka nanafika an’i Davida sy ny olony. Nivavaka toy izao izy: “Aoka hiverina ho any amin’ny sheola ny ratsy fanahy, dia ny mpanompo sampy rehetra izay nanadino an’Andriamanitra! Fa tsy ho mandrakizay no hanadinoana ny malahelo; ary tsy ho very mandrakizay ny fanantenan’ny mahantra. Mitsangàna, Iaveh ô, aoka tsy handresy ny olona! Aoka hotsaraina eo anatrehanao ny mpanompo sampy! Ataovy izay hampahatahotra azy, Iaveh ô: Aoka ho fantatry ny mpanompo sampy fa olona ihany izy!”
13. Araka ny Joba 21:7-14, Iza no nidina any amin’ny Sheola?
13 Ireto tenin’i Joba ireto, izay mikasika ny toerana misy ny ratsy fanahy aorian’ny ahafatesany, dia tsy tenin’olona efa eo ambavahaona ka mirediredy akory: “Nahoana no velona ny ratsy fanahy, ka tratrantitra ary mitombo hery aza? Mandany ny androny amin’ny fahafinaretana izy, ary amin’ny fotoana iray, dia midina any amin’ny sheola. Ary hoy izy ireo amin’Andriamanitra: Mialà aminay, tsy mba mahafaly anay ny mahalala ny làlanao.”— Joba 21:7-14, Da.
14. Araka ny Joba 24:19, 20, ny inona no maka ny mpanota?
14 Raha nilaza ny amin’ny mpanota Joba, dia izao no nanampiny: “Manala ny ranom-panala ny hamainana sy ny hafanana; toy izany koa no anaovan’ny sheola ireo izay nanota. Manadino azy ny kibo nitoerana; manjary hanim-py ho an’ny olitra izy, ka tsy tsarovana intsony: ho tapaka tahaka ny hazo ny ratsy fanahy!”— Joba 24:19, 20, Da.
15, 16. a) Midina any amin’ny Sheola na Hadesy ve ny biby? b) Amin’ny heviny ahoana no hitondrana ny olona, na dia ny lehibe aza, ho any amin’ny Sheola, toy ny andian’ondry, nefa ahoana kosa ny amin’ny marina?
15 Moa midina any amin’ny Sheola na Hadesy koa ve ny biby, toy ny ondry? Tsia, na dia nalevina teo akaikin’ny fatin’olombelona aza ny taolany, ka nasiana sarim-biby ao amin’ny fasan’ireo izay mino ny tsi-fahafatesan’ny fanahin’ny olona sy ny biby. Nefa toy ny amonoana ondry sesehena, dia toy izany koa no namonoana olona tsy tambo isaina isan-karazany, na kely na lehibe, na manan-karena na mahantra ka nampidinana azy ireny any amin’ny fasana iombonan’ny maty izay milevina ao amin’ny vovoky ny tany (Salamo 44:22; Romana 8:36). Araka ny Salamo 49:13-16 (Li), dia izao no nohirain’ireo Levita, zanak’i Kora, momba izany:
16 “Fa ny olona be voninahitra dia tsy maharitra; toy ny biby vonoina izy. Toy izany no lalany, amin’ny maha-adala azy, ary hanaraka azy koa izay mankasitraka ny teniny; entina ho any amin’ny sheola izy, toy ny andiam-biby [ondry voavono, andiam-bibin’ny Fahafatesana], ny fahafatesana no mpiandry azy; ary raha vao maraina [amin’ny andro hanafahana ny marina], dia hanosihosy azy ny marina, ho lo ny voninahiny, ny sheola no fonenany! Fa Andriamanitra kosa hanafaka ny fanahiko amin’ny herin’ny sheola, satria handray ahy Izy.”
17. Ahoana no niheverana ny toro-hevitra nomen’i Ahitofela, nefa niodina tamin’iza izy?
17 Ahitofela, mpanolo-tsain’i Davida dia nanan-daza aoka izany tao an-dapan’ny mpanjaka. “Tamin’izany fotoana izany, ny toro-hevitra nomen’i Ahitofela, dia noheverina toy ny valin-teny avy amin’Andriamanitra mihitsy. Toy izany no niheverana ny toro-hevitra avy amin’i Ahitofela, na teo imason’i Davida, na teo imason’i Absaloma.” (II Samoela 16:23) Nivadika anefa Ahitofela ka nanaraka an’i Absaloma, zanak’i Davida, tamin’ny fiokoan’io, hanohitra ny mpanjaka.
18. a) Ahoana no fomba nahafatesan’i Ahitofela ary taiza izy no nalevina? b) Inonn no famaizana nangatahin’i Davida ho tonga amin’ny olona mamadika?
18 Nataon’Andriamanitra tsy nahomby ny tetika feno hakingana natoron’i Ahitofela an’i Absaloma. Dia nody tany an-tranony Ahitofela, ka nananto-tena. “Ary nalevina tao amin’ny fasan-drainy [NW: ireo rainy] izy.” (II Samoela 17:23). Heverina fa milaza ny amin’i Ahitofela Davida mpanjaka raha niteny ny amin’ny famitahana, ao amin’ny Salamo 55. Izao no nosoratan’i Davida tamin’ny tsindrimandry, momba ny sakaiza mamadika: “Fa hianao, lehilahy mitovy saranga amiko, namako sy sakaizako indrindra, nifankamamy resaka isika, ka niara-nandeha tamin’ny maro ho ao an-tranon’Andriamanitra. Aoka hanampoka azy ny fandringanana, aoka hidina velona any amin’ny sheola izy; faharatsiana no ao afovoany, ao an-tranony; fa izaho kosa hiantso an’Andriamanitra, ary laveh hamonjy ahy.”— Salamo 55:14-17, Li.
19. a) Tandindon’iza moa Davida? b) Ohatra mampiseho an’iza moa Ahitofela, ary nahoana Jodasy no tsy hitsangana?
19 Davida mpanjaka dia ohatra na tandindona ara-paminaniana mampiseho ilay ambony indrindra amin’ny taranany, dia Jesosy Kristy, Mpandova maharitra ny Fanjakana. Arak’izany, dia namadika ilay tandindon’ny Mesia fotsiny Ahitofela, fa tsy namadika ny Mesia na Kristy. Izany no antony nangatahan’i Davida tamin’ny fivavahany, mba hidinan’izay olona hamadika azy, toa an’i Ahitofela, velona any amin’ny sheola, toy izay niseho tamin’i Kora sy Datana ary Abirama tamin’ny andron’i Mosesy. Ahitofela anefa dia tandindon’i Jodasy Iskariota izay nanolotra ilay tena Kristy teo am-pelatanan’ny fahavalony, tamin’ny sekely volafotsy telo-polo. Lehibe kokoa noho ny an’i Ahitofela ary, ny helok’i Jodasy Iskariota; izany no antony niantsoan’i Jesosy an’i Jodasy hoe “zanaky ny fandringananab”, fa tsy hoe zanaky ny Sheola. Nataon’i Jesosy hoe “mpanendrikendrika” na “devoly” koa izy. (Jaona 17:12; 6:70, 71, MN). Noho i Jodasy naringana, dia tsy hisy fitsanganana ho azy intsony.
20. Araka ny Ohabolona 5:5, 6 sy 7:27, nahoana no misy olona maro midina alohan’ny fotoana any antin’ny Sheola na hadesy?
20 Nisy Isiraelita sasany tsy niraharaha ny lalàn’Andriamanitra. Noho izany dia navelan’Andriamanitra hampidinina aloha tany amin’ny Sheola izy ireny. Ny vehivavy janga no iray amin’ny fomba nampiasaina mba hampidinana ny lehilahy sasany alohan’ny fotoana, any amin’ny fasana iarahan’ny maty manana. Ny Ohabolana (5:5, 6, Li) dia manome antsika izao fampiomanana izao, momba ny vehivavy janga: “Ny tongony midina ho any amin’ny fahafatesana, ary ny diany mizotra ho any amin’ny sheola. Tsy fantany ny làlan’aina.” Raha manaraka vehivavy janga ary isika, dia fantatsika izay hiafarantsika, dia any amin’ny fahafatesana, any amin’ny Sheola. Alaviro ary ny tranony na ny faritany misy azy. “Ny tranony dia lalana mankany amin’ny fitoeran’ny maty.” (Ohabolana 7:27, Li). Olona sesehena no nidina alohan’ny fotoana any amin’ny Sheola na Hadesy, noho ny fitondrantena maloto.
21. Araka ny Ohabolana 9:13-18, voantso ho aiza ny adala izay mihaino ny vehivavy Janga?
21 Tsy hampiseho hadalana isika ka hihano ny tenin’ny vehivavy janga izay mitaona antsika hanao fitondrantena maloto. “Amin’izay tsy ampy saina dia hoy izy: Mamy ny rano angalarina, ary fy ny mofo hanina amin’ny fiafenana! Nefa tsy fantany fa ny maty no ao ary any amin’ny halalin’ny sheola ny olona nasainy.” (Ohabolana 9:13-18, Da). Na dia miankina amin’ny tempolin’ny mpanompo sampy aza ilay vehivavy janga, dia tsy hahavonjy izay manaraka fivavahana maloto, amin’ny voka-dratsin’ny fitondrantenany, ilay andriamani-tsi-izy ivavahana ao amin’io tempoly io.
22. Raha ny amin’ny vehivavy janga no jerena, manalavitra ny inona ny “làlan’aina”?
22 Mifanohitra amin’ny làlan’ny vehivavy janga, ny làlan’ny fiainana. “Ny làlan’aina dia any ambony, ho an’ny hendry, mba hanalavirany ny sheola any ambany.” (Ohabolana 15:24, Da). Ny làlana mitondra ho any amin’ny vehivavy janga sy ny fampanaranana ny filan’ny nofo, izany làlana izany dia mitondra ho any amin’ny fanjakan’ireo izay maty aloha.
AHOANA NY AMIN’NY MPANOMPO SAMPY?
23. Rehefa nodinihina ny amin’ny olona toa an’i Joba, ary toa an’i Abrahama sy ny taranany, inona no fanontaniana mipetraka momba ny olombelona hafa?
23 Tamin’ny fandinihantsika ny amin’ny fampianaran’ny Baiboly momba ny fitsanganan’ny maty, dia nianatra ny amin’ny olona nanana fifandraisana tamin’Andriamanitra tamin’ny fanekena na tamin’ny fanarahana ny fivavahana madio isika, hatramin’izao: toy izany ny amin’i Joba, Abrahama sy ny taranany, ny Isiraelita, Jiosy na Hebreo. Fa ahoana kosa ny amin’ireo izay antsoin’ny Jiosy hoe Jentilisa na mpanompo sampy? Mankaiza izy ireny rehefa maty? Ahoana no ambaran’ny Tenin’Andriamanitra voasoratra momba izany? Nanomana fitsanganana ho azy ireny ve Andriamanitra mba hahazoany mivoaka avy ao amin’ny Sheola?
24, 25. a) Ahoana no toetra nasain’i Jehovah nasehon’ny olony, tamin’ny Egyptiana mpanompo sampy? b) Araka ny Ezekiela 31:1-18, ahoana no nambaran’ny mpaminany tamin’ny faraon’i Egypta sy ny vahoakany marobe?
24 Ny Egyptiana mpanompo sampy dia jentilisa. Nandritry ny taona maro, tamin’ ny taon-jato faha-fito ambin’ny folo sy faha-enina ambin’ny folo talohan’izao fanisantsika taona izao, dia nampijaly ny Isiraelita izy ireny. Na izany aza anefa, ny lalàna nomen’Andriamanitra ho an’ny Isiraelita, tamin’ny alàlan’i Mosesy mpaminany, dia milaza toy izao taminy: “Aza atao ho fahavetavetana ny Egyptiana, fa efa mba vahiny tany amin’ny taniny hianao. Ny zafiafin’ireo dia hahazo hiditra ao amin’ny fikambanan’i Jehovah.” (Deoteronomia 23:7, 8, AC). Raha nampitaha ny mpanjakan’i Egypta tamin’ny hazo mahagaga Jehovah Andriamanitra ka niteny tamin’ny alàlan’i Ezekiela, dia nanao izao teny izao “ho an’ny farao, mpanjakan’i Egypta sy ny vahoakany marobe”:
25 Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Tamin’ny andro nidinany ho any amin’ny sheola, dia nampanao fisaonana azy aho, najanoko ny oniny (...) Tamin’ny fiezinezin’ny fianjerany, dia nampihorohoroiko ny firenena, raha nampidiniko ho any amin’ny sheola izy miaraka amin’izay midina any an-davaka; ary dia nifampionona tany amin’ny toerana lalina ambanin’ny tany izy ireo, dia ny hazon’i Edena rehetra, ny tsara indrindra amin’ny an’i Libanona, dia izay mifo-drano rehetra. Ireo koa dia niara-nidina taminy ho any amin’ny sheola, ho any amin’izay matin’ny sabatra mbamin’ireo solofony nipetraka teo ambanin’ ny alokalony, teo afovoan’ny firenena. (...) Toy izany ny farao sy ny vahoakany marobe, teny marin’ny Tompo Iaveh.”— Ezekiela 31:1, 2,15-18, Li.
26-29, Araka ny Ezekela 32:18-31, iza no any amin’ny Sheola, afa-tsy Farao sy ny vahoakany marobe?
26 Tsy ny farao na mpanjakan’i Egypta sy ny vahoakany marobe ihany anefa no Jentilisa na mpanompo sampy nidina any amin’ny Sheola na Hadesy. Jehovah Andriamanitra izay mahita ny Sheola na Hadesy mivoha sy mihanjahanja eo anatrehany, dia mampilaza amintsika fa afa-tsy ny Egyptiana, dia misy Jentilisa maro hafa koa ao amin’io toerana io. Raha nanohy ny faminaniany momba an’i Egypta Jehovah Andriamanitra, dia nanambara tamin’i Ezekiela mpaminaniny hoe:
27 “Ry zanak’olona, mitolokoa noho ny amin’ny vahoakan’i Egypta marobe, ka ampidino any ambanin’ny tany, izy mbamin’ny zazavavy soan’ny firenena, miaraka amin’ireo izay midina any an-davaka.” Noforana ny Egyptiana fahiny, kanefa tamin’alahelo lehibe no nahitany fa hiara-mandry amin’ny Jentilisa tsy voafora, ao amin’ny fahafatesana izy.
28 “Ireo malaza amin’ny lehilahy mahery mbamin’izay nanampy azy, dia hiresaka aminy any afovoan’ny sheola: tafidina ka miampatra, ny tsy voafora, dia ireo lavon’ny sabatra. Ao koa Asyria sy ny fikambanany rehetra (...). Ao koa Elama mbamin’ny vahoakany marobe rehetra manodidina ny fasany: maty izy rehetra, samy lavon’ny sabatra, ka tafidina tsy voafora any ambanin’ny tany, dia ireo nahatonga ny fahatahorana azy tany amin’ny tanin’ ny velona, ary samy mitondra henatra miaraka amin’izay midina any an-davaka. (...)
29 “Ao koa Meseka, Tobala mbamin’ny vahoakany marobe rehetra, manodidina azy ny fasany (...) Ary tsy miara- [NW: Ary moa ve tsy hiara-] miampatra amin’ny lehilahy mahery izay lavo isan’ny tsy voafora izy, dia ireo tafidina [aiza?] any amin’ny sheola miaraka amin’ny fiadiany (...) Ao koa ireo andrianan’ny avaratra sy ny Sidoniana rehetra, izay niara-nidina tamin’ireo voavono (...) Hahita ireny ny farao ka dia hionona izy ny amin’ny vahoakany marobe, ny farao mbamin’ny miaramilany rehetra lavon’ny sabatra, hoy ny Tompo, ny Mandrakizay [Jehovah].”— Ezekiela 32:18-31, Da.
30. a) Ivelan’ireo voantonona ao amin’ny Ezekela, moa ve misy Jentilisa hafa ao amin’ny Sheola, ary aiza no hahitantsika ny valin’izany? b) Zava-mahatalanjona ve ny fandringanana ireo mpanjakan’i Babylone?
30 Ireo misy anaran’ny firenena jentilisa manana maty ao amin’ny Sheola na Hadesy: Egypta, Asyria, Elama, Meseka, Tobala, Edoma, Sidona. Nefa ny maty avy amin’ny firenena jentilisa hafa dia ao koa. Hita amin’ny teny nataon’Isaia mpaminanin’i Jehovah, ho an’ny mpanjakan’i Babylona izany. Naminany ny amin’ny handringanana ireo mpanjakan’i Babylona izay hitana ny Jiosy ho babo mandritry ny fito-polo taona izy. Ho zavatra hahatalanjona tokoa izany, ka hampihorohoro, na dia ny maty any amin’ny fasana iarahan’ny olombelona manana aza, ary dia hifoha amin’ny torimason’ny fahafatesana ireo ka hiresaka ny amin’izany vaovao mampitolagaga izany.
31. Oharina amin’ny inona ny “mpanjakan’i Babylona’’ ao amin’ny Isaia 14?
31 Ampitahain’Isaia mpaminany amin’ny hazo miezinezina tsy sahin’ny mpikapa hazo nohatonina, kanjo nianjera ihany, ny “mpanjakan’i Babylona.” Izao no ambaran’Isaia mpaminany amin’io taranaka mpanjaka babyloniana io:
32, 33. a) Iza no ho taitra amin’ny fahatongavan’io mpanjaka io, ary iza no hiteny aminy? b) Tamin’ny fahafaham-boninahitra manao ahoana no nidinan’ny “mpanjakan’i Babylona” tany amin’ny Sheola?
32 “Taitra ny sheola any ambany mba hitsena anao amin’ny fihavianao; noho hianao, dia mamoha ny aloka, ny filoha rehetra [ara-bakiteny: osy; jereo NW, Da, Dhorme, n.m.] amin’ny tany izy; ampialainy amin’ny seza fiandrianany [miara-milevina aminy] ny mpanjakan’ny firenena rehetra. Izy rehetra samy miteny aminao hoe: ‘Hay hianao koa mba efa osa tahaka anay, efa tonga tahaka anay hianao.’ Efa navarina aty amin’ny sheola ny fiandriananao, mbamin’ny feon’ny valihanao; kankana no ilafihanao ary olitra no mandrakotra anao.
33 “Ahoana no nianjeranao avy tany an- danitra, ry ilay fitarik’andro, zanaky ny Maraina? Ahoana no nanjerana anao amin’ ny tany, ry ilay nandripaka ny firenena rehetra? (...) Nefa midina any amin’ny sheola hianao, dia any am-para-vodi-lavaka. (...) Ny mpanjaka rehetra amin’ny firenena samy miala sasatra amin’ny voninahitra, ary samy ao amin’ny fonenany avy; fa hianao kosa dia nariana lavitra ny fasanao, tahaka ny solofon-kazo ratsy; voatsindrin’ny fatin’ireo voavonon’ny sabatra hianao, tahaka ny faty hitsakitsahina, miaraka amin’izay midina ho any amin’ny fasana vato. Tsy ho tafangona miaraka amin’ireny hianao, satria efa nanimba ny taninao, sady efa namono ny olonao.”— Isaia 14: 4, 9-20, Li.
34, 35. a) Inona no asehon’ny faminanian’Isaia amin-tsika momba ireo izay ao amin’ny Sheola? b) Aiza no hahitantsika fanazavana hafa koa momba izany?
34 Arak’izany dia nidina ho any amin’ny Sheola ny “mpanjaka” na taranak’andrianan’i Babylona, nefa tsy mba tamin’ny fandevenana malaza, toy ny an’ireo mpanjaka na mpitarika hafa tety an-tany. Mariho anefa fa ny faminanian’Isaia, dia milaza fa any amin’ny Sheola na Hadesy, ireo “mpanjakan’ny firenena” sy ny “filohan’ny tany.” Ireny olona ireny no “ny lehibe” izay hitsangana eo anoloan’ny seza fiandrianana fotsin’ny fitsarana rehefa tanteraka ity teny ao amin’ny Fanambarana (20:11-13, MN) ity hoe: “Ary ny fahafatesana sy ny Hadesy [Sheola | namoaka ny maty tao aminy.”
35 Nefa hotohizantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka hivoaka ao amin’ny Tilikambo Fiambenana, ny fandinihantsika io foto-kevitra io.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo II Samoela 22:6, Li, Da; jereo koa ao amin’ireo fandikan-teny ireo ihany, ny lohatenin’ny Salamo 6, 9, 16, 18, 30, 31, 55, 86, 139 sy 141, salamo nataon’i Davida samy mampiasa ny teny hebreo Sheola (Grika Hadesy).
b Mba hahitana filazana hafa momba izany fandringanana izany, dia Jereo II Tesaloniana2:3; I Timoty 6:9; Hebreo 10:39; II Petera 2:1-3; 3:7,10; Fanambarana 17:8, 11.
[Sary, pejy 285]
Nidina any amin’ny Sheola ireo Isiraelita nikomy