Ny herin’ny fahalemem-panahy
NOTEREN’ILAY mpamily kamiao mpandeha lavitra hijanona ilay fiarakodia nifanena taminy. Nanadino ny nanao famantarana ilay mpamily ka somary nahajamba azy izany. Naka vy lavalava àry ilay mpitondra kamiao ary dia nanamontsamontsana ireo jiro roa an’ilay mpitondra fiarakodia nahonena. Avy eo dia nanohy ny diany izy, namela ilay mpandehantsika mahantra teo an-dalana tamin’ny toe-javatra mampalahelo nanjo azy sy ny fiarakodiany tsy azo ampiasaina. Efa nandre fitantarana toy izany ve ianao?
Olona an-tapitrisany maro no mamaly avy hatrany amin-kerisetra izay rehetra tonga manohitra ny fanirian’izy ireo. Mampiasa famelezana am-bava izy ireny na hery tsotra izao. Raha ny marina, ny fahabibian-toetra dia miely toy areti-mifindra. Olona mihamaro hatrany no mihevitra fa tsy ilaina ny fahalemem-panahy satria toa mandaitra lavitra ny mampanaiky an-keriny. Nefa marina ve izany?
Ohatra iray ara-tantara
Io lehilahy io dia niharan’ny fanerena nihoapampana: Vahoaka maro be nitana sabatra sy hazo no tonga nisambotra azy. Rehefa nahita izany ny anankiray tamin’ireo namany akaiky dia nanatsoaka ny sabany ary nanapaka ny sofin’ny iray tamin’ireo fahavalony. Tena sarotra tokoa ny toe-draharaha. Tamin’ny fotoana nahatahotra aoka izany toa an’io, inona no hataon’ilay lehilahy hosamborina?
Ilay lehilahy voalaza dia i Jesosy Kristy. Diniho tsara ny fihetsiny: Nitodika tany amin’ilay nanandrana namonjy azy Jesosy ka nanambara hoe: “Ampidiro amin’ny tranony ny sabatrao; fa izay rehetra mandray sabatra no hovonoina amin’ny sabatra. Ary ataonao va fa tsy mahazo mangataka amin’ny Raiko Aho, dia haniraka anjely tsy omby roa ambin’ny folo legiona ho ety amiko Izy ankehitriny?” (Matio 26:47-53). Tsy nanao zavatra tamim-pahasahiana velively i Jesosy fa ‘nanendry ny sofin’ilay’ naratra izy “ka nahasitrana azy”. — Lioka 22:51.
Mariky ny fahalemena ve ny fahalemem-panahy?
Marina tokoa fa tsy famantarana fahalemena ny fahalemem-panahin’i Jesosy. Lehilahy nahery fo tokoa i Jesosy; afaka niantehitra tamin’ny herin’ny Rainy tany an-danitra rehetra izy ary nahay niandany tamin-kerim-po tamin’izay marina. Tadidinao ve izay nataony teo am-piandohan’ny asa fanompoany? Niditra tao amin’ny tempolin’i Jerosalema izy ary rehefa nahita “ny nivarotra omby sy ondry sy voromailala ary ny mpanakalo vola izay nipetraka teo” izy dia nanao karavasy tamin’ny kofehy ka “nandroaka azy rehetra hiala teo an-kianjan’ny tempoly, na ny ondry na ny omby”. (Jaona 2:14, 15; jereo koa Matio 23:13-36.) Tsy nampiseho fahalemena kely mihitsy ny fihetsiny.
Tamin’ny ohatra nomeny, Jesosy dia nampiseho fa ny fahalemem-panahy dia tsy fahatoniana ivelany, fa taratry ny toetra maha-izy an’Andriamanitra, mahery nefa kosa feno fahalemem-panahy. Miseho ho henjana Jehovah amin’ny hoe tsy mahazaka ny ota izy. Ankahalainy indrindra izany ary aharihariny amim-pahatsorana tanteraka (Ohabolana 6:16-19). Kanefa, noho ny fahalemem-panahiny, Andriamanitra dia nanome ho an’ny olombelona lavo ny fomba hihavanana aminy noho ny sorompanavotana sy ny raharaham-pisoronan’i Jesosy Kristy (Romana 5:10; I Timoty 2:5, 6; Hebreo 4:14-16). Araka izany, ny fahalemem-panahin’i Jehovah dia mitarika an’ireo izay mandray soa avy amin’izany, hanadio tena amin’ny ota rehetra (I Jaona 1:9). Manan-kery àry ny fahalemem-panahy, eny, hatsaram-panahy mahavonjy.
Ahoana no hananana fahalemem-panahy
Noho izy tsy tanteraka, ireo kristiana dia mahatsapa fa tsy miasa amin’ny fitaomana mahery eo aminy ny fahalemem-panahy. Marina tokoa fa satria isika anisan’ny fianakavian’i Adama, dia teraka tao amin’ny ota daholo isika, ary amin’izany dia manana fironana ara-nofo daholo isika, fironana izay nanalavitra antsika fahiny tamin’ny fiainana izay an’Andriamanitra (Efesiana 2:3; 4:17, 18). Noho isika tsy nanam-pinoana sy fanantenana dia nahatsiaro toa fahatsapana fatiantoka sy fananana ahiahy isika. Azo heverina mora foana fa ny toe-tsaina toy izany dia efa tanim-pamafazana ho an’ny fahasiahana (jereo Ohabolana 25:28). Kanefa rehefa tonga tamin’ny fahafantarana ireo lalan’Andriamanitra sy nahazo ny famelana ny helotsika isika dia inona no nitranga? Nihamafy orina hatrany ny finoantsika ary nanao fandrosoana isika tamin’ny fambolena ireo vokatry ny fanahin’Andriamanitra, anisan’izany ny fahalemem-panahy. — Galatiana 5:22, 23.
Araka izany àry, raha tonga tamin’ny fampitomboana io toetra tsara dia tsara io isika dia tsy hoe satria nanana finiavana isika. Azo kosa aza ny fahalemem-panahy rehefa manatona an’Andriamanitra mba hanovo hery ao aminy. Ny faniriantsika amim-pahatsorana ny hanahaka an’i Jesosy dia manampy antsika ihany koa hanao zavatra amim-pahalemem-panahy.
Araka izay voalazan’ny I Petera 3:3, 4, n y fahalemem-panahy dia mifamatotra amin’ny “toetra miafina ao am-po”. Toetra anaty àry izy io, kanefa tsy hoe ananana hatry ny fony kely izy akory. Tsy maintsy azo toy ireo vokatry ny fanahy hafa koa izy io, amin’ny alalan’ny fahalalana marina sy ny fampiharana ny Tenin’Andriamanitra. Anisan’ny “toetra vaovao” araka ny endrik’i Jehovah Andriamanitra ny fahalemem-panahy (Kolosiana 3:10). Nefa azo tsy misy fahasahiranana ve io fahalemem-panahy io?
Tonga tamin’izany ny hafa
“Tsia, tsy mora izany, hoy ny navalin’ny lehilahy ranjanana sy matanjaka iray. Mpanao ady totohondry no anton-draharahako. Nefa ivelan’ny kianja, toa an-tanànako dia nantsoina hoe ‘ny horohoron’ny faritany’ aho. Nanome ahy fiheveran-tena ho ambony ny heriko, hany ka nankafy ireo ady teny amin’ny arabe aho. Ankoatr’izany, any an-trano dia tsy mahafehy tena velively aho. Tadidiko fa indray andro raha nanao izay nampahatezitra ahy ny vadiko dia novakiko ny varavaran’ny efitrano ambany tany ary nopotehiko tamin’ny daka indroa ny vata fampangatsiahana. Indraindray aho dia nahatsiaro ho menatra, indrindra rehefa nitsitra noho ny hamamoana tao amin’ny zaridainako, teo afovoan’ny loako. Tamin’ireny fotoana ireny dia nivavaka tamin’Andriamanitra aho mba hanampiany ahy. Taty aoriana dia nifandray bebe kokoa tamin’ireo Vavolombelon’i Jehovah aho. Valo taona lasa izay no nisotroako ny labierako iray vera farany.
“Nanahirana ahy mafy ny nifehy ny toe-tsaiko nahery setra. Nefa ankehitriny, rehefa mitory isan-trano aho dia afaka manao fanaporofoan-kevitra amin’ny olona nefa tsy misafoaka. Ny fitiavana izay hitako nanjaka teo amin’ireo rahalahiko ara-panahy dia nanampy ahy hamboly toe-tsaina feno fahalemem-panahy, na dia tsy maintsy miady foana amin’ny fironako tranainy aza aho. Amin’ny maha-loholona ahy, dia afaka mahatakatra an’ireo izay tsy maintsy manao ady toy izany aho, nefa fantatro fa azo atao ny mahazo ny fandresena.”
Aoka koa hotononintsika ny niseho tamin’ity vehivavy tany Amboine (anankiray amin’ireo nosy Moluques) izay nanana toetra foizina aoka izany, ka nanana antsy foana tao anaty akanjony. Nandritra ny fotoana nipoahan’ny fahatezerany dia nandratra olona maro izy. Nefa nanazava ny fiainany ny fahamarinan’ny Baiboly. Manao ahoana ny fihetseham-pony ankehitriny rehefa Vavolombelon’i Jehovah hatramin’ny roapolo taona izy? “Tsapako, hoy ny nambarany, fa tsy afaka nivavaka tamin’i Jehovah tamin’izany toetra izany aho. Izany no nahatonga ahy hiova, noho ny fanampiana nomeny ahy. Kanefa tsy maintsy nanao ady anaty foana aho hitanako ny fahatoniako.”
Tamin’ireo ohatra ireo, dia azontsika tsoahina ity lesona manaraka ity: Na iza na iza ta-hamboly fahalemem-panahy dia tsy maintsy mandositra ireo asa sy hevitra ratsy izay fahita mahazatra eo amin’izao tontolo izao manodidina antsika. Izany indrindra no nolazain’i Paoly tamin’ireo kristiana tao Roma tamin’ireto teny ireto: “Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina. Fa noho ny fahasoavana nomena ahy dia izao no lazaiko amin’ny olona rehetra izay eo aminareo: Aza miavonavon-kevitra ka mihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina.” (Romana 12:2, 3). Raha tsy mihevitra ny tenantsika ho zavatra isika, fa mihevitra ny hafa ho ambony noho isika, dia ho mora kokoa amintsika ny mitondra azy ireny amim-pahalemem-panahy.
Aiza no misy ny heriny?
Amin’ny fifandraisan’olombelona, ny fahalemem-panahy dia manan-kery lavitra noho ny fahasiahana. Eo anoloan’ny tarehin-javatra sarotra na manoloana olona misafoaka, taitra na ory mafy, ny fahalemem-panahy dia handaitra satria manana fahafahana kokoa hampiteraka fihetsika hamoa lalana ho an’ny fanafodin’ny zava-manahirana. Manambara tokoa ny Baiboly hoe: “Ny famaliana mora dia mampianina fahatezerana mafy.” Eny, “ny vava malefaka mahatapa-taolana.” Ohabolana 15:1; 25:15.
Manan-kery lehibe ny fahalemem-panahy. Raha ny tena izy, dia miankina aminy ny famerenana indray ny fifandraisana milamina. Vokatry ny tsy fisiany kosa, mifanohitra amin’izany, ny ratra, ny fisaratsarahana ary ny fahavoazana tsy azo onerana. Aoka hojerentsika izao ny maha-marina izany amin’ny lafiny isan-karazany amin’ny fifandraisan’olombelona, ary inona ireo vokatra tsaran’io toetra io.
Ao amin’ny fianakaviana
Andriamanitra dia namorona ny fianakaviana mba hanjakan’ny rivo-piainana mafana, voamariky ny fitiavana sy fifankahazoana. Indrisy anefa! Voatery miaiky isika ankehitriny fa ny fihenjanana sy ny tsy fananana fifehezan-tena no mampidi-doza fianakaviana maro. Raha izany no izy, dia tsy isalasalana fa amin’ny ampahany, dia satria mifankahalala tsara ireo mpikambana ao anatin’ny fianakaviana iray. Kanefa noho ny tsy fahatanterahana raikitra amin’ny olombelona, dia mety diso daholo ny rehetra. Mety hampitomboina anefa ny fahadisoana na mifanohitra amin’izany, ho voasaron’ny fitiavana.
Alao sary an-tsaina ity tarehin-javatra manaraka ity: Jean, lehilahy marisika dia nody avy niasa rehefa nifarana ny andro iray namizana indrindra. Manantena ny horaisin’ny vadiny amim-pifaliana izy. Kanefa tsy izany no izy! Nanao izao fanamarihana izao kosa taminy ny vadiny: “Niantso anao an-telefaonina indrindra aho mba hiangavy anao hividy zavatra any an-tsenakely rehefa mody. Nahoana ianao no tsy nanao izany?” Hanao ahoana ny ho fihetsik’i Jean? Marina aloha fa fantany fa araka ny fihevitr’Andriamanitra dia tokony haneho fahalemem-panahy izy, nefa amin’ireny fotoana ireny dia mety ho tena sarotra ny mamaly amim-pahamoram-panahy. Soa ihany tamin’io hariva io fa nisakambina ny vadiny izy ary nilaza taminy hoe: “Hadinoko, ry malala; malahelo aho noho izany. Hiverina any amin’ny magazay izao ankehitriny izao aho ary ho tafaverina rehefa afaka minitra vitsivitsy.” Nahazo takariva nahafinaritra izy.
Mihatra ihany koa amin’ny fifandraisan’ny ray aman-dreny sy zanaka io fitsipika io. Noho ny fahalemem-panahy dia ho azo atonina ireo ray aman-dreny. Tadidio Jesosy: tia manatona azy ny ankizy (Matio 19:14, 15). Noho ny antony inona? Satria, araka izay nolazain’ny tenany ihany dia “malemy fanahy sady tsy miavona am-po” izy. (Matio 11:29.) Ianareo izay manan-janaka, malemy fanahy tahaka an’i Jesosy ve ianareo?
Ahoana ny amin’ireo fianakaviana izay tsy kristiana ny lehilahy kanefa mpianatr’i Jesosy Kristy kosa ny vadiny? Tokony hahay hijery ny lafin-javatra tsara hatrany ilay vehivavy mpino, satria arakaraka ny fandehan’ny fotoana dia mety ho voatarika ho amin’ny fahamarinana ny vadiny. Mariho anefa, mifandray amin’io, ny anjara asa fototry ny fahalemem-panahy. Nanoratra ny apostoly Petera hoe: “Maneke ny vadinareo, mba ho voataonan’ny fitondrantenan’ny vavy izy, na dia tsy amin’ny teny aza (...). Ary aoka ny firavahanareo (...) ho toetra miafina ao am-po, izay tsy mety ‘ho lo, dia ny fanahy malemy sady miadana [saina tony sy malefaka, MN], izay soa indrindra eo imason’Andriamanitra.” — I Petera 3:1-4.
Ao amin’ny kongregasiona
Azo ampitahaina amin’ny fianakaviambe anankiray ny kongregasiona kristiana (jereo I Timoty 3:15). Rehefa mandresy tokoa ny firaisan-tsaina ao amin’ny fianakaviana, ny fanahy malefaka dia tsy hampitombo ireo fahadisoana fa hanarona izany amim-pitiavana, ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona dia hanao izay azony atao mba ho tsara fanahy amin’izy samy izy. Hanampy amin’ny filaminana sy ny firaisan-tsaina io fihetsika io. Ireo izay manana anjara asa amin’ny maha-mpiandraikitra ara-panahy dia tokony haneho indrindra toe-tsaina tia fianakaviana voamariky ny fahalemem-panahy sy ny fitiavana rehefa mifampiraharaha amin’ireo mpikambana hafa ao amin’ny kongregasiona. Marina tokoa fa nanoratra ny apostoly Paoly hoe: “Aza mamely mafy loatra ny anti-panahy, fa anaro toy ny ray izy, ny tanora fanahy toy ny rahalahy, ny vehivavy anti-panahy toy ny reny, ny tanora fanahy toy ny anabavy, amin’ny fahadiovana rehetra.”—I Timoty 5:1, 2.
Io torohevitra tsara dia tsara io dia manipika fa ireo mpiandraikitra dia tokony haneho fahalemem-panahy mitovy amin’ny an’i Kristy. Raha misy mpikambana anankiray ao amin’ny kongregasiona nanao fahadisoana nefa tsy nahatsapa izany, dia tsy hety ny hananarana azy mafy. Nahoana? Satria ny halozana toy izany dia toa hampalahelo azy, eny hampahatezitra azy tsotra izao aza. Ambonin’izany, dia mampahakivy ny fahasiahana. Noho izany, ireo mpiandraikitra dia tokony haneho fitandremana ity torohevitra ara-tsindrimandry ity: “Ry rahalahy, raha misy olona azon’ny ota tsy nahy aza, dia atsanganonareo izay manana ny Fanahy amin’ny fahamorana izy, ka mihevera ny tenanao; fandrao hianao koa mba halaim-panahy ihany.” — Galatiana 6:1.
Rehefa ny fahalemem-panahy no mitarika ny asa ataontsika dia manahaka ny fomba fitondran’ny tenan’Andriamanitra antsika isika. Nanoro hevitra an’i Titosy, mpiandraikitra kristiana, i Paoly, mba haneho “ny halemem-panahy rehetra amin’ny olona rehetra”. Noho ny antony inona? “Fa isika koa dia adala fahiny, tsy nanaiky, voafitaka, dia andevon’ny filana sy ny fahafinaretana maro, ary velona teo amin’ny lolompo sy ny fialonana, sady hala no nifankahala”. — Titosy 3:2-7.
Nandidy an’ireo mpianany Jesosy mba “hazava eo imason’ny olona”. (Matio 5:16.) Amin’ny fitsipika ankapobeny, inona no manintona ny olona? Ny fahasiahana sa ny hatsaram-po sy fahalemem-panahy? Raha ianao manokana, inona no tianao kokoa? Manaiky marina tokoa ireto tenin’i Jesosy ireto isika: “Koa amin’izany na inona na inona tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany.” (Matio 7:12). Moa ve tsy famporisihana mba halemy fanahy io?
Eo amin’ny manodidina
Mety hiharan’ny fanoheran’ireo manodidina isika angamba rehefa mitsidika azy ireny mba hizara aminy ny vaovao tsara. Tena ilaina tokoa ny fahalemem-panahy amin’ny toe-javatra toy izany, toy ny maha-izany azy ho an’ireo mpiandraikitra eo anivon’ny kongregasiona (jereo II Timoty 2:23-26). Mety hanosika an’ireo izay nanohitra taloha aza ny fahalemem-panahy ka handraisany tsara ny hafatry ny Fanjakana.
Manerana ny tany manontolo, dia olona ana hetsiny maro no maneho fandraisana tsara ny vaovao tsara. Nitambatra tamin’ireo kristiana voahosotra izy ireny ary ankehitriny dia anisan’ny fianakaviana maneran-tanin’ireo rahalahy izay anjakan’ny fitiavana. Noho izany, ny “olona betsaka (...) avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny” dia manao ny famonjena azy ho avy amin’i Jehovah sy ny Zanak’ondry, dia Jesosy Kristy, ankehitriny (Apokalypsy 7:9, 10; 14:1). Ireny kristiana nanolo-tena ho an’Andriamanitra ireny dia porofo velon’ny hatsarana mahavonjin’ny fahalemem-panahy ananan’i Jehovah. Atosiky ny fankasitrahany izy ireny ka miezaka ny manahaka ny halemem-panahiny ary valian-tsoa noho izany. Enga anie ianao koa mba ho anisan’ireo malemy fanahy handray soa amin’ny fitahian’Andriamanitra! — Jereo Matio 5:5.
[Sary, pejy 10]
“Hadinoko, ry malala; malahelo aho noho izany.”