FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 15/3 p. 16-21
  • Tena fotoana tokony handosirana izao!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tena fotoana tokony handosirana izao!
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fifanitsiana manaitra
  • Miditra hiasa ireo “tandroka”
  • Rahonana ny ‘fitoerana masin’ny’ fivavahana lazaina fa kristiana
  • ‘Mandositra ho any an-tendrombohitra’
  • Mandosira dieny mbola misy fotoana!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • “Aoka ny Mpamaky Hampiasa Fahaiza-manavaka”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • “Zavatra maloto” tsy hitondra fiadanana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Mandosira ho Amin’ny Toeram-pialofana Alohan’ny “Fahoriana Lehibe”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 15/3 p. 16-21

Tena fotoana tokony handosirana izao!

1. a) Inona no nitranga tamin’ny “fitoerana masina” teto an-tany tao anatin’ny Ady Lehibe Faharoa? b) Mametraka fanontaniana hoe ahoana izany?

ARAKA ny efa nomarihintsika, ny tena “fitoerana masina” dia ao anatin’ny faritr’ilay “Jerosalema any an-danitra”, dia ny Fanjakana mesianik’Andriamanitra. Tao anatin’ny Ady Lehibe Faharoa, ny “olo-masina” izay nanompo niaraka tamin’ny “olona betsaka” namany tao amin’ny “fitoerana masina” teto an-tany,dia nohitsakitsahina, indrindra fa tao amin’ireo tanin’ny Herim-panjakana roa sosona, anglisy amerikana (Daniela 7:27; 8:10-12; Apokalypsy 7:9, 15). Moa ve hotsoahintsika avy amin’izany fa i Grande-Bretagne sy Etazonia no “fahavetavetan’ny fandravana”? Tsia, satria nanana endriny hafa ny “fahadisoana” nataon’io herim-panjakana roa sosona io. Inona izany?

2, 3. a) Ahoana no namoronana ny fanjakan’Andriamanitra sandoka? b) Ahoana no ilazalazana izany ao amin’ny Apokalypsy? d) Amin’izao androntsika izao, inona moa ny “fahavetavetana” resahina ao amin’ny Daniela 11:31 sy ao amin’ny Matio 24:15?

2 Niasa ho an’ny fikasan’i Satana tamin’ny fomba hafa koa ny .Herim-panjakana anglisy amerikana roa sosona. Niteraka fanjakan’Andriamanitra sandoka izy io. Sahala amin’ny faminanian’i Daniela, ny bokin’ny Apokalypsy ao amin’ny Baiboly dia miresaka koa ny amin’ny “bibi-dia” sy ny ‘tandrony’ mba hampisehoana ara-panoharana ireo fanjakana ara-politika eo amin’izao tontolo izao. Araka izany, ny toko faha-13 ao amin’ny Apokalypsy dia milazalaza ny amin’ny Herim-panjakana Fahafito araka ny tantaran’ny Baiboly, izany hoe Grande-Bretagne sy Etazonia, ho toy ny bibi-dia manan-tandroka roa izay manome aina ho an’ny “sary” iray, dia sarin’ireo fanapahan’olombelona amin’ny fitambarany oharina amin’ny biby. Io “sarin’ny bibi-dia” io koa dia bibi-dia iray misy lafiny maro. ‘bibi-dia mivolon-jaky, manan-doha fito sy tandroka folo’. (Apokalypsy 17:3.) Niseho tamin’ny endriky ny Fikambanam-pirenena izy aloha tamin’ny 1920, avy eo dia niverina ho amin’ny fahavelomana indray tamin’ny 1945 tamin’ny anarana hoe Fandaminan’ny Firenena mikambana, ka ny nanohana azy indrindra dia Etazonia sy Grande-Bretagne ary ny Firaisana sovietika (Apokalypsy 13:11, 15; 17:8). Izany dia nahatanteraka koa ny Daniela 11:31, izay amakiantsika toy izao: “Hampiditra ny fahavetavetana mahatonga fandravana (izy)a.”

3 Izany, amin’izao androntsika izao, no “fahavetavetana” noresahin’i Jesosy ao amin’ny Matio 24:15. Fa ahoana no nahatonga azy ‘hitsangana ao amin’izay fitoerana masina’? Mampiseho inona ny zava-misy?

4. a) Nahoana moa no azo atao ny miresaka ny Fikambanam-pirenena ho “fahavetavetana”? b) Inona moa no fanambarana ratsy nataon’ireo filoha ara-pivavahana ny amin’ny O.N.U.?

4 Rehefa nanipy hevitra ny amin’ny hamoronana ny fikambanam-pirenena i Grande-Bretagne sy Etazonia tamin’ny 1918, dia nitondra fanohanana tamin’ny fony rehetra ireo Fiangonana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Tany Amerika, ny Filan-kevitra federalin’ireo Fiangonan’i Kristy dia nidera an’io fandaminana io tamin’ny fiantsoana azy hoe “ny endrika ara-politikan’ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany”. Fitenenan-dratsy re izany! Tonga hatramin’ny filazana fa ny fiaraha-miokom-panjakana ara-politika anisan’izao tontolo izaon’i Satana dia nety ho ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany! Tena zavatra naharikoriko tokoa izany, fahavetavetana teo imason’i Jehovah, ary koa ho an’ireo izay tena nitsangana tokoa tao amin’ny “fitoerana masina” tamin’ny naha-ambasadaoron’ilay “Jerosalema any an-danitra” niasa tamin’izay, teto an-tany. Fa inona taty aoriana no nambaran’ny klerjy ny amin’ny Fandaminan’ny Firenena mikambana, izay nandimby ny Fikambanam-pirenena? Izy io dia noresahiny ho ny ‘hany fanantenana fitohizan’ny fahavelomana’ ho an’ny olombelona, ho toy ny “fara fanantenana fifanarahana sy fandriampahalemana” ary ho toy ny “toeram-piadanana sy rariny ambony indrindra”. Toy ny nataony tamin’ny Fikambanam-pirenena, ny Firenena mikambana dia nataony tao amin’ny “fitoerana masina” tamin’ny fanizingizinana fa izy io dia hitondra izay, raha ny marina, dia ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no mahay manatanteraka azy.

5. Nahoana no azo atao ny milaza fa tsy anisan’ny “fitoerana masina” ny O.N.U.?

5 Ny klerjy ao anatin’ny fivavahana lazaina fa kristiana dia nifidy ny hametraka ny O.N.U. ao amin’ny “fitoerana masina” izay, raha ny rariny, dia an’i “Jerosalema any an-danitra”, dia ny Fanjakan’Andriamanitra, sy an’ireo “olo-masina” mampiseho azy eto an-tany. Tsy misy na inona na inona “masina” amin’ny O.N.U.. Marina fa ao amin’ny foibeny dia misy trano fiangonana kely natao hivavahana sy lakolosy bodika, ary voasoratra eo amin’ny rindrina iray amin’ny kianja izao teny nalaina tao amin’ny Isaia 2:4 izao: “Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny, ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony.” Izany rehetra izany anefa tsy mahatonga ny O.N.U. ho “masina”. Eo am-pifandirana foana ireo mpikambana ao aminy, ary maro be aminy izao no manohitra ny fivavahana sy manohitra an’Andriamanitra. Hitantsika anefa ny ‘fahavetavetana mitsangana eo amin’izay fitoerana masina’, amin’ny heviny hafa koa.

Fifanitsiana manaitra

6. a) Iza moa ireo antokon’olona roa tsy nitovy tanteraka izay nonina tany Jerosalema tamin’ny taonjato voalohany? b) Ahoana moa no nampisehoan’ireo filoha ara-pivavahana jiosy fa sahala amin’ireo razambeny izy ireo?

6 Mandra-pandrava an’ilay Jerosalema fahiny, ny Jiosy dia nihevitra azy ho toy ny tanàna masina, toerana masina. Tany amin’ny 56 amin’ny fanisan-taona iraisana, ny tenan’ny apostoly Paoly dia niakatra tao amin’ny tempolin’i Jerosalema ka tao, niaraka tamin’ny kristiana efatra hafa izay efa nivoady, dia nanadio tena araka ny fombafomba izy (Asa. 21:23-26). Tao izy dia notafihin’ny vahoaka Jiosy karazan’ireo izay nanenjika ny kristiana tamin’ny fiampangana azy ireny ho ‘nameno an’i Jerosalema tamin’ny fampianarany’. (Asa. 5:28.) Nifikitra tamin’ny lovantsofiny sy ny fanompoam-pivavahany tsy araka ny marina ireny Jiosy ireny, ka tamin’izany izy ireo dia tena sahala amin’ireo razambeny tamin’ny andron’i Jeremia. Natoky “teny lainga hoe: Tempolin’i Jehovah, tempolin’i Jehovah, , dia nanadio tena araka ny fombafomba izy (Asa. 21:23-26). Tao izy dia notafihin’ny vahoaka Jiosy karazan’ireo izay nanenjika ny kristiana tamin’ny fiampangana azy ireny ho ‘nameno an’i Jerosalema tamin’ny fampianarany’. (Asa. 5:28.) Nifikitra tamin’ny lovantsofiny sy ny fanompoam-pivavahany tsy araka ny marina ireny Jiosy ireny, ka tamin’izany izy ireo dia tena sahala amin’ireo razambeny tamin’ny andron’i Jeremia. Natoky “teny lainga hoe: Tempolin’i Jehovah, tempolin’i Jehovah, tempolin’i Jehovah ity.” (Jeremia 7:4). Diso toerana anefa ny fitokisan’izy ireo.

7. a) Nahoana moa no azo atao ny mampitaha ny fivavahana lazaina fa kristiana amin’i Jerosalema nivadika? b) Inona moa no heverina fa “fitoerana masina” an’ny fivavahana lazaina fa kristiana?

7 Misy tarehin-javatra sahala amin’izany amin’izao andro izao, satria azo atao ny manorina fampitahana manaitra an’i Jerosalema nivadika sy ny tempoliny fahizay, amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Mariho fa ny fivavahana lazaina fa kristiana dia mihambo koa ho manana “fitoerana masina”: izay lazainy fa zony ara-pivavahana sy ny sahan’asany. Tao anatin’ny taonjato maro izy dia tena namorona tokoa, saha ho an’ny tenany izay ifikirany mafy ka ao izy no manapaka eo amin’ny vahoaka. Lazainy fa zony eo amin’ny lafiny ara-panahy izany. Tokony hampidirina ao anatin’ny sahany koa ny katedraly mirenty, ny alitara feno ravaka, ny varavaram-pitara-piangonana sarobidy tsy hay tombanana, ny fananana sy vola be any amin’ny banky. Izany rehetra izany dia anisan’izay lazainy fa “fitoerana masina”. Masina eo imasony izany ary tsy misy olona tokony hiditra ao mihitsy. Izany no heveriny, fara faharatsiny!

8. a) Inona moa no fifandraisana misy amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana sy “Babylona Lehibe”? b) Amin’ny ahoana moa ny fivavahana lazaina fa kristiana no sahala amin’ilay Jerosalema nivadika?

8 Inona anefa, araka ny faminaniana, no nitranga tamin’ilay Jerosalema fahiny sy ny ‘fitoerany masina’, tamin’ny 607 talohan’ny fanisan-taona iraisana, avy eo dia tamin’ny 70 amin’ny fanisan-taona iraisana? Ary mampiharihary inona amintsika ny Tompo Jesosy ao amin’ny Apokalypsy nampitainy tamin’ny apostoly Jaona? Ao amin’ny toko fahafito ambin’ny folo amin’io boky ao amin’ny Baiboly io no amakiantsika fa ny fanamelohan’Andriamanitra dia tsy maintsy hihatra amin’i “Babylona Lehibe, renin’ny mpijangajanga sy ny zava-betaveta amin’ny tany”. (Apokalypsy 17:5.) “Babylona Lehibe” dia tsy inona fa ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso izay ireo Fiangonana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana no mahaforona ny tapany lehibe indrindra. Ny fivavahana lazaina fa kristiana izay mihambo ho ao anatin’ny fanekena nifanaovana tamin’Andriamanitra no “Jerosalema” nivadika amin’izao androntsika izao.

9. Amin’ny fahatanterahan’ny faminaniana amin’ny andro ankehitriny, nanao ahoana ny fihetsik’ilay “renin’ny mpijangajanga” teo anoloan’ny “bibi-dia”?

9 Tao anatin’ireo taonjato lasa dia tsy hoe tsy nahomby akory ny fivavahan-diso, “renin’ny mpijangajanga”, raha ny amin’ny fitarihana ny raharahan’ireo firenena sy empira samy oharina amin’ny bibi-dia. Lazain’ny Apokalypsy 17:9 amintsika fa nipetraka teo amin’ny tendrombohitra izy, izany hoe teo amin’ireo fitondram-panjakana, ary ny andininy faha-15 dia milazalaza azy ho mipetraka eo amin’ny “rano” izay mampiseho “olona sy vahoaka betsaka sy firenena maro ary samy hafa fiteny”. Rehefa niseho tamin’ny endriky ny Fikambanam-pirenena ny “bibi-dia mivolon-jaky” tamin’ny 1920, avy eo dia nipoitra indray tamin’ny 1945 tamin’ny Fandaminan’ny Firenena mikambana, dia namoro-tsain-dratsy “Babylona Lehibe” mba hitaingenana an’io fandaminana iraisam-pirenena io ho tombontsoan’ny tenany. Tsy mampaninona azy na dia eo amin’ny toerana tsy tokony hisy azy aza io “fahavetavetana” karazana ara-politika io, na niditra tao amin’ny “toerana masina” izay raha ny rariny dia an’i “Jerosalema any an-danitra”, dia ny Fanjakan’Andriamanitra entin’ny Mesia.

Miditra hiasa ireo “tandroka”

10. Fanamelohana inona no hampiharina tsy hoe ela eo amin’ny fivavahan-diso?

10 Nefa rehefa hilaza ireo firenena hoe: “Miadana sy mandry fahizay”, dia hanjary hahery vaika tampoka ny ‘tandrok’io’ bibi-dia” mahatahotra io. Tsy ho tanany intsony ny fankahalany hatramin’ny ela be ny “vehivavy janga”, fa hazerany izy io izay nitaingina tsara an’ilay “bibi-dia”. Hanimba an’ilay “vehivavy janga” ireny “tandroka” ara-tafika sy mirehitra mafy ireny mbamin’ny “bibi-dia”; “hampitanjaka azy sy hihinana ny nofony ary handevona ny tenany amin’ny “afo” izy. (Apokalypsy 17:16.) Ho rava tanteraka ny fivavahan-diso, anisan’izany ny fivavahana lazaina fa kristiana izay mihambo ho manana eto an-tany “fitoerana masina” eo imason’Andriamanitra. Ny fandravana ny fivavahana lazaina fa kristiana àry dia ho feno sahala amin’ny an’ny tempoly tany Jerosalema teto an-tany izay ny aminy no nanambaran’i Jesosy toy izao: “Tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana.” — I Tesaloniana 5:3; Marka 13:2.

11. a) Raha ny amin’ny tena “fitoerana masina”, inona moa no nitranga tamin’ny 1914? b) Tokony hitaraina noho ny karazam-pitsofohana inona ao amin’ny heveriny ho “fitoerana masina” moa ny fivavahana lazaina fa kristiana?

11 Moa ve ny fivavahan-diso, anisan’izany ny fivavahana lazaina fa kristiana ampitahaina amin’ny vehivavy janga, matahotra izay madiva hitranga aminy? Tokony ho toy izany izy raha mahay milaza ny hevitry ny zava-miseho maneran-tany amin’izao androntsika izao. Ho raiki-tahotra tsotra izao izy raha mihainoa ireo fahamarinana ara-paminaniana ao amin’ny Baiboly. Raha ny marina dia fotoana fohy taorian’ny nahaterahan’ilay “Jerosalema any an-danitra” izay tena tompon’ny “fitoerana masina” tokoa, tamin’ny 1914, no nanomboka nanan-java-manahirana nifandray tamin’izay lazaina fa ‘fitoerany masina’, sahan’asany, ny fivavahan lazaina fa kristiana. Tamin’ny 1917, dia nitranga ny revaolisiona marksista tany Rosia. Hatramin’izay, dia nisy fanjakana sosialista sy tsy mino an’Andriamanitra nandray ny fahefana teo amin’ny tapany lehibe amin’ny tany. Mbola nandroso ihany izy ireo ary niseho ho tia ady kokoa nanomboka tamin’ny Ady Lehibe Faharoa, ka nanambara tamin’ny feo avo dia avo fa “opioman’ny vahoaka” ny fivavahana. Tetsy andaniny koa, ny fivavahana lazaina fa kristiana dia mitaraina noho ny fitsofohan’ny kaominisma ao amin’izay lazainy fa ‘fitoerany masina’ sy noho ny famoizana “vahoaka” maro.

Rahonana ny ‘fitoerana masin’ny’ fivavahana lazaina fa kristiana

12, 13. Vaovao inona avy moa no manamarina ny fandrahonana mitambesatra amin’ny “fitoerana masina” an’ny fivavahana lazaina fa kristiana?

12 Izao fitantarana manaraka izao, nivoaka tao amin’ny Star any Hong-kong tamin’ny faran’ny 1981 dia mahatonga hahazo an-tsaina izay nitranga tany amin’ireo tany kaominista; izao no vakintsika: “Araka ny filazan’ny mpifampiraharaha tandrefana, ny mpialokaloka sy ny mpitondra fivavahana hafa firenena, ny fitondram-panjakana kaominista any Vietnama dia niantso ho miaramila tao amin’ny tafika, moanina bodista, nampiditra an-tranomaizina mpitondra fivavahana kristiana an-jatony maro ary nanakatona seminera sy eglizy. Ny zava-kendrena, hoy ny filazana, dia ny hametraka ny fivavahana rehetra eo ambany fahefan’ny fitondram-panjakana irery ihany. Lazain’ireo mpialokaloka fa any Vietnama Atsimo, ny Eglizy katolika indrindra dia tojo fahasahiranana, satria ny fikorontanana nitranga tany Pologne katolika dia adikan’ireo manam-pahefana ho porofon’ny ‘fironana hanohitra ny revaolisiona’ eo amin’ny Eglizy.”

13 Nitondra izao lohateny izao ny Journal and Constitution any Atlanta (Etazonia) tamin’ny 2 janoary 1982: “Zava-niseho lehibe maro dia maro tamin’ny [1981] no mifamatotra amin’ny fivavahana.” Rehefa avy eo io gazety io dia nitanisa ny fanandramana namono an’i Jean-Paul II, ny famonoana an’i Sadate, prezidà egyptiana nataon’ny mpitolona miozilimanana, ny vonoana olona sy fandripahana olona maro be tany Iran, ny ady nahafaty nampifanohitra ny Isiraely sy ny miaramilan’ny fifampiandaniana arabo, ny fipoahan’ny baomba, ny famonoana olona sy ny fitokonana tsy hihinan-kanina any Irlanda Avaratra. Tena mitsabaka amin’ireo fikorontanana iraisam-pirenena tokoa ny fivavahana. Izany vaovao rehetra izany anefa dia hanjary tena ho tsinontsinona tsy ho ela rehefa hiditra hiasa ny ‘tandroka folo sy ny bibi-dia’ mba handrava tanteraka ny fivavahan-diso, anisan’izany ny fivavahana lazaina fa kristiana sy izay heverina fa ‘fitoerany masina’.

14. Horahonan’ny inona koa moa ireo izay ao amin’ny tena “fitoerana masina”?

14 Fa inona no hitranga amin’ireo izay manompo an’Andriamanitra ao amin’ny tena “fitoerana masina”, dia ireo izay manompo amin’ny “fanompoana masina” maneran-tany mba hanohanana an’i “Jerosalema any an-danitra”? Izy ireny koa dia hotafihin’ny “tandroka” ara-tafika izay efa anisan’ny O.N.U. amin’izao fotoana izao. Araka ny Apokalypsy 17:14, io fiaraha-mioko ara-politika io dia hanome porofo fa tsy manana zo izy hitsangana ao amin’ny “fitoerana masina” rehefa “hiady amin’ny Zanak’ondry”.

15. a) Iza no handray anjara lehibe amin’ny fanafihana ny “olo-masina”? b) Ahoana no ‘hahatongavany ao amin’ny hiafarany’?

15 Daniela 11:40-45 dia mampiseho fa ny “mpanjakan’ny avaratra”, “mpanjaka” kaominista, dia handray anjara lehibe amin’io ady ho fanoherana ny “olo-masina’ io, Nefa “ho tonga ao amin’ny hiafarany ihany izy, ka tsy hisy hamonjy azy”b. Ny “tandroka” mpanindrahindra firenena rehetra mbamin’ny “bibi-dia mivolon-jaky” koa aza haringan’i Jesosy Kristy sy ny anjely miaramilany. “Ny Zanak’ondry haharesy azy, satria Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka Izy.” Izany dia ho Hara-Magedona, izay hahitana fa ilay mpanjaka efa nandray fiandrianana ao amin’i “Jerosalema any an-danitra” dia hahazo fandresena farany eo amin’ny firenena rehetra izay nanome “ny heriny sy ny fahefany ho an’ilay bibi-dia”.—Apokalypsy 17:12-14; 16:16.

‘Mandositra ho any an-tendrombohitra’

16. Amin’ny fomba ahoana ary aiza moa ny olon’Andriamanitra no mahita fiarovana?

16 Ahoana amin’izay no hahitan’ny olon’Andriamanitra fiarovana? Amin’ny ‘fandosirana ho any an-tendrombohitra’. (Matio 24:16.) Izany “tendrombohitra” izany amin’izao andro izao dia ny toeram-pialofana atolotr’Andriamanitra, ny fandaharana nataony mba hiarovana ny sisa amin’ny “olo-masina” mbola eto an-tany mbamin’ny “olona betsaka” amin’ny “ondry hafa” ka hampamakivaky azy ireo ny “fahoriana lehibe”. Izany dia mifanaraka amin’ny faminanian’i Jesosy ilazana fa hisy “nofo” hovonjena (Matio 24:22). Koa satria ny tendrombohitra zavatra maharitra, ny Soratra Masina dia mampiasa izany matetika ho toy ny ohatra mba hanondroana an’ireo fitondram-panjakana. Toy izany koa, ny toeram-pialofana omanin’Andriamanitra amin’izao andro izao dia mifamatotra amin’ny fandaminany teokratika. Ny mampiseho azy io eto an-tany dia ny “kongregasionan’Andriamanitra velona, andry sy fanohanana ny fahamarinana”, izay fantatra ankehitriny ho ny fikambanana iraisam-pirenen’ny Vavolombelon’i Jehovah. — I Timoty 3:15, MN.

17. Fanaovan-javatra tsy misy fisalasalana inona moa no takina amin’ireo izay maniry handositra ho amin’ny famonjena?

17 Izay rehetra mandositra ho amin’ny fandaminan’i Jehovah dia tokony hitsahatra sy hitondra ny fanohanany ny tapany na inona na inona izany amin’ny fandehan-javatr’i Satana eto an-tany. Tsy tokony ho ‘naman’izao tontolo izao’ izy ireny fa hijanona any ivelany. Tokony hariany ny fivavahany, ny politikany, ny fiezahanay hampiseho herisetra, ny fitiavany fatratra ny zavatra ara-nofo sy ny fahalotoam-pitondrantenany (Jaona 18:36). Tokony hanolo-tena ho an’i Jehovah Andriamanitra izy ireny, hiaina mifanaraka amin’ny fotopoto-pitsipiny marina sy hampahafantatra amin’ny mpiara-belona aminy ny fikasan’ny Fanjakany be voninahitra. Enga anie izy ireny tsy hatoritory mihitsy fa hiverina any amin’ireo “vilany feno hena” an’izao tontolo izao! Tokony ‘hiady mafy’ hatrany àry izy ireny mba hahazoana ny fankasitrahan’Andriamanitra ka hidirana ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovaony. — Lioka 13:24, MN; 9:23; II Timoty 2:15.

18. Nahoana moa no ilaina maika dia maika ny ‘handosiran’ireo’ izay tia ny rariny dieny izao?

18 Amin’izao andro izao, dia manjary zavatra tena misy ny loza mandrahona ny heverina fa “fitoerana masina” an’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Tena tsy azo antoka ny toeran’ny fivavahana eo amin’izao tontolo izao izay mitaingina ny “bibi-dia”, ny O.N.U.. Mahay ‘manavaka’ izany ny Vavolombelon’i Jehovah; koa dodona izy ireo mandefa izao antso izao: ‘Mandosira ny fivavahan-diso, eny, mandosira ny fandehan-javatra maneran-tanin’i Satana. Mandosira ho amin’ny fandaminan’Andriamanitra mba hahitana fialofana ao.’ Sahala amin’i Jerosalema tamin’ny taonjato voalohany, amin’izao fotoana izao ny fivavahana lazaina fa kristiana dia manatona “fandravana (...) fahafonganana”. Izany koa no miandry an’i Babylona Lehibe, empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso manontolo. — Daniela 9:26b, 27b; Apokalypsy 18:2, 4.

19. a) Inona moa no lazain’ny Salamo 72 ny amin’ny “tendrombohitra”? b) Ahoana no mety hahatonga antsika ho mendrika ny higoka ‘fiadanana be’?

19 Soa ihany fa ireo “tendrombohitra” tokony handosirana dia hanjary “tendrombohitra” hivoahan’ny fitahiana koa. Izao tokoa no vakintsika ao amin’ny Salamo 72:1-8: “Ny tendrombohitra hahavokatra fiadanana ho an’ny olona, eny, ny havoana koa amin’ny fahamarinana. (...) Ny marina hitrebona amin’ny androny [amin’ny andron’ny Mesia Mpanjaka], ary ho be ny fiadanana mandra-paha-tsy hisy volana intsony.” Moa ve ianao maniry ho anisan’ireo izay higoka ‘fiadanana be’? Raha izany no izy dia “miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo”. Dieny mbola misy fotoana, dia mandania hery tsy misy hataka andro mba hanampiana an’ireo olona tia ny rariny hanomboka handositra any an-tendrombohitra’. ‘Tandremo ny tenanareo sy ny fampianaranareo, ka mahareta amin’izany; fa raha manao izany hianareo, dia hamonjy ny tenanareo sy izay mihaino anareo.’ — I Korintiana 15:58; I Timoty 4:16.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Mba ahazoana fanazavana amin’ny antsipiriany kokoa, dia jereo ny pejy faha-362 ka hatramin’ny 376 amin’ilay boky hoe “Alors sera consommé le mystère de Dieu”. Navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society.

b Jereo ny pejy faha-294 ka hatramin’ny 305 amin’ilay boky hoe “Que ta volonté soit faite sur la terre” navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society.

Afaka mamaly ve ianao?

□ Inona moa ny tena “fitoerana masina”?

□ Inona ny “fahavetavetan’ny fandravana”?

□ Amin’ny heviny ahoana moa ny “fahavetavetana” no mitsangana ao amin’ny “fitoerana masina” an’ny fivavahana lazaina fa kristiana?

□ Inona no heverina fa “fitoerana masina” an’ny fivavahana lazaina fa kristiana?

□ Ahoana no andrahonana ny heverina fa “fitoerana masina” an’ny fivavahana lazaina fa kristiana?

□ Ahoana moa amin’izao andro izao no anarahan’ny kristiana ny baiko mandidy azy ireny mba ‘handositra ho any an-tendrombohitra’?

[Teny notsongaina, pejy 18]

Oktobra 1965: Ny papa Paul VI, raha niresaka ny Firenena mikambana ho “ny lehibe indrindra amin’ireo fandaminana iraisam-pirenena”, dia nanampy teny toy izao: “Mitodika any amin’ny Firenena mikambana ho ny fara Fanantenana fifanarahana sy fandriampahalemana ny vahoaka.”

[Teny notsongaina, pejy 19]

Oktobra 1979: NIteny tamin’ny fivoriamben’ny Firenena mikambana ny papa Jean-Paul II. Tsy nanisy fitenenana mihitsy ny amin’i Jesosy na ilay Fanjakana izy, fa nanambara toy izao: “Iriko ny fandaminan’ny Firenena mikambana ho toeran’ny fiadanana sy ny rariny ambony indrindra hatrany, ho tena foiben’ny fahafahana.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara