“Zavatra maloto” tsy hitondra fiadanana
“Ary raha mahita an’i Jerosalema voahodidin’ny miaramila hianareo, (...) izay any Jodia amin’izany andro izany aoka handositra ho any an-tendrombohitra.” — LIOKA 21:20, 21.
1, 2. a) Nahoana moa ny olombelona no tsy ho afaka na oviana na oviana hanorina ny fiadanana amin’ny alalan’ny fandaminana sahala amin’ny an’ny Firenena mikambana? b) Ahoana no hanorenan’Andriamanitra ny fiadanana eto an-tany?
NA DIA manao fiezahana lehibe mba hanorenana ny fiadanana sy ny filaminana amin’ny alalan’ny fandaminana sahala amin’ny an’ny Firenena mikambana aza ny olombelona, dia tsy hahomby. Nahoana? Satria amin’izao andro izao dia tsy mihavana amin’Andriamanitra ny olona ary tsy mety hisy filaminana maharitra raha tsy mihavana amin’ny Mpamorona (Salamo 46:1-9; 127:1; Isaia 11:9; 57:21). Ahoana àry no fomba handaminana an’io zava-manahirana io? Soa ihany fa ny tenan’i Jehovah Andriamanitra mihitsy no efa nandray an-tanana ny zavatra. Ho tafaorina eto an-tany ny fiadanana sy filaminana amin’ny farany noho ny Fanjakany tarihin’ny Zanany, izay tamin’ny nahaterahany no niventesan’ireo anjely izao hira izao: “Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra! Ary fiadanana ho etỳ ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany.” — Lioka 2:14; Salamo 72:7.
2 Tamin’ny taonjato voalohany, dia nanambara ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesosy ary nanolotra ho an’ireo tia fihavanana ny fahafahana ho tonga zanak’Andriamanitra sy hiara-hanjaka aminy ao amin’io Fanjakana io (Matio 4:23; 5:9; Lioka 12:32). Ireo fisehoan-javatra nitranga nanaraka izany dia mitovy tokoa amin’ireo hitan’ny masontsika amin’izao andro izao. Raha mihevitra izany isika, dia hianatra zavatra be dia be ny amin’ny ho avin’ny O.N.U., dia ilay fandaminana naorin’ny olombelona mba hiantoka “ny fiadanana sy ny filaminana”.
Nisafidy ny Jiosy
3. Iza no niezaka nitana ny fiadanana sy ny filaminana naneran-tany tamin’ny andron’i Jesosy, ary nahoana no tsy azo natao ny ho tonga tamin’izany tamin’ny fomba feno?
3 Tamin’ny andron’i Jesosy, ny Empira romana, izay nampihatra ny fanapahany teo amin’ny faritra midadasika amin’ny tany, dia nanana ny fiheverany manokana ny amin’ny fiadanana sy filaminana. Noho ireo antoko-miaramilany, dia nampihatra ny pax romana (fandriampahalemana romana) teo amin’ny tapany lehibe amin’izao tontolo izao fantatra tamin’izany izy. Tsy nety haharitra anefa io pax romana io, satria ilay Roma mpanompo sampy sy ireo antoko-miaramilany dia tsy ho afaka na oviana na oviana hampihavana ny olombelona amin’Andriamanitra. Ambony lavitra àry ny Fanjakana nambaran’i Jesosy.
4. Ahoana no nandraisan’ny ankamaroan’ny Jiosy ny fitorian’i Jesosy? Inona anefa no nitatra tsikelikely tamin’ny taonjato voalohany?
4 Nanda ny Fanjakan’Andriamanitra anefa ny ankamaroan’ny mpiray firenena tamin’i Jesosy (Jaona 1:11; 7:47, 48; 9:22). Ireo filohany izay nihevitra an’i Jesosy ho fandrahonana ho an’ny filaminan’ilay firenena, dia nanolotra azy tao amin’ireo manam-pahefana mba hamonoana azy ary niantsoantso toy izao izy ireo: “Tsy manana mpanjaka afa-tsy Kaisara izahay.” (Jaona 11:48; 19:14, 15). Kanefa, ny Jiosy sasany ary, taty aoriana, ny Jentilisa maro, dia nanaiky tamim-pifaliana an’i Jesosy ho ilay Mpanjaka nofidin’Andriamanitra (Kolosiana 1:13-20). Nitory izany tany amin’ny tany maro izy ireo taty aoriana, hany ka Jerosalema dia nanjary foiben’ny fianakaviana kristiana iraisam-pirenena. — Asan’ny apostoly 15:2; I Petera 5:9.
5, 6. a) Ahoana no nitomboan’ny fifandraisana teo amin’ny Jiosy sy Roma? b) Inona no fampitandremana nomen’i Jesosy, ary ahoana no namelany ny kristiana hamonjy ny ain’izy ireo tamin’ny 70 amin’ny fanisan-taona iraisana?
5 Na dia tia kokoa an’i Kaisara noho Kristy aza ny Jiosy, tsy ela dia niharatsy ny fifandraisan’i Jerosalema sy Roma. Ireo tia tanindrazana jiosy dia namely tamim-pahasahiana ny Empira romana ka tamin’ny farany, tamin’ny 66, dia nipoaka ny ady ankarihary. Niezaka nanorina ny pax romana indray ny tafika romana, ka tsy ela dia natao fahirano Jerosalema. Ho an’ny kristiana, dia famantarana lehibe izany. Taona maro talohan’izay tokoa i Jesosy dia nanome azy ireo izao fampitandremana izao: “Ary raha mahita an’i Jerosalema voahodidin’ny miaramila hianareo, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky ny fandravana azy. Ary izay any Jodia amin’izany andro izany aoka handositra ho any an-tendrombohitra; ary izay ao Jerosalema aoka handositra ho any ivelany.” (Lioka 21:20, 21). Voahodidin’ny miaramila izao Jerosalema; niandry fahafahana handositra àry ny kristiana.
6 Niseho haingana izany fahafahana izany. Na dia namely ny mandan’ny tempoly aza ny Romana ka Jiosy maro be no vonona hitolo-batana, tamin’ny fomba tsy nampoizina tanteraka, Cestius Gallus, mpitari-tafika romana, dia niantso indray ny tafiny ka niala tao Jerosalema. Nanararaotra izany ny tia tanindrazana jiosy mba handaminana indray ny fiarovana, kanefa ny kristiana dia nandao an’ilay tanàna voatokana ho amin’ny fandravana. Tamin’ny 70, dia niverina ny tafik’i Roma ka nanao fahirano indray an’i Jerosalema. Tamin’io indray mandeha io, dia rava ny tanàna. Fa amin’ny ahoana io tantara mampangitakitaka io no mahakasika antsika? Amin’ny hoe ny fampitandremana nomen’i Jesosy izay nahatonga an’ireo mpianany hahavonjy ny ainy dia mbola misy heviny lehibe tokoa amin’izao andro izao.
Fahatanterahana mihoatra ny iray
7-9. a) Ahoana no ahafantarantsika fa hahita fahatanterahany mihoatra ny iray ny faminanian’i Jesosy momba ny fanaovana fahirano an’i Jerosalema? b) Ahoana no anamafisana izany amin’ny alalan’ny fahalalana tsara ny bokin’i Daniela?
7 Io fampitandremana io dia tafiditra ao anatin’ny faminaniana lava iray notononin’i Jesosy ho valin’ity fanontaniana lehibe dia lehibe napetraky ny mpianany ity: “Rahoviana no hitranga izany zavatra izany [ny fandravana ny tempoly jiosy], ary inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny fifaranan’ny fandehan-javatra?” Tamin’izay Jesosy dia nanome famantarana iray hisy lafiny maro, indrindra fa ny fanaovana fahirano an’i Jerosalema (Matio 24; Marka 13; Lioka 21). Tao anatin’ireo taona nanaraka ny nahafatesan’i Jesosy, dia lafiny maro tamin’io faminaniana io no tanteraka, ka ny fara heriny dia ny fandravana an’i Jerosalema sy ny fandehan-javatra jiosy tamin’ny 70. — Matio 24:7, 14; Asan’ny apostoly 11:28; Kolosiana 1:23.
8 Nanontanian’ny mpianatra an’i Jesosy koa anefa ny amin’ny ‘fanatrehany’, dia ‘fanatrehana’ ampiarahin’ny Baiboly amin’ny fahataperan’ny fandehan-javatra maneran-tany manontolo (Daniela 2:44; Matio 24:3, 21, MN ). Koa satria tsy nitranga tamin’ny taonjato voalohany ny fanatrehan’i Jesosy ara-panahy sy ny fahataperan’ny fandehan-javatra maneran-tany, dia azo natao ny nanantena fahatanterahana iray atỳ aoriana sy lehibe kokoa amin’io faminaniana io, ka ireo fisehoan-javatra tamin’ny taonjato voalohany tamin’izany dia ohatra fotsiny ny amin’io fahatanterahana lehibe kokoa io. Izany indrindra no ho hita raha ny amin’ny fampitandreman’i Jesosy momba ny handravana an’i Jerosalema.
9 Mbola miharihary kokoa ihany izany rehefa heverina ny fomba nanoratana an’io fampitandremana io ao amin’ny boky hafa roa ao amin’ny Baiboly izay ahitana azy. Ao amin’ny Matio, ireo tafika nanao fahirano an’i Jerosalema dia lazalazaina ho “fahavetavetan’ny fandravana [zavatra maloto mahatonga loza, MN ], izay nampilazaina an’i Daniela mpaminany “mitsangana ao amin’izay fitoerana masina”. (Matio 24:15.) Ao amin’ny fitantaran’i Marka, ilay “zavatra maloto” dia mitsangana “ao amin’izay tsy tokony hisy azy”. (Marka 13:14, MN.) Milaza mazava i Matio fa voatonona ao amin’ny bokin’i Daniela koa ilay “zavatra maloto”. Raha ny marina, dia hita intelo ao amin’io boky io izany fitenenana izany: ny voalohany (milaza maro) dia ao amin’ny Daniela 9:27 (MN ) ao amin’ny faminaniana iray tanteraka tamin’ny fandravana an’i Jerosalema tamin’ny 70, ary indroa koa ao amin’ny Daniela 11:31 sy 12:11 (MN ). Araka ireo teny roa farany ireo, dia hisy “zavatra maloto” hatsangana “amin’ny fotoana voafetra” na “amin’ny andro farany”. (Daniela 11:29, MN; 12:9.) Miaina ao anatin’ny “andro farany” anefa isika nanomboka tamin’ny 1914. Mihatra amin’izao andro izao koa àry ny fampitandreman’i Jesosy. — Matio 24:15.
Misafidy ny fivavahana lazaina fa kristiana
10, 11. Amin’ny ahoana moa ireo fisehoan-javatra amin’izao taonjato faha-20 izao no azo ampitahaina amin’ireo tamin’ny taonjato voalohany?
10 Tamin’izao taonjato faha-20 izao ireo fisehoan-javatra dia nitranga araka ny ohatra tamin’ny taonjato voalohany. Toy ny tamin’izany fotoana izany, dia manapaka eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ankehitriny ny empira iray; tsy iza izany fa ny Herim-panjakana anglisy amerikana izay manao fiezahana lehibe mba hampanjakana ny heviny raha ny amin’ny fiadanana sy ny filaminana ho an’ny olombelona. Tamin’ny taonjato I, ny Isiraely araka ny nofo dia tsy nanaiky an’i Jesosy ho Mpanjaka voatendrin’i Jehovah. Tamin’ny 1914 no nanomboka ny ‘fanatrehan’i Jesosy’ tamin’ny naha-Mpanjaka voatendrin’i Jehovah (Salamo 2:6; Apokalypsy 11:15-18). Tsy nety nanaiky azy ho toy izany anefa ireo firenena, anisan’izany ireo an’ny fivavahana lazaina fa kristiana (Salamo 2:2, 3, 10, 11). Raha ny marina, izy ireo dia niditra hanao ady niraisam-pirenena iray nahatsiravina izay ny loka dia ny fanapahana maneran-tany. Toy ny nataon’ireo filoha jiosy, dia ireo filoha ara-pivavahana ao amin’ny finoana lazaina fa kristiana no voalohany nanda an’i Jesosy. Nanomboka tamin’ny 1914 izy ireo dia tsy nitsahatra nandray anjara teo amin’ny sehatra ara-politika sy nanohitra ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakana. — Marka 13:9.
11 Kanefa, toy ny tamin’ny andron’i Jesosy, dia be dia be no nanaiky tamim-pifaliana ilay Mpanjakan’i Jehovah sy nampahafantatra ny vaovao tsaran’ny Fanjakany maneran-tany (Matio 24:14). Noho izany antony izany, dia Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny roa tapitrisa sy sasany no maneho ankehitriny ny tsy fivadihany amin’ny Fanjakan’Andriamanitra (Apokalypsy 7:9, 10). Noho izy ireo mialanalana raha ny amin’ireo raharaha ara-politikan’izao tontolo izao, dia manana finoana tanteraka ireo fandaharana nataon’i Jehovah mba hanorenana ny fiadanana sy ny filaminana izy ireo. — Jaona 17:15, 16; Efesiana 1:10.
Ny “zavatra maloto” amin’izao andro izao
12. Inona amin’izao andro izao no mahaforona ny “zavatra maloto”?
12 Inona amin’izao andro izao no “zavatra maloto mahatonga loza”? Tamin’ny taonjato I izany, dia ireo tafika romana nalefa mba hanorina ny pax romana tany Jerosalema. Amin’izao androntsika izao, ireo firenena izay nandray anjara tamin’ny Ady Lehibe Voalohany dia namoy ny hevi-draviny raha ny amin’ny fahitam-bokatra amin’ny ady lehibe iray mba hanorenana ny fiadanana. Nanandran-javatra vaovao àry izy ireo: fandaminana iraisam-pirenena iray ho fitandroana ny fandriampahalemana maneran-tany. Teraka tamin’ny 1919 izy io tamin’ny anarana hoe Fikambanam-pirenena ary misy amin’izao andro izao amin’ny anarana hoe Fandaminan’ny firenena mikambana. Io, ho an’ny androntsika, no “zavatra maloto mahatonga loza”.
13, 14. a) Inona avy moa no resaka mandrobo nataon’ireo fivavahana ao amin’ny finoana lazaina fa kristiana momba ilay “zavatra maloto”? b) Nahoana no fanompoan-tsampy izany, ary napetrak’ireo fivavahana taiza tamin’izany ilay “zavatra maloto”?
13 Mahaliana ny manamarika fa ny teny hebreo nadika hoe “zavatra maloto” ao amin’ny bokin’i Daniela dia shiqqouts. Ao amin’ny Baiboly anefa io teny io dia ampiasaina indrindra mahakasika ny sampy na ny fanompoan-tsampy (I Mpanjaka 11:5, 7). Amin’ny fitadidiana izany ao an-tsaina, dia vakio ireto famoaboasan-kevitra vitsivitsy manaraka ireto, nataon’olona filoha ara-pivavahana momba an’io fikambanana io:
“Inona moa io hevitra ny amin’ny fikambanan’ny olombelona maneran-tany io (...) fa tsy ny an’ny Fanjakan’Andriamanitra?” “Nanam-paka avy ao amin’ny Filazantsara ny Fikambanam-pirenena.” (Filan-kevitra federalin’ireo Fiangonan’i Kristy any Amerika). “Ny tsirairay avy amin’ireo zava-kendrena sy asan’ny [Fikambanam-pirenena] dia azo aseho ho fahatanterahan’ny sitrapon’Andriamanitra araka ny ampiharihariana azy amin’ny fampianaran’i Jesosy Kristy.” (Evekan’ny Fiangonana anglikana). “Ny fivoriana àry dia manoro hevitra ny kristiana rehetra mba hitondra ny fanohanany sy hivavaka ho an’ny Fikambanam-pirenena, ny hany fomba azo ampiasaina mba hahatongavana [amin’ny fiadanana eto an-tany].” (Fivoriamben’ny batista, kongregasionalista sy presbyteriana any Grande-Bretagne). “[Ny Fikambanam-pirenena] no hany fanandramana tena voalamina nokendrena hanatanterahana amin’ny fomba azo tsapain-tanana ireo firarian’ny Saint-Siège miverimberina.” — Kardinaly Bourne, arsevekan’i Westminster.
14 Rehefa tsy vitan’ny hoe nanda ny Fanjakan’Andriamanitra ireo firenena fa nanorina ny fandaminan’ny tenany mba hanorenana ny fiadanana, raha ny marina, dia nikomy izy ireo. Rehefa nampifandray an’io fandaminana io tamin’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny Filazantsara ireo filoha ara-pivavahana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana ka nilaza azy ho “hany fomba azo ampiasaina” mba hanorenana ny fiadanana, dia fanompoan-tsampy izany. Napetrak’izy ireo teo amin’ny toerana an’ny Fanjakan’Andriamanitra izy io, “ao amin’izay fitoerana masina”. Tsy azo lavina fa nitsangana ‘tao amin’izay tsy tokony hisy azy’ izy io. (Matio 24:15; Marka 13:14.) Amin’izao andro izao koa, ireo filoha ara-pivavahana dia manohy mitondra ny fanohanany ny Fandaminan’ny Firenena mikambana, izay nandimby ny Fikambanam-pirenena, fa tsy nampitodika ny olona ho amin’ny Fanjakan’Andriamanitra efa miorina izao.
Loza ho an’ireo fivavahana ao amin’ny finoana lazaina fa kristiana
15, 16. Ahoana no nitomboan’ny fifandraisana teo amin’ireo fivavahan’ny finoana lazaina fa kristiana sy ireo firenena izay manohana ilay “zavatra maloto”?
15 Na dia naleon’ireo fivavahana ao amin’ny finoana lazaina fa kristiana aza ny Fikambanam-pirenena, avy eo dia ny Fandaminan’ny firenena mikambana, toy izay ny Fanjakan’Andriamanira, dia niharatsy ny fifandraisan’izy ireo tamin’ireo fanjakana anisan’io fandaminana io. Tsy misy hafa amin’ny nitranga taloha teo amin’ny Jiosy sy Roma ny zavatra. Nanomboka tamin’ny 1945, ny Firenena mikambana dia manana ho anisan’ny mpikambana ao aminy, tany tsy kristiana na mpanohitra kristiana tsotra izao mihamaro, ka tsy manambara zavatra tsara na inona na inona ho an’ny fivavahana lazaina fa kristiana izany.
16 Etsy andaniny koa, any amin’ny tany maro, dia atrehina ny fifandonana eo amin’ireo fivavahana lazaina fa kristiana sy ny fanjakana. Any Pologne, ny Fiangonana katolika dia heverina ho mpanohitra ny fitondrana eo an-toerana. Any Irlande Avaratra sy any Liban, ireo fivavahana ao amin’ny finoana lazaina fa kristiana dia nahatonga mbola havaivay kokoa ihany ireo zava-manahirana momba ny fiadanana sy ny filaminana. Ambonin’izany, ireny fivavahana ireny dia namoaka olona izay, sahala amin’ireo tia tanindrazana jiosy, dia namporisika ny herisetra. Ny Filan-kevitra eokimenikan’ireo Fiangonana protestanta dia nanao fanomezana ho an’ny fandaminan’ny mpampihorohoro, ary tetsy andaniny koa, dia nisy pretra katolika niaraka tamin’ny mpiady anaty akata na mandray anjara amin’ny fitondram-panjakana revolisionera.
17. a) Amin’izao androntsika izao, inona no mifanitsy amin’i Jerosalema? b) Inona no hitranga aminy amin’ny farany?
17 Ny fotoana ihany no hampiharihary hoe hatraiza ny fifandraisan’ireo fivavahana ao amin’ny finoana lazaina fa kristiana sy ireo firenena no miharatsy, fa ireo fisehoan-javatra tamin’ny taonjato voalohany dia efa nampiseho ny fomba hiafaran’izany rehetra izany. Araka ny nolazain’i Jesosy mialoha, ny tafika romana dia nandrava an’i Jerosalema tamin’ny farany tamin’ny fampiharana fahoriana lehibe tamin’ireo mponina tao aminy. Mifanaraka amin’ilay ohatra ara-paminaniana, ireo firenena ao amin’ny O.N.U. dia hamely sy handrava an’i “Jerosalema”, izany hoe ny rafitra ara-pivavahan’ny finoana lazaina fa kristiana. — Lioka 21:20, 23.
Mandosira ho any an-tendrombohitra
18. Inona no tokony hataon’ireo olona manetry tena rehefa hitany maka toerana ny “zavatra maloto”?
18 Tamin’ny taonjato voalohany, taorian’ny fisehoan’ilay “zavatra maloto”, dia azon’ny kristiana natao ny nandositra. Nanoro hevitra azy ireny i Jesosy mba hanao izany avy hatrany, satria tsy ho fantany ny hoe haharitra fotoana toy inona no ho afaka hanao izany izy ireo (Marka 13:15, 16). Toy izany koa, amin’izao andro izao rehefa fantatry ny olona manetry tena fa tena eo amin’ny toerana tokoa ilay “zavatra maloto”, dia tokony handositra avy hatrany avy amin’ny faritra ara-pivavahan’ny finoana lazaina fa kristiana izy. Ny segondra tsirairay avy amboniny lany ao amin’io dia mahatandindomin-doza ny fiainany ara-panahy. Ary iza no mahalala hoe fotoana toy inona no mbola hanolorana azy ireo fahafahana handositra?
19, 20. a) Inona no nataon’ireo kristiana tamin’ny taonjato voalohany rehefa hitany voahodidin’ny tafika romana Jerosalema? b) Mampiseho inona amin’izao andro izao ny “tendrombohitra”, ary inona no tokony hanosika ny olona manetry tena handositra ho any amin’ireny “tendrombohitra” ireny?
19 Ny Filazantsaran’i Lioka dia nampiomana an’ireo kristiana tamin’izany fotoana izany mba handosiran’izy ireny hiala ao Jerosalema rehefa ho hitany “voahodidin’ny tafika nasaina nitoby” io tanàna io. Araka ny efa nolazaina, dia tonga izany tafika izany tamin’ny 66, ary nomena ny kristiana ny fahafahana handositra tamin’io taona io ihany rehefa nanaisotra ny miaramilany Cestius Gallus. Rehefa lasa ireo kristiana, dia nitohy ny ady nifanaovan’ny Jiosy sy ny Romana, nefa tsy nanodidina indrindra an’i Jerosalema. Ny emperora Néron dia naniraka an’i Vespasien ho any Palestina izay nanaovana ady tamim-pandresena tamin’ny 67 sy 68. Avy eo, dia maty Néron, ary nandray anjara tamin’ny firaisan-tetika mba handimby an’ilay emperora i Vespasien. Rehefa avy natao emperora izy (tamin’ny 69), dia naniraka an’i Titus zanany ho any Palestina mba hamaranany ny ady tany Jodia. Rava Jerosalema tamin’ny 70.
20 Tsy nijanona tao Jerosalema anefa ny kristiana mba handinika izany fisehoan-javatra rehetra izany. Raha vantany vao hitany voalohany ireo tafika nanao fahirano ny tanàna, dia fantany fa notandindomin-doza tokoa io tanàna io. Toy izany koa, amin’izao andro izao, dia miseho ilay fiasana hampiasaina handravana ny fivavahana lazaina fa kristiana. Noho izany antony izany, raha vantany vao haintsika ny manavaka ny loza mandrahona ny fivavahana lazaina fa kristiana, dia tokony ‘handositra ho any an-tendrombohitra’ isika, izany hoe ho ao amin’ny toeram-pialofana nomanin’i Jehovah miaraka amin’ny fandaminany teokratika. Ireo faminaniana hafa dia tsy mamela antsika hieritreritra fa hisy fotoam-pitsaharana na inona na inona eo anelanelan’ny fotoana hamelezan’ireo firenena ny fivavahana lazaina fa kristiana sy ny fandravana an’io. Raha ny marina, dia tsy hilaina ny fiatoana toy izany: miseho ho hendry ny manetry tena amin’ny fandosirana dieny izao hiala amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana.
Jerosalema sy ny fivavahana lazaina fa kristiana
21. Nahoana moa ilay “zavatra maloto” no niseho tamin’ny faran’ny andro farany ho an’i Jerosalema, kanefa tamin’izao taonjato faha-20 izao izany dia niseho tamin’ny fiandohan’ny andro farany ho an’ny fandehan-javatra ankehitriny?
21 Tokony ho gaga ve isika satria tamin’ny taonjato voalohany ilay “zavatra maloto” dia nipoitra talohan’ny handravana an’i Jerosalema indrindra, kanefa amin’izao androntsika izao izy io dia niseho raha vao teo am-piandohan’ny andro farany ho an’izao tontolo izao ankehitriny? Tsia. Isak’ireo toe-javatra ireo, ilay “zavatra maloto” dia niseho tamin’ny fotoana nirin’i Jehovah hahitana ny vahoakany mandositra. Tamin’ny taonjato voalohany, ny kristiana dia tsy maintsy nijanona kelikely tany Jerosalema mba hitory tany (Asan’ny apostoly 1:8). Tamin’ny 66 ihany, rehefa nananontanona ny fandravana, vao niseho ny “zavatra maloto” iray mba hampiomanana azy ireo handositra. Amin’izao andro izao anefa, ny hoe “ao” anatin’i “Jerosalema” amin’ny androntsika dia milaza hoe anisan’ny faritra ara-pivavahan’ny finoana lazaina fa kristianaa. Tsy azo atao anefa ny manompo an’i Jehovah amin’ny fomba ankasitrahany ao anatin’ny toerana simba toy izany, eo amin’ireo mpivadi-pinoana. Noho izany antony izany, raha vao tamin’ny fanombohan’ny andro farany ho an’ny fandehan-javatra ankehitriny, dia niseho ilay “zavatra maloto”, ka nilaza tamin’ny kristiana izany fa tokony handositra izy ireo. Mbola mitohy izany fandosirana ho any ivelan’ny fivavahana lazaina fa kristiana izany, ka ampiomanina ny olona tsirairay avy mba hanao toy izany raha vao hitany maka toerana ilay “zavatra maloto”.
22. Inona avy moa no fanontaniana hafa tokony hovaliana?
22 Mety hanontany tena anefa isika ny amin’izay hitarika an’io fisehoan-javatra tsy ampoizina io, dia: ny fandravana ireo fivavahana ao amin’ny finoana lazaina fa kristiana amin’ny alalan’ny tafiky ny Fandaminan’ny Firenena mikambana. Etsy andaniny koa, rahoviana no hitranga izany? Ary amin’ny ahoana izany no mety hitondra fiadanana sy filaminana eto an-tany? Izany dia samy fanontaniana hovaliantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Azo atao ny fampitahana karazan’izany amin’ny tanàna tranainin’i Babylona nandosiran’ny Jiosy tamin’ny 537 alohan’ny fanisan-taona iraisana, sy Babylona Lehibe andosiran’ny kristiana amin’izao andro izao. — Isaia 52:11; Jeremia 51:45; Apokalypsy 18:4.
Tadidinao ve?
◻ Nahoana moa ny faminanian’i Jesosy ny amin’ny “zavatra maloto” no tokony hisy fahatanterahany amin’izao androntsika izao?
◻ Inona moa no “zavatra maloto” amin’izao androntsika izao, ary nanomboka oviana izany no maka toerana?
◻ Mifanitsy amin’inona moa ilay Jerosalema voalazan’ny faminanian’i Jesosy amin’izao andro izao?
◻ Ahoana no anampian’ny Lioka 21:20, 21 antsika hamantatra ny ilàna handositra avy hatrany?
◻ Inona moa ireo “tendrombohitra” izay any no tokony handosiran’ny olona manetry tena?
[Teny notsongaina, pejy 11]
Rehefa nampifandray ny O.N.U. tamin’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny Filazantsara ireo filoha ara-pivavahana, dia fanompoan-tsampy izany.