Ny finoanao – zavatra kendren’ny taratasy ho an’ny Romana
INONA no tokony hataonao mba hahazoana sitraka amin’Andriamanitra?
Hanome ny valin’io fanontaniana io ny tsirairay: Manana fiainana mahitsy; tsy manisy ratsy olona; manaiky hanana fahafoizan-tena sasany ho an’Andriamanitra; mankato ny lalàny, manatontosa asa tsara; manaiky an’i Kristy sy manompo an’Andriamanitra amim-pahatsorana.
Misy maha-tsara azy daholo ireo hevitra rehetra ireo, satria mahakasika zavatra tokony hataonao mba hankasitrahan’Andriamanitra anao. Tsy resahiny anefa ny toetra tsara iray tena lehibe aoka izany, hany ka raha tsy misy izy io, dia tsy hisy vidiny mihitsy ny fanaovana ireo zavatra rehetra ireo. Ny tianay horesahina dia ny FINOANA.
‘Manana finoana anie aho e, ary fantatro tsara fa zava-dehibe izany’, hoy angamba ny eritreritrao. Ilaintsika rehetra anefa ny misaintsaina hevitra iray lazain’ny taratasy ho an’ny Romana imbetsaka. Ho hitanao io foto-kevitra mifandrindra io ao amin’ny Romana 1:16, 17. Ambaran’ny apostoly Paoly ao amin’ireo andinin-teny ireo fa ‘ny filazantsara [vaovao tsara, MN] dia herin’Andriamanitra ho famonjena’ ary ‘ny marina ho velon’ny finoana’. Moa ve àry omena izay rehetra manana finoana ny famonjena? Afa-tsy izany koa, moa ve ny finoana mahatonga ny asa kristiana tsy dia hilaina loatra. Mamaly ireo fanontaniana ireo ny epistilin’i Paoly ho an’ny Romana.
Efa namaky ny taratasy ho an’ny Romana ve ny tenanao manokana? Sa kosa vakinao matetika izy io? Ny fanontaniana faharoa no mety indrindra. Nolazaina tokoa fa io epistily io dia mirakitra ny famelabelarana feno indrindra ny vaovao tsara tamin’izay rehetra nasehon’i Paoly. Eny, mitombo ny fankamamiana ny taratasy ho an’ny Romana rehefa vakina imbetsaka. Arakaraka ny “hitsakoanao” azy no hahitanao fa “mahavelona” izy.
Atolotra ny rehetra ny famonjena amin’ny alalan’ny finoana
Ireo kristiana tamin’ny taonjato voalohany dia nihevitra izao fanontaniana manaraka izao: Samy mety hankasitrahan’Andriamanitra sy hambarany fa marina ve ny Jiosy sy ny Jentilisa? Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra, Paoly dia namelabelatra an’io fanontaniana tena lehibe io tao amin’ny taratasiny ho an’ny Romana. Noho izany, ny teniny dia mifono heviny lehibe ho antsika izay maneho finoana sy maniry hovonjena. Ambonin’izany, dia handray fianarana sarobidy avy amin’izany isika raha mirona na dia kely foana aza hihevitra ny firenena toy izao ho ambony noho ny hafa.
Mba hahafahana mahazo tsara kokoa ny fanaporofoan-kevitr’i Paoly, dia aoka hofintinintsika ny tapany lehibe amin’io boky io. Rehefa mamaky ny epistily ho any Romana manana famintinana azy eo ambany maso ianao dia hanana fahitana mazava ny fitambarany izay hahatonga anao hahay hanavaka ny fandehan’ny fanjohian-kevitra ataon’i Paoly. Araka izany, dia tsy hanafina aminao ny ala ireo hazo, nefa izany no mety hitranga raha mianina amin’ny famakiana ny taratasy isan’andininy ianao.
Rehefa avy nampahafantatra ny tenany sy naneho tamin-kafanam-po ny faniriany hitsidika ny kongregasionan’i Roma i Paoly dia niditra tamin’ny foto-kevitra nitarihana ny epistiliny, dia izao: Andriamanitra izay tsy mizaha tavan’olona dia manolotra ny famonjena ho an’izay “rehetra mino”, na Jiosy na Jentilisa. Na dia tsy raharaha lehibe toy ny tamin’ny taonjato voalohany intsony aza ny fomba fiheveran’Andriamanitra ny Jiosy sy ny Jentilisa amin’izao andro izao, dia mampisongadina ny finoantsika ireo fanamarihan’i Paoly. Nahoana io toetra io no takina amin’ny rehetra? — Romana 1:1-17.
Raha ny marina, ny olona rehetra dia mpanota iharan’ny fahatezeran’Andriamanitra. Miharihary fa izany no hita tamin’ireo tsy Jiosy tsy azo nalan-tsiny izay tsy nihevitra ny porofon’ny fisian’ilay Andriamanitra marina. Matetika izy ireo no nanompo ny zavatra noforonina ary (noho ny fiheveran-disony ny amin’Andriamanitra) dia nanaram-po tamin’ny fanao nampietry izy (Romana 1:18-32). Nefa raha ny marina, dia toy izany koa no hita tamin’ny olona sahala amin’ny Jiosy izay tsy hoe tsy nitsara na nanakiana ny mpanota teo amin’ireo firenena anefa. Samy mendrika ny fitsarana izy ireo. Nahoana? Satria ny Jiosy nanana ny lalàn’Andriamanitra sy nirehareha ho nampianatra izany. Fa raha ny amin’ny Jentilisa kosa, izy ireny dia nanana fieritreretana izay nanosika azy hanao izay marina, ka izany dia nahatonga azy ho tompon’andraikitra. Amin’izany, dia tsy ny famorana na ny tsy famorana ny nofo velively no anton-javatra mametra. — Romana 2:1-29.
Raha kristiana jiosy ianao tamin’izany fotoana izany, dia azo inoana fa ho faly nahita an’i Paoly nanaiky fa hanankina ny Teniny amin’ny Jiosy Andriamanitra. Tsy ho azonao nolavina anefa izao fahamarinana manaraka izao, voamarin’ny Soratra masina: mitatra amin’ny olona rehetra na iza na iza ny fahotana. Noho izany, dia mila amim-pamoizampo ny hahita ny fomba hahatongavana ho marina ny olombelona. Nanome izany zavatra ilaina izany Andriamanitra tamin’ny fanokafana ho azy ireo lalana vaovao mitarika ho amin’ny rariny, dia ny finoana an’i Jesosy. Tianao ve ny hahita porofo fa ambony noho ny asan’ny Lalàna ny finoana? Raiso ny ohatra ny amin’i Abrahama izay ny finoany dia nisaina ho fahamarinana talohan’ny nandidiana mihitsy aza ny olona hoforana ka nanomezana ny Lalàna ho an’ny Isiraely. Ambonin’izany, dia tsy azontsika atao ny hanadino fa ny fampanantenana nomena an’i Abrahama noho ny finoany dia tokony hitarika fitahiana ny karazan’olona rehetra, na inona na inona firazanany. — Romana 3:1 ka hatramin’ny 4:25.
Takatrao ve àry ny maha-zava-dehibe tokoa ny finoan’ny kristiana? Ireo izay voantso hiaina any an-danitra, etsy andaniny, dia tokony haneho finoana alohan’ny hanambarana azy fa marina sy hanosorona azy amin’ny fanahy masina. Isika rehetra anefa dia samy tokony hahatsiaro fankasitrahana mafy an’Andriamanitra, noho izy manome antsika fahafahana hahazo ny fankasitrahany amin’ny alalan’ny finoana. Ireo olona velona talohan’ny Lalàna dia mpanota, ary maty tamin’ny naha-izany azy izy ireo. Taorian’ny nandraisan’i Mosesy ny Lalàna, dia vao mainka nanjary niharihary ny fahotana. Inona no mety hanafoana ny vokatry ny fahotan’i Adama, dia fahotana nahatonga antsika hahita tsy fahatanterahana? Ny tsy fivadihan’i Jesosy sy ny vidim-panavotana tamin’ny nahafatesany ho sorona. Raha manam-pinoana an’izany rehetra izany isika, dia afaka mandeha amin’ny fahatsinjovana “ny fiainana mandrakizay”.—Romana 5:1-21.
Miaina araka ny finoana
Amin’ny fanohizana ny famakianao ny taratasy ho an’ny Romana, dia ho tsapanao fa ny apostoly Paoly dia mandà fanatsoahan-kevi-diso iray mety hataon’ny sasany avy amin’ny teniny. Ahoana izany? Mety hisy hilaza anakampo tokoa fa raha afaka manohitra ny fahotana amin’ny fankasitrahana izay tsy mendrika akory Andriamanitra, dia azo atao ny maharitr ao amin’ny fahotana. Fahadisoan-kevitra tsy manjary re izany! Nohazavain’i Paoly fa ireo kristiana izay navela ny fahadisoany, hatreo dia tsy tokony hanaiky hotapahin’ny ota intsony. Raha ny marina, ny fahotana dia azo lazaina hoe ny tompo nankatoavintsika. Sahala amin’ny hoe maty nefa ankehitriny io tompo io, ka azo atao ny mandika ny baikony. Manana tompo vaovao tokoa isika: Andriamanitra. Amim-pinoana, dia tokony hijoro ho “mpanompon’ny fahamarinana” isika, ka hamoa ny ‘vokatra ho amin’ny fahamasinana, ary ny farany dia fiainana mandrakizay”. — Romana 6:1-23.
Tokony hanao fiezahana ny kristiana mba hiainana ny finoany. Izany dia tsy fanandramana manaraka fitambaran-dalàna fotsiny. Izay rehetra teo ambanin’ny lalàna taloha tokoa dia tsy afaka nitandrina azy tanteraka. Afa-tsy izany koa, dia nafahana tamin’izany izy ireo, toy ny anafahana ny vehivavy iray amin’ny lalàn’ny lahy rehefa maty io. Afaka manovo fampaherezana amin’ny fiaikena amim-pahatsorana nataon’i Paoly anefa isika; niaiky tokoa izy fa tsy afaka nifady ny ota araka ny ho niriny aoka izany. Nahatsiaro ho novonjen’i Jesosy anefa izy. Afaka mandray famonjena toy izany koa isika.— Romana 7:1-25.
Ireo izay natsangan’Andriamanitra ho zanaka ara-panahy dia hiara-hanjaka amin’i Jesosy Kristy any an-danitra. Izany no manome fanantenana azy ireo. Etsy andaniny koa, izany dia tokony hanome toky ny kristiana rehetra fa Andriamanitra dia hanampy an’ireo izay miantehitra aminy. Eny, raha tsy mivadika aminy isika, dia tsy hisy na inona na inona hahasaraka antsika amin’ny fitiavany izay miseho amin’ny alalan’i Jesosy (Romana 8:1-39). Tsy manana antony tokony hisalasalana mihitsy isika fa afaka miasa mba hahasoa antsika Andriamanitra. Ananany tanteraka ny zo sy fahefana hitarika ny fisehoan-javatra ho araka ny hiheverany azy, araka ny nasehony tamin’ny nifidianany an’i Jakoba sy tamin’ny fifandraisany tamin’i Farao. Koa satria ny ankamaroan’ny Jiosy tafintohina ka tsy nanaiky ny Mesia, dia nanapa-kevitra Andriamanitra fa izay rehetra haneho finoana dia mety ho voavonjy. Tena vaovao tsara marina tokoa izany! Izany anefa dia manome adidy antsika koa mba hampiseho ny finoantsika amin’ny fanambarana ny vaovao tsara, mba hahafahan’ny olona avy amin’ny firenena rehetra mandre azy sy mba hahazo finoana koa. — Romana 9:1 ka hatramin’ny 10:15.
Afaka manatsoaka fianarana avy amin’ny fihodinan’ny zava-miseho isika. Na dia nahazo tombontsoa avy tamin’Andriamanitra tokoa aza ny Jiosy araka ny nofo ka nampanantenaina voalohany indrindra ny fiainana any an-danitra izay an’ny “Isiraelin’Andriamanitra”, dia tsy nitana ny toerany izy ireo. Norantsanana izy ireo, toy ny rantsana voajanaharin’ny hazo oliva nambolena, ka nanome toerana ho a’ny Jentilisa (azo ampitahaina amin’ny rantsan’ny hazo oliva maniry ho azy) izay nanaiky an’i Kristy. Tsy misy isalasalana na dia kely akory aza fa ireo izay niharan’ny famindrampon’Andriamanitra, na tamin’izany fomba izany na tamin’ny fomba hafa, dia tokony hanohy haneho finoana amim-pankasitrahana mba hahazoana ny famonjena. — Galatiana 6:16; Romana 10:16 ka hatramin’ny 11:36.
Nefa, ankoatra ny fanambarana ampahibemaso ho amin’ny famonjena, dia fanambarana izay mahatonga anao ho afaka hampita ny vaovao tsara amin’ny hafa, ahoana no azonao ampisehoana ny finoanao? Hahita fotopototry ny valiny ianao ao amin’ny Romana 12:1 ka hatramin’ny 13:14. Ianao izay kristiana, azonao atao ny tsy manaraka intsony izao fandehan-javatra ratsy izao, mamboly fanetren-tena, miseho ho tia mampiantrano vahiny ary mandresy ny ratsy amin’ny soa. Mazava ho azy fa rehefa mamaky an’ireo andinin-teny ireo ianao dia hahita torohevitra tsara dia tsara koa, anisan’izany izay mahakasika ny tokony hanekenao ny “fahefana lehibe” amin’ny fomba voafetra”.
Ny kristiana dia tokony hihevitra koa an’ireo izay manana fieritreretana malemy ka hiseho ho vonona ny tsy hanao zavatra azo atao mba tsy hahatafintohina azy ireny. Rehefa mitondra toy izany ny fahalemen’ireo tsy matanjaka isika fa tsy mitady izay hahafaly ny tenantsika, dia manahaka ny ohatra nomen’i Kristy. Etsy andaniny koa, dia manao izay hanamora ny fisian’ny fiadanana sy ny firaisan-tsaina isika. — Romana 14:1 ka hatramin’ny 15:16.
Amin’ny famakiana an’ireo toko roa farany amin’ny taratasin’ny Romana, dia ho tsapanao miharihary fa niaina ny finoany i Paoly. Ny fanompoany dia nitarika azy hikarakara indrindra olona avy tamin’ireo firenena jentilisa, ary nikely aina nanatanteraka izany izy. Nirin’i Paoly, tsy ny hitsidika ny kongregasionan’i Roma ihany, fa ny handeha hatrany Espaina koa. Tetsy andaniny izany dia ny anankiray tamin’ireo toerana akaikin’ny fahavalo indrindra tany andrefana, tao amin’ny Empira romana ary, tetsy ankilany, dia faritany tsy mbola niasana ho an’i Paoly. Farany, ny fiarahabana nataon’i Paoly manokana ho an’ny kristiana maro tany Roma dia porofo fanampiny ny amin’ny finoany niasa sy velona.
Mazava ho azy àry fa ny taratasy ho an’ny Romana dia manampy antsika hahazo tsara ny fahambonian’ny finoana noho ny asan’ny Lalàna. Asehony tsy misy fihambahambana na dia kely akory aza fa Andriamanitra, noho ny tsy fizahany tavan’olona, dia vonona ny handray izay rehetra maneho finoana sy hanolotra ho azy ireo fanantenana ny hahazo ny rariny sy fiainana tsy hanam-pahataperana. Aoka àry isika hahatsapa kokoa hatrany fa ilaina ny hamelomana finoana mafy sy ny hiainana izany.