FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w90 15/8 p. 24-26
  • Mahazo ny tsara indrindra amin’ny vaovao ny Romana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mahazo ny tsara indrindra amin’ny vaovao ny Romana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • PAOLY SY NY ROMANA
  • NY FINOANA SY NY LALÀNA
  • FAHAMARINANA NOHO NY FINOANA
  • FAMALIANA FANOHERANA
  • NY FAHAMARINANA SY IREO JIOSY ARA-NOFO
  • IREO FOTOPOTO-PITSIPIKY NY FAHAMARINANA
  • NATAO HO AN’NY VOAHOSOTRA SY NY ONDRY HAFA
  • Ny finoanao – zavatra kendren’ny taratasy ho an’ny Romana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-45 — Romana
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
  • Romanina, Taratasy ho An’ny
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Ambara fa marina “ho amin’ny fiainana”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
w90 15/8 p. 24-26

Mahazo ny tsara indrindra amin’ny vaovao ny Romana

AHOANA no ahafahan’ny olombelona mpanota iray ho marina eo imason’Andriamanitra ka hahazo amin’izany ny fiainana mandrakizay? Niteraka ady hevitra mafana maro tamin’ny taonjato voalohany amin’ny fanisan-taona iraisana io fanontaniana io. Fantatrao ve ny valiny? Na fantatrao izany na tsia, dia hahasoa ny tenanao manokana ny famakianao ny fandinihana mahery nataon’ny apostoly Paoly momba io zava-manahirana io ao amin’ny bokin’ny Romana ao amin’ny Baiboly. Ny fanaovanao izany dia hanampy anao hahatakatra ny fifandraisana lehibe misy eo amin’ny finoana, ny asa, ny fahamarinana ary ny fiainana.

PAOLY SY NY ROMANA

Ny bokin’ny Romana dia taratasy nosoratan’i Paoly ho an’ireo kristiana tany Roma tany amin’ny 56 am. fan. ir. tany. Inona no antony nanoratany io taratasy io? Na dia mbola tsy nankany Roma aza i Paoly tamin’io 56 am. fan. ir. io, dia miharihary fa nahafantatra kristiana maro be tany izy, satria antsoiny amin’ny anarany ny maromaro amin’izy ireo ao amin’ny taratasiny. Ambonin’izany, i Paoly dia naniry mafy ny ho any Roma mba hanome fampaherezana ireo rahalahiny kristiana tany, ary toa nanam-pikasana izy ny hanao an’i Roma ho iray amin’ireo toerana handalovany amin’ny dia misionerany ho any Espaina nokasainy hatao. — Romana 1:11, 12; 15:22-24.

Ny antony lehibe indrindra nanoratan’i Paoly io taratasy io anefa dia ny mba hamaliana ny fanontaniana hoe: Amin’ny fomba ahoana no hahazoan’ny olona ilay fahamarinana mitarika ho any amin’ny fiainana? Nanjary ny tsara indrindra tamin’ny vaovao ny valiny nomeny. Miankina amin’ny finoana no hahazoana fahamarinana. Nataon’i Paoly mazava tsara izany ary nanome ny lohahevitry ny taratasiny izy tamin’ny fanoratana hoe: “Tsy menatra ny filazantsara aho; fa herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany, amin’ny jiosy aloha, dia vao amin’ny jentilisa koa. Fa amin’izany no anehoana fahamarinana avy amin’Andriamanitra avy amin’ny finoana sy ho amin’ny finoana, araka ny voasoratra hoe: ‘Ny marina amin’ny finoana no ho velona.’ ” — Romana 1:16, 17.

NY FINOANA SY NY LALÀNA

Tamin’ny taonjato voalohany, dia tsy ny rehetra no nanaiky fa niankina tamin’ny finoana no nahazoana fahamarinana. Ny tenin’ny antokon’olom-bitsy dia nanizingizina fa nisy zavatra hafa nilaina ambonin’izany. Tsy nanome ny Lalàn’i Mosesy tokoa ve i Jehovah? Tamin’ny fomba ahoana no nahafahan’izay rehetra tsy nanaiky io fandaharana azo tamin’ny tsindrimandry io ho marina? (Jereo Galatiana 4:9-11, 21; 5:2.) Tamin’ny taona 49 am. fan. ir., dia nodinihin’ny kolejy foibe tany Jerosalema ny raharaha momba ny fifikirana amin’ny Lalàna, ary nanatsoaka hevitra izy ireo fa ny Jentilisa izay nanaiky ny vaovao tsara dia tsy nila ny hoforana na hanaraka ny fitsipi-pitondran’ny Lalàna jiosy. — Asan’ny apostoly 15:1, 2, 28, 29.

Fito taona teo ho eo taorian’izay, dia nanoratra ny taratasiny ho an’ny Romana i Paoly mba hanohanana io fanapahan-kevitra lehibe io. Lasa lavitra kokoa noho izany mihitsy aza izy. Tsy hoe tsy nilain’ny kristiana jentilisa fotsiny ny Lalàna fa ireo Jiosy izay niantehitra tamin’ny fankatoavana azy io dia tsy hohamarinina ho amin’ny fiainana.

FAHAMARINANA NOHO NY FINOANA

Raha eo am-pamakiana ny bokin’ny Romana ianao, dia hahamarika ny fomba amaritan’i Paoly ny fanaporofoan-keviny amim-pitandremana, amin’ny fanohanana ny fanambarana ataony amin’ny alalan’ny teny avy ao amin’ny Soratra hebreo. Rehefa miresaka amin’ireo Jiosy, izay nety ho nahita fa sarotra ny nanaiky ny fampianarany azo tamin’ny tsindrimandry, izy dia mampiseho firaiketam-po sy fiahiana. (Romana 3:1, 2; 9:1-3) Na dia izany aza, dia mampiseho ny fanaporofoan-keviny amim-pahazavana miavaka sy fandrindran-kevitra tsy azo kianina izy.

Ao amin’ny Romana toko voalohany ka hatramin’ny toko faha-4, i Paoly dia manomboka amin’ny filazana ny fahamarinana fa meloka ho nanota avokoa ny olona rehetra. Noho izany, ny hany fomba hahafahana manamarina ny olombelona dia noho ny finoana. Marina fa ireo Jiosy dia niezaka ny ho marina tamin’ny fanarahana ny Lalàn’i Mosesy, kanefa tsy nahomby tamin’izany izy ireo. Noho izany no nilazan’i Paoly tamim-pahasahiana hoe: “Mpanota avokoa na ny Jiosy na ny jentilisa.” Manaporofo io fahamarinana tsy eken’ny rehetra io amin’ny fanononana teny maro be avy ao amin’ny Soratra masina izy. — Romana 3:9.

Koa satria “tsy misy nofo hohamarinina amin’ny asan’ny lalàna”, dia inona no fanantenana ho azy ireo? Hohamarinin’Andriamanitra maimaimpoana ny olombelona noho ny sorom-panavotan’i Jesosy. (Romana 3:20, 24) Mba hahafahan’izy ireo hahazo izany, dia tsy maintsy manana finoana io sorona io izy. Zava-baovao ve io fampianarana fa ny olombelona dia hohamarinina noho ny finoana io? Tsy izany velively. Ny tenan’i Abrahama dia nohamarinina noho ny finoana talohan’ny nanokafana ny Lalàna. — Romana 4:3.

Rehefa avy nanorina ny maha-zava-dehibe ny finoana i Paoly dia miresaka ny amin’ny fototry ny finoana kristiana ao amin’ny toko faha-5. Izany dia Jesosy, izay, tamin’ny fanarahana fiainam-pahamarinana, dia manafoana ny vokatra ratsin’ny otan’i Adama ho an’ireo izay manam-pinoana Azy. Araka izany, ny “nahatongavan’ny fanamarinana ho amin’ny fiainana (...) ho an’ny olona rehetra [dia] noho ny fahamarinana iray”, fa tsy noho ny fankatoavana ny Lalàn’i Mosesy akory. — Romana 5:18.

FAMALIANA FANOHERANA

Kanefa, raha tsy eo ambanin’ny Lalàna ny kristiana, inona àry no hanakana azy tsy hanao fahotana ka hiantehitra amin’ny fanamarinana azy ihany, noho ny hatsaram-pon’Andriamanitra ho an’ny tsy mendrika akory? Mamaly io fanoherana io i Paoly ao amin’ny Romana toko faha-6. Efa maty raha ny amin’ny fomba fiaina feno fahotana tamin’ny lasa ny kristiana. Ny fiainany vaovao ao amin’i Jesosy dia manery azy hiady amin’ny fahalemen’ny tenany. Izao no fampirisihany: “Aza avela ny ota hanjaka amin’ny tenanareo mety maty hanarahanareo ny filany.” — Romana 6:12.

Ary ireo Jiosy ve fara faharatsiny tsy tokony mbola hifikitra amin’ny Lalàn’i Mosesy? Ao amin’ny toko faha-7 i Paoly dia manazava amim-pitandremana tsara fa tsy izany no izy. Toy ny maha-afaka ny vehivavy manambady iray amin’ny lalàn’ny vadiny raha maty io, dia toy izany koa fa ny fahafatesan’i Jesosy dia nanafaka ireo Jiosy nino tamin’ny fifehezan’ny Lalàna. Hoy i Paoly: “Hianareo koa (...) dia efa natao maty ny amin’ny lalàna noho ny tenan’i Kristy.” — Romana 7:4.

Midika ve izany fa nisy zavatra diso teo amin’ny Lalàna? Tsia dia tsia tokoa. Tanteraka ny Lalàna. Ny nanahirana dia ny tsy nahafahan’ny olona tsy tanteraka hankatò ny Lalàna. “Fantatsika fa araka ny fanahy ny lalàna”, hoy ny nosoratan’i Paoly, “fa izaho kosa nofo, namidy ho andevon’ny ota.” Ny olombelona tsy tanteraka iray dia tsy afaka ny hanaraka ny Lalàn’Andriamanitra tanteraka, ka noho izany dia helohin’izy io. Endrey àry ny maha-tsara ny hoe “tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesosy”! Ireo kristiana voahosotra dia natsangan’ny fanahy ho tonga zanak’Andriamanitra. Ny fanahin’i Jehovah no manampy azy ireo hiady amin’ny tsy fahatanterahan’ny nofo. “Iza no hiampanga ny olom-boafidin’Andriamanitra? Andriamanitra no manamarina azy.” (Romana 7:14; 8:1, 33). Tsy misy na inona na inona afaka mampisaraka azy amin’ny fitiavan’Andriamanitra.

NY FAHAMARINANA SY IREO JIOSY ARA-NOFO

Raha tsy ilaina intsony ny Lalàna, manao ahoana ny toerana misy ny firenena Isiraely? Ary ahoana ny amin’ireo andinin-teny rehetra izay mampanantena ny famerenana ny Isiraely ho amin’ny toerany taloha? Ireo fanontaniana ireo dia noraisina ao amin’ny toko faha-9 ka hatramin’ny toko faha-11 amin’ny Romana. Ny Soratra hebreo dia nanambara mialoha fa olom-bitsy avy amin’ny Isiraely monja no ho voavonjy, ary koa fa Andriamanitra dia hampitodika ny sainy ho amin’ireo firenena (tsy jiosy). Mifanaraka amin’izany, ireo faminaniana momba ny famonjena ny Isiraely dia tanteraka, tsy teo amin’ny Isiraely ara-nofo akory, fa teo amin’ny kongregasiona kristiana, izay voaforona Jiosy ara-nofo nino vitsy ary nofenoin’ny Jentilisa tso-po maro. — Romana 10:19-21; 11:1, 5, 17-24.

IREO FOTOPOTO-PITSIPIKY NY FAHAMARINANA

Ao amin’ny Romana toko faha-12 ka hatramin’ny faha-15, i Paoly dia manohy manazava ny amin’ny fomba azo ampiharina sasantsasany izay hahafahan’ireo kristiana voahosotra hiaina mifanaraka amin’ny nanamarinana azy. Hoy izy, ohatra: “[Atolory] ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany. Ary aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina.” (Romana 12:1, 2) Tokony hatoky ny herin’ny tsara isika ka tsy hamaly ratsy ny ratsy.” Aza mety ho resin’ny ratsy hianao, fa reseo amin’ny soa ny ratsy”. — Romana 12:21.

I Roma no foiben’ny fahefana ara-politika tamin’ny andron’i Paoly. Noho izany no nananaran’i Paoly ny kristiana tamim-pahendrena hoe: “Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe. Fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin’Andriamanitra.” (Romana 13:1) Ny fomba fifandraisan’ny kristiana amin’izy samy izy dia anisan’ny fomba fiaina mifanaraka amin’ny fahamarinana ihany koa. “Aza avela hisy tsy voaloa na amin’iza na amin’iza”, hoy i Paoly, “afa-tsy ny fifankatiavanareo ihany; fa izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalàna.” — Romana 13:8.

Ankoatra izany, ny kristiana dia tokony hifampihevitra ny fieritreretan’ny namany avy fa tsy hitsara ny hafa. Mampirisika toy izao i Paoly: “Aoka isika hiezaka hitady ny momba ny fiadanana sy ny momba ny fifampandrosoana.” (Romana 14:19) Torohevitra tsara dia tsara re izany tokony hampiharin’ny kristiana iray amin’ny lafiny rehetra eo amin’ny fiainany! Avy eo, ao amin’ny toko faha-16, i Paoly dia mamarana amin’ny teny fiarahabana manokana ary amin’ny teny fampaherezana sy torohevitra farany.

NATAO HO AN’NY VOAHOSOTRA SY NY ONDRY HAFA

Ny fotokevitra resahina ao amin’ny Romana dia zava-dehibe tamin’ny taonjato voalohany ary mbola iankinan’ny aina ihany amin’izao andro izao. Tokony hahaliana mafy ny mpanompon’i Jehovah rehetra ny momba ny fahamarinana sy ny fiainana mandrakizay. Marina fa nosoratana ho an’ny kongregasiona voaforona kristiana voahosotra ny bokin’ny Romana, ary anefa ankehitriny ny ankamaroan’ny Vavolombelon’i Jehovah dia anisan’ny “olona betsaka” manana fanantenana ny ho eto an-tany. (Apokalypsy 7:9) Kanefa io taratasy io dia manana hafatra iankinan’ny aina ho an’ireo koa. Inona izany?

Ny bokin’ny Romana dia manaporofo fa ny kristiana dia hamarinina noho ny finoana. Ho an’ireo voahosotra, izany dia mba hahatongavany ho mpiara-manapaka amin’i Jesosy ao amin’ilay Fanjakana any an-danitra. Ireo anisan’ny olona betsaka koa anefa dia hamarinina, kanefa amin’ny maha-‘sakaizan’Andriamanitra’, toa an’i Abrahama patriarka. (Jakoba 2:21-23) Ny fanamarinana azy ireo dia mba hahafahany ho tafita velona amin’ny fahoriana lehibe, ary mifototra amin’ny finoany ny ran’i Jesosy, toy ny amin’ireo voahosotra ihany koa. (Salamo 37:11; Jaona 10:16; Apokalypsy 7:9, 14) Noho izany, ny fanjohian-kevitr’i Paoly ao amin’ny Romana dia zava-dehibe tokoa ho an’ny ondry hafa sy ny voahosotra. Ary ny torohevitra tsara dia tsara ao amin’io boky io momba ny fomba fiaina mifanaraka amin’ny nanamarinana antsika dia iankinan’ny aina ho an’ny kristiana rehetra.

The Book of Life, (Ny Bokin’ny Fiainana), natontan’ny Dokotera Newton Marshall Hall sy Irving Francis Wood, dia manambara hoe: “Raha ny amin’ny lafin’ny fandrindran-kevitra sy foto-pampianarana, [ny Romana] dia mahatratra ny fara tampony amin’ny fampianarana ara-tsindrimandry nataon’i Paoly. Feno fanajana, mahay mandanjalanja kanefa miteny amim-pahefana izy io. (. . .) Ny famakafakana io taratasy io dia mitondra valisoa sarobidy sady feno.” Nahoana ianao raha mamaky io boky io ho an’ny tenanao manokana ka mifaly noho ilay “vaovao tsara” raketiny, izay “herin’Andriamanitra ho famonjena.” — Romana 1:16, MN.

[Efajoro/Sary, pejy 25]

“Tsy misy fahefana [ivelan’ny fivavahana] afa-tsy izay avy amin’Andriamanitra.” Izany akory tsy milaza fa Andriamanitra no mametraka ny mpanapaka tsirairay eo amin’ny toerany. Misy kosa ireo mpanapaka ivelan’ny fivavahana ireo noho ny famelan’Andriamanitra azy ho eo fotsiny. Tamin’ny tarehin-javatra maro, dia hitan’Andriamanitra mialoha sy nambarany mialoha ireo mpanapaka olombelona ka noho izany dia “voatendrin’Andriamanitra.” — Romana 13:1.

[Efajoro/Sary, pejy 26]

Ilazana ny kristiana hoe: “Itafio Jesosy Kristy Tompo.” Izany dia midika fa tokony hanaraka ny dian’i Jesosy akaiky izy ireo, ka hanahaka azy amin’ny fametrahana ireo zavatra ara-panahy fa tsy ara-nofo eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainany, ka ‘tsy hiahy ny amin’ny nofo hahatanteraka ny filany.’ — Romana 13:14.

[Efajoro/Sary, pejy 26]

Nilaza tamin’ny Romana i Paoly mba ‘hifanao veloma amin’ny fanorohana masina.’ Tamin’izany anefa izy dia tsy nanorina fomba fanao kristiana na fombafomba ara-pivavahana vaovao. Tamin’ny andron’i Paoly, ny fanorohana teo amin’ny handrina, ny molotra na ny tanana mazàna dia fanehoana fiarahabana, firaiketam-po na fanajana. Noho izany àry dia tsy nanao afa-tsy ny nanonona fomba fanao nahazatra tamin’ny androny fotsiny i Paoly teo. — Romana 16:⁠16.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara