FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 1/11 p. 12-17
  • Enjehina, nefa sambatra!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Enjehina, nefa sambatra!
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny zava-kendren’ny Devoly
  • Nahoana Jehovah no mamela ny fanenjehana hisy?
  • Nahoana no sambatra na dia enjehina aza?
  • Aoka isika handroso amin’ny fijanonana ho mahatoky
  • Sambatra na dia Enjehina Aza
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
  • Miaritra fanenjehana ireo kristiana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Enjehina Noho ny Fahamarinana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Tohero i Satana, dia Handositra Izy!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 1/11 p. 12-17

Enjehina, nefa sambatra!

“Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana; fa azy ny fanjakan’ny lanitra”​—Matio 5:10

1. Karazam-panenjehana inona no napoakan’i Néron emperora romana?

NY sasany, rakotry ny hodi-biby, dia maty nohanin’ny alika; maro izay nahantona tamin’ny vokovoko, rehefa nidify ny andro, no nodorana mba hanazavana ny alina.” Toy izany no ilazalazan’i Tacite, mpanoratra tantara romana (Annales, boky faha-15, fehintsoratra faha-44) ireo fitondrana tsy mifaditrovana nampiharina tamin’ireo maritiora. Iza moa ireny maritiora ireny? Ireo kristiana, mpianatr’i Jesosy Kristy. Satria nisy tsaho niely fa tompon’andraikitra tamin’ny fandoroana an’i Roma (tamin’ny 64) izy, ny emperora Néron dia niezaka nanilika ny fahadisoana tamin’izy ireo. Toy izany no nipoahan’ny voalohany tamin’ireo kristiana teo amin’ny fara fahambonian’ny Empira romana.

2. a) Inona no nolazain’i Jesosy momba ireo “enjehina noho ny fahamarinana”? b) Inona no tokony ho fantatry ny Vavolombelon’i Jehovah mba hahasambatra na dia eo aza ny fanenjehana?

2 Tamin’ny fomba ahoana no nahafahan’ireo kristiana voalohany niaritra izany fanenjehana tsy nifaditrovana izany? Amin’ny ankapobeny kokoa, tamin’ny fomba ahoana no nahafahan’ireo vavolombelon’i Jehovah tamin’ny lasa sy amin’izao androntsika izao mitoetra ho falifaly na dia teo azan y fanorisorenana na ny fitondrana ratsy nampiharina tamin’izy ireo ho fikendrena ny handevonana ny finoana sy ny hevitra inoan’izy ireo (II Tesaloniana 1:3-5)? Marina tokoa fa nilaza tsara i Jesosy Kristy hoe: “Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana, fa azy ny fanjakan’ny lanitra.” (Matio 5:10). Kanefa, mba hahasambatra na dia eo aza ny fanenjehana, ny Vavolombelon’i Jehovah dia tokony hahalala hoe 1) inona no zava-kendren’ny Devoly rehefa manenjika azy ireo izy, 2) nahoana Jehovah no mamela ireny fanenjehana ireny hisy, 3) nahoana ireo mpanompon’Andriamanitra no mety ho sambatra na dia eo azan y fanenjehana, 4) ahoana no hiomanana hiaritra ny fanenjehana ary 5) ahoana no ahazoana miaritra izany amim-pahombiazana.

Ny zava-kendren’ny Devoly

3, 4. a) Iza no tena loharano ipoiran’ny fanenjehana mahazo ireo Vavolombelon’Andriamanitra? b) Ahoana no nampihariharian’i Jesosy ilay loharano ipoiran’ny fanenjehana indrindra?

3 Ireo mpitondra romana dia tsy nanana na inona na inona natahorana ireo Kristiana izay tia tamim-pahatsorana ny fandriampahalemana. Ankoatr’izany, ireny vavolombelon’i Jehovah ireny dia naneho fanekena voafetra an’ireo “fahefana lehibe”, izany hoe ny fitondram-panjakana. ‘Nandoa ho an’i Kaisara izay an’i Kaisara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra’ izy ireo. (Romana 13:1-7; Matio 22:21). Ireo emperora romana dia tsy nahalala fa tao ambadika niafina dia nisy olona tsy nitsahatra ny namelona fankahalana an’ireo vavolombelon’i Jehovah ary izany dia hatramin’ny andron’i “Abela marina”. (Matio 23:33-36; Hebreo 11:4, 32-40; 12:1.) Io zavaboary ratsy io, ilay loharano ipoiran’ireny fanenjehana ireny hatramin’izao androntsika izao, dia tsy iza fa i Satana Devoly. Amin’ny maha-fahavalon’Andriamanitra sy ny vahoakany azy dia “mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany” izy.​—1 Petera 5:8.

4 Nampiomana imbetsaka ireo mpianany Jesosy fa henjehina izy ireo. Ohatra, nilaza tamin’izy ireo izy hoe: “Ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony. Raha nanenjika Ahy izy [izany tokoa no nitranga], dia hanenjika anareo koa.” (Jaona 15:20; 16:2; Matio 10:22, 23). Ambonin’izany, Jesosy dia tsy namela fisalasalana mihitsy raha ny amin’ny maha-izy ilay mpamporisika lehibe indrindra io fanenjehana io rehefa nanambara tamin’ny anankiray tamin’ireo “fiangonana [kongregasiona, MN] fito” izy hoe: “Indro, ny Devoly efa hanao ny sasany aminareo ao an-trano-maizina, mba ho voazaha toetra hianareo.” (Apokalypsy 1:1, 4; 2:10). Nefa inona no zava-kendren’ny Devoly amin’ny fanenjehana ireo vavolombelon’i Jehovah?

5. Inona no zava-kendren’ny Devoly amin’ny fanenjehana ireo mpanompon’i Jehovah?

5 Satana dia mamely matetika ary manenjika ireo mpanompon’i Jehovah mba hanerena azy ireny hiala amin’ny finoany. Tiany ny hanapaka ny fifandraisan’izy ireo sarobidy amin’ny Rainy any an-danitra. Ankoatr’izany, raha vao tamin’ny nidiran’ny fahotana dia nanambara Jehovah Andriamanitra fa hisy fifandrafiana amin’ny ‘vadiny’ ara-panoharana sy ny “menarana”, ary amin’ny ‘taranak’izy ireo’ avy (Genesisy 3:14, 15). Nanondro an’ilay bibilava tamin’ny fomba tsy misy iadian-kevitra ho Satana i Jesosy ary nanambara tamin’ireo mpanenjika azy fa avy amin’ny ‘Devoly rainy’ izy ireo, noho izany dia ‘taranak’ilay’ Fahavalo (Jaona 8:31-59). Amin’izao “andro farany” izao, dia fohy ny fotoana tavela ho an’ny Devoly; noho izany dia lehibe ny fahatezerany (II Timoty 3:1-5; Apokalypsy 12:7-17). Ny fifandrafiana amin’ireo ‘taranaka’ roa ireo àry dia misy foana, ary ny tsirairay avy amin’ny farany dia tsy maintsy hiandany amin’ny taranak’Andriamanitra na amin’ny an’ny Devoly (Jereo I Jaona 3:10). Raha misy olona manompo amim-pahatokiana an’i Jehovah Andriamanitra àry dia enjehina izy. Hiahy ny amin’izany Satana Devoly.​—II Timoty 3:12.

6. Raharaha lehibe inona no napoitran’i Satana, ary inona no nolaviny momba ny olombelona?

6 Nanda ny fiandrianana na fanapahana manerana izao rehetra izao ary koa ny fahatokian’ireo olombelona eo anatrehan’Andriamanitra Satana rehefa hoe tratry ny fisedrana izy ireo. Ohatra, ny tsy fivadihana amin’Andriamanitra no voakasika rehefa nampipoaka ny fanenjehana an’i Joba i Satana, ka ny vadiny sy ireo “mpampionona” telo dia niasa, na tsapany na tsia, ho an’ny fikasan’ny Devoly (Joba 1:8 ka hatramin’ny 2:9; 16:2; 19:22, 28). Araka izay asehon’ny zava-nitranga mazava tamin’io patriarka io, ny Devoly dia nihantsy an’i Jehovah tamin’ny filazana fa tsy hisy olombelona hijanona ho mahatoky eo anatrehany raha toa izy, Satana izany, nomen-dalana hisedra ny olombelona. Manenjika ireo vavolombelon’i Jehovah àry izy mba hanamontsanana ny tsy fivadihan’izy ireo sy hanamarinana ny fihantsiany.

7. Inona no ampy hahatandindomin-doza ny finoan’ny kristiana anankiray, nefa tamin’ny fomba ahoana no nanoheran’i Jesosy ny fakam-panahy?

7 Fantatr’i Satana fa “fiankohofana [fanolorana fankalazana, MN] iray monja dia ampy hahatandindomin-doza ny finoan’ny kristiana iray ary hanohana ny fihantsiany, dia ny hoe tsy misy olombelona tratry ny fisedrana na ny fanenjehana hitoetra ho mahatoky eo anatrehan’Andriamanitra. Inoan no nambaran’ny Devoly rehefa nampiseho an’i Jesosy “ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao mbamin’ny voninahiny” izy? “Izao rehetra izao dia homeko Anao, raha hiankohoka [hanolotra fankalazana, MN] eto anatrehako Hianao.” Nefa tamin’ny fandavany mahery sy ny fahatokiany dia nanohana ny fanompoam-pivavahana marina i Jesosy ary niandany tamin’i Jehovah tamin’ny raharaha lehibe momba ny fanapahana manerana izao rehetra izao ka nanaporofo fa mpandainga ny Devoly.​—Matio 4:8-11.

8, 9. a) Ahoana no nampisehoan’ireo kristiana voalohany fa tsy naniry hanatanteraka “fanolorana fankalazana” teo anatrehan’i Satana izy ireo? b) Karazana fisedrana mitovy amin’izany inona no natrehin’ireo kristiana tamin’izao taonjato faharoapolo izao, ary fihetsika inona no narahin’izy ireo?

8 Nety àry raha nanda tsy hanao na dia “fanolorana fankalazana” fotsiny aza izy ho nanohana ny fiandaniana tamin’i Satana ireo kristiana nahatoky tamin’ny taonjato voalohany. Izany no antony tsy netezan’ireo mpianatra mahatokin’i Kristy nandoro emboka ho fanomezam-boninahitra ny emperora romana, na dia namoizan’izy ireo ny ainy aza izany. Momba izany dia nanoratra i Daniel Mannix hoe: “Vitsy kely ireo kristiana niala, na dia mazàna aza nanomanana alitara nirehetan’ny afo tao amin’ny kianja, ho azy ireo. Mandraraka emboka indray mitsingina, izay fotsiny no notakina tamin’ny mpigadra iray; nomena taratasy fanamarinana ho nanao Sorona izy ary dia afaka. Nohazavaina taminy tamim-pitandremana koa fa tsy mivavaka amin’ny emperora izy: niaiky fotsiny ny amin’ny toetr’andriamanitry ny emperora izay toy ny filohan’ny Fanjakana romana izy. Kanefa saika tsy nisy kristiana na dia iray aza nanararaotra izany mba ho afaka.” (Ireo izay ho faty [anglisy], pejy faha-137). Ho ampy ny hanaovan’ireo kristiana “fanolorana fankalazana” iray monja karazan’izany mba hahafa-po an’i Satana.

9 Tamin’izao taonjato faharoapolo izao dia nisy kristiana niharan’ny fisedrana karazan’izany. Taorian’ny fisamborana azy ireo sy nandritra ny fitazonana tany amin’ny toby fitanana nazia, ireny Vavolombelon’i Jehovah ireny dia niharan’ny fanerena mafy imbetsaka izay nikendry ny hahafoizan’izy ireo an’i Jehovah sy hamelany izay rehetra fifandraisana amin’ny vahoakany any aoriana. Ho fikendrena izany, ireo nazia dia nanomana fanambarana izay nangatahiny hosoniavin’ireo Vavolombelon’i Jehovah ho takalon’ny fahafahan’izy ireo. Izay nirin’izy ireo fotsiny dia sonia. Nefa Vavolombelona vitsy no nanao sonia.

10. Nahoana no tsy ho fahendrena ny hanaovana fileferana na dia kely monja aza noho ny fanantenana ny hovotsorana sy ho afaka hitory araka izany?

10 Amin’ny fahafantarana ny antony ampipoahan’i Satana ny fanenjehana ny vavolombelon’i Jehovah, dia enga anie isika tsy hanaiky velively ho resin’ny fakam-panahy avy amin’ny devoly natao hisorohana fisedrana iray mba hanalavirana fahasahiranana. Aoka isika tsy ho diso ihany koa amin’ny fiheverana tsy an-drariny fa noho ny fileferana toa kely dia kely dia ho afaka hahita haingana fahafahana isika ary dia hanohy hitory araka izany. Izay rehetra fileferana mahakasika ny tsy fivadihantsika dia mety hidika ho fahalavoana tanteraka (jereo Matio 13:21; Galatiana 6:12). Raha toa ny fileferana iray ka “fanolorana fankalazana”, dia tsy mendrika hiaro ireo tombontsoan’ny Fanjakan’i Jehovah intsony isika amin’izay. Mety ho azontsika antoka fa asa iray monja handrava ny tsy fivadihantsika dia ho ampy hampifaly ny Devoly. Kanefa tsy irintsika marina tokoa ny hahafaly azy. Miezaka kosa aza isika hampifaly ny fon’i Jehovah amin’ny fijanonana ho mahatoky eo anatrehany, ary izany dia hahafahany mamaly ilay Mpihantsy lehibe.​—Ohabolana 27:11.

Nahoana Jehovah no mamela ny fanenjehana hisy?

11. Inona no antony lehibe indrindra amelan’i Jehovah ny mpanompony henjehina?

11 Ny Raintsika any an-danitra dia ho afaka hisakana ny fanenjehana ireo mpanompony, nefa hafa ny fanapahan-keviny. Amin’ny fahafantarana ny antony namelany izany hisy, dia azontsika atao ny ho sambatra na dia enjehina aza. Raha leferin’i Jehovah ny fanenjehana, dia satria alohan’ny zavatra rehetra, mifandraika amin’ny raharaha momba ny fanapahana izao rehetra izao izany. Marina tokoa fa izay rehetra vavolombelon’i Jehovah mitoetra ho tsy mivadika na dia eo aza ireo fisedrana avy amin’ny Devoly dia manaporofo fa mpandainga izy io; manamarina izany fa na dia ny olombelona tsy lavorary iray aza dia afaka hijanona ho mahatoky eo anatrehan’Andriamanitra na dia ao aza ny fisedrana na fanenjehana tsy mifaditrovana. Ireo mahatoky dia miandany amin’Andriamanitra ny amin’io raharaha io ary manohana ny zony ara-dalàna hanapaka amin’ny maha-Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao. Endrey izany fifaliana ho afaka hitondra porofo fanampiny fa “ambonin’ny zavatra rehetra izy”!​—Salamo 47:10, Bible en français courant.

12, 13. Noho ny antony hafa inona no handeferany ny fanenjehana ireo mpanompony ary karazana kristiana manao ahoana amin’ny farany no hanana toerana ao amin’izay nomanin’Andriamanitra?

12 Mamela ny fanenjehana hisy koa Jehovah mba hisedrana ny fahatokian’ireo manolo-tena ho azy. Nanangona “olona nalainy ho fananana manokana izy, ireo kristiana voahosotry ny fanahy”, mba ‘hanambarany ny hatsarany’. (I Petera 2:9.) Efa eo ‘am-pampihorohoroana ny firenena rehetra’ koa Andriamanitra “ka ho avy izay irin’ny firenena rehetra”​—ireo olombelona nahazo ny fankasitrahany​—mba hampidirana ao amin’ny ‘tranony’ fanaovana fanompoam-pivavahana ary hameno voninahitra izany (Hagay 2:7; jereo Zakaria 8:23). Noho izany, ireo olombelona manana fanantenana ho any an-danitra sy ireo maniry hiaina mandrakizay eo amin’ny tany lasa paradisa dia nanolo-tena tamin’Andriamanitra mba hanjary kristiana sy vavolombelon’i Jehovah.​—Lioka 23:43, MN; Apokalypsy 7:1-17.

13 Nefa moa ve ireo kristiana rehetra ireo tsy ankanavaka dia hanana toerana ao amin’ny “lanitra vaovao” sy ny “tany vaovao” amin’ny farany? (Apokalypsy 21:1.) Tsia, tsy izy rehetra (Salamo 151-5; Matio 22:14). Ireo izay niseho ho tsy mahatoky dia tsy hanana toerana ao amin’izay nomanin’Andriamanitra hatao. Koa ratsy tsy loharano nisehoan’ny fanenjehana àry Jehovah dia mamela izany hisy ihany mba hampihatahana ireo mpivadika amin’ny vahoakany ka hitazonana eo anivony ireo olona izay ny fahatokiany dia tsy azo lavina, ireo izay tia azy amim-pahatsorana (Matio 22:37, 38; 25:31-33; II Korintiana 13:5). Enga anie isika mba ho anisan’ireo miaritra amim-pahatokiana ny fanenjehana ary hahazo tombontsoa araka izany “hanompo Azy [Jehovah Andriamanitra] tsy amin-tahotra amin’ny fanompoana masina, amim-pahatokiana sy fahamarinana eo anatrehany amin’ny andro rehetra iainantsika”, ary ho mandrakizay aza.​—Lioka 1:68, 69, 74, 75, MN.

Nahoana no sambatra na dia enjehina aza?

14. Araka ny nolazain’i Jesosy, inona no mamela ho sambatra na dia eo aza ny fanenjehana?

14 Nampiharihary tsara ny fanantenana ilay Fanjakana Jesosy Kristy rehefa nilaza hoe: “Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana; fa azy ny fanjakan’ny lanitra.” (Matio 5:10). Toerana ao amin’ilay Fanjakana any an-danitra miaraka amin’i Kristy, izany tokoa no loka kanto atokana ho an’ireo mpianatr’i Jesosy voahosotra izay miaritra amim-pahatokiana ny fanenjehana (Lioka 12:32; Apokalypsy 2:10; 14:1; 20:6). Fa raha ny amin’ireo vavolombelon’i Jehovah mahatoky hafa izay manana fanantenana ho etỳ an-tany, izy ireo dia manana fanantenana mamirapiratra ny hiaina mandrakizay eo amin’ny tany paradisa (Lioka 23:43, MN; Jaona 10:16; 17:3; Apokalypsy 7:9, 10, 14). Tsy azo lavina fa azo atao ny ho sambatra na dia eo aza ny fanenjehana, raha tahiny anefa ka tsy manadino ny fanantenana ilay Fanjakana.​—Romana 12:12.

15. Inona no fifamatorana misy amin’ny fiandrianan’i Jehovah sy ilay Fanjakana, ary inona no fifandraisan’izany rehetra izany amin’ny fahasambarantsika na dia eo aza ny fanenjehana?

15 Ny fiandrianana na fanapahan’i Jehovah manerana izao rehetra izao dia tsy azo sarahina fa mifamatotra amin’ilay Fanjakana, satria amin’ny alalan’ilay Fanjakana no hanamasinan’Andriamanitra ny anarany. Amin’ny maha-vavolombelon’i Jehovah mahatoky sy mpitory io Fanjakana io, dia manohana ny fanapahan’Andriamanitra isika, ary izany dia antony iray amboniny mahasambatra na dia eo aza ireo fahoriana (Isaia 43:10-12; Matio 6:9, 10). Enga anie àry isika ho afaka hitoetra ho mahatoky eo anatrehan’Andriamanitra noho ny fanampiany sy hanaporofo amin’izany fa mandainga ny Devoly rehefa milaza fa tsy hisy olombelona sedraina ka ho afaka handresy (Joba 27:5)! Izay rehetra mety ho kristiana enjehina dia afaka ny ho sambatra tokoa raha miandany amin’i Jehovah amin’ilay raharaha lehibe tafiditra.​—Jereo Asan’ny apostoly 4:24.

16. Nahoana no azo atao ny milaza fa ny fieritreretana madio dia manampy mba hahasambatra na dia eo aza ny fanenjehana?

16 Ireo mpitory ilay Fanjakana mijanona ho mahatoky na dia eo aza ny fanenjehana dia manana fieritreretana madio, ary izany dia mandray anjara ihany koa amin’ny fahasambaran’izy ireo. Ny kristiana sandoka iray dia miaritra henatra sy fijaliana an’eritreritra raha mijaly satria nanao ratsy. Mifanohitra amin’izany kosa raha enjehina noho ny fahamarinana satria vavolombelon’i Jehovah sy mpianatr’i Jesosy Kristy mahatoky ilay kristiana marina dia manandrana fifaliana ara-dalàna tokoa. Araka izany, na dia nokapohina aza ireo apostolin’i Jesosy dia “niala teo anatrehan’ny Synedriona, sady faly, satria natao miendrika hitondra fahafaham-baraka ho voninahitr’izany anarana izany [ny an’i Kristy]”. (Asan’ny apostoly 5:40, 41). Tahaka izany koa, rehefa avy nokapohina sy natsipy tany an-tranomaizina tany Filipy I Paoly sy Silasy dia tsy mba nalahelo ary tsy nijaly an’eritreritra toy ny hoe avy nanao zavatra ratsy. Mifanohitra amin’izany fa tamin’ny misasakalina dia “nivavaka sy nihira fiderana an’Andriamanitra” izy ireo. (Asan’ny apostoly 16:22-25.) Ny Vavolombelon’i Jehovah iray dia tsy tokony ho fantatra velively fa meloka noho ny vonoana olona, halatra na fandikana lalàna hafa, satria ahitany sazy izany ary angamba ambonin’izany ny fieritreretana tsy mandry. Mifanohitra amin’izany kosa dia mety ho sambatra izy raha mijaly noho ny fahamarinana.​—I Petera 2:11, 12; 3:13, 14; 4:15, 16.

17. Inona no handray anjara indrindra amin’ny fahasambarantsika raha enjehina isika satria manohana ilay Fanjakana?

17 Ny fahalalana fa hoe ankasitrahan’i Jehovah isika ary manome voninahitra azy dia handray anjara indrindra amin’ny fahasambarantsika raha toa isika enjehina satria nanohana ilay Fanjakana. Na dia hoe tratry ny fanerena faran’izay mafy aza isika dia amin’ny ‘fandehanana araka ny sitrapon’Andriamanitra’ alohan’ny zavatra rehetra no hanohizana ho anankiray amin’ireo mpanompony falifaly (I Tesaloniana 4:1). Ankoatr’izany, rehefa mijaly isika satria kristiana, dia tsy maintsy ‘mankalaza io anarana io ho voninahitr’Andriamanitra’. Aoka isika hihevitra fa rehefa mitoetra ho mahatoky na dia eo aza ny fanenjehana dia tsy hoe ankasitrahan’i Jehovah fotsiny isika fa ‘manohy manome voninahitra’ azy koa. (I Petera 4:16, The New English Bible; Traduction du monde nouveau.) Moa ve izany tsy antony mahafaly tokony hiaretana ny fanenjehana amin-kerimpo?

Aoka isika handroso amin’ny fijanonana ho mahatoky

18. Tokony ho tapa-kevitra hanao inona moa ny Vavolombelon’i Jehovah?

18 Mazava fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia manana antony tsara mahasambatra na dia enjehina aza. Noho ny fanampian’Andriamanitra dia aoka àry isika ho tapa-kevitra tahaka an’i Davida mpanao salamo izay nihiaka hoe: “Fa izaho kosa dia handeha amin’ny tsy fivadihako.”​—Salamo 26:11, MN.

19. Fanontaniana inona avy no mendrika hodinihina?

19 Amin’ny maha-kristiana mahatoky dia afaka ny ho sambatra isika na dia eo aza ny fanenjehana satria fantatsika ny hoe inona no zava-kendren’i Satana rehefa manapoaka fahoriana toy izany hamelezana antsika izy. Takatsika koa ny antony amelan’i Jehovah Andriamanitra ny mpanompony henjehina. Kanefa raha manana antony hifaliana isika na dia eo aza ny fanenjehana, dia inona no azontsika atao mba hiomanana hiaritra izany? Ary ahoana no ahafahana miaritra fanenjehana mahery vaika, eny, tsy mifaditrovana aza?

Famerenana

◻ Inona no zava-kendren’i Satana amin’ny fanenjehana ireo mpanompon’i Jehovah?

◻ Raharaha inona no napoitran’i Satana ary inona no nolaviny momba ny olombelona?

◻ Nahoana Jehovah no mamela ny mpanompony henjehina?

◻ Nampiharihary tsara antony ahafahantsika ho sambatra Jesosy rehefa “enjehina noho ny fahamarinana” isika. Inona izany?

◻ Inona no mahasambatra antsika na dia eo aza ny fanenjehana?

[Sary, pejy 15]

Rehefa nalaim-panahy Jesosy dia nanda tsy hanatanteraka fanolorana fankalazana eo anatrehan’i Satana

[Sary, pejy 16]

Ny fanantenana ilay Fanjakana dia mamela ho sambatra na dia eo aza ny fanenjehana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara