FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 1/11 p. 18-22
  • Miaritra fanenjehana ireo kristiana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Miaritra fanenjehana ireo kristiana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Aoka isika hiomana ho amin’ny fanenjehana
  • Aoka isika hiaritra fanenjehana
  • Tsinontsinona ny fankahalan’i Satana
  • Tsy hahafoy antsika ny Mpamorona antsika
  • Enjehina, nefa sambatra!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Enjehina Noho ny Fahamarinana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Ho Vitanao ny Hiaritra Fanenjehana
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Miomàna dieny izao ho amin’ny fanenjehana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 1/11 p. 18-22

Miaritra fanenjehana ireo kristiana

1, 2. Inona no fihetsiky ny Vavolombelon’i Jehovah eo anoloan’ny fanenjehana, nefa inona no fanontaniana mipetraka?

NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH dia tsy mitady ny ho maritiora, nefa fantatr’izy ireo fa “izay rehetra te-ho velona amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, izay ao amin’i Kristy Jesosy, dia enjehina”. (II Timoty 3:12.) Mahakivy azy ireo ve izany?

2 Tsia, satria ireo kristiana mahatoky dia afaka ‘miaritra fanenjehana’. (I Korintiana 4:12.) Nefa ahoana no ahafahantsika miomana mba hiaretana ireo fijaliana alohan’ny hahatraran’izany antsika?

Aoka isika hiomana ho amin’ny fanenjehana

3. Inona ireo fomba sasantsasany hahafahana miomana mba hiaretana ny fanenjehana?

3 Ny lahatsorata teo aloha dia nanolotra fomba maromaro mba hiomanantsika hiaritra ireo fanenjehana. Ohatra, tokony hotadidiantsika ny zava-kendren’ny Devoly: ny hanapaka ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. Enga anie, noho ny hatsaram-pon’i Jehovah amin’izay tsy mendrika akory, ka tsy ho tonga na oviana na oviana izany! Azontsika atao koa ny mieritreritra ny antony amelan’Andriamanitra ny fanenjehana hisy. Satria alohan’ny zavatra rehetra, dia napoitra ny raharaha momba ny fanapahana izao rehetra izao, nefa koa mba hisedrana ny fahatokiantsika. Aoka àry isika ho tapa-kevitra ny hanohana amim-pahatokiana ny fiandrianan’i Jehovah amin’ny fiankinana amin’ny fanampiany. Fomba iray hafa hiomanantsika mialoha koa dia ny fanaovana hatrany ao am-pontsika ny fanantenana ilay Fanjakana.

4, 5. Ahoana no ahafahantsika mampiorina mafy ny finoantsika mba hiomanana hiaritra ny fanenjehana?

4 Mba hahavonona hiaritra ny fanenjehana dia ilaintsika ny mampiorina mafy isan’andro ny finoantsika, ny herim-pontsika ary ny fahaizantsika miaritra. Mba hananana finoana marina dia tsy maintsy ilaina ny hitiavana amim-pahatsorana an’i Jehovah, ary izany dia mitaky fahalalana marina ny Teniny. Tsy maintsy vakina sy ianarana tsy tapaka àry ny Soratra Masina ary koa ireo zavatra vita an-tsoratra kristiana. Ankoatr’izany, ny fifaneraserana amin’ireo rahalahintsika mpino ao amin’ny fanompoam-pivavahana sy ny fanompoana an’i Jehovah dia tsy maintsy ilaina mba hikolokoloana finoana matanjaka.​—Hebreo 10:23-25; 12:28; Apokalypsy 7:9, 10, 15.

5 Mba hiomanantsika hiaritra ireo fanenjehana dia tokony ‘handeha araka ny fahamarinana’ koa isika, izany hoe hiaina izany isan’andro, hanaiky mandrakariva ‘hotarihin’ny fahamarinana’. (III Jaona 3, 4, MN; The Twentieth Century New Testament, fanontana nohavaozina.) Raha manaiky hotarihin’Andriamanitra isika rehefa mahita fisedrana kely isan’andro, dia hampitombo ny finoantsika azy sy ny lalany. Mifamadika amin’izany, ny finoantsika dia hanosika antsika hanaiky ‘hotarihin’ny fahamarinana’ raha sendra ka enjehina isika.

6. Amin’ny ahoana ny vavaka no afaka manampy antsika hiomana ho amin’ny fanenjehana?

6 Ny fahazarana mivavaka tsy tapaka amin’i Jehovah dia mampanakaiky antsika aminy, ary izany koa dia manampy antsika hiomana ho amin’ny fanenjehana. Arakaraka ny hianteherantsika amin’ny Raintsika any an-danitra amin’ny fampiasana ny vavaka no hampitomboantsika ny fatokisantsika azy (II Korintiana 1:8-10). Ho mafy aoka izany àry ny fifandraisantsika amin’i Jehovah ka tsy hisy fahavalo, olombelona na demonia, ho afaka hanapaka izany.​—Jereo Salamo 9:1-6; I Jaona 2:12-14.

Aoka isika hiaritra fanenjehana

7. Rehefa enjehina isika, inona no azon’Andriamanitra atao raha tsy manan-kery intsony isika?

7 Nefa rehefa tonga tokoa ny fanenjehana, indrindra fa raha mahery vaika, ahoana no ahafahana miaritra izany? Ny hery avy amin’i Jehovah dia tena ilaina. Tahaka an’i Paoly dia mila “ny hery mihoatra ny hery fahita” isika ary tokony hivavaka mba hahazoana izany (II Korintiana 4:7-12, MN). Araka izany, amin’ny fianteherana tanteraka amin’ny Raintsika any an-danitra, dia ho azontsika atao ny hanana toky toy ny an’i Paoly izay nanambara hoe: “Afaka manao ny zavatra rehetra aho, ao amin’ilay [Jehovah] mampahatanjaka ahy.” (Filipiana 4:13, Grosjean & Léturmy). Na dia tsy manana hery ara-batana intsony aza isika, izay avy amin’i Jehovah dia tsy ho lany. Afaka manome hery ny mpanompony izy, ary manome azy izany (Isaia 40:28-31; 45:22-25). Raha miankina amin’i Jehovah isika, amin’ny fotoan-tsarotra dia homeny antsika ny hery ambony noho ny antsika. Aoka àry isika tsy hatahotra. Ny olombelona dia tsy afaka hanala afa-tsy ny fiainantsika ankehitriny, nefa Jehovah dia manana fahefana hanome antsika indray ny fiainana noho ny fananganana amin’ny maty.​—Salamo 46:1, 2; Lioka 12:4-7; Jaona 5:28, 29.

8. Nahoana ny vavaka no zava-dehibe tokoa mba hiaretana fanenjehana?

8 Tena ilaina ny mivavaka amin’i Jehovah mba hiaretana fanenjehana. Jesosy izay nizaka fijaliana betsaka dia nanana fifandraisana akaiky hatrany tamin’ny Rainy noho ny vavaka tamin-kafanam-po. Izao tokoa no vakintsika: “Tamin’ny andron’ny nofony, raha nanao fivavahana sy fangatahana nomban’ny fitarainana mafy sy ny ranomaso be tamin’Izay mahavonjy Azy tamin’ny fahafatesana Izy [Kristy], sady voahaino noho ny fahatahorany an’Andriamanitra.” (Hebreo 5:7). ‘Izay mandre vavaka’ dia hihaino antsika koa noho ny fahatahorantsika an’Andriamanitra (Salamo 65:2). Amin’ny fotoan’ny fanenjehana, dia tsy tafahoatra mihitsy ny fanantitranterana ny ilàna ‘hiaretana amin’ny fivavahana’, ny ‘hivavahana tsy tapaka’ ary ny ‘hahononan-tena ho amin’ny fivavahana’. (Romana 12:2; I Tesaloniana 5:17; I Petera 4:7.) Raha tsy izany, dia mety hieritreritra fotsiny ny toerana mampalahelo misy antsika sy ny fahoriantsika isika, ho resin’ny faniriana fanamaivanana, ny fironan’ny nofo, ary handa ny finoantsika.

9, 10. a) Amin’ny ahoana ny “fiadanan’Andriamanitra” no afaka manampy antsika raha enjehina isika? b) Inona no fantatsika ny amin’ny fihetsik’i Stefana teo anoloan’ireo mpanenjika azy?

9 Eo ambanin’ny fanerena, dia aoka hotadiavintsika “ny fiadanan’Andriamanitra”. Raha mivavaka amin’i Jehovah isan’andro isika, dia namboly fahazarana tsara ary tokony hanohy hanakaiky azy amim-pahatsorana raha misy fanenjehana. Tsara ny hangatahana aminy “ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra”. ‘Hiaro ny fontsika sy ny hevitsika ao amin’i Kristy Jesosy’ izany, ary izany dia hatramin’ny fahafatesantsika raha ilaina.​—Filipiana 4:6, 7.

10 Ny ohatr’i Stefana, maritiora kristiana voalohany, dia mampiharihary fa azo atao ny manana io fahatoniana tsy manan-tsahala io ao anatin’ny fanenjehana. Izao no tantarain’ny Baiboly, taloha kelin’ny nanosehan’ny fanahy masina an’i Stefana hanome fanambarana farany tena feno herim-po: “Ary izay rehetra nipetraka teo amin’ny Synedriona, raha nandinika an’i Stefana dia nahita ny tarehiny tahaka ny tarehin’anjely.” Tsy nanana ny endriky ny mpanao ratsy kivy izy, fa ny fisehoan’ny anjely, ny irak’Andriamanitra iray, matoky ny handray soa amin’ny fanohanan’i Jehovah. Nahery fo sy tony izy (jereo Jaona 14:27). Rehefa avy niampanga ny helok’izy ireo Stefana noho ny namonoana an’i Jesosy Kristy, ireo mpitsara “dia lotika ny fony, ka nihidy vazana taminy izy”. Nefa i Stefana, “feno ny Fanahy Masina, dia nibanjina ny lanitra ka nahita ny voninahitr’Andriamanitra sy Jesosy nitsangana teo ankavanan’Andriamanitra”. Nampiorenina tamin’io fahitana io izy ka afaka nisetra ireo mpitsara tsy marina ireo tamin-kerim-po, natoky fa nanao ny sitrapon’i Jehovah (Asan’ny Apostoly 7:52-56). Ireo kristiana amin’izao andro izao dia tsy manantena ny hahazo fahitana karazan’izany, nefa azon’izy ireo atao na dia izany aza ny miaritra ny fanenjehana amin’ny fahatoniana sahala amin’izany avy amin’Andriamanitra.

11. Karazana fisaintsainana inona moa no mety hanampy ireo mpanompon’i Jehovah hiaritra ny fanenjehana?

11 Saintsaino ny Teny, ny asa sy ny fikasan’i Jehovah. Na dia tsy manana Baiboly sy zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly aza isika, dia aoka hiankina amin’Andriamanitra. Tadidio ireo andininy sy fitantarana ao amin’ny Baiboly, mandritra ny andro sy amin’ny fotoana tsy ahitan-tory (jereo Salamo 77:2, 6, 11, 12). Eritrereto ny asan’i Jehovah mahagaga ho an’ny mpanompony nampahorina tamin’ny lasa. Ohatra, tadidio ny fomba nanafahany ny Isiraelita tamin’ny ziogan’ny egyptiana, ny fomba nanohanany an’i Daniela sy ireo namany hebreo telo lahy tamin’ny fisedrana azy ireo, ny fomba niarovany ireo Jiosy tamin’ny andron’i Mordekay sy Estera, ary ny fomba nanampiany ireo apostoly sy mpianatra hafa tamin’ny taonjato voalohany rehefa nenjehina noho ny fahamarinana izy ireo (Eksodosy 12:1 ka hatramin’ny 15:21; Daniela 3:1-30; 6:1-28; Estera 3:1 ka hatramin’ny 9:32; Asan’ny apostoly 4:1 ka hatramin’ny 5:42; 12:1-17; 14:1-7, 19, 20; 16:16-40; 18:12-17; 19:32-41; 21:26 ka hatramin’ny 26:32). Eritrereto koa ny fomba nanatanjahan’i Jehovah vao haingana kokoa ireo mpanompony nohidiana tany amin’ny toby nazia, tany amin’ny tranomaizina kaominista sy tany an-kafa. Rehefa enjehina ireo mpivavaka amin’i Jehovah dia afaka mahatakatra fa tohanan’ny “sandry mandrakizay”, ny an’Andriamanitra.​—Deoteronomia 33:27, Segond.

12. Rehefa enjehina isika, inona no tokony hotadidiantsika, ary toky inona no tokony hananantsika?

12 Hifarana ny fijaliana. Io hevitra io dia hanampy antsika koa hizaka ny fanenjehana. Ambonin’izany, ‘Andriamanitra dia hamaly fahoriana izay mampahory’, fa ho antsika kosa dia hanome fanamaivanana izy (II Tesaloniana 1:6-10). Noho izany, raha mijaly isika satria vavolombelon’i Jehovah, dia aoka hibanjina ny ho avy, matoky fa ny fahoriantsika dia hifarana ka ny tsy fivadihantsika dia hahazoantsika fitahiana betsaka avy amin’ny Raintsika any an-danitra. Mety ho arakaraka ny fandehan’ny fotoana dia hafahana avy any an-tranomaizina isika mba handray soa indray amin’ny fahafahana hanompo an’Andriamanitra tsy misy fanembantsembanana sy amim-pifaliana, amin’ny maha-mpitory ilay Fanjakana. Nefa na dia tsy tonga haingana aza izany dia tsy haharitra tsy hanam-pahataperana akory ny fijaliantsika. Azontsika atao ny miaritra azy ireny raha miantehitra tanteraka amin’i Jehovah isika ary miandry amin-toky ny fahatanterahan’ny teniny izay mampanantena antsika fitahiana tsy manan-tsahala ao amin’ny fandaharan-javany vaovao.​—Apokalypsy 21:1-4; II Korintiana 1:19, 20.

13. Fampaherezana inona no azontsika tovozina ao amin’ny 1 Korintiana 10:13?

13 Tsy havelan’Andriamanitra hosedraina mihoatra noho izay mety ho zakantsika isika. Nanome toky antsika ny amin’izany ny apostoly Paoly tamin’ireto teny ireto: “Ianareo izay tsy mbola nahazo fisedrana tsy zakan’olombelona, Andriamanitra dia mahatoky, tsy havelany hosedraina mihoatra izay zakanareo ianareo, fa amin’ny fisedrana dia hanome anareo ny hery hahazakana sy hivoahana amin’izany izy.” (I Korintiana 10:13, Grosjean & Léturmy). Tsy antsoina hiaritra fijaliana mitovy akory ny kristiana rehetra. Tsy tokony hisy hieritreritra àry fa tsy maintsy ary tsy azo sorohina ny hizakantsika fanenjehana faran’izay tsy mifaditrovana. Tsy handao antsika Jehovah ary tsy hamela ny hisedrana antsika amin’ny zavatra iray tsy ho azon’ny tenantsika manokana zakaina, na dia amin’ny fanampian’ny heriny sy ny fanahiny masina aza. Miharihary fa tokony hiantehitra aminy tsy misy fisalasalana isika ary hino izay lazain’ny Teniny. Nefa raha matoky tanteraka an’i Jehovah isika dia ho afaka hiaritra ny fanenjehana.​—Salamo 9:9, 10.

Tsinontsinona ny fankahalan’i Satana

14, 15. Tamin’ny ahoana Satana no voafitaka tamin’ny fanandramany hikendry handevona ny vahoakan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanenjehana?

14 Koa satria ireo vavolombelon’i Jehovah mahatoky tarihina ary ampian’ny Andriamaniny tsy manan-tsahala sy tsitoha amin-kery, Satana Devoly sy ireo olona voafitany izay nanenjika azy ireo dia tsy haharesy azy ireo na oviana na oviana. Na ny tenan’i Satana aza indraindray dia voafitaka tamin’ny fanandramana ny hikendry ny handevona ny vahoakan’i Jehovah. Raha ny tena izy, ny fanenjehana dia matetika nitsingerina tamin’ilay fahavalon’i Jehovah sy ny vahoakany, ary nandresy ny sitrapon’Andriamanitra.

15 Ho porofo, dia eritrereto ny “fanenjehana mafy” namelezana ny kongregasiona tany Jerosalema taorian’ny nahafatesan’i Stefana ho maritiora. Izao no vakintsika: “Ka dia niely tany amin’ny tany Jodia sy Samaria izy rehetra, afa-tsy ny Apostoly ihany.” Nefa ireo mpianatra niely toy izany dia “nandeha nitory teny tontolo eny [ny vaovao tsara, MN]” ary notahina ny fiezahan’izy ireo. Ohatra, ny tanànan’i Samaria dia vavolombelon’ny firoboroboana ara-panahy lehibe (Asan’ny apostoly 8:1-8). Nisy mpianatra hafa niely nitory tany Foinika, Kyprosy ary Antiokia any Syria. Araka izany, tany Antiokia, “ny tànan’ny Tompo [Jehovah, MN] nomba azy ireo, ka maro no isan’izay nino sy niverina ho amin’ny Tompo”. (Asan’ny Apostoly 11:19-21.) Tsy isalasalantsika fa izany rehetra izany dia nifanohitra tamin’izay nirin’ilay Mpanenjika lehibe voafitaka tanteraka.​—Jereo Filipiana 1:12-14.

16. Inona indraindray no ataon’ireo mpanenjika?

16 Isaky ny miaritra fanenjehana ny vavolombelon’i Jehovah mahatoky iray dia mampietry bebe kokoa an’i Satana amin’ny fanaporofoana fa mpandainga izy io. Ary rehefa lasa vavolombelon’Andriamanitra sy Kristy sy mijanona ho toy izany ny mpanenjika iray taloha, na dia eo aza ny fanenjehana izay zakainy kosa izao, dia tratry ny faharesena mahamenatra ny Devoly. Azo antoka fa tsy faly izy rehefa lasa anankiray amin’ireo mpianatr’i Jesosy nenjehina izay nandray anjara tamin-jotom-po tamin’ny fampielezana ny vaovao tsara i Paoly avy any Tarsosy, mpanenjika fahiny, na dia teo aza ny fanenjehana sy ny fahoriana maro.​—II Korintiana 11:23-27; I Timoty 1:12-16.

17. Rehefa enjehina izy ireo, inona no fihetsika tokony harahin’ny Vavolombelon’i Jehovah eo anoloan’ireo mpanenjika azy?

17 Tena zava-dehibe àry rehefa enjehina izy ireo ny hananan’ny Vavolombelon’i Jehovah fihetsika tsara eo anoloan’ny mpanenjika azy. Tsy feno fankahalana ireo nanenjika azy Stefana. Raha ny tena izy, rehefa nitora-bato azy izy ireo, dia nandohalika izy ary, talohan’ny natoriany tao amin’ny fahafatesana indrindra, izy dia “niantso tamin’ny feo mahery hoe: Tompo [Jehovah, MN] ô, aza atao ho helony anie izao ota izao.” (Asan’ny apostoly 7:57-60). Ankoatr’izany, Jesosy dia nanambara hoe: “Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo.”​—Matio 5:44; Romana 12:14; I Korintiana 4:11-13.

Tsy hahafoy antsika ny Mpamorona antsika

18. Inona no hitranga rehefa handefa ny fanafihany farany Satana hamelezana ny vahoakan’i Jehovah?

18 Miaina ny fotoan-tsarotra indrindra amin’ny tantaran’olombelona isika izao, fe-potoana izay isedrana sy anasivanana ireo rehetra manantitrantitra fa kristiana (jero Lioka 22:31, 32; I Petera 4:16, 17). Koa satria tsy manana fotoana betsaka intsony Satana, dia tsy ho ela dia handefa ny heriny rehetra amin’ny famelezana farany hanoherana ireo mpanompon’i Jehovah. Nefa Andriamanitra dia hanome azy ireo ny hery ilaina mba hiaretana ny fanenjehana sy hivoahana ho mpandresy. Tsy hahomby indray Satana (Gogan’i Magoga) ary hahita faharesena tsy hay zakaina. Ambonin’izany, amin’ny fiarovana ny vahoakany amin’izany, Andriamanitra dia ‘hihalehibe sy hihamasina, ary ho fantatra eo imason’ny firenena; ka dia ho fantany marimarina fa Izy no Jehovah’. Amin’ity indray mandeha ity ihany koa, ny fiafaran-javatra dia hifanohitra amin’izay nantenain’i Satana.​—Ezekiela 38:14 ka hatramin’ny 39:7; Apokalypsy 12:12.

19. Noho ny fanampian’Andriamanitra, inona no hataon’ireo Vavolombelon’i Jehovah enjehina?

19 Amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah, isika dia mahafantatra fa maniry hanapaka ny fifandraisantsika amin’ilay Andriamanitra Tsitoha i Satana. Nefa noho ny hatsaram-pon’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory, dia tsy hiala amin’ny finoantsika isika. Hataontsika an-tsaina kosa ny raharaha lehibe nipoitra ary hiezaka amin’ny fomba rehetra isika hanohana ny fanapahan’i Jehovah manerana izao rehetra izao. Amin’ny fitokisana amin’ny fanantenana ilay Fanjakana, dia azontsika atao ny ho sambatra na dia eo aza ny fanenjehana, ary ho vonona hizaka azy ireny isika satria matoky tanteraka “an’Izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza”.​—Efesiana 3:20, 21.

20. Inona no azontsika antoka momba ilay “Mpanao mahatoky”?

20 Aoka àry isika tsy hatahotra ireo fahavalontsika fa hitoetra ho mahatoky, ho voninahitr’Andriamanitra sy ho famonjena antsika. ‘Aoka isika hanantena an’i Jehovah ka hitandrina ny lalany.’ (Salamo 37:34). Sady hiaritra ny fanenjehana isika no aoka haneho toe-tsaina izay miharihary mazava amin’ireto tenin’ny apostoly Petera ireto: “Koa izay mitondra fahoriana araka ny sitrapon’Andriamanitra, dia aoka ny fanaovan-tsoa no hanolorany ny fanahiny ho an’ilay mahatoky, dia ny Mpanao azy.” (I Petera 4:19). Ny “Mpanao antsika mahatoky” dia tsy handao antsika, fa noho ny hery omeny dia azontsika atao ny hiaritra fanenjehana sy ho sambatra.

Famerenana

◻ Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny Vavolombelon’i Jehovah miomana ho amin’ny fanenjehana?

◻ Nahoana ny vavaka no zava-dehibe mba hiaretana ireo fanenjehana?

◻ Amin’ny ahoana ny “fiadanan’Andriamanitra” no afaka manampy antsika amin’ny fanenjehana?

◻ Inona no fampaherezana azontsika tsoahina avy amin’ny 1 Korintiana 10:13?

◻ Inona no fihetsika asehon’ny Vavolombelon’i Jehovah eo anoloan’ny mpanenjika azy, ary nahoana?

[Sary, pejy 21]

Araka ny ohatra navelan’i Stefana, ireo vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao dia tsy mankahala ireo mpanenjika azy. Ny sasany tamin’ireo dia lasa Vavolombelona taty aoriana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara