Miomàna dieny izao ho amin’ny fanenjehana
“Raha nanenjika Ahy izy, dia hanenjika anareo koa.” — JAONA 15:20.
1, 2. Fandaharana tsy nampoizina inona moa no ataon’ny fitondram-panjakana sasany ho fanoherana ny Vavolombelon’i Jehovah?
ALAO SARY AN-TSAINA ny tenanao ao am-pandrianao indray maraina be. Mbola matoritory ianao ka manontany tena na hifoha avy hatrany na mbola hiala sasatra kelikely. Manomboka mandefa radiao àry ianao mba hihainoana ireo vaovao amin’ny maraina. Avy hatrany ilay mpanolotra fandaharana dia manaitra anao avy amin’ny fatoritorianao rehefa manambara hoe: “Araka ny didin’ny fitondram-panjakana, hatramin’izao ny antokom-pivavahana fantatra amin’ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah dia rarana eto amin’ny tany.” Tsy misy zavatra moramora intsony!
2 Toy izany, na sahalahala amin’izany no nihatra tamin’ny kristiana sasany tao anatin’izao taona faramparany izao. Matetika tokoa, dia nisy famantarana mialoha izany fanapahan-kevitra izany. Indraindray anefa dia tonga tamin’ny fomba tsy nampoizina tanteraka ny fandrarana. Tokony hahagaga antsika ve izany?
3. Tao anatin’ny tarehin-javatra tsy nitovy tanteraka inona avy moa no nisy an’i Jesosy tamin’ny taona 33?
3 Tsy tena izany. Nisy fisehoan-javatra sahala amin’izany nitranga tamin’ny taonjato voalohany. Tadidio ange. Teo am-piandohan’ny lohataonan’ny taona 33, dia niditra tao Jerosalema nitaingina boriky i Jesosy. Nihoby azy tamim-pifaliana ny vahoaka ka namelatra lamba teo amin’ny lalana holalovany mihitsy aza. Fa inona no nitranga andro vitsivitsy taty aoriana? Niseho teo amin’ny fitsarana teo anatrehan’i Pontio Pilato i Jesosy ka niantsoantso toy izao ny vahoaka lian-dra, mponina tao amin’io tanàna io ihany: “Aoka hohomboana amin’ny hazo fijaliana izy. (...) Aoka hohomboana amin’ny hazo fijaliana izy!” (Matio 21:6-9; 27:22, 23). Niova tampoka ny tarehin-javatra.
4. Noho isika mpianatr’i Jesosy, inona moa no tokony hampoizintsika?
4 Amin’izany dia tsy mahagaga raha toa amin’izao andro izao, any amin’ny tany sasany, ka miova ny tarehin-javatra ary mamely tampoka ny kristiana ny fanenjehana. Aza hadinoina fa amin’ny maha-tena mpianatr’i Jesosy antsika dia tokony hanampo ny henjehina isika (Jaona 15:20). Izany dia manipika ny maha-zava-dehibe tokoa ireto tenin’i Jesosy ireto: “Miambena hatrany àry ianareo.” — Matio 24:42, MN.
5. Fanontaniana inona avy àry no mendrika ny hoeritreretina?
5 Ahoana no azo iambenana hatrany? Misy fomba azo iomanana ve raha sendra ka mitranga ny zava-dratsy?
Omàny ny fonao sy ny sainao
6, 7. a) Nahoana moa no sarotra ny miomana ara-batana ho amin’ny fanenjehana? b) Karazam-piomanana inona no lehibe lavitra?
6 Sarotra ny miomana ara-batana hisetra ireo fanenjehana, satria tsy fantatra mialoha ny tena fomba hitrangan’ny zavatra. Hampiharina mafy sa tsia ny fandrarana? Inona no handrarana? Mety ho ny fitoriana isan-trano fotsiny na ireo fivoriana ara-pivavahana. Indraindray, ny fandaminana, araka ny maha-voasoratra azy ara-pitsarana, dia foanana amin’izay, na ampidirina an-tranomaizina avy hatrany ny sasany amin’ireo mpikambana ao aminy. Azo atao ny manomana toerana ho azo anafenana boky, nefa afa-tsy izany, dia tsy misy zavatra azo atao firy eo amin’ny lafiny ara-batana.
7 Azo atao kosa anefa ny manomana ny saina sy ny fon’ny tena, ka izany dia zava-dehibe lavitra. Eritrereto ny antony amelan’Andriamanitra ny fanenjehana hisy ka hitarihana anao eo anatrehan’ireo mpitondra angamba. “Ho vavolombelona aminy”, hoy ny avalin’i Jesosy (Matio 10:16-19). Raha vonona tanteraka ny fonao tsy hivadika na inona na inona mitranga, dia manana fahefana Jehovah hampiharihary aminao ny fomba hanaovan-javatra amim-pahendrena raha ilaina izany. Ahoana àry no azontsika iomanana ara-panahy ho amin’ny fanenjehana?
Ahoana no fihetsikao eo anoloan’ny fanevatevana?
8. Nahoana moa i Paoly no afaka nanoratra fa ‘finaritra tamin’ny fanevatevana’ izy?
8 Hoy ny apostoly Paoly: “Koa dia finaritra aho amin’ny fahalemena, amin’ny fampahoriana [fanevatevana, MN ], amin’ny fahaterena, amin’ny fanenjehana, amin’ny fahantrana, noho ny amin’i Kristy.” (II Korintiana 12:10). Tian’i Paoly ve ny hotevatevaina? Mazava ho azy fa tsy izany. Matetika tokoa anefa ny fanevatevana no anisan’ny fanenjehana. Koa raha tsy maintsy hiaritra fanevatevana izy mba hiderana ny anaran’Andriamanitra, dia faly nanao izany i Paoly.
9. Ahoana no azontsika iomanana dieny izao mba hiaritra “fanevatevana (...) noho ny amin’i Kristy”?
9 Aoka ho azontsika antoka fa hitranga amintsika koa ny tsy maintsy hizakana “fanevatevana (...) noho ny amin’i Kristy”. Mety ho amin’ny teny izany na ara-batana. Hiaritra izany ve isika? Raha ny marina, ahoana no fiheverantsika ny tenantsika? Manao ny tenantsika ho zavatra loatra ve isika ka manohitra mafy ny fanevatevana, tena misy na an’eritreritra fotsiny? Raha izany no izy, nahoana no tsy miezaka mamboly “fahari-po (...), fahalemem-panahy [sy] fahononam-po”? (Galatiana 5:22, 23.) Fiofanana tsara dia tsara izany mba hiainana amin’ny maha-kristiana dieny izao, ary mety hahavonjy ny ainao izany amin’ny fotoan’ny fanenjehana.
Ahoana no fiheveranao ny fitoriana ampahibemaso?
10. Araka ny Soratra masina, inona moa no fihetsika tsara tokony harahina rehefa voarara ny fitoriana?
10 Rehefa misy fandrarana, ireo fameperana voalohany dia matetika tokoa no mikendry ny fitoriana ampahibemaso ny “vaovao tsara”. Amin’izao andro izao anefa, amin’ny andro farany, dia zavatra faran’izay lehibe ny hitoriana sy ny hanaovana mpianatra. Raha tsy izany no izy, ahoana no hahafantaran’ny olona ny Fanjakan’Andriamanitra? Raha misy fandrarana ny fitoriana, ny fihetsika tsara dia ny nananan’ireo apostoly rehefa nitady hampitsahatra ny asany ireo filoha ara-pivavahana jiosy (Asan’ny apostoly 5:28, 29). Tsy ho azo atao angamba amin’izany ny karazam-pitoriana sasany. Tokony hatao anefa io asa io, amin’ny fomba iray na amin’ny fomba hafa. Hanan-kery hanohizana hitory ve ianao na dia ao aza ny fanenjehana?
11, 12. Ahoana no mety hamantarantsika raha hanana ny hery ilaina isika mba hanohizana hitory na dia ao aza ny fanenjehana?
11 Fa ahoana no fiheveranao ny fitoriana amin’izao andro izao? Avelanao hanakorontana ny asanao ve ireo fahasahiranana kely ka hahatonga anao hanapatapaka amin’ny fandraisana anjara amin’ny fitoriana ampahibemaso? Raha izany no izy, inona no hataonao raha misy fandrarana? Matahotra olona ve ianao? Vonona ny hitory isan-trano ao amin’ny arabenao ve ianao? Matahotra ny hitory irery ve ianao? Any amin’ny tany sasany, dia hanintona ny saina loatra ny olona roa miara-mitory. Koa rehefa azo atao tsy misy mampanahy tanteraka izany, nahoana no tsy mitory irery indraindray? Fiofanana tsara dia tsara izany.
12 Mandray anjara amin’ny fampielezana gazety eny amin’ny arabe ve ianao raha anomezan-dalana izany? Manana herim-po manao fanambarana tampotampoka ve ianao ary mitady izay hamoronana fahafahana hanao izany? Mitory any amin’ireo faritany be mpivarotra ve ianao? Matahotra ny hanatona olona manan-karena na be fahefana ve ianao? Raha tsy mandray anjara afa-tsy amin’ny karazam-pitoriana iray ianao, inona no hataonao rehefa tsy ho azo atao intsony io noho ny fandrarana?
13. Inona no azontsika atao ankehitriny eo amin’ny fanompoana mba hahavonona tsara kokoa hitory amin’ny fotoam-panenjehana?
13 Miaiky ve ianao fa manana fahalemena amin’ny lafiny iray manokana? Raha izany no izy, dia izao no fotoana tokony hanaovana fiezahana mba handrosoana. Mianara miantehitra amin’i Jehovah ary aoka ianao ho tonga minisitra mahay kokoa. Amin’izany ianao dia ho ampy fitaovana kokoa mba hitoriana amin’izao fotoana izao sy ho voaomana tsara kokoa mba haharitra raha misy fanenjehana.
Mendrika itokisana ve ianao?
14, 15. a) Karazana kristiana nanao ahoana no tsy maintsy ho nanana fitaomana tamim-pandanjalanjana tsara dia tsara tao anatin’ny kongregasiona kristiana tamin’ny taonjato voalohany rehefa nanomboka ny fanenjehana? b) Ahoana moa amin’izao andro izao no mety hitovian’ny mpanompon’Andriamanitra iray amin’ireny kristiana natanjaka tamin’ny taonjato voalohany ireny?
14 Ny Soratra grika kristiana dia miresaka ny amin’ireo lehilahy sy vehivavy kristiana izay tilikambo mafy tao anatin’ny kongregasiona. Ohatra, Onesiforosy dia nanampy tamin-kerim-po an’i Paoly rehefa nogadraina tao Roma izy io (II Timoty 1:16). Noderaina i Foiby noho ny asa lehibe nataony tao amin’ny kongregasiona tany Kenkrea (Romana 16:1, 2). Tsy maintsy ho nampihatra fitaomana tamim-pandanjalanjana tsara ny lehilahy sy vehivavy toy izany rehefa nanomboka ny fanenjehana. ‘Niambina izy ireny, nitoetra tsara tamin’ny finoana, nitomban-dahy, nahery’. — I Korintiana 16:13.
15 Ny kristiana rehetra, indrindra fa ireo loholona, dia tokony hiezaka handroso mba hanahafana azy ireny (I Timoty 4:15). Mianara mitana ny tsiambaratelo sy manao fanapahan-kevitra miorina amin’ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Soratra Masina. Manazara tena hanavaka ireo toetra kristiana eo amin’ny hafa mba hahafantarana hoe iza no ho mendrika itokisana eo anoloan’ny fahasahiranana. Noho ny hery omen’i Jehovah, dia miezaha ho tonga andry ao amin’ny kongregasionanao, dia olona afaka hanampy ny hafa fa tsy hila ny hampiana foana. — Galatiana 6:5.
Mahay mizaka ny hafa ve ianao?
16, 17. Amin’ny ahoana ny fampiharana ny Kolosiana 3:12, 13 no mety hanampy anao hiomana ho amin’ny fanenjehana?
16 Nanome izao fampaherezana izao ny apostoly Paoly: “Koa mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana. (...) Mifandefera, ka mifamelà heloka hianareo.” (Kolosiana 3:12, 13). Mora aminao ve izany sa mampisafoaka anao tsy amin’ny antony ny tsy fahatanterahan’ny hafa. Mora sosotra sy kivy ve ianao? Raha eny, dia lafiny hafa iray koa tokony hiomananao izany.
17 Any amin’ireo tany andrarana ny fivoriana, dia mivory vitsy tsy tapaka ny kristiana. Ao anatin’ny toe-javatra toy izany, dia manjary miharihary kokoa ny fahalemen’izy ireny. Koa nahoana raha mianatra dieny izao mizaka ny fahalemen’ireo rahalahinao, toy ny azo antoka fa tsy ijereny ny anao? Aza manakiana azy ireny, hanakivy azy tokoa izany. Zaro ny tenanao sy ireo zanakao mba hanaja ny fananan’ny olon-kafa rehefa mankao amin’ny fianarana ny bokin’ny kongregasionanao ianao. Rehefa misy fanenjehana, dia manamora ny fihavanana ny fanajana toy izany.
Liana ta-hahafantapanta-javatra ve ianao?
18. Nahoana moa no azo antoka kokoa indraindray ny tsy hahafantarana afa-tsy izay tokony ho fantatra?
18 Ny sasany amintsika dia tia avy hatrany hahafantapanta-javatra. Tsy zakan’izy ireny ny tsy hahalala ny tsiambaratelo. Izany ve no hita aminao? Raha izany no izy, dia eritrereto izao: Raha vao voarara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah, indraindray ireo manam-pahefana dia mitady hahafantatra ny fomba fandaminana azy sy ny anaran’ireo mpiandraikitra mitantana azy. Raha mahalala izany fanazavana izany ianao dia mety hampijalina mba hanerena anao hilaza izany. Ary raha tena lazainao tokoa izany, dia mety ho voa mafy ny asan’ireo rahalahinao. Noho izany, dia azo antoka kokoa indraindray ny tsy hahalalana na inona na inona mihoatra noho izay ilaina ho fantatra.
19. Ahoana no azonao iomanana amin’izao andro izao mba hanalavirana ny fampiharihariana fanazavana tsy azo lazalazaina amin’ny fotoam-panenjehana?
19 Azo atao ve ny miomana amin’io lafiny io? Eny. Ohatra, rehefa noforonina ny komity mpitsara iray ao anatin’ny kongregasionanao mba handamina raharaha iray, dia ilaina ny mianina amin’izay heverin’ireo mpitsara fa tokony holazaina ary tsy hitady hahalala antsipiriany hafa. Ireo vady aman-janaky ny loholona dia tsy hanandrana, amin’ny filazana izao antony rehetra izao, hitarika ny vadiny na ny rainy hampiharihary aminy fanazavana tsy azo lazalazaina. Ilaina àry ny mianatra tsy “hiraharaha ny an’olona”. — II Tesaloniana 3:11.
Mpianatra ny Baiboly ve ianao?
20, 21. Ahoana no anomanan’ny fianarana amim-paharisihana ny Baiboly anao ho amin’ny andro handrarana ny asa kristiana?
20 Mifototra amin’ny Baiboly ny hery ara-panahin’ny kristiana. Io dia manome azy valin’ireo fanontaniana lehibe indrindra apetrany amin’ny tenany ka mampiditra azy ho amin’ny fahendren’Andriamanitra (II Timoty 3:14-16). Manaiky izany ny kristiana rehetra, amin’ny fotopotony, fara faharatsiny, kanefa inona no toerana tanan’ny Baiboly eo amin’ny fiainanao raha ny marina? Mianatra izany tsy tapaka ve ianao ka manaiky hotarihiny amin’izay rehetra ataonao? — Salamo 119:105.
21 Rehefa rarana ny asa kristiana dia matetika tokoa no tsy afaka mampiasa afa-tsy zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly vitsy dia vitsy isika. Indraindray, dia sarotra aza ny mahazo Baiboly. Amin’ny toe-javatra toy izany, ny fanahy masina dia hampahatsiaro anao ireo zavatra ho nianaranao teo aloha. Tsy hampahatsiaro anao izay tsy ho nianaranao anefa izy! Noho izany, arakaraka ny ianaranao amin’izao andro izao no hitehirizanao fahalalana ao an-tsainao sy ao am-ponao, dia fahalalana ho azon’ny fanahy masina anovozana rehefa hila izany ianao. — Marka 13:11.
Mivavaka ve ianao?
22. Nahoana moa no mahasoa ny ‘haharetana amin’ny vavaka’ mba hiomanana ho amin’ny fanenjehana?
22 Zava-dehibe io raha ny amin’ny fanenjehana. Manome izao torohevitra izao ny Baiboly: “Mahareta amin’ny fivavahana.” (Romana 12:12). Mampifandray antsika mivantana amin’i Jehovah Andriamanitra ny vavaka. Amin’ny alalany dia azontsika atao ny mangataka aminy hery hiaretana ireo fitsapana sy hanaovana fanapahan-kevitra tsara, nefa koa hampifamatotra fifandraisana manokana aminy. Na dia alain’ireo fahavalontsika aza ireo Baibolintsika sy bokintsika, ka ataony izay tsy hahafahana hifanerasera mihitsy amin’ny kristiana hafa, dia tsy ho azony atao na oviana na oviana ny hanaisotra amintsika ny vavaka izay tombontsoa. Ao amin’ny tranomaizina mihidy mafy indrindra, dia afaka mifandray amin’Andriamanitra ny kristiana. Ny fampiasana amin’ny fomba feno an’io tombontsoa io amin’izao andro izao dia fomba tsara dia tsara hiomanana ho amin’ny ho avy, na inona inona hitranga.
Matoky ny fahefana kristiana ve ianao?
23. Nahoana no ilaina ny hampitomboana ny fitokisan’ny tena ireo loholona voatendry sy “ny mpanompo mahatoky sy manan-tsaina”?
23 Zava-dehibe koa ny hanamafisana ny fitokisantsika. Anisan’ireo fandaharana nataon’Andriamanitra ao anatin’ny kongregasiona mba hiarovana antsika, dia ao ireo loholona. Tokony hataon’izy ireo àry izay hahamendrika ny fitokisan’ny mpikambana hafa ao amin’ny kongregasiona azy, ary ireo dia tokony hianatra ny hatoky azy ireny (Isaia 32:1, 2; Hebreo 13:7, 17). Ny mbola zava-dehibe kokoa ihany, dia tokony hianatra hatoky ny “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina” isika. — Matio 24:45-47.
24. Ahoana no azo iomanana mba hahatoherana ireo famelezana feno lainga ampiharin’ny fahavalo amin’ny olon’i Jehovah?
24 Mety hampiely lainga ny amin’ny fandaminan’Andriamanitra ireo fahavalo (I Timoty 4:1, 2). Tany amin’ny tany sasany, dia nisy kristiana natosika hino fa tsy nivadika hatrany tamin’ny kristianisma izy ireny, kanefa kosa niala tamin’izany ny Kolejy foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny fomba tsara iray hiomanana hahatohitra famelezana karazan’izany dia ny fambolena fitiavana mafy ireo rahalahintsika sy ny fianarana miantehitra amin’ny fomba fandaminan’i Jehovah ny zavatra. — I Jaona 3:11.
Azo atao ny mandresy
25. Inona no hanampy antsika handresy na dia ao aza ny fanenjehana?
25 Rehefa avy niaritra fanenjehana ny apostoly Jaona be taona tamin’izay, dia izao no nosoratany: “Fa izay rehetra naterak’Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao; ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika.” (I Jaona 5:4). Tsy ho afaka handresy ianao raha miantehitra amin’ny herinao ihany. Matanjaka noho ianao Satana sy izao tontolo izaony, nefa kosa tsy matanjaka noho Jehovah. Raha manaraka ny didin’Andriamanitra àry isika sady mivavaka mba hanohanan’ny fanahiny antsika sy miankina tanteraka aminy mba hananana ny hery hiaretana, dia handresy isika. — Habakoka 3:13, 18; Apokalypsy 15:2; I Korintiana 15:57.
26. Inona no tokony hataonao, na dia tsy enjehina aza ianao?
26 Hatraiza hatraiza dia misy kristiana enjehin’ny vadiny manohitra ny fahamarinana na amin’ny fomba hafa. Any amin’ny tany sasany anefa, dia ny mpanompon’Andriamanitra rehetra no mijaly noho ireo fanapahan-kevitra ataon’ny fitondram-panjakana eo an-toerana. Nefa, raha tsy voatery miaritra fanoherana na fahasahiranana sasany tsy fahita ianao amin’izao fotoana izao, dia aza hadinoina fa mety hitranga amin’ny fotoana rehetra izany. Araka ny filazan’i Jesosy, ny fanenjehana ny kristiana dia hahaforona tapany amin’ny famantarana izay hanamarika ny andro farany. Tokony hampoizina foana àry ny hahita izany hitranga (Matio 24:9). Koa nahoana no tsy miomana dieny izao? Manàna àry fahatapahan-kevitra, na inona na inona hitranga, hitondra tena foana amin’ny fomba manome voninahitra ny Rainao any an-danitra, dia Jehovah Andriamanitra. — Ohabolana 27:11.
Ahoana no valinteninao?
◻ Amin’ny fomba ahoana avy no azonao iomanana ho amin’ny fanenjehana?
◻ Inona no azonao atao izao mba hahazoana ny hery ilaina hanohizana hitory na dia ao aza ireo fanenjehana?
◻ Amin’ny ahoana no hiharihary fa hahasoa ny fampiharana amin’izao andro izao ny Kolosiana 3:12, 13 rehefa misy fanenjehana?
◻ Nahoana no ilaina ny hanamafisana ny fitokisan’ny tena ireo loholona voatendry sy ny “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina”?
◻ Ahoana no mety hahatonga anao handresy na dia ao aza ny fanenjehana?