FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 1/7 p. 16-30
  • “Miomàna”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Miomàna”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • ‘Miambina’ — nahoana?
  • Iza no niseho ho niambina?
  • Mifoha sa matory?
  • Nahoana no ‘miomana’
  • Sambatra izay miambina hatrany!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Fiandrasana ‘Amim-paniriana Fatratra’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Miandrasa Hatrany!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Fanomezana Fahazavana Momba ny Fanatrehan’i Kristy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 1/7 p. 16-30

“Miomàna”

“Miomàna koa hianareo; fa ho avy ny Zanak’olona amin’izay ora tsy ampoizinareo.” — LIOKA 12:40.

1. Inona moa no nolazain’i Jesosy ny amin’ny ilàna iambenana hatrany?

MATETIKA Jesosy Kristy no nananatra an’ireo mpianany hiambina. Ohatra, izao no nambarany: “Fa mitandrema kosa hianareo; indro, efa voalazako taminareo rahateo ny zavatra rehetra (...). Ary amin’izay ny Zanak’olona dia ho hita avy eo amin’ny rahona amin’ny hery lehibe sy ny voninahitra (...). Fa ny amin’izany andro na ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjely any an-danitra, ary na dia ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany. Mitandrema, miambena, ka mivavaha; fa tsy fantatrareo izay hihavian’ny fotoana. Izany dia tahaka ny olona nandeha hivahiny, izay nandao ny tranony ka nanome fahefana ny mpanompony, ka samy notolorany ny raharahany avy, ary ny mpiandry varavarana dia nasainy niambina tsara. Koa miambena hianareo, fa tsy fantatrareo izay andro hihavian’ny tompon-trano, na ho hariva, na ho mamatonalina, na ho maneno akoho, na ho maraina, — fandrao avy tampoka izy ka mahita anareo matory. Ary izay lazaiko aminareo dia lazaiko amin’ny olona rehetra koa: Miambena.” — Marka 13:23-37.

2. Amin’ny ahoana moa no anasoritan’ny Rainay Izay any an-danitra mihitsy ny maha-zava-dehibe ny hiambenana? Tamin’ny heviny ahoana moa no nanaovan’ireo Fiangonana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana ho zava-poana ny fiandrasana ilay Fanjakana?

2 Ny lahatsoratra teo aloha dia nanome fanambarana hita fototra manaporofo fa tsy ‘niambina’ hatrany ireo Fiangonana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Raha heverina amin’ny voalazan’ny Catholic Encyclopedia, dia nataony nanjary tsinontsinona ny fiandrasana ilay Fanjakana tamin’ny fanantitranterana fa “ny fanjakan’Andriamanitra dia mampiseho (...) ny fiandrianan’Andriamanitra ao amin’ireo fo”. Ny fampianarana toy izany tokoa dia manafoana izay rehetra mety ho hevitry ny vavaka nampianarin’ny Tompo, ny Rainay Izay any an-danitra. Kanefa dia miaiky toy izao manaraka izao ny Nouvelle encyclopédie britannique: “Ny voalazan’ny vavaka nampianarin’ny Tompo mihitsy dia mihevitra mialoha ho marina ny toe-javatra iray faran’izay manahirana, anevatevana ny anarana sy ny sitrapon’Andriamanitra ka ahitana fa tsy mbola tonga ny Fanjakany.” Araka izany àry, ilay vavaka faka tahaka mihitsy dia manipika ny ilàna iambenana. Nefa mba hisehoana ho hentitra kokoa, ho amin’inona moa no tokony ‘hiambenan’ny kristiana hatrany?

‘Miambina’ — nahoana?

3. Nahoana moa ireo mpianatr’i Kristy no tokony hiahy ny amin’ny fotoana?

3 Ny fandalinana ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly momba ny “tena farany ho an’izao tontolo izao sy ny olombelona” dia hampahafantatra antsika izay tokony ‘handrasan’ny’ kristiana. Voalohany indrindra, dia tsy maintsy notadidiany tao an-tsaina ny amin’ny fotoana, satria Kristy niresaka ny amin’ny “fotoana voatendry” izay ny Rainy ihany no mahalala azy (Marka 13:32, 33, MN ). Mitovitovy hevitra amin’izany, Jesosy dia nilaza tamin’ireo mpianany fa Jerosalema dia “hohitsahin’ny jentilisa [ireo firenena, MN ] mandra-pahatanteraky ny andron’ny jentilisa”. (Lioka 21:24.) Miharihary tokoa fa izany fanazavana izany dia nokendrena hanampiana azy ireny hahafantatra ny andro farany, satria izany dia anisan’ny valiny nomen’i Jesosy ho an’ny fanontaniana hoe: “Mpampianatra ô, rahoviana no ho avy izany? ary inona no ho famantarana, rehefa ho tonga izany?” — Lioka 21:7.

4. “Famantarana” inona no tokony hojeren’ny kristiana?

4 Ankoatra ny fandaharan-taona, ireo mpianatra dia tokony hiandry ny “famantarana” notakin’izy ireo dia “famantarana” izay resahina koa ao amin’ny Matio 24:3 sy ao amin’ny Marka 13:4. Io famantarana misy zavatra maro loha io, izay ny hahaforona azy indrindra dia ady iraisam-pirenena, mosary, horohorontany, areti-mandringana sy fanenjehana ny kristiana marina dia hifanindry amin’ny fahatanterahan’ireo faminaniana ara-pandaharan-taona mba hamantarana “taranaka” voamarika iray, dia ilay ‘tsy ho lany mandra-pitrangan’ny zavatra rehetra voalazan’ny faminaniana fa hiseho amin’ny andro farany’. — Lioka 21:10-12, 32.

5. Amin’ny heviny ahoana moa i Jesosy no hiaraka amin’ireo tena mpianany ao anatin’ireo taonjato rehetra? Moa ve ny ‘fanatrehany’ tsy hilaza na inona na inona amboniny?

5 Mifanitsy amin’izany, amin’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”, fisehoan-javatra lehibe inona avy no hoporofoin’io famantarana io? Nanontany azy toy izao koa ireo mpianatr’i Jesosy: “Inona no ho famantarana ny fanatrehanao [amin’ny teny grika, parousia] (Matio 24:3, MN ). Fa amin’ny heviny ahoana i Jesosy no hoe ‘hanatrika’? Tsy amin’ny fankanesana fotsiny, amin’ny alalan’ny fanahy, eo anilan’ireo tena mpianany rehefa mivory izy ireo na mampianatra; nampanantena tokoa i Jesosy fa hanohana azy ireo amin’izany fomba izany ao anatin’ireo taonjato (Matio 18:20; 28:18-20). Etsy andaniny koa, ireo teolojiana ao anatin’ny fivavahana lazaina fa kristiana koa aza dia manaiky fa ny teny hoe “fanatrehana” dia nanana heviny manokana. Izao no azo vakina ny amin’izany ao amin’ny boky fakàn-teny iray (The New International Dictionary of The New Testament Theology): “Ankehitriny ny teny hoe parousia dia mifamatotra, araka ny hevitry ny Fiangonana, amin’ny fiandrasana ny fisehoan’i Kristy amin’ny faran’ny fotoana.” Marina tokoa fa ny fitambaran’ny Soratra grika kristiana dia mananatra ny mpianatra hiandry ny fanatrehan’i Kristy. — Matio 24:3, 27, 37, 39; Jakoba 5:7, 8; II Petera 3:3, 4; I Jaona 2:28; Apokalypsy 1:7; 22:7.

6. a) Hilaza inona ny fanatrehan’i Kristy ho an’izao fandehan-javatra ratsy izao? b) Inona no ho vokatry ny fanatrehan’i Jesosy eo amin’ireo kristiana voahosotra izay ho faty tsy hivadika sy eo amin’ireo izay mbola ho velona?

6 Ny fanatrehan’i Jesosy dia tsy hilaza inona fa “ny fifaranan’ny fandehan-javatra”. (Matio 24:3, MN; Marka 13:4.) Raha lazaina amin’ny teny hafa, rehefa hanjary ho zavatra tena hisy “izany fanatrehana” izany, ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny dia hiditra ao amin’ny “androfarany” ho azy. (Daniela 12:4, 9; II Timoty 3:1-5.) Raha ny aminy, Kristy dia ho nandray avy tamin’ny Rainy ny baiko hampihatra ny fahefam-piandrianany amin’ny tany, ‘eo afovoan’ny fahavalony’. (Salamo 110:2; 2:6-9; Apokalypsy 11:15-18.) Alohan’ny hitsarana an’izao tontolo izao amin’ny ankapobeny, dia hikarakara ny kongregasionan’ny tenany izy ka hanangana ireo kristiana mitafy hosotra izay ho faty tsy hivadika (I Korintiana 15:21, 23; I Tesaloniana 2:19; 3:13; 4:13-17; II Tesaloniana 2:1). Fa raha ny amin’ireo voahosotra mbola ho eto an-tany ka hanatontosa ny asa anirahana ny “mpanompo” amin’ny fifohazana ara-panahy hatrany sy amin’ny fizarana ny “hanina” ara-panahy “amin’ny fotoana”, dia hotendreny “ho mpanapaka ny fananany rehetra”, ny tombontsoan’ny Fanjakany eto an-tany izy (Matio 24:45-47; Lioka 12:42-44). Izany “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina” izany àry dia tokony hampandeha sy hitarika asa iray haneran-tany hatao hitoriana “ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity” alohan’ny hahatongavan’ny “farany”. — Matio 24:14, MN.

7. Ao anatin’ny fanatrehan’i Kristy, famantarana hafa inona no tokony hojeren’ny’ kristiana? Nahoana izy ireo no hanohy hivavaka mba ‘hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra?

7 Zava-dehibe ny niandrasan’ny kristiana marina hatrany izany fisehoan-javatra rehetra izany mba hahafantarana hoe rahoviana no hanomboka ny ‘fanatrehan’i’ Kristy sy ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”. Kanefa, na dia mandritra ny “andro farany” aza, dia tokony handrasan’izy ireo ny “famantarana ny Zanak’olona”, dia ny andro ‘hahatongavan’i’ Jesosy mba hampihatra ny fanamelohan’Andriamanitra ny fandehan-javatra tarihin’ny Devoly (Matio 24:30, 44; Marka 13:26, 35; Lioka 12:40; 21:27; II Tesaloniana 1:7-10). Na dia efa ‘manatrika’ ao amin’ny Fanjakana iray efa miorina aza Kristy, dia mbola hilaina ihany ny ‘hahatongavan’io’ Fanjakana io sy ny tenany mba ‘hanorotoro sy handevona’ ireo fanjakana eo amin’izao tontolo izaon’i Satana (Daniela 2:44). Noho izany antony izany, rehefa avy nilazalaza ny lafiny isan-karazany amin’ny “famantarana” ny fanatrehany Kristy, dia izao no teny nanampiny: “Raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra.” (Lioka 21:31). Amin’izany, na dia ao anatin’ny fanatrehan’i Kristy aza, ny kristiana dia hanohy hivavaka ho an’ny ‘fahatongavan’ny’ Fanjakan’Andriamanitra. Hilain’izy ireo foana ny ‘hiandry’ sy ‘hifoha hatrany’ mandra-pahatongan’ny fotoana voatendry ho an’ny “farany” sy ho an’ny “fanafahana” azy ireo. — Marka 13:7, 29, 32-37; Lioka 21:9, 28, MN.

Iza no niseho ho niambina?

8. Lazao amin’ny ambangovangony ireo zavatra tsy maintsy nandrasan’ny kristiana.

8 Araka ny vao hitantsika teo, ny kristiana dia tsy maintsy niandry hatrany ny fahataperan’ny “fotoana voafetra ho an’ireo firenena”. Nilaina ny hijereny ny ‘famantarana ny fanatrehan’i Kristy sy ny fifaranan’ny fandehan-javatra’. Tokony hampoiziny ny fananganana ireo mpianatra voahosotra izay niseho ho nahatoky hatramin’ny fahafatesana, ary koa ny fahafantarana mazava ny “mpanompo mahatoky sy malina” izay hotendrena eo amin’ny fananan’ny Fanjakan’i Kristy eto an-tany. Atỳ aoriana, izany “mpanompo” izany dia hanohy hizara ny sakafo ara-panahy sady hanome ohatra raha ny amin’ny fitoriana “ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity (...) amin’ny tany onenana manontolo” alohan’ny “farany”. Fa raha ny amin’ny “famantarana ny Zanak’olona”, izany dia hiseho rehefa ‘ho tonga’ Jesosy mba hanafoana ny fandehan-javatra ratsy izay mitoetra eo ambany fahefan’i Satana.

9. Araka ny zava-nisy, iza no niandry ny fahataperan’ny “fotoana voafetra ho an’ireo firenena”? Ahoana no nanampian’ny Fanilon’ny Tilikambon’i Ziona ireo kristiana hifoha ara-panahy hatrany?

9 Iza no tena ‘niambina’ hatrany tamin’io lafiny io? Raha vao tamin’ny 1876, tany Pittsburgh (Etazonia), Charles Russell dia niandry tamim-pitandremana ny fahataperan’ny “fotoana voafetra ho an’ireo firenena” na “andron’ny Jentilisa”. (MN; Crampon 1905.) Tamin’io taona io, tao amin’ny lahatsoratra iray nitondra ny lohateny hoe “Ny andron’ny Jentilisa — Rahoviana no hifarana izany?”, dia izao no nambarany: “Hifarana amin’ny 1914 ny fetr’andro fito.” Nanomboka tamin’ny 1880, io fanambarana io dia noraisina indray tao amin’ireo pejin’ny Fanilon’ny Tilikambon’i Ziona. Izao no azo novakina tao amin’ny nomeraon’ny martsa 1880 (anglisy): “‘Haharitra hatreo amin’ny 1914 ny andron’ny Jentilisa’, ary tsy hampihatra ny fahefany amin’ny fomba feno ny fanjakana any an-danitra mandra-pahatongan’izay.” Marina fa ireo Mpianatra ny Baiboly izay nanoratra ireny lahatsoratra ireny dia tsy nahatakatra ny tena hevitry ny fahataperan’ny “fotoana voafetra ho an’ireo firenena” tamin’ny fomba hentitra toy ny fahatakarantsika azy amin’izao fotoana izao, amin’ny fahazavan’ny Soratra masina sy ny Tantaraa. Na dia izany aza, dia ‘niambina’ hatrany izy ireo ary nanampy ireo namany kristiana hifoha ara-panahy hatrany.

10. Ahoana no nampiharihariana ny tena hevitry ny ‘fanatrehan’i Kristy’?

10 Ny Fanilon’ny Tilikambon’i Ziona sy ny antokon’olona Mpianatra ny Baiboly niaraka tamin’i Charles Russell dia nampahafantatra ny kristiana tso-po koa fa tsy ho hita maso ny ‘fanatrehan’i’ Kristy, fa tsy hiverina eto an-tany Kristy mba hanjaka eo amin’ny maha-mpanjaka nofo aman-dra. Afa-tsy izany koa, izy ireo dia tsy nitsahatra nanintona ny sain’ireo ‘mpanompon’ny Tompo ho amin’ny fisehoan-javatra mifamatotra amin’ny “famantarana” ny ‘fanatrehany’ sy ny “andro farany”.

11. a) Inona no tsy takatra tamin’ny fomba feno tamin’izany fotoana izany raha ny amin’ireo fanjakana eto an-tany sy ny ‘fampiakarana’ ny kristiana voahosotra? b) Ahoana izao no fahazoantsika ny Daniela 2:44 sy I Tesaloniana 4:15-17?

11 Marina fa tamin’izany fotoana izany, ireo kristiana voahosotry ny fanahy masina dia nieritreritra fa raha vao miorina ny Fanjakana any an-danitra, ny fanjakana rehetra amin’ny tany dia hofoanana, ka ny tenan’izy ireo dia “hakarina” mba hiaraka amin’ireo izay hatsangana amin’ny fanatrehan’i Kristy (II Tesaloniana 2:1). Iza anefa no hanome tsiny azy ireo noho ny tsy nahazoany avy hatrany fa tokony hatao ny asa fanangonana lehibe eo anelanelan’ny fanombohana sy ny fahataperan’ny Daniela 2:44? Iza no tsy ho faly aminy noho ny tsy nahitany avy hatrany fa ny ‘fampiakarana’ resahina ao amin’ny I Tesaloniana 4:15-17 dia fananganana miaraka amin’izay ireo voahosotra izay maty aorian’ny fanombohan’ny fananganana voalohany. — I Korintiana 15:36, 42-44; Romana 6:3.

12. a) Ho variana amin’inona ny “mpanompo” mahatoky amin’ny fotoana hahatongavan’i Kristy mba hizaha ny ankohonany? Araka ny tena nitranga, iza no nanao toy izany? b) Nanohy nanao inona ny kilasin’ny “mpanompo” mahatoky hatramin’izay?

12 Izany rehetra izany, dia takatsika amin’izao andro izao noho ny fahazavana nalefa namirapiratra kokoa teo amin’ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy malina”. (Ohabolana 4:18.) Ny amin’io “mpanompo” io, dia izao no nolazain’i Jesosy: “Iza moa no mpanompo mahatoky sy manan-tsaina, izay notendren’ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy hanina amin’ny fotoana? Sambatra izany mpanompo izany raha avy ny tompony ka hahita azy manao izany. Lazaiko aminareo marina tokoa: Hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy.” (Matio 24:45-47). Rehefa nisafo ny ankohonany Jesosy Tompo tamin’ny 1919, taorian’ny nandraisany ny fiandrianana, dia hitany fa ny antokon’olona kristiana nahatoky tafangona nanodidina Ny Tilikambo Fiambenana dia niezaka ‘hiambina’ hatrany sy hanome ny “hanina amin’ny fotoana”. Hatramin’izay, io “mpanompo” io dia tsy nitsahatra ny nizara ny sakafo ara-panahy izay nahatonga ireo “mpanompon’ny’ Tompo sy ireo namany ho afaka ‘hanohy hiambina’ sy ‘hifoha hatrany’. — Marka 13:33.

Mifoha sa matory?

13. Inona avy moa no fanontaniana tokony hapetrak’ireo mpanaratsy ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny tenany?

13 Faly ireo anisan’ny Fiangonana voaorina ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, tahaka ny olon-kafa koa, manakiana ny Vavolombelon’i Jehovah satria ny bokin’izy ireo indraindray dia mampahafantatra fa mety hitranga amin’ny daty toy izao na izao. Kanefa moa ve ny fitsipi-pitondrantena toy izany tsy mifanaraka amin’ny baikon’i Kristy izay mandidy antsika mba ‘hiambina hatrany’? (Marka 13:37.) Tetsy andaniny koa, moa ve ireo fivavahana ao amin’ny finoana lazaina fa kristiana nanamora ny fiambenan’ireo mpiangona tao aminy rehefa nampianatra fa ilay Fanjakana dia tsy inona fa ny “fiandrianan’Andriamanitra ao amin’ireo fo”? Moa ve izy ireo kosa tsy namporisika ny fatoritoriana ara-panahy tamin’ny fanambarana fa ny fiandrasana ny farany dia “tsy dia ilaina loatra na tsy misy heviny mihitsy”? Fa raha ny amin’ireo mpivadi-pinoana izay manohana fa ny “andro farany” dia nanomboka tamin’ny Pentekosta ka mifanindry amin’ny andro kristiana, moa ve izy ireny nanosika ny mpiara-belona taminy hifoha hatrany sa ho tafalentika ao anatin’ny torimaso ara-panahy?

14. Manonòna ohatra ara-tantara vitsivitsy ny amin’ny mpanompo mahatokin’i Jehovah izay dodona ny hahita ny fahatanterahan’ireo fikasan’Andriamanitra.

14 Marina fa ny sasany tamin’ireo zavatra nantenaina izay toa niankina tamin’ny fandaharan-taonan’ny Baiboly dia tsy tanteraka tamin’ny fotoana nanampoizana azy. Nefa moa ve tsy aleo lavitra manao fahadisoana sasany noho ny fahadodonana loatra, satria tsy andry loatra ny hahatanterahan’ny fikasan’Andriamanitra, toy izay hatoritory ara-panahy ka tsy hahatsapa intsony ny fahatanterahan’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly? Moa ve i Mosesy tsy nanao fahadisoana tamin’ny fanisana rehefa nitady hanafaka ny Isiraely tamin’ny fahoriany 40 taona talohan’ny fotoana (Genesisy 15:13; Asan’ny apostoly 7:6, 17, 23, 25, 30, 34)? Moa ve ireo apostolin’i Kristy tsy dodona ny hahita ny fiorenan’ilay Fanjakana? Moa koa ve izy ireo tsy diso fihevitra na dia ny amin’ny karazan’io Fanjakana io aza (Asan’ny apostoly 1:6; jereo Lioka 19:11; 24:21)? Moa ve ireo kristiana voahosotra tany Tesalonika tsy naniry fatratra ny hahatongavan’ny “fanatrehan’i Jesosy Kristy Tompontsika” sy “ny andron’i Jehovah”? — II Tesaloniana 2:1, 2.

15. Inona avy moa no ohatra manaporofo fa tsy mifanohitra amin’ny Soratra masina ny fampiasana fandaharan-taona mba hamantarana ny fotoana tokony hahatanterahan’ireo fikasan’Andriamanitra? Ahoana moa matetika no antsoantson’ireo mpanompo mahatokin’i Jehovah tamin’izao androntsika izao, toy ny taloha?

15 Araka ny fiheveran’ny Soratra Masina, dia tsy ratsy aminy fotsiny akory ny mandinika ny fandaharan-taona noho ny fanantenana ny hahita ny “fotoana voafetra” ho an’ny fanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra (Habakoka 2:3, MN ). Daniela dia tena afaka nahalala ny fotoana tokony hahataperan’ny fahafoanan’i Jerosalema (Daniela 9:1, 2). Raha toa tamin’ny taonjato voalohany ny sisa tamin’ny Jiosy nahatoky ka niandry ny Mesia hatrany, dia satria indrindra izy ireo nanisa ny fotoana tokony hahataperan’ny vanim-potoana iray voafaritry ny faminaniana (Daniela 9:25; Lioka 3:15). Toy izany koa, raha niandry ny Fanjakan’Andriamanitra taloha elan’ny 1914 ireo kristiana tamin’ny faran’ny taonjato faha-19 sy fiandohan’ny taonjato faha-20, dia satria azony natao ny namantatra ny daty hahataperan’ny “fotoana voafetra ho an’ireo firenena” (Lioka 21:24, MN; Daniela 4:16, 17). Takatra àry ny hoe indraindray ireo mpanompon’Andriamanitra dia nanandrana nampiasa toy izany famantarana ara-pandaharan-taona hafa ao amin’ny Soratra masina mba hahafantarana hoe amin’ny fotoana toy inona no ho tanteraka ireo zavatra antenainy, amin’ny farany. Moa ve taloha ireo mpanompon’Andriamanitra tsy matetika no nihiaka hoe: “Mandra-pahoviana, Jehovah ô?” — Isaia 6:11, MN; Salamo 74:10; 94:3.

Nahoana no ‘miomana’

16. a) Ao amin’ny Marka 13:32, moa ve te-hilaza i Jesosy fa tsy tokony hihevitra ny fotoana hahatongavan’ny farany isika? b) “Famantarana” inona no efa ao? “Famantarana” hafa inona no andrasantsika?

16 Koa satria Jesosy nilaza tamin’ny fomba hentitra dia hentitra fa tsy nisy afaka nahalala ny “andro” sy ny “ora” handidian’ny Rainy azy mba ‘ho tonga’ hanafoana ny fandehan-javatra eo ambany fanapahan’ny Devoly, ny sasany angamba dia hanontany tena hoe: ‘Tena zava-dehibe tokoa ve ny hiandrasana ny farany hatrany?’ Afaka mamaly hoe eny isika, satria taorian’izany avy hatrany, dia izao no teny nanampiny: “Mitandrema [hatrany, MN ], miambena, (...) miambena.” (Marka 13:32-35). Ao ny “famantarana” ny fanatrehan’i Kristy nanomboka tamin’ny 1914. Izao isika dia miandry ny “famantarana ny Zanak’olona”, dia ny andro ‘hahatongavan’i Kristy’ mba hampihatra ny fanamelohan’i Jehovah.

17, 18. a) Nahoana moa Jesosy no nandidy ireo kristiana tamin’ny taonjato voalohany mba handositra an’i Jerosalema raha vantany vao ho tsinjony ny famantarana hialoha ny fandravana azy? b) Nahoana no hampidi-doza ny hanamaivanana ny fandodonan’ny androntsika?

17 Tamin’ny taonjato voalohany, rehefa nanome an’ireo mpianany tany Jodia, famantarana hahalalany fa tonga ny fotoana handaozany an’i Jerosalema i Jesosy, dia nohantitranteriny ny amin’ny ilàna hanaovan-javatra avy hatrany (Lioka 21:20-23). Koa satria efa ho efa-taona izao no lasa hatramin’ny nisehoan’ny famantarana tamin’ny 66 sy ny fandravana an’i Jerosalema tamin’ny 70, nahoana izy no niseho ho nandodona toy izany? Satria fantany tsara tokoa fa raha nanomboka ho tratra aoriana kely ireo kristiana, dia tena nety hampihemotra foana ny fiaingany izy ireny ka amin’ny farany dia ho tratran’ny tafika romana.

18 Toy izany koa amin’izao andro izao, ho faran’izay hampidi-doza ho an’ny kristiana iray ny hitadiavana fialan-tsiny mba hanamaivanana ny fandodonan’ny fotoana ka ‘hiadanam-pamindra’ ary hampahafantatra amin’izany fa misalasala ny amin’ny fahantomoran’ny farany izy.

19. Inona moa no fampitandremana nomen’i Jesosy sy Petera?

19 Efa 70 taona mahery sahady izay no nisian’ny “parousie” na fanatrehan’i Kristy, ary manatona manao dingan-dava ny ‘fahatongavany’ amin’ny “andro” voatendrin’i Jehovah mba handrava izao tontolo izaon’i Satana. Araka ny efa nampiomanan’ny apostoly Petera antsika, izany andro izany dia “ho avy tahaka ny mpangalatra”, hany ka tokony ‘hiandry isika ary tsy hanadino na oviana na oviana ny fahatongavan’ny andron’i Jehovah’. (II Petera 3:10-12, MN.) Ny tenan’i Jesosy koa aza dia nanome antsika izao fampitandremana izao: “Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran’ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian’izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany (...). Fa miambena.” — Lioka 21:34-36.

20. Tokony ho velom-pankasitrahana ny amin’inona moa isika? Ahoana no hiarovan’ny fiandrasana kristiana ny farany antsika?

20 Raha Vavolombelon’i Jehovah isika, dia rariny tokoa raha ho velom-pankasitrahana noho ny nanampian’ny “mpanompo” mahatoky sy malina antsika hifoha hatrany. Ny fiandrasana kristiana ny farany tokoa dia hiaro antsika mandritra izao “andro farany” feno fandrika izao ka hanosika antsika hitory ny “vaovao tsaran’ny fanjakana” amim-jotom-po. Amin’ny fanaovana toy izany no hitaomantsika ny mpiara-belona amintsika mba ‘hiambina’ koa ka hahita fandehan-javatra vaovao “hanjakan’ny fahamarinana”. — II Timoty 3:1-5; Matio 24:14; II Petera 3:13.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo ny tokoa faha-14 amin’ny boky hoe “Que ton royaume vienne!” sy ny fanampiny misy antsipiriany any amin’ny faran’io boky io ihany.

Tadidinao ve?

◻ Nahoana moa ny kristiana no tsy tokony tsy hihevitra ny fandaharan-taonan’ny Baiboly?

◻ Inona moa no heviny manokana noraisin’ny teny hoe “fanatrehana”?

◻ Nahoana moa no mbola mety foana ny hivavahana mba ‘hahatongavan’ny’ Fanjakan’Andriamanitra?

◻ Ahoana no hamalianao an’ireo izay manakiana ny Vavolombelon’i Jehovah ny amin’ny raharaha momba ny fandaharan-taona?

◻ Nahoana no hampidi-doza ny hanamaivanana ny fandodonan’ny androntsika?

[Efajoro, pejy 30]

Izay tsy maintsy nandrasan’ny kristiana

Ny fahataperan’ny “fotoana voafetra ho an’ireo firenena”. — Lioka 21:24, MN.

“Ny famantarana” ny ‘fanatrehan’i’ Kristy sy ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”. — Matio 24:3 ka hatramin’ny 25:46.

Fampahafantarana miharihary “ny mpanompo mahatoky sy manan-tsaina”. — Matio 24:46-47.

Ny “famantarana ny Zanak’olona”, izay hiseho rehefa ‘ho tonga’ Kristy hampihatra ireo didim-pitsaran’i Jehovah. — Matio 24:30.

[Sary, pejy 29]

Niambina hatrany Charles Russell sy ireo namany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara