‘Aoka isika hanohy ny fihazakazahantsika hanatratra ny zava-kendrena’
“Manadino izay zavatra ao aoriana ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha [manohy ny fihazakazahana hanatratra ny zava-kendrena, MN].” — FILIPIANA 3:13, 14.
1, 2. a) Ahoana no nandraisan’i Saoly avy any Tarsosy ny fanompoany? Inona moa izany fanompoany izany? b) Ahoana no nandraisany an’io asa nanirahana azy io?
NANKANY Damaskosy i Saoly avy any Tarsosy noho ny fikasana ny hanenjika ireo kristiana tany rehefa nisy fahazavana nanelatrelatra teny amin’ny lanitra ka namirapiratra nanodidina azy. Tsitapitapitr’izay dia nandre feo niteny toy izao izy: “Saoly, Saoly, nahoana hianao no manenjika Ahy? Ary hoy izy: Iza moa hianao, Tompoko? Dia hoy Izy: Izaho no Jesosy Izay enjehinao; fa mitsangàna, ka mankanesa ho any an-tanàna, dia holazaina aminao izay mety hataonao.” — Asa. 9:3-6.
2 Nahoana Jesosy no niseho tamin’izany fomba izany tamin’i Saoly avy any Tarsosy? Taty aoriana kely, dia nanazava izany tamin’izao teny izao tamin’i Ananiasy mpianatra izy: “Fa fanaka voafidy izy [Saoly] ho fitondrana ny anarako eo anatrehan’ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak’Isiraely.” Nanaraka ny baikon’ny Tompony àry Ananiasy ka nametra-tanana tamin’ny fanambarana hoe: “Jesosy Izay niseho taminao teo amin’ny làlana nalehanao, no efa naniraka ahy, mba hahiratan’ny masonao, ary mba ho feno ny Fanahy Masina hianao.” (Asa. 9:15, 17). Vantany vao nihiratra ny masony, dia natao batisa i Saoly, ary nanomboka niaraka tamin’ny kongregasiona tany Damaskosy. Zara raha vao tonga minisitra kristiana vita batisa izy, dia nanomboka tamin-jotom-po nanambara tamin’ny Jiosy ny vaovao tsara ny amin’i Jesosy Zanak’Andriamanitra. — Asan’ny apostoly 9:20-22.
3, 4. a) Nanao ahoana ny niheveran’i Paoly ho zava-dehibe ny fanompoany? b) Tamin’ny ahoana ny fihetsiny no hafa noho ny an’ny kongregasiona tany Efesosy tamin’ny fotoana sasany teo amin’ny tantarany?
3 Io minisitra be zotom-po io dia fantatsika tsara kokoa amin’ny anarana hoe ny apostoly Paoly. I Paoly anefa dia nampiseho foana fa noheveriny ho zava-dehibe tokoa ny fanompoana sy ny fankasitrahana an’izay tsy mendrika akory naseho taminy. Porofon’izany izao teny nataony izao: “Misaotra an’i Kristy Jesosy Tompontsika aho, Izay nampahery ahy, fa nataony mahatoky aho ka notendreny ho amin’ny fanompoana, dia izaho, izay mpiteny ratsy fahiny sady mpanenjika sy mpampahory; kanefa nahazo famindrampo aho, satria tamin’ny tsi-fahalalana no nanaovako izany noho ny tsi-finoana.” (I Timoty 1:12-14). Miharihary tokoa fa zava-dehibe teo imasony ny fanompoany. — Romana 11:13; II Korintiana 4:7.
4 Araka ny ahariharin’ireo fanambarana voalaza eo aloha, mandra-pahatapitry ny androny i Paoly dia nanohy nihevitra ho zava-dehibe ny fanompoany. Tsy latsaka tao anatin’ny kilema nampiavaka ny kongregasionan’i Efesosy tamin’ny vanim-potoana sasany teo amin’ny tantarany izay nahatonga an’i Jesosy hanao izao fananarana izao izy: “Kanefa manan-teny aminao Aho, satria efa niala tamin’ny fitiavanao voalohany hianao.” (Apokalypsy 2:4). Tsy takona tamin’i Paoly kosa ny zava-kendrena noferany ho an’ny tenany. Notanany ho an’ny fanompoana ny zotom-po sy ny hafanam-po nanetsika azy tao anatin’ireo andro voalohandohany, fony izy tany Damaskosy.
5. Raha efa hatramin’ny taona maro izay no nanompoantsika an’i Jehovah, ahoana no azontsika amporisihana ireo namantsika?
5 Rehefa tapitra ny am-polony taona maromaro nahatokiana teo amin’ny fanompoana kristiana, dia afaka nahatsiahy ny fiainany tamin’ny lasa sy ireo fahatsiarovana navelan’izany i Paoly mba hampaherezana minisitra hafa, dia ireo anisan’ny kongregasiona tany Filipy, mba tsy hiala koa ireo. Voamarikao ve fa mahaliana amin’ny ankapobeny ny mandre olona mitantara ny fomba nahitany ny fahamarinana sy izay nahatarika azy ho tonga mpitory? Raha izany no izy, moa ve ianao mamporisika ireo namanao amin’ny firesahana amin’izy ireny ny amin’ny zava-nitranga tamin’ny tenanao manokana sy ireo taona laninao nanompoana an’Andriamanitra tamim-pahatokiana hatramin’ny nanoloranao tena?
6. Nanao ahoana ny toerana notanan’i Paoly tao amin’ny jodaisma?
6 Tao amin’ny taratasiny ho an’ny Filipiana, dia notsahivin’i Paoly ny fiainana nananany fony izy nanaraka ny jodaisma. Izao no vakintsika: “Raha misy olona hafa manao hitoky amin’ny nofo, mainka fa izaho; fa voafora tamin’ny andro fahavalo aho, avy amin’ny fototr’Isiraely, dia avy amin’ny firenen’i Benjamina; Hebreo sady avy amin’ny Hebreo aho; araka ny lalàna , dia Fariseo, araka ny zotom-po dia nanenjika ny fiangonana; araka ny fahamarinana avy amin’ny lalàna, dia nanan-tsiny.” — Filipiana 3:4-6.
7. Nahoana i Paoly no niala tamin’io toerana io? Nitondra soa inona ho azy izany?
7 Tamin’ny taratasy milaza fahefana toy izany, dia nety ho nanana tombontsoa ara-nofo maro i Paoly tao anatin’ny fitambaran’olona jiosy. Nanampy teny toy izao anefa izy: Nefa izay azoko ho tombony dia nataoko fatiantoka kosa noho ny amin’i Kristy. Eny tokoa, fa ataoko ho fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra noho ny fihoaran’ny hatsaran’ny fahalalana an’i Kristy Jesosy Tompoko, Izay niaretako ny fatiantoka ny zavatra rehetra, ka ataoko ho taimboraka ireny (...) mba ho fantatro Izy sy ny herin’ny fitsanganany tamin’ny maty ary ny fiombonana amin’ny fijaliany ka hampitovina amin’ny endriky ny fahafatesany, raha mba misy hahatratrarako ny fitsanganana amin’ny maty.” (Filipiana 3:7-11). Tamin’ireo teny ireo no nanehoan’i Paoly finoana feno an’i Jesosy Kristy sy ireo fandaharana nataon’i Jehovah. Manaraka ny ohatra nomeny ve ianao amin’ny tsy famelana ny tenanao hotapahin’ny faniriana laza na harena?
Ny toe-tsaina tsara
8. a) Taorian’ny taona maro nanaovana fanompoana, inona no nolazain’i Paoly ny amin’ny zava-nokendrena teo amin’ny fiainany? b) Ahoana no azontsika ampiharana ny fananarana omeny antsika ao amin’ny I Korintiana 9:24-27?
8 Rehefa avy nanompo an’Andriamanitra nandritra ny am-polony taona maromaro i Paoly, moa ve izy afaka niala sasatra kely tamin’ny fihazakazahany ho amin’ny zava-kendrena. Mamaly an’io fanontaniana io izy rehefa nilaza toy izao tamin’ireo kristiana tany Filipy: “Ry rahalahy, tsy mbola ataoko fa efa nahazo ny tenako; fa zavatra iray loha no ataoko: manadino izay zavatra ao aoriana ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha [manohy ny fihazakazahana hanatratra ny zava-kendrena, MN], eny miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra any ambony ao amin’i Kristy Jesosy.” (Filipiana 3:13, 14). Efa niavaka tamin’ny asany teo amin’ny fanompoana kristiana i Paoly, ary nizaka fisedrana maro izy. Natao an-tranomaizina tany Roma tokoa izy raha nanoratra ny taratasiny ho an’ny Filipiana. Mbola tsy vita anefa ny fanompoany. Mba handraisana ny valisoa, ny loka natolotra ny kristiana rehetra tamin’ny taonjato voalohany, dia “ny fiantsoan’Andriamanitra any ambony ao amin’i Kristy Jesosy”, dia tsy maintsy nanohy ny fihazakazahany izy. Mitovy fomba fisaina amin’izany ny kristiana matotra rehetra, na ny ho any an-danitra no fanantenany na ny ho eto an-tany. Noho izany, dia ho tsara ny hieritreretan’ny tsirairay avy amintsika ny toerany sy ny toe-tsainy mba hahitana raha tena ataony amin’ny fo tokoa ny fanompoana nomena azy ao anatin’ny faritry ni fikasan’Andriamanitra.
9. Hanao ahoana ny toe-tsaintsika raha matotra isika?
9 Nolazalazain’i Paoly tamin’izao teny izao ny fiheveran’ny kristiana matotra: “Koa aoka isika rehetra izay tanteraka [matotra, MN] hihevitra izany; fa hasehon’Andriamanitra aminareo izany, raha sendra manana sain-kafa hianareo” (Filipiana 3:15). Mitarika ho amin’ny fandresena ny fihetsiky ny kristiana matotra. Izany dia atao indrindra hanarahana ny dian’i Jesosy Kristy izay nahavita tamim-pahombiazana ny fanompoana teto an-tany nankinina taminy. Afaka nanao izao vavaka izao tamin’ny Rainy i Jesosy: “Izaho efa nankalaza Anao tetỳ ambonin’ny tany; vitako ny asa nomenao Ahy hataoko. Ary ankehitriny, Ray ô, mankalazà Ahy amin’ny tenanao, dia amin’ny voninahitra niarahako nanana taminao, fony tsy mbola ary izao tontolo izao.” — Jaona 17:4, 5.
10. Inona no azo lazaina ny amin’ny fihetsika faka tahaka narahin’i Kristy teo anoloan’ny asan’i Jehovah?
10 Raha tiantsika ny hahazo sitraka amin’i Jehovah ka handray ny loka, dia ny fiainana mandrakizay ho valisoa, dia tokony hitovy toe-tsaina amin’i Jesosy Kristy isika. Nahafantatra izany i Paoly ka miangavy amintsika toy izao: “Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin’i Kristy Jesosy koa, Izay, na dia nanana ny endrik’Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin’Andriamanitra, fa nofoanany ny tenany tamin’ny nakany ny endriky ny pmanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ny olona; ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin’ny hazo fijaliana. Koa izany no nanandratan’Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana Izay ambony noho ny anarana rehetra”. (Filipiana 2:5-9). Endrey izany toe-tsaina tsara dia tsara nanan’i Jesosy! Hanahaka ny ohatra nomeny ve isika? Raha miezaka amim-panetren-tena isika mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra, izany dia hitondra soa ho antsika foana. Rehefa tanterahina tsara ny asa nanirahana iray, dia tsy mety hiteraka afa-tsy vokatra tsara izany.
11. Ahoana no tokony hataon’ireo izay matanjaka sy matotra ara-panahy?
11 Rehefa fakafakaina amin’ireo fanamarihan’i Paoly dia hita fa ny mpikambana sasany tao amin’ny kongregasiona tany Filipy dia tsy maintsy mbola nanao fiezahana mba hahatongavana amin’ny fahamasahana kristiana sy ny fihetsika miaraka amin’izany. Nitarika fampaherezana azy ireo sy fanampiana azy àry ilay apostoly. Amin’izao andro izao, ao amin’ny ankamaroan’ny kongregasiona, ny kristiana sasany dia matanjaka ao amin’ny finoana, fa ny hafa kosa manana fahalemena. Sahala amin’i Paoly, ireo matanjaka indrindra dia manana adidy hampahery an’ireo namany. Jesosy koa, tetsy andaniny, dia nanao zavatra be dia be mba hanatanjahana ireo izay nila fanampiana teo amin’ny lafiny ara-panahy, ary ireo mpianany dia tokony hanaraka ny diany. Eny, “isika izay matanjaka dia tokony hitondra ny fahalemen’ny malemy ka tsy hitady izay hahafaly ny tenantsika ihany. Aoka isika rehetra samy hitady izay hahafaly ny namantsika amin’izay hahasoa sy hampandroso azy. Fa Andriamanitry ny faharetana sy ny fiononana anie hampiray hevitra anareo araka an’i Kristy Jesosy, mba ho saina iray sy vava iray no hiarahanareo mankalaza an’Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika”. — Romana 15:1, 2, 5, 6.
12. Ahoana no tokony hiheverantsika ny loka atolotr’Andriamanitra antsika?
12 Mba hanatanjahana ny finoan’ireo kristiana tany Roma, dia nampahatsiahivin’i Paoly azy ireo fa ny “fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika”. (Romana 6:23.) Jesosy koa dia niresaka be dia be ny amin’ny fiainana mandrakizay nandritra ny fanompoany. Marina tokoa fa valisoa kanto no atolotr’Andriamanitra amin’izany ho an’ireo mpanompony. Ary iriny ny hibanjinantsika hatrany an’io loka io, satria hanosika antsika hitoetra ho mahatoky eo anatrehany izany. Amin’ny fanaovana toy izany, dia asehontsika koa fa mino mafy ny fampanantenany isika. Amin’ireo fivoriana kristiana ataontsika koa dia matetika isika no mahatsiahy ny valisoa omen’i Jehovah ny olony mahatoky.
Aoka isika hanatontosa ny fanompoantsika na dia ao aza ny fahasahiranana
13. Amin’ny ahoana ny Soratra masina no hanampy antsika hanana toe-tsaina tsara.
13 Raha mitana fiheverana tsara isika, toe-tsaina tsara, dia ho mora lavitra amintsika ny hanohy hanatontosa ny fanompoantsika amin’izao andro farany izao. Na dia manary ny fitiavany tamin’ny voalohany aza ny sasany, dia zava-dehibe ny hahatapa-kevitra antsika tsara tsy hamela na oviana na oviana ny hitrangan’izany amintsika. Hanampy antsika amin’izany ny Soratra masina (Romana 15:4). Rehefa mianatra izany isika dia mitombo ny fanantenantsika. Amin’izay mahakasika antsika, moa ve isika velom-pankasitrahana lalina an’i Jehovah noho ny nanomezany antsika ny Teniny sy ny fanazavana rehetra omeny antsika ny amin’ny fiainan’ireo mpanompony mahatoky tahaka ny apostoly Paoly?
14. Inona no nahatonga an’i Paoly ho afaka hanana fihevitra manorina hatrany na dia tao aza ireo fitsapana tsy maintsy nosetrainy?
14 Inona no hataontsika raha tsy maintsy misetra ireo fitsapana tanisain’i Paoly ao amin’ny II Korintiana 11:23-28 isika? Raha ny marina, nahoana izy no tsy niala mihitsy? Satria notadidiany tao an-tsaina ny zava-nokendreny. Mety handalo fahasahiranana sahala amin’izany koa isika. Nefa na inona na inona mitranga, dia zava-dehibe ny hanohizantsika ny zava-kendrentsika ho amin’ny loka atokan’Andriamanitra ho antsika. Rehefa nanoratra ny taratasiny ho an’ny Filipiana i Paoly, dia nasehony ny toe-tsainy tsara tamin’ny fampahatsiahivana fa nifatotra izy, tany an-tranomaizina, ho fiarovana ny vaovao tsara (Filipiana 1:7, 16). Takany ny antony nitanana azy. Tsy azo atao tsirambina izany ho an’izay mandia fitsapana toy izany. Ambonin’izany, raha ao anatin’izany tarehin-javatra izany isika dia ho fantatsika fa afaka mampiasa antsika Jehovah mba hanao fanambarana ho fiderana azy.
15. a) Nahoana ireo mpikambana tao amin’ny kongregasiona tany Filipy no nila fampaherezana? Inona no nolazain’i Paoly tamin’izy ireo mba hanatanjahana azy? b) Ahoana no nandraisan’ny kongregasiona tany Roma ny fanaovana an’i Paoly an-tranomaizina?
15 Ireo kristiana tany Filipy dia tsy maintsy nisetra fahasahiranana sahala amin’ny niaretan’i Paoly, araka ny miharihary amin’izao fanamarihana izao: “Dia manana izany ady izany hianareo, izay hitanareo teo amiko sady mbola renareo fa ato amiko ihany ankehitriny.” (Filipiana 1:30). Tamin’izany, dia tsara toerana ilay apostoly mba hamporisika azy ireo. Ohatra, nohazavainy tamin’izy ireo fa niely tao amin’ny mpiambina pretoriana ny vaovao tsara. Araka ny azo inoana tokoa, ny hafatra dia tafiditra hatrany amin’ny ankohonan’ny emperora ka tao ny sasany dia nanolo-tena ho an’Andriamanitra mba ho tonga kristiana. Nandray tsara ny tarehin-javatra ny kongregasiona tany Roma tamin’ny fitambarany. Tsy nanaiky ho kivy na raiki-tahotra ny mpikambana tao aminy satria natao an-tranomaizina i Paoly. Nisahirana kosa aza izy ireo nanao ny asa nirin’i Jehovah hotontosainy. Vao mainka izy ireo niseho ho be herim-po niresaka tsy nisy tahotra ny amin’ny tenin’Andriamanitra. — Filipiana 1:12-14; 4:22.
16. Inona indrindra no ilaina rehefa miseho ny fanoherana?
16 Rehefa mitranga ny fanoherana, dia hahasoa tokoa ny kongregasiona ny hiraisan-tsaina hatrany. Takatra àry ny nahatonga an’i Paoly hampisongadina ny fifanarahana sy ny firaisan-tsaina kristiana (Filipiana 1:27 ka hatramin’ny 2:4). Ao anatin’izany karazam-pisedrana izany, dia tena ilaina ny hanehoana ny finoantsika eo amin’ny fifampikasohantsika amin’ireo namantsika mba tsy hialana amin’ny fihazakazahantsika ho amin’ny zava-kendrena. Izao indrindra no fotoana tokony hampisehoana ny fitiavantsika, hanetren-tena hatrany, hifanaovan-tsoa amin’ny fitadiavana ny hahasoa ny namany avy. — Jereo Filipiana 2:19-21.
Ny fomba handresana ireo vato misakana
17. Nahoana isika no tsy tokony hiala amin’ny fihazakazahantsika hanatratra ny zava-kendrena rehefa manana zava-manahirana ara-pahasalamana?
17 Epafrodito dia anankiray tamin’ireo mpiara-miasa tamin’i Paoly akaiky indrindra. Noho ny asan’ny Tompo, dia saika maty izy. Tsy misy na inona na inona mampiseho anefa fa ny zava-nanahirana azy ara-pahasalamana dia tsy nampahita azy intsony ny zava-kendrena natolotra azy (Filipiana 2:25-30). Ao amin’ny II Korintiana 12:7 i Paoly dia nanazava fa ny tenany koa aza dia nijaly noho ny “tsilo tamin’ny nofo”. Angamba izany areti-maso. Nivavaka mafy izy mba ho afaka amin’izany, nefa tsy nomena azy izany. Tamin’ny fitadidiana ny zava-kendrena tao an-tsaina anefa dia nandroso ilay apostoly na dia tao aza ireo zava-tsarotra nahazo azy. Nahita fomba nanatontosana ny adidiny foana izy noho ny fanampian’i Jesosy Kristy. — II Korintiana 12:9.
18. Inona no fiheverana voalanjalanja nananan’i Paoly ny amin’ny fananana ara-nofo?
18 Tao amin’ny taratasiny ho an’ny Filipiana (4:11-13) dia niresaka ny amin’ny zavatra ilaina eo amin’ny fiainana koa i Paoly. Mety ho fisedrana ho an’ny kristiana ny fihafiana satria izany mety hanosika azy handao ny fihazakazahana ho amin’ny zava-kendrena. Amin’ny toe-javatra toy izany, moa ve isika hahay hampiseho fa matotra ny tenantsika amin’ny fiadiana amin’ilay zava-manahirana mitranga sady manohy manatontosa ny asantsika ho an’Andriamanitra (Jereo Asa. 18:1-4)? Na tsy nanana i Paoly na nanam-be, dia nomeny toerana talohan’ny zavatra hafa rehetra ny fanompoany. Rehefa niadana izy, dia tsy nanararaotra izany mba hanokanana fotoana be dia be ho an’ny fikatsahana fahafinaretana, fa nanohy tsy nety sasatra ny fihazakazahany ho amin’ny zava-kendrena, ho amin’ny loka.
19. Araka ny Filipiana 4:6, 7, inona no tokony hataontsika rehefa mila fanampiana isika? b) Amin’ny ahoana izany no hahasoa antsika?
19 Tsy notononin’i Paoly ny fandrika rehetra nety ho niseho teo amin’ny fiainan’ny kristiana iray. Na ahoana na ahoana, rehefa misy vato misakana mandrahona ny hanakantsakana ny fanompoantsika, dia haneho fahamasahana isika amin’ny fitodihana any amin’i Jehovah amin’ny alalan’ny vavaka, araka ny nananaran’i Paoly mba hataontsika ao amin’ny Filipiana 4:6, 7. Amin’izany Jehovah dia hanome antsika fiadanan-tsaina. Hanampy antsika hanana fiheverana tsara sy handresy ireo zava-manahirana antsika sady manohy manatontosa amim-pahatokiana ny fanompoana nampanaoviny antsika izy. Eny, noho ny vavaka, dia ho afaka hitana ny finoantsika isika ka hanohy ny fihazakazahantsika ho amin’ny zava-kendrena.
20. a) Amin’ny ahoana ny ohatra nomen’ireo rahalahintsika sy anabavintsika be taona sy mahatoky no mampahery antsika? b) Tokony ho vonona hanao inona isika? Nahoana?
20 Amin’izao andro izao, dia maro ny kristiana manompo an’i Jehovah hatramin’ny am-polony taona maro. Samy namakivaky fitsapana daholo izy ireny teo amin’ny fampiharana ny fanompoany. Nanohana azy ireny anefa Jehovah, hany ka mbola manohy foana ny fihazakazahany ho amin’ny zava-kendrena izy ireny mba hahazoana ny valisoa. Velom-pankasitrahana an’i Jehovah isika noho ny nampipoirany amin’izao androntsika izao, toy ny tamin’ny taonjato voalohany, rahalahy sy anabavy izay oha-piaretana, izay miasa amim-pahatokiana ho an’ilay Fanjakana ka mibanjina ny loka. Izay rehetra tanora na azo lazaina hoe vaovao ao amin’ny “Lalana” dia tsy maintsy handray soa amin’ny fanandraman-javatra hitantizy ireny, toy ny an’i Paoly, amin’ny fakana hevitra avy amin’ny fomba nandresen’izy ireo ny zava-nanahirana azy (Asa. 9:2; Hebreo 13:7). Enga anie isika hanararaotra ny fahafahana rehetra atolotra antsika mba hifamporisihana haharitra amim-pahatokiana eo amin’ny asa natombotsika, ka hanohy ao anatin’ny firaisan-tsaina ny fihazakazahantsika ho amin’ny zava-kendrena napetrak’i Jehovah eo anoloantsika. Raha manao toy izany isika, dia hanana fahasambarana hanompo ny Andriamanitsika mandrakizay eo anilan’ireo olony mahatoky. — Filipiana 3:13-16.
Hevitra vitsivitsy tokony hotadidiana
◻ Ahoana no nampiasan’i Paoly ny fiainany tamin’ny lasa mba hampaherezana ireo rahalahiny?
◻ Amin’ny ahoana ny ohatr’i Jesosy sy ny an’i Paoly no manampy antsika hahazo an-tsaina amin’ny fomba marina ny fihetsiky ny kristiana matotra?
◻ Ahoana no azontsika ampisehoana fa tafaray isika rehefa miseho ny fanoherana?
◻ Nahoana isika no tokony hanohy ny fihazakazahantsika hanatratra ny zava-kendrena?
[Sary, pejy 12]
Tsy nikely soroka i Jesosy tamin’ny fanatanjahana ireo namany sy ny fanomezana izay nilain’izy ireo ara-panahy.