FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w90 15/12 p. 26
  • Miezaha manatratra ny zava-kendrena!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Miezaha manatratra ny zava-kendrena!
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Toetra kristiana miharihary
  • Aza mitsahatra miezaka manatratra ny zava-kendrena
  • ‘Aoka isika hanohy ny fihazakazahantsika hanatratra ny zava-kendrena’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-50 — Filipiana
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
  • Filipianina, Taratasy ho An’ny
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Filipianina 4:13: “Afaka Miatrika Izany Rehetra Izany Aho, Noho i Kristy”
    Fanazavana Andinin-teny
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
w90 15/12 p. 26

Miezaha manatratra ny zava-kendrena!

Hevi-dehibe ao amin’ny Filipiana

NIRIN’NY apostoly Paoly ny kristiana tany Filipy hiezaka hanatratra hatrany ny marika [zava-kendrena, MN ] hahazoana ny lokan’ny fiainana mandrakizay. Noho izany, dia nanoratra tamin’izy ireo izy tany amin’ny taona 60 na 61 am.fan.ir., nandritra ny fanaovana an-tranomaizina azy voalohany tany Roma. Ny taratasiny dia nalefa tany amin’ny kongregasiona izay naoriny folo taona teo ho eo talohan’izay tany Filipy, tanàna naorin’i Filipo avy any Makedonia (rain’i Aleksandra Lehibe). Tamin’ny taonjato voalohany am.fan.ir., izy io dia efa tonga ‘tanàna voalohany tamin’ny zara-tanin’i Makedonia’, izay mahaforona an’i Grisia avaratra sy Iogoslavia atsimo ankehitriny. — Asan’ny apostoly 16:11, 12.

Nahantra nefa nalala-tanana ny mpino filipiana. Maherin’ny indray mandeha, izy ireo dia nandefa zavatra mba hanomezana fahafahampo tamin’izay nilain’i Paoly. (Filipiana 4:14-17) Mihoatra lavitra noho ny taratasy fisaorana fotsiny anefa ny taratasiny. Nanome fampaherezana sy nampiseho fitiavana ary nanolotra torohevitra koa izy io.

Toetra kristiana miharihary

Manomboka amin’ny fampiharihariana ny fitiavany an’ireo mpino filipiana ny taratasin’i Paoly. (1:1-30, MN ) Nisaotra an’i Jehovah izy noho ny fandraisan’izy ireo anjara tamin’ny fampandrosoana ny filazantsara, ary nivavaka izy mba hitomboan’ny fitiavany. Faly i Paoly fa nahatonga azy ireo ‘hihasahisahy kokoa hitory ny tenin’Andriamanitra tsy amin-tahotra’ ny fanaovana azy an-tranomaizina. Naniry ny hiaraka amin’i Kristy izy, nefa nihevitra fa mbola afaka manompo azy ireo. Nirin’i Paoly koa ny hanohizan’izy ireo “hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny filazantsara”.

Nanaraka izany ny torohevitra mikasika ny fihetsika sy fitondrantena. (2:1-30) Nampirisihina ireo Filipiana mba hihevitra ny tombontsoan’ny hafa ary hampiseho fanetren-tena sahala amin’ny an’i Kristy. ‘Niseho tahaka ny fanazavana teo amin’izao tontolo izao’ izy ireo ary nampirisihina mba ‘hitana mafy dia mafy ny tenin’ny fiainana’ hatrany. Nanantena ny haniraka an’i Timoty ho any amin’izy ireo i Paoly ary natoky fa mbola ho avy faingana ny tenany. Mba hanomezana toky azy ireo ny amin’i Epafrodito, izay narary mafy, dia nandefa an’io mpanompo nahatoky io tany amin’izy ireo i Paoly.

Aza mitsahatra miezaka manatratra ny zava-kendrena

Manaraka izany dia nasehon’ny apostoly Paoly ny Filipiana hoe aiza no hametrahana ny fitokiany raha mbola niezaka nanatratra ny zava-nokendrena izy ireo. (3:1-21) Tokony hapetraka amin’i Jesosy Kristy izany, fa tsy amin’ny nofo na amin’ny famorana toy ny nataon’ny sasany. Nihevitra ny porofon’ny fahamboniany ara-nofo ho taimboraka i Paoly noho “ny fihoaran’ny hatsaran’ny fahalalana an’i Kristy”. ‘Niezaka nanatratra ny zava-nokendreny hahazoana ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra any ambony ao amin’i Kristy Jesosy’ ilay apostoly, ary nampirisika ny Filipiana mba hanana toe-tsaina mitovy amin’izany.

Ny fampiharana ny torohevitra famaranana nataon’i Paoly dia ho nanampy ny Filipiana hibanjina hatrany ny zava-kendrena sy ny loka. (4:1-23) Nampirisihiny izy ireo mba hametraka amin’Andriamanitra amin’ny vavaka ny fanahiany ary hameno ny sainy amin’ny hevitra mahasoa. Nidera azy ireo indray i Paoly noho ny fahalalahan-tanany ary namarana ny teniny tamin’ny fiarahabana sy ny firariana mba ho amin’ny fanahy izay nasehon’izy ireo ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompo ho an’izay tsy mendrika akory.

Manosika haneho fahalalahan-tanana sy fitiavana ary fanetren-tena ny taratasin’i Paoly ho an’ny Filipiana. Mampirisika hanana fatokiana an’i Kristy sy hanao vavaka amim-pahatsorana amin’Andriamanitra izy io. Ary azo antoka fa ny tenin’i Paoly dia manampy ny Vavolombelon’i Jehovah hiezaka hanatratra hatrany ny zava-kendrena hahazoana ny lokan’ny fiainana mandrakizay.

[Efajoro/Sary, pejy 26]

Hatramin’ny zava-kendrena: “Manadino izay zavatra ao aoriana ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha”, hoy ny nosoratan’i Paoly, “eny, miezaka hanatratra ny marika [zava-kendrena, MN ] aho hahazoako ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra any ambony ao amin’i Kristy Jesosy.” (Filipiana 3:13, 14) Niezaka mafy toy ny olona manao fifaninanana hazakazaka ilay apostoly. Tsy nandanilany fotoana na fiezahana tamin’ny fiherikerehana izy fa niezaka nanatratra ny zava-nokendreny — toy ny mpihazakazaka miezaka mafy ho tody eo amin’ny tsipika farany amin’ny fahatongavana. Ho an’i Paoly sy ny voahosotra hafa, ny loka dia ny fiainana any an-danitra amin’ny alalan’ny fananganana amin’ny maty aorian’ny famitany fomba fiaina tsy mivadika amin’Andriamanitra eto an-tany. Na ho any an-danitra na ho eto an-tany ny fanantenantsika, aoka isika hihazona tsy fivadihana amin’i Jehovah ary hiezaka hanatratra ny zava-kendrena amin’ny maha-Vavolombelony. — 2 Timoty 4:7.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara