‘Aza mety hofitahin’olona tsy hahazoanareo ny loka’
“Aza mety hofitahina [hofitahin’olona, MN ] tsy hahazoanareo ny loka noho ny fanetren-tena haitraitra (...) sady feno fiavonavonana noho ny fisainan’ny nofony.” — KOLOSIANA 2:18.
1, 2. Tamin’ny fomba ahoana no nanimban’ny olona sasany ny tombontsoa mandrakizain’ny olon-kafa? Afaka manonona ohatra hafa notsoahina avy ao amin’ny Baiboly ve ianao?
EVA, zavaboary olombelona voalohany nanota, dia notarihin’ny zavaboary ara-panahy sy mahery noho ny olombelona fetsy dia fetsy iray ho amin’ny fahafatesana. Adama izay nanota koa dia voataonan’ny vadiny mihitsy, olombelona tsotra izao. — I Timoty 2:14; Genesisy 3:17.
2 Eva no voalohany tamin’ny zavaboary olombelona maro nifanesy izay, raha narahina ny famporisihany, dia ho nanimba ny tombontsoa mandrakizain’ny olombelona hafa. Toy izao ny tenin’izy ireny, araka ny mety ho renao amin’ny Baiboly. Ny an’ny vadin’i Potifara nanao hoe: “Avia handry amiko.” (Genesisy 39:7); ny an’ny vadin’i Joba hoe: “Mahafoiza an’Andriamanitra hianao, dia aoka ho faty.” (Joba 2:9); ny tenin’ny Isiraelita tamin’i Arona: “Mitsangàna, ka anaovy andriamanitra izahay, hitarika antsika eo aloha.” (Eksodosy 32:1); hoy Petera tamin’i Jesosy hoe: “Sanatria aminao izany [manàna hatsaram-po amin’ny tenanao, MN ], Tompoko! Tsy ho aminao tokoa izany!” — Matio 16:22.
3. Inona no fampitandremana nomen’i Paoly ao amin’ny Kolosiana 2:18? Inona avy no fanontaniana mipetraka noho izany?
3 Matetika loatra ny torohevitra toy izany no nitarika ho amin’ny fahavoazan’ny mpanompon’i Jehovah. Araka izany àry, raha marina fa ‘mitolona amin’ny fanahy ratsy’ ny kristiana, dia matetika ny loza avy hatrany no avy amin’ny mpiara-belona aminy (Efesiana 6:12). Noho izany antony izany, dia nanome izao fampitandremana izao ny apostoly Paoly: “Aza mety hofitahina [hofitahin’olona, MN ] tsy hahazoanareo ny loka.” (Kolosiana 2:18). Inona moa izany loka izany? Ary nahoana no namoy izany ny mpanompon’i Jehovah sasany tamin’ny fanekena ho voataonan’olona tsy tanteraka? Mba hamaliana ireo fanontaniana ireo, dia aoka hojerentsika ny toe-piainana nanjaka tany Kolosia izay nanosika an’i Paoly hanome an’io fampitandremana io.
4, 5. a) Inona avy no fitaomana ara-pivavahana niasa tany Kolosia? b) Inona moa ny “gnosticisme”, ary inona no nety ho vokany nampidi-doza?
4 Kolosia dia tanàna iray nifangaroan’ny fivavahana maro. Ireo teratany, ny Fryziana, dia olona be fihetseham-po tokoa, fatra-pitia spiritisma sy finoanoampoana amam-panompoan-tsampy. Nisy Jiosy nandevozin’ny jodaisma foana koa tao. Koa satria Kolosia teo akaikin’ny lalam-barotra lehibe, dia nisy mpitsidika nifamoivoy tsy ankijanona tao. Azo inoana fa ireny vahiny ireny dia tia ny nilaza na nihaino zava-baovao rehefa tsy niasa (jereo Asan’ny apostoly 17:21). Izany dia nanamora ny fielezan’ny filozofia vaovao ka anisan’ny niseho tsikelikely tamin’izany ny “gnosticisme” (filazana ho manana fahalalana feno ny amin’ny toe-tenan’Andriamanitra). Nilaza toy izao ny amin’izany i R. White: “Ny ‘gnosticisme’ dia hevitra nandroso niely tamin’izany fotoana izany toy ny tsangan-kevitra ny amin’ny evaolisiona amin’izao andro izao. Azo inoana fa nanomboka niseho izy io tamin’ny taonjato voalohany na talohan’izay aza mba hahatratra ny fara heriny tamin’ny taonjato faharoa. Io hevitra nandroso io dia nanakambana ny fiheverana ara-pilozofia, ny finoanoampoana, ny fombafomba ara-majika kely na be ary indraindray karazam-panompoam-pivavahana misy firehetana tsy amin’ny antony, na maloto mihitsy aza.”
5 Tao anatin’ny rivo-piainana toy izany, nampiavaka an’i Kolosia, tao ny fivavahana dia toa nanjary karazam-panandraman-javatra nitohy: fampifangaroana ny jodaisma, ny filozofia grika sy ny fanompoan-tsampy mifono zava-miafina. Hifangaro amin’izany rehetra izany koa ve ny kristianisma?
‘Tsy mahazo ny loka’: amin’ny fomba ahoana?
6. a) Ahoana no ho nisakanan’ny tenin’i Paoly ny nety ho herin’ny filozofian’ny mpanompo sampy sy ny jodaisma? b) Nahoana moa ny kristiana no tokony ‘hitandrina’?
6 Ny taratasy nahery nataon’i Paoly ho an’ny Kolosiana dia ho nisakana ny fitaoman’ny olona rehetra izay ho naniry hampifangaro ny jodaisma sy ny filozofian’ny mpanompo sampy amin’ny kristianisma. Tao amin’io taratasy io i Paoly dia nampitodika imbetsaka ny sain’ireo mpamaky azy ho amin’i Kristy. Izao no nosoratany: “Izay [ao aminy, MN ] (Kristy fa tsy mpanaraka ny jodaisma sasany na filozofa mpanompo sampy) iafenan’ny rakitry ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra.” Rehefa avy eo, dia nananatra ny Kolosiana izy mba ‘handeha ao aminy [Kristy], ka hamaka tsara sy hiorina mafy ao aminy ary ho tafatoetra amin’ny finoana’. Raha tsy nanao toy izany izy ireny dia nety ho voatarika haniasia. Nanampin’i Paoly àry izao fampitandremana izao: “Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin’ny filosofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana, araka ny abidim-pianaran’izao tontolo izao, fa tsy araka an’i Kristy.” — Kolosiana 2:3, 6-8.
7. a) Nahoana moa ny fampianaran’ny filozofa mpanompo sampy sy ny mpanaraka ny jodaisma no nety nahasodoka kristiana sasany? b) Nahoana moa izany fampianarana izany no tena “famitahana foana”?
7 Ny mpianatr’i Jesosy Kristy vaovao sasany dia nety ho nalahelo ny lafiny nanaitra tamin’ny fivavahana mifono zava-miafina na ny vokany namporisika tamin’ny filozofia. Na nety ho nisy kristiana nanam-piaviana jiosy koa somary manina an’ireo lovantsofin’ny jodaisma efa lany andro. Ireny kristiana ireny àry dia voasintona be na kely tamin’ny fampianaran’ireo filozofa mpanompo sampy sy ireo mpanaraka ny jodaisma. Kanefa, na dia toa nahay nampiaiky sy nandahatra aoka izany aza ireny mpampianatra sandoka ireny, dia tsy nanolotra afa-tsy “famitahana foana”. Tsy namelabelatra ny teny madion’Andriamanitra izy ireny, fa namerimberina tsy ankijanona fotsiny ireo “abidim-pianaran’izao tontolo izao”: filozofia, fitsipika sy zavatra inoana tsy misy vidiny. Ny kristiana izay ho nanaiky izany fampianaran-diso izany dia ho nahita fahavoazana. Izany no antony nanoratan’i Paoly toy izao: “Aza mety hofitahina [hofitahin’olona, MN ] tsy hahazoanareo ny loka.” — Kolosiana 2:18.
8. a) Inona moa ny “loka” resahina, ary andininy inona ao amin’ny Baiboly no manamarina ny valinteninao? b) Ahoana no mety hahatonga kristiana voahosotra tsy hahazo “ny loka”?
8 “Ny loka” resahina dia ny fiainana tsy hahitam-pahafatesana any an-danitra. Paoly dia nampitaha izany tamin’ny valisoa noraisin’ny mpandresy tamin’ny fihazakazahana iray faran’izay mafy (I Korintiana 9:24-27; Filipiana 3:14; II Timoty 4:7, 8; Apokalypsy 2:7). Rehefa fotorana, dia Jehovah irery ihany, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, no ho afaka hanaisotra olona iray tsy hanao ny fihazakazahana ho amin’ny fiainana (Jaona 5:22, 23). Kanefa, raha misy mpampianatra sandoka iray mametraka kristiana iray ho eo ambany fiarovany, ny mety ho vokany dia fanesorana aminy ny loka. Ny kristiana voafitaka toy izany dia mety hanalavitra ny fahamarinana ka tsy hahavita ny fihazakazahana.
Ny toetran’ireo mpampianatra sandoka
9. Inona moa ireo toetoetra efatra nampiavaka ny mpampianatra sandoka tany Kolosia?
9 Nisy ve àry fomba namantarana olona iray izay ny fikasany dia ny ‘tsy hampahazo loka ny kristiana iray’? Eny, satria nolazain’i Paoly ny toetran’ireo mpampianatra sandoka tany Kolosia. 1) Ny mpampianatra sandoka iray dia tia “ny fanetren-tena haitraitra sy ny fivavahana amin’ny anjely”; 2) “mitompo [miankina, MN ] amin’ny zavatra efa hitany”; 3) “Feno fiavonavonana noho ny fisainan’ny nofony” izy; ary 4) “Tsy mihazona ny Loha”, izany hoe Jesosy Kristy, izy. — Kolosiana 2:18, 19.
10. Tamin’ny fomba ahoana no nanehoan’ireo mpampianatra sandoka “fanetren-tena haitraitra”?
10 Fitaka re izany! Tsy miraharaha ny tenin’i Jesosy manameloka ny fifadian-kanina misy fireharehana ny mpampianatra sandoka fa miseho ho manetry tena ivelany manintona kosa (Matio 6:16). Raha ny marina, dia ‘tiany’ ny hampahita fa mifady hanina izy na manao karazan-tsorona ara-pivavahana hafa (Kolosiana 2:20-23). Ny endriny maotina dia maotina dia tandremana mafy mba hampiseho fitiavam-pivavahana. Raha ny marina, ireny mpampianatra sandoka ireny dia ‘nanao ny asan’ny fahamarinany teo imason’ny olona hahitany azy’. (Matio 6:1.) Fihatsarambelatsihy anefa izany, “fanetren-tena haitraitra”. Araka izany dia izao no vakina ao amin’ny famoaboasan-kevitra iray (The Expositor’s Bible): “Ny olona iray mahalala fa manetry tena ny tenany, izay afapo amin’ny tenany sady mijery ambany no mitopy maso any amin’ny fitaratra rehetra mety hahitany ny tenany, dia tsy manetry tena velively.” — Izahay no manipika.
11. a) Inona moa ny fivavahana tamin’ny anjely? b) Inona no mampiseho fa narahina naharitra tany Kolosia izany fivavahana tamin’ny anjely izany?
11 Na dia izany aza, izany fanetren-tena sandoka izany dia toa mahatonga ho azo inoana koa ny fanao hafa iray mampiseho hadalana: “ny fivavahana amin’ny anjely”. Tsy nohazavain’i Paoly ny hoe inona marina tokoa izany, kanefa io fanompoam-pivavahan-diso io dia natao nandritra ny taonjato maro tao amin’ny faritr’i Kolosia. Araka izany, tao amin’ny konsily iray natao tamin’ny taonjato fahefatra amin’ny fanisan-taona iraisana tany Laodikia, tanàna iray eo akaiky, dia noheverina fa tsara ny nanambarana hoe: “Tsy tokony handao ny Fiangonan’Andriamanitra ny kristiana na (...) hiantso ny anaran’ireo anjely. (...) Raha misy hita manao manokana izany karazam-panompoan-tsampy izany, aoka ho voaozona izy!” Na dia tao aza izany, araka ny filazan’i Theodoret, teolojiana tamin’ny taonjato fahadimy, “io fahazaran-dratsy io”, dia ny fivavahana amin’ny anjely, dia mbola natao foana tamin’ny androny. Amin’izao andro izao, ny Eglizy katolika dia mbola “mananatra ny mpiangona ho tia, hanaja sy hiantso ireo anjely”, ary mamporisika izy ny hanaovana “lamesa sy fotoam-pivavahana araka an’Andriamanitra ho fanomezam-boninahitra ireo anjely mpiambina”. — New Catholic Encyclopedia, boky I, p. 515.
12. Tamin’ny fomba ahoana no nety ho nampahafantaran’ireo mpampianatra sandoka fa azo nekena ny fivavahana tamin’ny anjely?
12 Nanana fiheverana sahala amin’ny an’ireo teolojiana katolika ny mpampianatra sandoka ka angamba nilaza hoe: ‘Toy inona moa ny tombontsoa ananan’ireo anjely! Moa ve tsy nampitaina tamin’ny alalan’izy ireny ny lalàn’i Mosesy? Moa ve izy ireny tsy akaiky dia akaiky an’Andriamanitra any an-danitra? Tsy isalasalana fa tokony homentsika ny voninahitra tandrifina azy ireny mahery ireny. Moa ve tsy ho mariky ny tena fanetren-tena avy amintsika izany? Rehefa dinihina tokoa dia ambony aoka izany Andriamanitra, ary isika olombelona dia malemy aoka izany! Afaka manao ny asan’ny mpanalalana ho antsika eo anilan’Andriamanitra àry ny anjely.’
13. a) Tena azo ekena ve ny fivavahana amin’ny anjely? b) Tamin’ny heviny ahoana moa ireo mpampianatra sandoka no ‘niankina tamin’ny zavatra efa hitany’?
13 Kanefa, ny fanompoam-pivavahana atao ho an’ny anjely amin’ny endriny rehetra dia ratsy (I Timoty 2:5; Apokalypsy 19:10; 22:8, 9). Ireo mpampianatra sandoka anefa dia hanandrana hanodina ny fanoherana ‘amin’ny fiankinana amin’ny zavatra efa hitany’. Araka ny diksionera nohafohezina iray (The Vocabulary of the Greek Testament), io fitenenana io dia nampiasaina “tao amin’ireo fivavahana mifono zava-miafina ny amin’ny fara tampon’ny fandraisana olona ho anisan’ilay fivavahana, rehefa ‘mandia’ ny tokonan’ny fiainana vaovao hiarahany manana hatramin’izao amin’ny andriamanitra ilay “mustês” [ilay raisina]”. Tamin’ny fampiasana fitenenana mampiavaka ny fanompoan-tsampy no nanarabian’i Paoly ny mpampianatra sandoka izay nieboebo noho ny fahiratan-tsainy manokana na nihambo ho nahita fahitana avy amin’ny hery tsy fantatra mihitsy aza.
14. Tamin’ny ahoana ireo mpampianatra sandoka no ‘feno fiavonavonana amin’ny toe-tsainy araka ny nofo’?
14 Na dia nilaza ny tenany ho olona araka ny fanahy aza ny mpampianatra sandoka, raha ny marina dia feno fieboeboana tsy nisy antony azo nekena noho ny toe-tsainy araka ny nofo. Ny fiheverany sy ny antony nanosika azy dia simban’ny toe-tenany mpanota. “Feno fiavonavonana” sy fireharehana izy ka nampitodika ny sainy ho amin’ny “fanaovan-dratsy”. (Kolosiana 1:21.) Ny mbola ratsiratsy kokoa ihany anefa, dia ny tsy nihazonany mafy ny loha, dia Kristy, satria noheveriny ho sarobidy lavitra noho ny fampianaran’i Jesosy ny fiheveran’ny olona mifikitra amin’izao tontolo izao.
Mbola misy foana ve io loza io?
15. a) Inona no hevitra lazain’ny kristiana sasany amin’izao andro izao? b) Avy aiza ny hevitra toy izany, ary inona no asehon’ny Baiboly ny amin’izany?
15 Ny loka, izany hoe ny fiainana mandrakizay any an-danitra na ao amin’ny Paradisa eto an-tany, dia atolotra foana an’ireo mpanompon’i Jehovah. Marina fa hatramin’ny ela no tsy hita intsony ny “gnostiques” sy ny mpanaraka ny fombafombam-pivavahan’ny Jiosy, nefa mbola misy foana amin’izao andro izao olona mety hisakana ny kristiana tsy hahazo an’io loka io. Na dia tsy mahatsapa ny tenany ho manao tahaka izany aza izy ireny, noho ny tenany nanaiky ho voataonan’ny “filosofia sy ny famitahana foana” avy amin’ny fandehan-javatra ankehitriny, dia hilaza toy izao aminao angamba izy ireny:
‘Miezaka hanao ny marina aho, nefa sarotra dia sarotra izany rehefa manao raharaham-barotra ny tena. Eo amin’izao tontolo izao, ny mahomby dia izay hihinana ny hafa, koa tsy misy zavatra hafa azo atao afa-tsy ny mandika ny feon’ny fieritreretan’ny tena indraindray.’ (Ampitahao amin’ny Ohabolana 11:1 io fiheverana io; Hebreo 13:18.)
‘Te-hilaza ve ianao fa tsy miasa fa mikarakara ny tokantranonao fotsiny? Efa niova ny fotoana! Nahoana no tsy mitady asa mba hiainana ny fiainanao?’ (Jereo Ohabolana 31:10-31.)
‘Eny e, fantatro fa misalovana kely amin’ireo fivoriana sy ny fitoriana ny asako. Mila vola be anefa izahay mba hampandeha ny fiainanay. Ary koa, inona moa no maha-ratsy ny fananan-javatra mahafinaritra sasany?’ (Ampifanohero amin’ny vakina ao amin’ny Lioka 21:34, 35 io fiheverana io; I Timoty 6:6-8.)
‘Mandreraka ahy ny mandre foana ireo loholona miresaka ny amin’ny fitoriana. Miasa mandritra ny herinandro aho ary mila ny miala voly amin’ny faran’ny herinandro.’ (Jereo Lioka 13:24; Marka 12:30.)
‘Tsy afaka ny ho mpitory maharitra ny olona rehetra. Ary tsy tafavoaka koa raha tsy misy fiofanana eny amin’ny oniversite.’ (Jereo, mifanohitra amin’izany, ny voalaza ao amin’ny Matio 6:33; I Korintiana 1:19, 20; I Timoty 6:9-11.)
Ny fiheverana mampiseho fitiavana fatratra ny zavatra hita maso sy araka ny nofo dia anisan’ny “abidim-pianaran’izao tontolo izao”, zavatra inoana sy fotopoto-pitsipika lehibe arahin’ny olona mifikitra amin’izao tontolo izao. Izay voatariky ny fiheverana toy izany dia mety hanimba tena eo amin’ny lafiny ara-panahy, hahita fahavoazana tsy azo amboarina.
16. Ahoana no mety hahatongavan’ny sasany ho mpitsara mpihatsaravelatsihy amin’izao andro izao?
16 Mitera-doza hafa koa ireo manao ny tenany ho mpitsara sy mpampianatra. Sahala amin’ireo tany Kolosia, dia angamba izy ireny hihevitra ho zava-dehibe loatra ny raharaha manokana fotsiny. Matetika izy ireny no miavaka amin’ny “fanetren-tena haitraitra” asehony. (Kolosiana 2:16-18.) Amin’ny fitadiavana hiseho ho masina kokoa noho ny hafa, raha ny marina dia mampiseho antony manosika ratsy izy, dia: ny faniriana hisandratra ho ambonin’ireo rahalahiny. Matetika izy ireny no miseho ho “marina loatra” ka mihoatra izay nolazaina na navoakan’ny “mpanompo mahatoky sy malina”. Amin’izany no ampipoirany fiadian-kevitra ny amin’ny raharaha toy ny fialam-boly, ny fahasalamana, ny fomba fitafy sy ny taovolo, ny fisotro misy alikaola (Mpitoriteny 7:16; Matio 24:45-47). Amin’ny fanaovana toy izany no ampialany ny saina tsy ho amin’ny zavatra ara-panahy fa hifantoka amin’ny filan’ny nofo. — Jereo I Timoty 6:3-5.
17, 18. a) Ahoana no ‘iankinan’ny’ sasany amin’ny fiheverana manokana, ary nahoana no mampidi-doza izany? b) Ny amin’inona no horesahintsika ao amin’ny fianarana manaraka?
17 Amin’izao andro izao, ny sasany aza lasa hatramin’ny ‘fiankinana’ amin’ny filazana hevitry ny Soratra Masina manokana, rehefa tsy mihambo ho manana fahiratan-tsaina manokana. Ohatra, ny vehivavy iray natao batisa vao herintaona monja dia nilaza ho voahosotry ny fanahy, ka araka ny eritreriny, izany dia nampahavesa-danja ny heviny. Naneho faniriana mafy ny “hampianatra sy hampahery” ny hafa àry izy tamin’ny fiantsorohana raharaha ofisialy sasany. (Jereo anefa izay voalaza ao amin’ny I Timoty 2:12.) Koa satria halan’i Jehovah “ny fiavonavonana sy ny fireharehana”, ny kristiana dia tokony hanetry tena hatrany raha ny amin’ny heviny manokana (Ohabolana 8:13). Hohalaviriny amin’izany ny ho “feno fireharehana tsy misy antony azo ekena noho ny toe-tsainy araka ny nofo”. (Kolosiana 2:18.) Izay rehetra mampisongadina ny heviny manokana ka manamaivana ny torohevitry ny “mpanompo mahatoky sy malina” notendren’i Kristy dia tsy mihazona mafy ny loha. Tsy isalasalana mihitsy fa ireo vavolombelona mahatokin’i Jehovah dia tsy maintsy tokony hiaro tena amin’ny fitaoman-dratsy toy izany izay mety hampanary azy ny lokan’ny fandresena, dia: ny fiainana.
18 Amin’izao andro izao koa Satana dia mampiasa ny olona mihitsy mba hisakanana ny mpiara-belona aminy tsy hahazo ny fiainana. Amin’ny fomba hafa inona no ampiasan’ny Devoly an’io tetikady io? Ary amin’ny fomba ahoana no azon’ny Vavolombelon’i Jehovah iray itanana mafy ny lokan’ny fandresena?
Tadidinao Ve?
◻ Inona no fitaomana ara-pivavahana nandrahona ny kristiana tany Kolosia fahiny?
◻ Inona ireo toetoetra nampiavaka ny olona nety hampanary ny “loka” tsy ho azon’ny kristiana?
◻ Ahoana no ampisehoan’ny kristiana sasany amin’izao andro izao fa manaiky ho voataonan’ny “abidim-pianaran’izao tontolo izao” izy ireny?
◻ Amin’ny fomba ahoana no mety hitarihan’ny mpampianatra sandoka ny kristiana ho amin’ny lalan-dratsy?
[Sary, pejy 12]
Loza ho an’ny kongregasiona kristiana tany Kolosia ny ‘fivavahana tamin’ny anjely’. Ireo mihambo ho kristiana amin’izao androntsika izao dia mbola manaraka endri-panompoan-tsampy karazan’izany.
[Sary, pejy 14]
Mitandrema tena amin’ireo izay mety hitaona anao amin’ny fiheveran’izao tontolo izao.