FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 15/10 p. 15-20
  • ‘Mihazakazaha mba hahazoana ny loka’

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • ‘Mihazakazaha mba hahazoana ny loka’
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • “Ny tahotra olona”
  • Ny fatoram-pianakaviana
  • “Hendry” ve ireo namanao sa “adala”?
  • Ataovy izay hahazoana ny loka!
  • ‘Aza mety hofitahin’olona tsy hahazoanareo ny loka’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Aza Avela Hisy Hahasakana Anao Tsy Hahazo An’ilay Loka!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2017
  • Tsy Misy na Inona na Inona Mahatafintohina An’ireo Tia An’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Vitao Hatramin’ny Farany Ilay Hazakazaka!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2020
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 15/10 p. 15-20

‘Mihazakazaha mba hahazoana ny loka’

“Tsy fantatrareo va fa izay mihazakazaka eo amin’ny tany fihazakazahana dia samy mihazakazaka avokoa, nefa ny iray ihany no mahazo ny loka? Mihazakazaha toy izany mba hahazoanareo.” — I KORINTIANA 9:24.

1, 2. a) Inona no hampangitakitaka raha ny amin’ny kristiana iray? b) Inona no torohevitra omen’i Paoly ao amin’ny I Korintiana 9:24, ary nahoana no nampiseho fahendrena izany ho an’ny kristiana tany Korinto?

NETY ho famitana ny 12 taona nanaovana fanomanana nanasatra izany. Teny antenatenan’ny fihazakazahana anefa dia nianjera ilay zazavavy mpanao fifaninanana amin’ny fanatanjahan-tena, ary niara-nirodana taminy ny nofinofiny hahazo meday volamena tamin’ny lalao Olympika. Niresaka ny amin’io fianjerana io ho “zavatra nampangitakitaka” ireo gazety.

2 Ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah iray, ny tsy fahatongavana hatramin’ny faran’ny fihazakazahana ho amin’ny fiainana, indrindra fa rehefa akaiky dia akaikin’ny fandaharan-javatra vaovao nampanantenain’Andriamanitra toy izao dia ho zavatra hampangitakitaka hafa tanteraka (II Petera 3:13). Tena mety àry ireto tenin’i Paoly manaraka ireto: “Tsy fantatrareo va fa izay mihazakazaka eo amin’ny tany fihazakazahana dia samy mihazakazaka avokoa, nefa ny iray ihany no mahazo ny loka? Mihazakazaha toy izany mba hahazoanareo.” (I Korintiana 9:24). Tao amin’ny tanànan’i Korinto fahizay, ny kristiana sasany dia tena nety tsy hahazo ny lokan’ny fihazakazahana satria nanao zavatra tamim-pitiavan-tena, araka izay tiany, na dia ‘nanimba ny fieritreretan’ny’ hafa aza ny fitondrantenany (I Korintiana 8:1-4, 10-12). Mba handresena amin’ny fihazakazahana anefa, dia ilaina ny hanaovana sorona. Izao tokoa no nolazain’i Paoly: “Ary ny mpihazakazaka rehetra dia mahonon-tena amin’ny zavatra rehetra. (...); fa asiako mafy ny tenako ho mangana, fandrao, na dia efa nitory tamin’ny sasany aza aho, dia holavina kosa ny tenako.” — I Korintiana 9:25-27.

3. a) Tarehin-javatra inona nisy tany Kolosia no nety ho nisakana ireo kristiana tsy hahavita ny fihazakazahana? b) Faniry ve ny hianaran’ireo kristiana tany Kolosia ny filozofia sy ny fivavahana mifono zava-miafina?

3 Taty aoriana, raha nanoratra ho an’ireo kristiana tany Kolosia kosa i Paoly dia hampitandrina azy ireo ny amin’ny toa loza hafa iray: nisy olona nety ho nahatonga azy ireo ‘tsy hahazo ny loka’, tsy hahazo ny fiainana (Kolosiana 2:18). Ahoana àry no azon’ny kristiana ‘nihazakazahana mba hahazoana an’io loka io’? Moa ve ilay apostoly nanipy hevitra tamin’izy ireo mba hianatra filozofia sy fivavahana mifono zava-miafina mba hahaizana mitarika fiadian-kevitra mahomby hanoherana ireny mpampianatra sandoka ireny? Tsia, satria ny kristiana dia ‘maty raha ny amin’ny abidim-pianaran’izao tontolo izao’ ary tsy tokony hanan-draharaha mihitsy amin’ireo filozofia sy lovantsofina. — Kolosiana 2:20.

4. Ahoana no hanampian’ny fahazoana “fahalalana marina” ireo kristiana tany Kolosia?

4 Namporisika an’ireo rahalahiny kristiana àry i Paoly mba hiezaka alohan’ny zavatra rehetra hanjary ho ‘feno fahalalana tsara ny sitrapony [ny an’Andriamanitra] amin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin’ny Fanahy’. Ny “fahalalana tsara [marina, MN ]” tokoa, fa tsy ny fiheverana tsinontsinona, no hanampy azy ireny ‘handeha mendrika ny Tompo [Jehovah, MN ], hanaovana ny sitrapony amin’ny zavatra rehetra”. (Kolosiana 1:9, 10; jereo koa Kolosiana 3:10.) Marina fa ny ankamaroan’ny kristiana tany Kolosia dia azo inoana fa afaka namerimberina ireo foto-pampianarana ao amin’ny Soratra Masina. Kanefa tsy maintsy nianatra sy nisaintsaina izy ireny mba hihoarana ny abidim-pianarana ary mba ho “mafy orina sady tafatoetra”, izany hoe eo amin’i Kristy (Kolosiana 1:23; I Korintiana 3:11). Rehefa nahatratra an’io ambaratonga io izy ireo, dia ‘tsy hisy hampahadiso hevitra azy amin’ny teny toa marina’. (Kolosiana 2:4.) Amin’ny fampiasana amim-pahakingana ny Tenin’Andriamanitra dia ho azony atao ny handa amin’ny fomba mandaitra ny filazan’izay rehetra mety ho mpanaraka ny jodaisma na mpivavaka amin’ny anjely. — Deoteronomia 6:13; Jeremia 31:31-34.

5. a) Manomeza ohatra vitsivitsy ny amin’ny “zava-dalina” tokony ho fantatry ny kristiana matotra sy ho azony. b) Ahoana no ampisehoan’ny nitranga tamin’ny anabavy iray fa mampidi-doza ny tsy fahazoana “fahalalana marina”?

5 Ary ianao, moa ve ny tenanao manokana nihoatra ‘ny abidim-pianarana’ mba handinika “ny zava-dalin’Andriamanitra”? (Hebreo 6:1; I Korintiana 2:10, MN.) Ohatra, hainao ve ny mamantatra ireo bibidia voalaza ao amin’ny Apokalypsy na manazava ny atao hoe tempoly ara-panahy (Apokalypsy toko faha-13; Hebreo 9:11)? Hainao ve ny mampiseho fa miorina amin’ny Soratra Masina ny fandaminan’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny andro ankehitriny? Tafaorina tsara ao amin’ny fampianarana araka ny Baiboly ve ianao? Indray andro dia sarotra aoka izany tamin’ny vehivavy kristiana iray nifanakalo hevitra ny amin’ny Trinite tamin’ny vehivavy hafa iray ny niaro ny zavatra ninoany. Taty aoriana, io vehivavy io dia nanome an’ilay anabavintsika zavatra voasoratra nanendrikendrika ny fandaminan’i Jehovah. “Nahakivy ahy mafy tamin’ny lafiny ara-panahy izany”, hoy ny nambaran’io anabavy io rehefa nahatsiahy ny fisehoan-javatra izy. Soa ihany fa ny loholona iray dia afaka nanaporofo tamin’io vehivavy kristiana io fa fanendrikendrehana izany ka nanome azy finoana indray (Joda 22, 23). Takatro ankehitriny, hoy izy, ny antony ananaran’ny Fikambanana tsy ankijanona mba hivavaka sy hianatra ary hisaintsaina.”

“Ny tahotra olona”

6. a) Inona no niharihary fa vato fahatafintohinana ho an’ny mpanompon’Andriamanitra sasany? Manomeza ohatra notsoahina avy ao amin’ny Baiboly. b) Inona matetika no miteraka tahotra olona?

6 “Mamandrika ny tahotra olona”. Izany no fampitandreman’ny olon-kendry (Ohabolana 29:25). Misy kristiana latsaka ao anatin’izany fandrika izany indraindray noho ny “tahotra ny fahafatesana [mampikorontan-tsaina]” na noho izy maniry tanteraka ny horaisin’ny hafa (Hebreo 2:14, 15). Elia kosa anefa dia nanohitra tamin-kerim-po ireo mpanaraka ny fanompoam-pivavahana tamin’i Bala. Kanefa, rehefa nandidy ny hamonoana azy i Jezebela vadin’ny mpanjaka, dia “natahotra izy (...) ka lasa namonjy ny fanahiny, ary tonga tany Beri-Sheba”. (I Mpanjaka 19:1-3, MN.) Toy izany koa, tamin’ilay alina nisamborana an’i Jesosy, dia resin’ny tahotra olona ny apostoly Petera. Nanizingizina tamim-pieboeboana toy izao anefa izy taloha: “Tompoko, vonona hanaraka Anao aho, na ho ao an-tranomaizina, na dia ho any amin’ny fahafatesana aza”, kanefa rehefa nampangaina ho anankiray amin’ireo mpianatr’i Kristy izy, dia “niozona sy nianiana (...) ka nanao hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy izany.” — Lioka 22:33; Matio 26:74.

7. Inona moa no tena antony nahatonga ny kristiana sasany tany Kolosia hitady hampifangaro ny kristianisma sy ny jodaisma? b) Iza amin’izao andro izao no toa hetsehin’ny antony manosika toy izany?

7 Io tahotra ny tsy horaisin’ny hafa io angamba no tena antony nitadiavan’ny sasany hampifangaro ny kristianisma sy ny jodaisma. Rehefa nisy mpanaraka ny jodaisma niseho tany Galatia, dia nampiharihary ny fihatsarambelatsihin’izy ireo i Paoly tamin’ny filazana hoe: “Na iza na iza te-hiseho ho tsara amin’ny nofo, dia ireo no manery anareo hoforana, nefa noho izao ihany: fandrao henjehina.” (Galatiana 6:12). Moa ve ny sasany tamin’ireo izay nandao vao haingana ny fandaminan’i Jehovah tsy voataona hanao toy izany noho io faniriana ny horaisin’ny maro io?

8, 9. a) Ahoana no mety hampisehoan’ny kristiana iray tahotra olona? b) Ahoana no azo andresena izany tahotra izany?

8 Tokony hanao fiezahana ny kristiana mba handresena ny tahotra toy izany. Raha misalasala ianao ny hitory eny akaikin’ny fonenanao na raha tsy sahy manao fanambarana amin’ny mpianakavinao, ny mpiara-miasa aminao na ny mpiara-mianatra aminao, dia tadidio izao fanontaniana napetrak’i Jehovah tamin’i Isaia izao: “Koa nahoana hianao no dia matahotra ny zanak’olombelona mety maty sy ny zanak’olona izay hatao tahaka ny ahitra”? (Isaia 51:12; jereo Matio 10:28). Aza hadinoina fa “izay matoky an’i Jehovah no hovonjena”. (Ohabolana 29:25.) Nandresy ny tahotra olona i Petera ka tamin’ny farany dia maty maritiora (Matio 21:18, 19). Amin’izao andro izao, dia rahalahy maro no mampiseho herim-po toy izany.

9 Ny misionera iray niasa tao amin’ny tany nandrarana ny asa fitoriana dia nilaza toy izao indray andro: “Ilaina ny hananana finoana mba hankanesana any amin’ireo fivoriana na mba handraisana anjara amin’ny asa rehefa mety hosamborin’ny polisy ny tena.” Sahala amin’ny mpanao salamo anefa, ireo rahalahy tao amin’io faritra io dia nanambara hoe: “Jehovah no miandany amiko, ka tsy hatahotra aho. Inona no azon’ny olona atao amiko?” (Salamo 118:6). Mandroso ny asa kristiana ao amin’io tany io ary nekena ho ara-dalàna vao haingana. Ny fandraisana anjara tsy tapaka amin’ny asa fitoriana dia tsy isalasalana mihitsy fa hanampy anao koa mba hamboly fitokisana amin’i Jehovah toy izany.

Ny fatoram-pianakaviana

10. a) Inona no zavatra ilaina ara-pihetseham-po hita hatraiza hatraiza ary amin’ny fomba ahoana amin’ny ankapobeny no anomezana fahafahampo izany? b) Manomeza ohatra araka ny Baiboly ny amin’ny lehilahy izay ny firaiketam-pony tamin’ny vadiny dia nahery noho ny fifandraisany tamin’i Jehovah.

10 Nilaza toy izao ny boky iray mitondra ny anarana hoe L’individu, le mariage et la famille (angl.): “Ao anatin’ny fitambaran’olona rehetra, sy ao anatin’ny sokajim-bahoaka rehetra, dia voamarika ao amin’ny isam-batan’olona ny filana hita hatraiza hatraiza ‘ho an’olona’ sy hanana mpiara-belona aminy ‘ho azy’.” Mandrakariva izany zavatra ilaina izany dia mahita fahafahampo ao anatin’ny faritry ny fianakaviana izay naorin’i Jehovah (Efesiana 3:14, 15). Matetika anefa no ampiasain’i Satana ho tombontsoany ny firaiketam-po tsapantsika ho an’ny mpianakavintsika. Ny fihetseham-po nahery nampifamatotra an’i Adama tamin’ny vadiny dia niharihary fa nanosika azy hanaraka azy io tamin’ny fikomiany ka hanakimpy ny masony tamin’ny vokatr’izany (I Timoty 2:14). Inona koa no holazaina ny amin’i Solomona? Na dia tao aza ny fahendreny nalaza aoka izany, “nony efa antitra Solomona, dia navilin’ny vadiny ny fony hanaraka andriamani-kafa, ka ny fony tsy mba nahitsy tamin’i Jehovah Andriamaniny (...). Ary Solomona nanao izay ratsy eo imason’i Jehovah”. — I Mpanjaka 11:4-6.

11. Ahoana no nanomezan’i Ely ‘voninahitra an’ireo zanany nihoatra noho Jehovah’?

11 Tadidinao ve Ely efa zokiolona, anankiray tamin’ireo mpisoronabe teo amin’ny Isiraely? Ny zanany lahy roa dia “tena ratsy fanahy, tsy nahalala an’i Jehovah”. Nohamavoiny tamin’ny fomba mahamenatra ny fanatitra natolotry ny Isiraelita ho an’i Jehovah ary nanaram-po tamin’ny fahalotoam-pitondrantena “tamin’ireo vehivavy izay nanompo teo amin’ny varavaran’ny trano-lay fihaonana” izy ireo. Tamin-tahotra fotsiny anefa no nanatsinian’i Ely azy ireo (“Nahoana hianareo no manao izany zavatra izany?”), nefa tsy nesoriny tamin’izy ireo akory ny raharahany nisy tombontsoa. Raha ny marina, dia ‘ny zanany no nomeny voninahitra mihoatra noho Jehovah’, ka izany dia niteraka ny fahafatesany sy ny an’ireo zanany. — I Samoela 2:12-17, 22, 23, 29-34; 4:18.

12. a) Inona no fampitandremana nomen’i Jesosy ny amin’ny fatoram-pianakaviana? b) Inona no fiheverana mampiavaka izao tontolo izao arahin’ny sasany raha ny amin’ny fianakaviany, nefa moa ve manohana fihetsika toy izany ny Soratra Masina?

12 Ny fahatokiana ratsy fiantefa àry dia mety hanakantsakana ny fihazakazahanao ho amin’ny fiainana. Izao tokoa no nolazain’i Jesosy tamin’ireo mpianany: “Izay tia ray na reny mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy mendrika ho Ahy, ary izay tia ny zanani-lahy na ny zanani-vavy mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy mendrika ho Ahy.” (Matio 10:37; Lioka 14:26). Inona anefa no hataonao raha toa ny anankiray amin’ny mpianakavinao tianao ka miala amin’ny fahamarinana na voaroaka? Harahinao ve ny fiheveran’izao tontolo izao mitaky ny hahamafy indrindra ny fatoran’ny ra ary ho lasa hatramin’ny fanarahana ilay havanao amin’ny lalana mitarika ho amin’ny fandringanana ve ianao? Sa hino ireto teny voasoratra ao amin’ny Salamo 27:10 ireto ianao: “Fa ny raiko aman-dreniko efa nahafoy ahy; fa Jehovah kosa no mandray ahy.”

13. Ahoana no nanaporofoan’ireo zanak’i Kora ny tsy fivadihany tamin’i Jehovah, ary nitondra fitahiana inona ho azy ireo izany?

13 Nanana izany karazam-pinoana izany ireo zanak’i Kora. Nampirehitra fikomiana tamin’i Mosesy sy Arona ny rain’izy ireo. Koa nasehon’i Jehovah tamin’ny fomba nampangitakitaka ny fanohanany an’i Mosesy sy Arona tamin’ny famonoana ho faty an’i Kora sy ireo mpikomy hafa. “Kanefa ny zanak’i Kora tsy mba maty”. (Nomery 16:1-3, 28-32; 26:9-11.) Toa tsy nety nanaraka ny rainy tamin’ny fikomiany izy ireo, hany ka nitahy ny tsy fivadihany Jehovah tamin’ny fitsimbinana azy. Taty aoriana, ny taranak’izy ireo dia nanana tombontsoa nanoratra tapany sasany tamin’ny Baiboly. — Jereo ny fitarihan-teny amin’ny Salamo 42, 44 ka hatramin’ny 49, 84, 85, 87 sy 88.

14. Inona no zavatra tena nitranga mampiseho fa voatahy ny tena rehefa mametraka ny tsy fivadihana amin’i Jehovah alohan’ny tsy fivadihana amin’ny fianakaviana?

14 Toy izany koa amin’izao andro izao; hitondra fitahiana ho antsika ny tsy fivadihana. Ny Vavolombelona tanora iray dia nahatsiaro ny fihetsik’izy sy ireo rahalahiny rehefa nijangajanga ny reniny izay kristiana tsy niasa intsony hatramin’ny ela. “Noresahinay tamin’ireo loholona izany, hoy izy, ary noho izy tsy niara-nonina taminay, dia nanapa-kevitra izahay ny hametra ny fifandraisanay taminy mandra-pandamin’ireo loholona ilay raharaha. Izany no zavatra sarotra indrindra tsy maintsy nataonay.” Nanohitra toy izao ilay renin’izy ireo: “Lehibe eo imasonareo noho izaho ve ny fiainanareo mandrakizay?” Namaly toy izao izy ireo: “Lehibe kokoa noho ny zavatra hafa rehetra ny fifandraisanay amin’i Jehovah.” Nalahelo mafy noho izany ny renin’izy ireo ka naneho fibebahana tamim-pahatsorana. Tafarina ara-panahy izy ary amin’izao andro izao dia mpitory marisika ny vaovao tsara indray.

15. a) Ahoana no namelan’ny ray aman-dreny sasany ny zanany ho tonga tena vato fahatafintohinana ho azy ireo? b) Inona no hanampy ny ray aman-dreny sy ny zanany hahazo ny fiainana?

15 Ny kristiana sasany kosa anefa dia namela ireo zanany ho tonga tena vato fahatafintohinana ho azy. Tsy ta-hanaiky fa “miraikitra amin’ny fon’ny” tanora ny hadalana ny ray aman-dreny sasany ka nanome lalana an’ireo zanany hifanerasera matetika amin’ny tanora eo amin’izao tontolo izao, handray anjara amin’ny takariva tsy ekena ho tsara loatra ary hiara-hivoaka amin’ny tsy lahy na tsy vavy toa azy mihitsy aza kanefa mbola tsy eo amin’ny taona ahafahana manambady (Ohabolana 22:15). Inona matetika tokoa no vokatry ny fihetsika milefitra loatra toy izany? Ny faharendrehana ara-panahy (I Timoty 1:19). Ny sasany aza mampitombo ny ratsy amin’ny fanafenana ny fahadisoana nataon’ny zanany (Ohabolana 3:32; 28:13). Kanefa, ny fanarahana amim-pahatokiana ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly dia hanampy ny ray iray na ny reny iray ao anatin’ny tarehin-javatra toy izany, nefa hanampy koa ireo zanany hahazo ny loka, dia ny fiainana. — I Timoty 4:16.

“Hendry” ve ireo namanao sa “adala”?

16. a) Nahoana ireo sakaizantsika no tena mety hahataona tokoa? b) Iza indrindra no mora voataonan’ny namana, ary nahoana?

16 Manao izao fanamarihana izao ilay boky hoe Sosiolojia: ny fitambaran’olona (anglisy): “Ny faniriana ho tian’ny naman’ny tena akaiky dia misy heriny mafy dia mafy izay manosika hanaraka ny fombany.” Ny boky hafa iray hoe Fotoana maha-zatovo (anglisy), dia mampiseho fa ny zatovo indrindra no mora voan’izany karazam-pitaomana izany. Hoy izy: “[Ny mahatonga izany dia] ireo fiovana mitranga ao amin’ny tenany, ny heviny sy ny fifandraisany amin’ny ray aman-dreniny. Amin’izany ny zatovo no manomboka mandany fotoana misimisy kokoa hiarahana amin’ireo namany noho ny amin’ny fianakaviany.”

17. a) Ohatra inona no mampiseho fa marina ny voalazan’ny Ohabolana 13:20? b) Karaza-namana manao ahoana no azo lazaina fa “hendry”? d) Ahoana amin’izao andro izao no azon’ny zatovo anahafana an’i Samoela zatovo?

17 Tsy tokony hohadinoina àry ireto teny voasoratra ao amin’ny Ohabolana 13:20 ireto: “Izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry; fa izay misakaiza amin’ny adala dia hidiran-doza.” Niaiky toy izao ny zatovovavy kristiana iray: “Nanomboka tena nisy heriny tamiko ny naman-dratsy rehetra misy ao amin’ny sekoliko. Amin’izao andro izao, tany am-pianarana, dia nadiva hanompa aho (...). Saika nanao izany aho, nefa nifehy tena.” Mampalahelo fa voatery miaiky ny tena fa nisy zatovo kristiana nanaiky ho voatariky ny lazaina fa namana ka tonga hatramin’ny fijejojejoana. Koa raha zatovo kristiana maniry hahazo ny lokan’ny fandresena ianao, dia miezaha hanana namana hendry, izany hoe sakaiza tia ny zavatra ara-panahy, manana fitondrantena mahitsy sy fiteny mampandroso. Tadidio fa tsy nifanerasera tamin’ireo zanak’i Ely ratsy fitondrantena i Samoela. Nanohy ‘nanompo an’i Jehovah’ tamin-jotom-po izy, hany ka tsy voaloton’ny faharatsian’izy ireo. — I Samoela 3:1.

Ataovy izay hahazoana ny loka!

18. a) Ahoana no mety hahatonga rahalahy hanakantsakana anao tsy nahy amin’ny fihazakazahanao ho amin’ny fiainana? b) Inona no mety hiaro antsika amin’ny fitaoman-dratsy toy izany?

18 Mitandrema tena amin’izay rehetra mitady hanao izay tsy hahazoanao ny lokan’ny fandresena, dia: ny fiainana. Mazava ho azy fa tsy milaza akory izany fa tokony hijery an’ireo rahalahinao amim-piahiahiana ianao. Indraindray ny sasany amin’izy ireny, angamba tsy nahy, dia manao resaka mahakivy antsika. (‘Nahoana no misehoseho? Heverinao ve fa ianao irery no hahazo ny fiainana?’) Na hotsarainy amim-pahasiahana mihitsy aza ny fiezahanao amim-pahatsorana. (‘Tsy azoko ny fomba mety haha-mpitory maharitra anao nefa manana fianakaviana hotezaina. Tsy ara-drariny izany ataonao amin’ireo zanakao izany.’) Tadidio anefa fa nolavin’i Jesosy ny torohevitr’i Petera izay nanery azy mba hampiseho hatsaram-po amin’ny tenany (Matio 16:22, 23, MN ). Ampiasao ny sofinao voavolavolan’ny Baiboly mba ‘hamantarana ny teny’, ary aza manaiky ho voataonan’ireo izay tsy miteny araka ny fahamarinana (Joba 12:11). Tadidio izao tenin’i Paoly izao: “Ary raha misy manezaka amin’ny filalaovana, dia tsy satrohana satroboninahitra izy, raha tsy manezaka araka ny lalàna.” (II Timoty 2:5). Ny ‘lalàn’Andriamanitra’ tokoa fa tsy hevitra mifanohitra amin’ny Soratra Masina, no tokony hitarika ny hevitsika. — Jereo I Korintiana 4:3, 4.

19, 20. a) Ahoana no nitadiavan’ireo rahalahin’i Josefa hanisy ratsy azy, ary tamin’ny fomba ahoana no namalian’i Josefa ny faharatsian’izy ireo? b) Ahoana no azontsika analavirana ny fahatafintohinana noho ny olombelona tsy tanteraka? d) Inona no tokony ho fahavononantsika raha ny amin’ny lokan’ny fandresena, ary nahoana?

19 Marina fa indraindray ny kristiana iray dia mety ‘hanindrona sabatra’ anao amin’ny fanaovana teny tsy voahevitra (Ohabolana 12:18). Aoka izany tsy hahatonga anao hiala amin’ny fihazakazahana ho amin’ny fiainana. Tadidio Josefa. Ireo rahalahiny mihitsy no nikasa hamono hahafaty azy. Voasakana tsy hanao izany izy ireo, nefa nampiharany halozana izy io tamin’ny fivarotana azy ho andevo tamin’ny farany. Tsy voatarika ho tezitra anefa i Josefa ary ‘tsy sosotra tamin’i Jehovah’. (Ohabolana 19:3.) Taty aoriana, dia tsy namaly ratsy an’ireo rahalahiny izy fa nanome azy ireo kosa fahafahana hanaporofo fa niova fihetsika teo anatrehany izy ireo. Rehefa nahatsapa ny fibebahan’izy ireo izy, “dia nanoroka ny rahalahiny rehetra izy ka nitomany teo am-pamihinany azy”. Araka ny nanambaran’i Jakoba azy taty aoriana, dia “nampahory azy ny mpitifitra [ireo rahalahin’i Josefa nialona], dia nitifitra azy sy nanenjika azy”. Namaly hatsaram-po ny fankahalan’izy ireo anefa i Josefa. Tsy nihaosa velively noho izany fanandraman-javatra izany izy fa “mailamailaka ny sandrin-tànany”. — Genesisy 37:18-28; 44:15 ka hatramin’ny 45:15; 49:23, 24.

20 Araka izany àry, dia aza tafintohina noho ny olombelona tsy tanteraka fa manohiza ‘mihazakazaka mba hahazoana’ ny loka. Sahala amin’i Josefa, dia aza avela hampihena ny herinao ireo fitsapana fa aoka hanatanjaka anao kosa (jereo Jakoba 1:2, 3). Aoka hiharihary fa mafy aoka izany ny fitiavanao an’i Jehovah, hany ka tsy hisy mihitsy olona mety ho tonga vato fahatafintohinana ho anao (Salamo 119:165)! Aza hadinoina na oviana na oviana fa Jehovah no manome ny fiainana mandrakizay, dia loka mihoatra noho ny filazalazana rehetra sy tsy azo saintsainin’ny olombelona. Aoka àry tsy hisy mihitsy olona hanao izay tsy hahazoanao an’io loka io!

Tadidinao Ve?

◻ Nahoana no sarobidy aoka izany ho an’ny kristiana ny fahalalana marina?

◻ Ahoana no azo andresena ny tahotra olona izay nisakana ny sasany tsy hahazo ny fiainana?

◻ Ahoana no mety hahatonga ny fianakaviantsika mihitsy ho vato fahatafintohinana ho antsika?

◻ Ahoana no tokony ho fihetsiky ny kristiana iray raha manao teny mahakivy na mahasosotra mihitsy azy aza ireo rahalahiny?

[Sary, pejy 16]

Raha mameno ny fontsika sy ny saintsika amin’ny fahalalana marina isika, dia hanana fiadiana mba handavana ny hevi-diso rehetra.

[Sary, pejy 18]

Nanda an’i Jesosy i Petera noho ny tahotra olona. Taty aoriana izy dia nandresy izany tahotra izany. Izany no tokony hataon’ny kristiana marina.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara