Aoka isika hampianatra amin-jotom-po sy fahakingana
“Mandehana àry ka manaova mpianatra olona avy amin’ny firenena rehetra, (...) mampianatra azy ireny hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo.” — MATIO 28:19, 20, MN.
1. Inona no fampaherezana hita ao amin’ny Ohabolana 22:29? Ahoana izany?
MAMPORISIKA ny hananana fahakingana sy zotom-po ny tenin’i Jehovah. Izao no vakina ao ohatra: “Mahita olona mailaka amin’ny raharahany va hianao? Eo anatrehan’ny mpanjaka no hitsanganany, fa tsy hitsangana eo anatrehan’ny olona ambany izy.” (Ohabolana 22:29). Mazava ho azy fa tsy misy mampietry mihitsy akory amin’ny fiasana ho ‘an’olona ambany’. Kanefa tsy takona afenina ny asa tsara dia tsara ataon’ny mpiasa kinga iray. Mety ho tonga any an-tsofin’ny mpanjaka iray ny lazany ka angamba hampiasa azy io.
2. a) Na inona na inona raharahantsika, inona no tokony hatao mba hahatongavana ho kinga? b) Nahoana moa no zava-dehibe indrindra ny haha-mpampianatra mahay ny mpitory kristiana iray?
2 Tokony hanana fahalalana sasany ny lehilahy iray ka hiseho ho kinga na inona na inona asany. Mety hahazo fampiofanana ho mpandrafitra izy, ohatra, kanefa hampitombo ny fahalalany ilay asa izy amin’ny fandinihana mpandrafitra kinga. Kanefa, mba hahatongavan’ny tenany mihitsy ho kinga, dia tokony hampihatra izay nianarany izy. Tokony hianatra ny mpandidy iray, nefa mba hanjary hahaizana, dia tokony hampihatra ny fahalalana azo ao amin’ny efitrano fandidiana izy. Raha ny aminy, dia zava-dehibe tokoa ny hakingana, satria matetika tokoa dia hiankina amin’izany ny fahavelomana na ny fahafatesan’ilay marary. Mbola iankinan’ny aina kokoa ihany anefa ny hahaizan’ny minisitra kristiana iray. Nahoana? Satria mety hiankina amin’ny fandairany ny fomba handraisan’ireo mpihaino azy ny vaovao tsara. Arakaraka ny hanekeny na handavany izany anefa no hahazoany ny fiainana mandrakizay na ny fahafatesana mandrakizay. — Deoteronomia 30:19, 20; Jaona 17:3.
3. Inona no takina amin’izay rehetra ta-hanao mpianatra?
3 Ny asa nankinin’i Jesosy Kristy tamin’ny mpianany dia nitsinjo indrindra ny haha-mpampianatra azy ireo. Izao tokoa no nolazainy: “Mandehana àry ka manaova mpianatra olona avy amin’ny firenena rehetra, manao batisa azy ireny amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny fanahy masina, mampianatra azy ireny hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro aho momba anareo mandrakariva mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny fandehan-javatra.” (Matio 28:19, 20, MN ). Ilaina koa ny fahakingana mba hampianarana ireo olona tso-po ny zavatra rehetra nandidian’i Jesosy.
4. a) Ao anatin’ny toe-tsaina manao ahoana no tokony hampianarana amim-pahakingana? b) Tamin’ny ahoana moa ny fifaneraserana tamin’i Akoila sy Prisila no nahasoa an’i Apolosy?
4 Tokony homena amin-jotom-po koa anefa izany fampianarana izany. Eny, ny kristiana dia tokony ‘hazoto indrindra amin’ny asa tsara’, izay ny anankiray aminy dia ny fampitana ny fampianarana ara-panahy amin’ny fanaovana ny fanompoana sy ao anatin’ny kongregasiona (Titosy 2:14). Araka izany, Akoila sy Prisila, mpampianatra kinga roa, dia “nandray azy [Apolosy] hankao aminy [tany Efesosy] ka nampianatra azy marimarina kokoa ny amin’ny làlan’Andriamanitra”. Nahasoa an’i Apolosy tokoa izany satria taty aoriana, tany Akaia “izy (dia) nahery nandresy lahatra ny Jiosy teo imason’ny olona ka naneho marimarina tamin’ny Soratra Masina fa Jesosy no Kristy”. (Asan’ny apostoly 18:24-28.) Mazava àry fa Apolosy dia sady nampianatra tamin-jotom-po no tamim-pahakingana.
‘Tandremo ny fampianaranao’
5. Araka ny I Timoty 4:16, nahoana moa no ilaina ny hampianarana amin-jotom-po sy fahakingana?
5 Izao no nosoratan’ny apostoly Paoly ho an’i Timoty, mpiara-miasa kristiana taminy: “Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ka mahareta amin’izany; fa raha manao izany hianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.” (I Timoty 4:16). Koa satria voakasika ny famonjena an’ilay mpampianatra sy ilay ampianariny, dia tena ilaina ny hampitana izany fampianarana izany amin-jotom-po sy fahakingana.
6. Ahoana no mety hahatongavana hahay hampiasa ny Soratra Masina, ary fanontaniana inona avy no mety raha hapetraka amin’ny tena?
6 Ny mpandrafitra na ny mpandidy iray dia tokony hitandrina ny tenany. Tokony ho hainy ny hampiasa amim-pahakingana ireo fitaovany sy ireo fiasany. Toy izany koa ny amin’ny minisitra kristiana iray izay ny fiasany lehibe indrindra dia ‘ny sabatry ny fanahy, ny tenin’Andriamanitra’. (Efesiana 6:17.) Fa ahoana no mety hahaizana mampiasa tsara ny Soratra Masina? Mazava ho azy fa amin’ny fianarana azy sy amin’ny fampiasana azy tsy tapaka. Mba efa novakinao manontolo fotsiny ve ny Baiboly amin’ny fakana fotoana hisaintsainana ireo torohevitra tsara dia tsara omeny? Vakinao isan’andro ve izany? Ampiasainao tsy tapaka amin’ny fanompoana isan-trano ve izany? Mandray soa feno amin’ny sakafo ara-panahy be dia be omen’i Jehovah antsika amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy malina” ve isika? — Matio 24:45-47.
7. Inona avy no fanipazan-kevitra atolotra antsika raha ny amin’ny fotoana atokana ho amin’ny fianarana? Ahoana no ampisehoan’ny Soratra Masina ny ilàntsika hanokana fotoana hianarana?
7 Ataovy izay hanokanana fotoana hianarana ny Tenin’Andriamanitra sy ireo boky kristiana. Amin’izany ianao dia hameno ny sainao amin’ny fahalalana mahasoa izay hahasoa anao ka ho azonao ampiasaina mba hamaliana izay rehetra hanontany anao amim-pahatsorana tanteraka (I Petera 3:15; Kolosiana 4:6). Miovaova arakaraka ny fianakaviana sy ny olona ny fotoana mety mba hianarana sy hisaintsainana ny Soratra Masina. Ny sasany mihevitra fa mety ny hianarana ny takariva, ny hafa mahatsiaro ho mahazohazo aina kokoa raha vao mifoha na manararaotra koa ny fiatoana amin’ny mitataovovonana. Na ahoana na ahona, ny zava-dehibe indrindra dia ny hanaovana izany tsy tapaka sy amim-paharisihana. Josoa sy ireo mpanjakan’ny Isiraely dia tsy maintsy namaky ny Tenin’Andriamanitra isan’andro. — Josoa 1:7, 8; Deoteronomia 17:18-20.
Aoka isika hiezaka ho tonga mpampianatra tsaratsara kokoa
8. Amin’ny ahoana moa ny fanakambanana hevitra no hahatonga antsika ho mpampianatra kinga kokoa.
8 Tena ilaina ny hanaovana fiezahana raha tiana ny ho tonga mpampianatra kinga kokoa. Mba hahatongavana amin’izany, dia azo atao, ankoatra ny fomba hafa, ny mampiasa fanakambanana hevitra rehefa mianatra ny Baiboly na soratra kristiana. Ampiaraho amin’izay efa fantatrao ny hevitra vaovao. Izany dia hahatonga anao ho afaka handahatra ireo hevitrao mba hahaizana manome fanazavana tsara rehefa hampianatra olon-kafa ianao. Azo antoka fa efa nampiasa izany fomba izany ianao. Ohatra, nisy fotoana tsy nahatakaranao angamba fa tokony hanaiky amin’ny fomba voafetra “ny fahefana lehibe”, dia ireo fitondram-panjakana, ianao. Fantatrao anefa izao fa tokony hitana ny toerana voalohany ny fankatoavana an’Andriamanitra (Romana 13:1-8; Marka 12:17; Asan’ny apostoly 5:29). Takatrao izany satria nampifanatoninao ireo hevitra vaovao sy ireo efa fantatrao.
9. Asehoy ny fomba azonao akana sary an-tsaina zava-niseho iray voatantara ao amin’ny Baiboly.
9 Ny fomba hafa iray koa mba hahatongavana ho mpampianatra kinga kokoa dia ny fakana sary an-tsaina ireo zava-niseho tantaraina ao amin’ny Baiboly. Nahoana no tsy atao izany izao amin’ny famakiana ny Mpitsara 7:19-22? Nanararaotra ny maizina Gideona sy ny lehilahy 300 ka nanodidina ny tobin’ny Midianita raha mbola vao nametraka ny mpiambina ireo. Tsitapitapitr’izay dia renao ireo 100 lahy niaraka tamin’i Gideona, nampaneno anjomara ka hitanao izy ireny nanorotoro ny siny lehibe teny an-tanany. Ary dia nanao zavatra sahala amin’izany ireo lehilahy hafa 200. Avy eo, raha mbola nampakariny avo dia avo ny fanilony nirehitra, dia renao izy rehetra nikiakiaka hoe: “Ny sabatr’i Jehovah sy Gideona!” Raha mbola nandositra ireo Midianita raiki-tahotra ka nanohy nampaneno anjomara ireo antoko telo tamin’ny Isiraelita, dia hitanao tampoka, nanaraka ny tenin’i Jehovah, ireo fahavalo nandositra, nifamely. Rehefa naka sary an-tsaina izany fisehoan-javatra izany ianao, dia azo antoka fa ho tsaroanao izany ka ho hainao ny hampiasa izany mba hampianarana olon-kafa. Mampahafantatra antsika zavatra iray izany zavatra tena nisy izany: Mahay manafaka ny vahoakany tsy misy fanampiana avy amin’ny tafik’olombelona mahery na inona na inona Jehovah. — Salamo 94:14.
10. Ahoana no ho azonao ampiasana ny fanoharana voasoratra ao amin’ny Mpitsara 9:8-15 mba hampianarana olona?
10 Azonao atao kokoa ny mampianatra amim-pahakingana kokoa amin’ny fampiasana fanoharana tsara, indrindra fa izay hita ao amin’ny Soratra Masina. Aoka horaisintsika ho ohatra ny Mpitsara 9:8-15. Jotama, zanak’i Gideona dia niresaka ny amin’ny andro iray nandehanan’ny hazo mba hanosotra filoha eo amin’izy ireo. Tsy nanaiky ho tonga mpanjaka teo amin’izy ireo ny oliva sy ny aviavy ary ny voaloboka, fa ny tsilo kosa nanaiky an-tsitrapo. Eto ireo hazo sarobidy dia mampiseho ireo olona nanan-kaja izay tsy nitady hanapaka ireo rahalahiny isiraelita. Ny tsilo zara raha ilaina hataina kosa dia nampiseho ny fiandrianan’i Abimeleka, mpamono olona nirehareha izay nitady hanapaka ny hafa; tamin’ny farany io dia nahita fiafarana nahamenatra nifanaraka tamin’izay nolazain’i Jotama ara-paminaniana (Mpitsara 9:50-57). Azo atao ny mampiasa an’io fanoharana io mba hampisehoana ny ilàna hanao izay mahitsy ka tsy hirehareha fa hanetry tena. — Salamo 18:26, 27; I Petera 5:5.
11. a) Hevitra inona no asongadina amin’ny fanoharana nataon’i Jesosy voatantara ao amin’ny Matio 13:45, 46? b) Inona no asehon’ny karazan’io fanoharana io mihitsy raha ny amin’ireo fanoharana ampiasain’ireo mpampianatra kristiana?
11 Jesosy Kristy, Mpampianatra lehibe, dia fantatra tsara noho ireo fanoharana tsara dia tsara nataony. Hevero ny teniny: “Ary koa, ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpandranto anankiray izay nikatsaka vato soa; ary rehefa nahita vato soa iray saro-bidy izy, dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy.” (Matio 13:45, 46). Tamin’izany no nanazavan’i Jesosy ny hasarobidin’ilay Fanjakana tsy hay tombanana sy nampisehoany fa izay rehetra hanaiky ny tena maha-zava-dehibe ny hahazoana izany dia ho vonona ny hamoy ny zavatra rehetra mba hahatongavana amin’izany. Tsotra dia tsotra io sary io. Ho tsara àry ny hanarahan’ireo kristiana mampianatra olon-kafa an’io fitsipika io rehefa hampiasa fanoharana izy ireo.
Mahatonga antsika ho kinga kokoa ireo fivoriana
12. Ahoana no mety hanampian’ireo lahateny ampahibemaso antsika ho tonga mpampianatra mahay kokoa?
12 Ireo fivoriana kristiana dia mandray anjara tena lehibe eo amin’ny fampiofanana ireo mpanompon’i Jehovah mba hahatongavany ho mpampianatra be zotom-po sy kinga. Tsy misy hafa amin’ny toriteny nataon’i Jesosy teo an-tendrombohitra, ireo lahateny ampahibemaso dia fomba tsara dia tsara fampitana fampianarana ara-panahy (Matio 5:1 ka hatramin’ny 7:29). Noho izany antony izany, ny anankiray amin’ireo fivoriana alamin’ny Vavolombelon’i Jehovah dia lahateny ampahibemaso. Manatrika tsy tapaka an’io fivoriana io ve ianao? Mihaino amim-pitandremana ny lahateny ve ianao? Mizaha ao amin’ny Baibolinao ve ianao rehefa mamaky andinin-teny iray ao ny mpandahateny? Zatra ny mandray fitadidiana an-tsoratra ve ianao? Izany dia samy fomba hahatonga anao ho afaka ny ho mpampianatra mahay kokoa. Afa-tsy izany koa, io fampianarana araka ny Baiboly tsara dia tsara io dia tokony hahatonga anao ho kinga kokoa sy be zotom-po kokoa amin’ny fanaovana mpianatra.
13, 14. a) Hatramin’ny oviana moa ny asa fanaovana mpianatra no nifono heviny lehibe manokana teo amin’ireo mpanompon’i Jehovah? b) Inona avy no fanontaniana azo apetraka amin’ny tena raha ny amin’ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana sy ny fianarana ny bokin’ny kongregasiona?
13 Mifono heviny lehibe manokana tokoa ny asa fanaovana mpianatra eo amin’ireo mpanompon’i Jehovah hatramin’ny nandefasana voalohany izao antso izao tamin’ny fivoriambe nalamin’izy ireo tany Cedar Point (Etazonia) tamin’ny 1922: ‘Ambarao ilay Mpanjaka sy ny Fanjakany.’ Tamin’io taona io koa no nanombohana nandamina fianarana Ny Tilikambo Fiambenana miaraka. Io gazety io dia tsy azo lavina fa nanome toerana lehibe tokoa ho an’ny fampianarana ny Baiboly sy ny fitoriana ilay Fanjakana. Ny anarany feno tokoa dia hoe Ny Tilikambo Fiambenana manambara ny Fanjakan’i Jehovah. Vakinao amim-pahadodonana ve ny Tenin’Andriamanitra sady manaiky ny fanampian’ny Ny Tilikambo Fiambenana? Mandray anjara amin’ny fianarana an’io gazety io isan-kerinandro ve ianao?
14 Ny fivoriana hafa iray omanina isan-kerinandro ao anatin’ny kongregasiona dia fianarana boky iray momba ny Baiboly. Izany dia manolotra anao koa fahafahana hanatsara ny fahaizanao mampianatra ny vaovao tsara. Amin’io fivoriana io izay mahatafangona olom-bitsy, dia misy fametrahana fanontaniana toy ny amin’ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana. Mamaly izany araka ny fomba fiteninao manokana ve ianao? Ahitana taratr’izay inoanao amim-pahatsorana ve ny valinteninao?
15. Inona no zava-kendrena amin’ny fivoriana momba ny asa, ary amin’ny fomba ahoana no andraisana toromarika ny amin’io fivoriana io?
15 Talohan’ny 1922, ireo mpanompon’i Jehovah dia zatra ny nivory teny antenatenan’ny herinandro ho amin’ny fivoriana iray natao hoe “ho amin’ny vavaka sy ny fiderana ary ny fanaovana fanambarana”. Nisy fihirana sy vavaka ary fitantarana “fanambarana” tao. Koa satria nosoritana kokoa hatrany ny amin’ny fitoriana ilay Fanjakana isan-trano, io fivoriana io dia nanjary fivoriana momba ny asa, dia fivoriana izay manipika tokoa ny amin’ny fitoriana. Nankamamina tamin’ny fotoany ny fanampian’ny Bulletin izay nanome toromarika ho an’ny asa isan-trano izay nanolotra “fanambarana” koa azo nampiasaina tamin’ny fanompoana. Amin’izao andro izao, Ny fanompoana ilay Fanjakana dia mitondra ho antsika fanampiana azo ampitahaina amin’izany sy toromarika mba hanaovana isan-kerinandro “fivoriana manampy antsika hanao mpianatra”. Mandray anjara tsy tapaka amin’ireny fivoriana ireny ve ianao? Arahinao ve ireo torohevitra omena ao noho ny fikendrena ny hanampy anao hampianatra amin-jotom-po sy fahakingana?
16. Araka ny nolazain’ny fitarihan-teny amin’ny boky fianarana voalohany ampiasaina amin’ny Sekolin’ny fanompoana teokratika, inona no zava-kendrena amin’io fivoriana io?
16 Mba hampahamora fampianarana tsara, dia nalamina tao amin’ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Sekolin’ny fanompoana teokratika nanomboka tamin’ny 1943. Momba ny zava-kendren’io sekoly io, dia milaza toy izao ny boky fianarana voalohany nampiasaina tao: “Tsy tokony hametra ny fotoana atokantsika ho amin’ny asa nanirahana io fianarana io, fa nalamina mba hahatonga antsika hahay ao amin’io asa io. Raha lazaina mazavazava kokoa ihany dia hoe: io ‘fianarana ho amin’ny fanompoana teokratika’ io dia tokony hampiasaina mba hahatonga ny ‘olona mahatoky’ rehetra, — ireo izay nandre ny Tenin’Andriamanitra sy nanaporofo ny finoany an’io Teny io — hahay hampianatra olon-kafa koa amin’ny fandehanana isam-baravarana, amin’ny fanaovana fitsidihana famenony [fiverenana mitsidika], fianarana Baiboly any an-tokantrano, [amin’ny alalan’ny] boky, raha fintinina dia amin’ny fandraisana anjara isaky ny dingana amin’ny asan’ilay Fanjakana. Ny zava-kendreny tokana àry dia ny hanao ny tsirairay avy ho mpanompo teokratika mahay kokoa, ho voninahitry ny anaran’ny Tompo, dia mpanompo tsara fitaovana kokoa mba hampiseho ampahibemaso ny fanantenana ao aminy, mba hahatonga azy hahay hampianatra, haharitra, hampianatra amim-pahalemem-panahy’. (II Timoty 2:24, 25, Ostervald.) Aoka tsy hisy hanadino io zava-kendrena voalohany amin’ny fianarana io!” (Fianarana ho amin’ny fanompoana teokratika, p. 4). Mbola izany ihany amin’izao andro izao no zava-kendrena lehibe indrindra amin’ny Sekolin’ny fanompoana teokratika. Nampiharinao ve ireo fanipazan-kevitra tsara dia tsara avy ao amin’ny boky isan-karazany ampiasaina ao amin’io sekoly io, dia fanipazan-kevitra momba ny fampianarana, ny famakian-teny na ny lahateny ampahibemasoa? Voasoratra ao amin’io sekoly io ve ianao? Rehefa anankinana famelabelarana nomanina hatao amin’ny fandaharan’ny sekoly ianao, ekenao amim-pankasitrahana ve io adidy io ka tontosainao? Io fandaharana io izay nataon’i Jehovah tamin’ny alalan’ny fandaminany dia mety hanampy anao ho tonga minisitra kristiana be zotom-po sy kinga.
Fampiofanana mba hampianarana amin-jotom-po
17. Inona avy no fandaharana amin’ny lafiny ara-panahy nomanin’i Jehovah ho an’ireo izay mampianatra ny hafany fahamarinana masina?
17 Manao fandaharana maro amin’ny lafiny ara-panahy Jehovah ho an’ireo izay manana tombontsoa mampianatra olon-kafa ny fahamarinana masina. Omaniny indrindra ny zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly, ny fivoriana isan-kerinandro mbamin’ny fivoriambe lehibe kokoa. Izany rehetra izany dia mahatonga ireo Vavolombelony nanolo-tena ho azy mba ho tonga mpampianatra kinga sy be zotom-po.
18. Sahala amin’i Jesosy sy Paoly, inona moa no azon’ireo loholona atao mba hahamora ny fitoriana amin’izao androntsika izao?
18 Ahoana ny amin’ireo anisantsika izay notendrena ho loholona ao amin’ny kongregasiona na Vavolombelona za-draharaha? Ny fitiavana ny namantsika dia tokony hanosika antsika hanampy ireo izay kristiana tsy ela izay na tsy za-draharaha kokoa noho isika, ho tonga mpampianatra be zotom-po kokoa sy kinga kokoa. Tsara ny manao toy izany, satria ny tenan’i Jesosy koa dia tsy naniraka ireo mpianatra 70 hitory raha tsy rehefa avy nanome azy ireo toromarika momba ny fanompoany (Lioka 10:1-24). Paoly dia nampianatra ireo loholona tany Efesosy “teo imason’ny olona ary tao amin’ny isan-trano”, ka milaza izany fa ankoatra ny zavatra hafa, dia nasehony azy ireo ny fomba fanaovana fanambarana tamin’ireo tsy mpino tamin’ny fitoriana isam-baravarana (Asan’ny apostoly 20:20, 21). Toy izany koa, ireo loholona, ireo mpitory maharitra sy ny kristiana hafa dia afaka manampy amim-pifaliana ireo namany amin’ny asa fitoriana. Tsapanao ve ny ilàna fampiofanana toy izany? Raha izany no izy dia tadiavo sy ekeo izany amin’ny endriny rehetra. Loholona ao anatin’ny kongregasiona ve ianao? Manaova àry fandaharana mba hampiofanana mpitory hafa amin’ny fanompoana ary aoka ny tenanao hanome ohatra amin’ny fandraisana anjara amin’izany amin-jotom-po.
Aoka isika ho tonga kinga kokoa hatrany
19. Nahoana no mety ny hivavahana ny amin’ny fanompoana?
19 Ny mpandidy iray, ny mpandrafitra iray na izay rehetra mety ho mpiasa hafa dia hanjary kinga kokoa ihany raha mianatra tsy tapaka sy mampihatra ny fahalalana azo. Toy izany koa ny amin’ireo mpitory kristiana. Moa ve àry tsy zava-dehibe tokoa ny hanaovan’ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra fiezahana mba ho tonga mpampianatra ny vaovao tsara kinga kokoa hatrany? Koa satria asan’i Jehovah izany, dia tokony hataontsika antom-bavaka amim-pahatsorana. Aoka isika hatoky fa raha mikatsaka ny fanampiana sy ny fitarihan’Andriamanitra, dia hitahy ny fanompoana tontosaintsika amin-jotom-po Andriamanitra. Izao no nolazain’ny apostoly Jaona: “Ary na inona na inona angatahintsika dia raisintsika aminy [Jehovah Andriamanitra], satria mitandrina ny didiny sy manao izay ankasitrahana eo imasony isika.” — I Jaona 3:22.
20. Rehefa madiva ho tapitra ny fandehan-javatra ankehitriny, inona no tokony ho fahavononan’ireo Vavolombelon’i Jehovah?
20 Raha mbola madiva ho tapitra ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny, dia aoka isika hanao fiezahana mafy eo amin’ny fanaovana ny fanompoantsika. ‘Aoka hotandremantsika tsara foana ny tenantsika sy ny fampianarantsika’ mba ho famonjena antsika sy ireo izay manaiky ny hafatra momba ilay Fanjakana. Eny, aoka isika hanao izay rehetra azontsika atao mba hampianarana amin-jotom-po sy fahakingana.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ohatra ny Manuel pour l’Ecole du ministère théocratique sy ny boky Qualifiés pour le ministère navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York.
Ahoana no havalinao?
◻ Ankoatra ny fitoriana, inona no tena ilaina raha tiana ny hanao mpianatra?
◻ Nahoana moa no zava-dehibe tokoa ny ‘hitandremana ny fampianaran’ny tena’?
◻ Inona moa no fomba sasany mahatonga ho afaka ny ho mpampianatra kinga?
◻ Ahoana no anampian’ireo fivoriana kristiana antsika hampianatra ny Tenin’Andriamanitra amin-jotom-po sy fahakingana?
◻ Inona no azon’ireo loholona sy Vavolombelona za-draharaha hafa atao raha ny amin’ny fitoriana isan-trano?
[Sary, pejy 17]
Ilaina ny hakana sary an-tsaina ireo fisehoan-javatra voalazan’ny Baiboly mba hahatongavana ho mpampianatra tsaratsara kokoa.
[Sary, pejy 19]
Ny mpampianatra ao amin’ny Sekolin’ny fanompoana teokratika dia manampy ireo mpianatra ho tonga mpitory ilay Fanjakana kinga.