Ampianarin’i Jehovah Mandraka Androany
“Jehovah Tompo nanome Ahy ny lelan’ny [efa nampianarina].” — ISAIA 50:4, fanamarihana ambany pejy.
1, 2. a) Nanomana ny mpianany tiany indrindra ho amin’inona i Jehovah, ary inona no vokany? b) Ahoana no naneken’i Jesosy ny Loharanon’ny fampianarany?
MPAMPIANATRA i Jehovah Andriamanitra hatramin’ny nahatongavany ho Ray. Tamin’ny fotoana iray taorian’ny nikomian’ny zanany sasany, dia nanomana ny mpianany tiany indrindra, ny Lahimatoany, ho amin’ny fanompoana iray eto an-tany izy. (Ohabolana 8:30). Ny Isaia toko faha-50 dia mampiseho ara-paminaniana an’io mpianatra io ho nilaza hoe: “Jehovah Tompo nanome Ahy ny lelan’ny [efa nampianarina], mba hahaizako manao teny hampahatanjaka izay reraka”. (Isaia 50:4, fanamarihana ambany pejy). Vokatry ny fampiharan’i Jesosy ny fampianaran’ny Rainy fony izy teto an-tany, dia loharanon’ny famelombelomana ho an’izay rehetra ‘reraka sy navesatra entana’ izy. — Matio 11:28-30.
2 Nanao asa tamin-kery lehibe maro i Jesosy nandritra ny taonjato voalohany. Nanokatra ny mason’ny jamba izy, ary nanangana ny maty mihitsy aza, kanefa dia fantatra indrindra tamin’ny naha-mpampianatra azy izy teo amin’ireo niaina tamin’ny androny. Samy niantso azy toy izany ireo mpanara-dia azy sy ireo mpanohitra azy. (Matio 8:19; 9:11; 12:38; 19:16; Jaona 3:2). Tsy naka voninahitra tamin’izay nampianariny mihitsy i Jesosy fa nanaiky tamim-panetren-tena toy izao kosa izy: “Tsy Ahy ny fampianarako, fa an’Izay naniraka Ahy.” “Araka ny nampianarin’ny Raiko Ahy no ilazako izany zavatra izany.” — Jaona 7:16; 8:28; 12:49.
Fifandraisana tonga lafatra teo amin’ny Mpampianatra sy ny mpianatra
3. Ahoana no anehoan’ny faminanian’i Isaia ny fanisian’i Jehovah fiheverana an’izay ampianariny?
3 Ny mpampianatra tsara dia tsara iray dia manisy fiheverana manokana sy amim-pitandremana ary amim-pitiavana ny mpianany. Ahariharin’ny Isaia toko faha-50 fa manana izany karazam-piheverana izany amin’izay ampianariny i Jehovah Andriamanitra. “Mamoha isa-maraina izy”, hoy ny fanamarihan’ilay faminaniana, “mamoha ny sofiko izy mba hihainoako, hoatra ny fihainon’ny mpianatra.” (Izaia 50:4, Kat.). Ilay fitenenana eto dia toa manondro mpampianatra iray izay manaitra ny mpianany vao maraina be mba hampianarana azy. Raha nanazava ny fampiharana ilay faminaniana ny manam-pahaizana manokana iray momba ny Baiboly, dia nanao izao fanamarihana izao: “Ilay hevitra dia hoe, ilay Mpanavotra dia ho (...) olona iray izay toy ny hoe tao amin’ny sekolin’Andriamanitra; ary ho ampy fahaizana mba hizara fampianarana amin’ny hafa. (...) Noho ny fampianarana araka an’Andriamanitra, ilay Mesia dia ho ampy fahaizana amin’ny fomba miavaka, mba ho tonga mpampianatra ny taranak’olombelona.”
4. Ahoana no nandraisan’i Jesosy ny fampianaran-dRainy?
4 Raha ny tsara indrindra, dia mandray tsara ny fampianaran’ny mpampianatra azy ny mpianatra. Ahoana no nandraisan’i Jesosy ny fampianaran-dRainy? Nifanaraka tamin’izay vakintsika ao amin’ny Isaia 50:5 ny fandraisany: “Jehovah Tompo nanokatra ny sofiko, ary Izaho dia tsy naditra na nihemotra.” Eny, dodona ny hianatra i Jesosy. Nampandry sofina izy, araka ny fitenenana. Fanampin’izany dia vonona ny hanao na inona na inona nangatahin-dRainy taminy izy. Tsy naditra izy, fa nilaza kosa hoe: “Aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.” — Lioka 22:42.
5. a) Inona no mampiseho fa nahafantatra mialoha ireo fisedrana hozakainy eto an-tany i Jesosy? b) Ahoana no nahatanterahan’ny faminaniana ao amin’ny Isaia 50:6?
5 Asehon’ilay faminaniana fa nahafantatra ny mety ho vokatry ny fanaovany ny sitrapon’Andriamanitra ny Zanaka. Izany dia asehon’izay lazain’ilay efa nampianarina hoe: “Ny lamosiko natolotro ho amin’ny mpikapoka, ary ny takolako ho amin’izay manongo-baoka; ny tavako tsy nafeniko tamin’ny henatra sy ny rora.” (Isaia 50:6). Araka ny asehon’ilay faminaniana, dia nentina tamin’ny fomba tsy nifaditra ovana i Jesosy teto an-tany. “Nororany ny tavany”, hoy ny nosoratan’ny apostoly Matio. “Ny sasany namely tahamaina Azy”. (Matio 26:67). Nitranga izany avy tamin’ny nataon’ireo filoham-pivavahana tamin’ny alin’ny Paska taona 33 am.f.i. Ny ampitson’iny i Jesosy dia nanolotra ny lamosiny ho an’ny mpikapoka, raha nikapoka azy tsy nisy famindram-po ny miaramila romana talohan’ny nanantonany azy teo amin’ny hazo mba ho faty. — Jaona 19:1-3, 16-23.
6. Inona no mampiseho fa tsy namoy mihitsy ny fatokiany ny Mpampianatra azy i Jesosy, ary ahoana no namalian-tsoa ny fatokiany?
6 Tsy namoy mihitsy ny fatokiany ny Mpampianatra azy ilay Zanaka izay nampianarina tsara mialoha. Izany dia asehon’izay nolazainy nanaraka izany, araka ilay faminaniana hoe: “Jehovah Tompo no hamonjy Ahy, ka dia tsy resin-kenatra Aho”. (Isaia 50:7). Novalian-tsoa tamin’ny fomba tondraka ny fatokian’i Jesosy ny fanampian’ilay Mpampianatra azy. Nanandratra azy ny Rainy, nanome azy toerana ambony kokoa noho ny an’ireo mpanompon’Andriamanitra hafa rehetra. (Filipiana 2:5-11). Misy fitahiana lehibe miandry antsika koa raha mifikitra amim-pankatoavana amin’ny fampianaran’i Jehovah isika ka ‘tsy mihemotra’. Aoka isika hijery ny fomba nanaovana izay hahazoana mandray io fampianarana io mandraka androany.
Fandaharam-pampianarana miitatra
7. Ahoana no nanohizan’i Jehovah ny fampianarany teto an-tany?
7 Araka ny voamarika teo aloha, i Jehovah dia nampiasa an’i Jesosy Kristy, Solontenany teto an-tany, mba hanatanteraka ny fampianarana araka an’Andriamanitra nandritra ny taonjato voalohany. (Jaona 16:27, 28). Nanondro tsy an-kijanona ny Tenin’Andriamanitra ho ny fahefana ho an’ny fampianarany i Jesosy, namela ohatra ho an’ireo izay nampianariny. (Matio 4:4, 7, 10; 21:13; 26:24, 31). Taorian’izay, dia notohizina teto an-tany ny fampianaran’i Jehovah tamin’ny alalan’ny fanompoan’ireo efa nampianarina toy izany. Tsarovy fa nandidy azy ireo toy izao i Jesosy: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, (...) mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo”. (Matio 28:19, 20, izahay no manao soramandry.) Rehefa nisy olona tonga mpianatra, izy ireo dia nanjary anisan’ny “ankohonan’Andriamanitra, (...) ny kongregasionan’ilay Andriamanitra velona”. (1 Timoty 3:15, NW ). Nalamina ho kongregasiona manokana koa izy ireo, ka tao izy ireo dia nampianarin’i Jehovah. (Asan’ny Apostoly 14:23; 15:41; 16:5; 1 Korintiana 11:16). Moa ve nitohy tamin’izany fomba izany mandraka androany ny fampianarana araka an’Andriamanitra?
8. Ahoana no nanehoan’i Jesosy fa hotarihina eto an-tany alohan’ny hahatongavan’ny farany ny asa fitoriana?
8 Izany tokoa! Telo andro talohan’ny nahafatesany, dia nambaran’i Jesosy mialoha fa alohan’ny faran’itỳ fandehan-javatra itỳ, dia hisy asa fitoriana lehibe. “Hotorina amin’ny tany onenana manontolo itỳ vaovao tsaran’ilay Fanjakana itỳ ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra”, hoy izy, “ary avy eo dia ho tonga ny farany.” Nanohy nilazalaza ny amin’ilay fitaovana hitarihana io fitoriana maneran-tany sy fandaharam-pampianarana io i Jesosy. Niresaka ny amin’ny “mpanompo mahatoky sy malina” izay hiasa ho toy ny fitaovana na fiasana mba hanomezana sakafo ara-panahy ny mpanompony izy. (Matio 24:14, 45-47, NW ). Nampiasa io “mpanompo” io mba hanara-maso ny tombontsoan’ilay Fanjakana manerana ny tany i Jehovah Andriamanitra.
9. Iza no mahaforona ny mpanompo mahatoky sy malina?
9 Amin’izao andro izao, ilay mpanompo mahatoky sy malina dia voaforon’ny sisa amin’ireo mpandova ilay Fanjakana. Ireo dia Kristiana voahosotra, ireo sisa eto an-tany amin’ireo 144 000 izay “an’i Kristy” sy anisan’ny “taranak’i Abrahama”. (Galatiana 3:16, 29; Apokalypsy 14:1-3). Ahoana no ahafahanao mamantatra ny mpanompo mahatoky sy malina? Amin’ny asa ataony indrindra sy amin’ny fifikirany mafy amin’ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly.
10. Fiasana inona avy no ampiasain’ilay kilasin’ny mpanompo mba hampandrosoana ny fampianaran’i Jehovah?
10 Mampiasa io “mpanompo” io ho fitaovana fampianarany ny olona amin’izao andro izao i Jehovah. Nandray ilay anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah ireo anisan’ny kilasin’ilay mpanompo, tamin’ny 1931. Hatramin’izay, dia olona an-tapitrisany maro no miaraka amin’izy ireo sy manaiky ilay anarana ary manatevin-daharana eo amin’ny fanambarana ny Fanjakan’Andriamanitra. Ilay gazety hoe Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah no fiasana lehibe indrindra ampiasain’ilay “mpanompo” eo amin’ny asa fampianarana. Misy koa anefa zavatra vita an-tsoratra hafa ampiasaina, tafiditra amin’izany ny boky sy bokikely sy taratasy mivalona ary ny gazety Mifohaza!
11. Sekoly inona avy no notohanan’ilay “mpanompo”, ary natao ho amin’ny zava-kendrena inona ny sekoly tsirairay?
11 Fanampin’izany dia manohana sekoly maro samihafa ilay “mpanompo”. Izany dia mahatafiditra ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower izay fianarana maharitra dimy volana ka manomana ireo minisitra tanora ho amin’ny asa misionera any an-tany hafa, sy ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana maharitra roa volana, izay mampiofana loholona tsy manambady sy mpanampy amin’ny fanompoana tsy manambady ho amin’ny fanendrena teokratika manokana. Eo koa ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana, izay ampianarana ara-potoana an’ireo loholona sy mpanampy amin’ny fanompoana eo amin’ny andraikiny ao amin’ny kongregasiona, ary ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana, izay manome fitaovana ireo mpitory ny filazantsara manontolo andro hahita vokatra kokoa eo amin’ny asa fitoriany.
12. Inona no lafiny iray amin’ilay fandaharam-pampianarana atao isan-kerinandro?
12 Lafiny hafa iray amin’ilay fandaharam-pampianarana ny fivoriana dimy isan-kerinandro atao any amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny 75 500 maneran-tany. Mandray soa feno araka izay azo atao avy amin’ireny fivoriana ireny ve ianao? Amin’ny fihainoanao tsara an’ireo toromarika omena, dia asehonao ve fa tena mino tokoa ianao fa toy ny hoe ao amin’ny sekolin’Andriamanitra ianao? Moa ve ny fandrosoanao ara-panahy mampiharihary amin’ny hafa fa manana “ny lelan’ny efa nampianarina” ianao? — Isaia 50:4, fanamarihana ambany pejy; 1 Timoty 4:15, 16.
Ampianarina ao amin’ireo fivorian’ny kongregasiona
13. a) Inona no fomba lehibe iray ampianaran’i Jehovah ny vahoakany amin’izao andro izao? b) Ahoana no azontsika ampisehoana ny fankasitrahantsika Ny Tilikambo Fiambenana?
13 Mampianatra indrindra ny vahoakany i Jehovah amin’ny alalan’ny fianarana isan-kerinandro ny Baiboly, amin’ny fampiasana Ny Tilikambo Fiambenana ho boky fianarana. Mihevitra io fivoriana io ho toerana iray ahafahan’i Jehovah mampianatra anao ve ianao? Na dia mihatra voalohany indrindra amin’i Jesosy aza ny Isaia 50:4, izy io dia afaka mihatra koa amin’izay rehetra manararaotra ny fandaharan’Andriamanitra mba hahazoana “lelan’ny efa nampianarina”. Ny fomba iray azonao ampisehoana fa mihevitra ho sarobidy Ny Tilikambo Fiambenana ianao, dia amin’ny famakiana ny nomerao tsirairay raha vantany vao azo atao izany, aorian’ny naharaisanao azy. Avy eo, rehefa ianarana any amin’ny kongregasiona Ny Tilikambo Fiambenana, dia afaka mampiseho ny fankasitrahanao amin’i Jehovah ianao amin’ny fahatongavana sy amin’ny fahavononana hanao fanambarana ampahibemaso ny fanantenanao. — Hebreo 10:23, NW.
14. a) Nahoana no tombontsoa lehibe tokoa ny fanomezana valin-teny any amin’ireo fivoriana? b) Karazana valin-teny toy inona avy amin’ny ankizy no mampahery indrindra?
14 Moa ve takatrao fa amin’ny valin-teninao any amin’ireo fivoriana dia afaka manana anjara amin’ilay fandaharam-pampianarana lehiben’i Jehovah ianao? Azo antoka fa ny fanomezana valin-teny any amin’ireo fivoriana dia fomba lehibe iray ahafahantsika mifampirisika ho amin’ny “fitiavana sy ny asa tsara”. (Hebreo 10:24, 25). Afaka manana anjara amin’io fandaharam-pampianarana io koa ve ny ankizy? Eny, afaka izy ireo. Ireo valin-teny avy amin’ny fo ataon’ireo ankizy madinika dia matetika mampahery ny lehibe. Indraindray ireo vaovao any amin’ireo fivoriantsika dia atosiky ny valin-tenin’ankizy mba hanisy fiheverana lehibe kokoa ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Misy ankizy sasany manao ho fahazarana ny mamaky mivantana ny valin-teniny avy ao amin’ny fehintsoratra na mamerina izay vao avy nobitsibitsihin’ny olon-dehibe iray tao an-tsofiny. Kanefa dia mampahery indrindra rehefa voaomana tsara ny valin-tenin’izy ireo. Ny valin-teny toy izany dia tena mitondra voninahitra marina ho an’ilay Mpampianatra antsika Lehibe sady manandratra ilay fandaharam-pampianarany. — Isaia 30:20, 21, NW.
15. Inona no azon’ireo ray aman-dreny atao mba hanampiana ny zanany hanome valin-teny mandaitra kokoa?
15 Mahafaly ny mahita ankizy maniry handray anjara amin’ny fiderana an’ilay Andriamanitsika. Nihevitra ho sarobidy ny fiderana avy amin’ireo ankizy i Jesosy. (Matio 21:15, 16). Nanao izao fanamarihana izao ny loholona kristiana iray: “Fony aho ankizy, dia naniry hanome valin-teny tamin’ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana aho. Rehefa avy nanampy ahy hanomana valin-teny iray ny raiko, dia nitaky ny hamerimberenako ilay valin-teny impito fara fahakeliny.” Angamba mandritra ny fianaram-pianakavianareo mifototra amin’ny Baiboly, ianareo ray aman-dreny dia afaka manampy ny zanakareo hanomana valin-teny amin’ny fiteniny manokana eo amin’ny fehintsoratra voafantina ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana. Ampio izy ireo hankasitraka ilay tombontsoa lehibe ananan’izy ireo amin’ny fandraisana anjara amin’ny fandaharam-pampianaran’i Jehovah.
16. Inona no soa azo avy amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika, ary iza no afaka misoratra anarana ao amin’ilay sekoly?
16 Tokony hasiana fiheverana lehibe koa ny fampianarana any amin’ireo fivoriana kristiana hafa. Samy tokony hanao izany ireo izay manana tombontsoa hanome ny fanazavana sy ireo izay mihaino ny fampianarana aroso. Hatramin’ny 50 taona mahery izao no nampiasan’i Jehovah ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika atao isan-kerinandro mba hampiofanana lehilahy sy vehivavy an-tapitrisany maro mba hampiseho amin’ny fomba mandaitra kokoa ny hafatra momba ilay Fanjakana. Afaka misoratra anarana ho amin’izany ireo izay miaraka amim-paharisihana amin’ny kongregasiona, tafiditra amin’izany ny olona izay nanomboka vao haingana nanatrika ireo fivoriana, raha toa ka manana fiainana mifanaraka amin’ny fotopoto-pitsipika kristiana izy ireo.
17. a) Ho amin’ny zava-kendrena inona indrindra moa no nanorenana ny Fivoriana Ampahibemaso? b) Inona avy ireo zavatra tokony hotadidin’ilay mpandahateny ampahibemaso ao an-tsaina?
17 Lafiny hafa iray efa hatramin’ny ela ao amin’ilay fandaharam-pampianarana ny Fivoriana Ampahibemaso. Araka ny asehon’ny anarany, io fivoriana io dia naorina indrindra mba hampahafantarana ireo fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly amin’ireo olona tsy Vavolombelona. Araka izany, ilay manao ny lahateny dia mila mampiseho ilay fanazavana amin’ny fomba mora azo ho an’ireo izay sambany vao mandre ilay hafatra. Izany dia midika ho fanazavana ny teny toy ny hoe “ondry hafa”, “rahalahy”, “sisa”, dia teny izay mety tsy ho azon’ny olona tsy Vavolombelona. Koa satria ny olona manatrika ny Fivoriana Ampahibemaso mety hanana zavatra inoana na fomba fiaina izay mifanohitra tanteraka amin’ny Soratra Masina — na dia azo ekena eo amin’ny fitambaran’olona ankehitriny aza — ny mpandahateny dia tokony hahay handanjalanja mandrakariva ary tsy hanaraby ny zavatra inoana na fomba fiaina toy izany. — Ampitahao amin’ny 1 Korintiana 9:19-23.
18. Inona avy ireo fivoriana hafa ataon’ny kongregasiona isan-kerinandro, ary ho amin’ny zava-kendrena inona no nanaovana azy ireny?
18 Ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona dia fivoriana iray ianarana isan-kerinandro, miaraka amin’ny Baiboly, zavatra vita an-tsoratra nomanina teo ambanin’ny fitarihan’ny mpanompo mahatoky sy malina. Ilay boky hoe Ny Fanambarana — Akaiky ny Fiafarany Malaza! izao no ianarana any amin’ny tany maro. Ny Fivoriana Momba ny Fanompoana dia natao hanome fitaovana ny vahoakan’i Jehovah mba handray anjara feno amin’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana sy mba hanao mpianatra. — Matio 28:19, 20; Marka 13:10.
Ampianarina ao amin’ireo fivoriana lehibe kokoa
19. Fivoriana lehibe kokoa inona avy no alamin’ilay “mpanompo” isan-taona?
19 Efa hatramin’ny zato taona mahery, ny “mpanompo mahatoky” dia nandamina fivoriamben’ny distrika sy fivoriambe mba hampianarana sy hanomezana fampaherezana manokana ho an’ny Kristiana marina. Fivoriana lehibe kokoa telo toy izany izao no atao isan-taona. Eo ilay fivoriambe maharitra iray andro izay atrehin’ny antokona kongregasiona mahaforona fizaran-tany iray. Mandritra ny taona, ny fizaran-tany tsirairay dia manana koa fivoriana maharitra roa andro antsoina hoe fivoriamben’ny fizaran-tany. Fanampin’izany dia misy fivoriana iray antsoina hoe fivoriamben’ny distrika, atrehin’ny fizaran-tany maromaro. Amin’ny taona sasany, dia mety hisy fivoriambe iraisam-pirenena. Tena manatanjaka finoana marina tokoa ho an’ny vahoakan’i Jehovah ireny fivoriana lehibe misy Vavolombelona vahiny avy any amin’ny tany maro ireny! — Ampitahao amin’ny Deoteronomia 16:16.
20. Inona no nantitranterina tamin’ny fomba tsy niovaova tany amin’ireo fivoriana lehibe kokoa nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah?
20 Tamin’ny 1922, rehefa nisy olona 10 000 teo ho eo nivory tao Cedar Point, Ohio, any Etazonia, dia nisy heriny teo amin’ireo solontena ny fampaherezan’ilay mpandahateny nanao hoe: “Itỳ no andro iray toa zato. Jereo fa manjaka ny Mpanjaka! Ianareo no masoivoho mpampahafantatra azy. Noho izany dia ambarao, ambarao, ambarao ny Mpanjaka sy ny fanjakany.” Ny fivoriambe lehibe toy izany dia nanantitrantitra tamin’ny fomba tsy niovaova ny asa fitoriana. Ohatra, tamin’ilay fivoriambe niraisam-pirenena tao amin’ny tanànan’i New York tamin’ny 1953, dia nisy fampandrenesana natao momba ny fiorenan’ny fandaharam-piofanana ho amin’ny fandehanana isan-trano tany amin’ny kongregasiona rehetra. Ny fanatanterahana izany dia nisy vokany tena tsara teo amin’ny asa fitoriana tany amin’ny tany maro.
Nampianarin’Andriamanitra mba hampianatra
21. Tombontsoa inona no irintsika hekena, ka tsy ho diso ny zava-kendren’izany?
21 Azo antoka fa manana fandaharam-pampianarana mahatalanjona eto an-tany i Jehovah amin’izao andro izao! Izay rehetra manararaotra izany dia afaka ny hampianarin’Andriamanitra, eny afaka ny ho anisan’ireo izay nomena “lelan’ny efa nampianarina”. Tombontsoa toy inona moa izany hoe toy ny ao amin’ny sekolin’Andriamanitra izany! Kanefa rehefa manaiky io tombontsoa io isika dia tsy tokony ho diso ny zava-kendreny. Nampianatra an’i Jesosy i Jehovah, mba hahafahany hampianatra ny hafa, ary nampianatra ny mpianany i Jesosy mba hahafahan’ireo hanao io asa io ihany toy izay nataony, saingy amin’ny ambaratonga lehibe kokoa mihitsy aza. Mitovy amin’izany koa fa ampiofanina ao amin’ilay fandaharam-pampianarana lehiben’i Jehovah isika ho fikendrena ny hampianatra ny hafa. — Jaona 6:45; 14:12; 2 Korintiana 5:20, 21; 6:1; 2 Timoty 2:2.
22. a) Inona no zava-nanahirana an’i Mosesy sy i Jeremia, kanefa ahoana no nandaminana izany? b) Toky inona no ananantsika fa hataon’Andriamanitra izay hahatanteraka ny asa fitoriana ilay Fanjakana?
22 Moa ve ianao hilaza toy ny nataon’i Mosesy hoe: “Olona tsy mahay mandaha-teny aho”, na toy ny nolazain’i Jeremia hoe: “Tsy mahay mandaha-teny aho”? Hanampy anao i Jehovah toy ny nanampiany azy ireo. “Izaho no homba ny vavanao”, hoy izy tamin’i Mosesy. Ary hoy izy tamin’i Jeremia: “Aza matahotra (...) fa momba anao (...) Aho”. (Eksodosy 4:10-12; Jeremia 1:6-8). Rehefa naniry hampangina ny mpianany ireo filoham-pivavahana, dia hoy i Jesosy: “Raha mangina ireo, dia ny vato no hiantsoantso.” (Lioka 19:40). Tsy voatery niantsoantso anefa ireo vato tamin’izay, ary tsy voatery hanao izany izy ankehitriny satria mampiasa ny lelan’ireo efa nampianariny i Jehovah mba hanolorana ny hafatra momba ilay Fanjakana.
Azonao Valiana Ve?
◻ Fifandraisana tonga lafatra eo amin’ny Mpampianatra sy ny mpianatra inona no asongadin’ny Isaia toko faha-50?
◻ Ahoana no nanohizan’i Jehovah fandaharam-pampianarana iray miitatra?
◻ Inona avy no lafiny sasany amin’ny fandaharam-pampianaran’i Jehovah?
◻ Nahoana no tombontsoa lehibe ny fandraisana anjara amin’ilay fandaharam-pampianaran’i Jehovah?
[Sary, pejy 16]
Ireo valin-teny avy amin’ny fo ataon’ireo ankizy dia matetika mampahery ny lehibe