Ireo Fivoriamben’ny Distrika “Fampianaran’Andriamanitra”
IZAY rehetra maniry ny hampianarin’i Jehovah dia manandrandra fatratra an’ireo Fivoriamben’ny Distrika “Fampianaran’Andriamanitra”. Ilay fandaharana haharitra efatra andro dia hanasongadina endriny maro miavaka amin’ny fampianarana araka ny Soratra Masina izay miaro ny Kristiana amin’izao fotoana itomboan’ny zava-manahirana manokana sy ny fikorontanana maneran-tany izao. Ny fandaharana dia hanampy azy ireo hanohitra mafy “na inona na inona manohitra ny fampianarana tsy misy kilema” ary ho mpampianatra tsara kokoa ny Tenin’Andriamanitra. — 1 Timoty 1:10.
Ohatra tsara dia tsara maro be toy inona moa no tokony hotahafintsika! Tsy iza fa i Jehovah Andriamanitra mihitsy no ilay Mpampianatra Lehibe Indrindra! Araka izany, dia nilaza araka ny marina tamin’i Joba i Eliho fa i Jehovah dia “Izay manome fahalalana antsika mihoatra noho ny an’ny biby ambonin’ny tany, dia Izay manome fahendrena antsika mihoatra noho ny an’ny voro-manidina.” Nanontany toy izao mikasika an’i Jehovah koa izy: “Iza no mba mpampianatra tahaka Azy?” (Joba 35:11; 36:22). Andriamanitra dia resahina ho ny “Mpampianatra Lehibe” ao amin’ny Isaia 30:20, NW.
Ny manaraka an’i Jehovah avy hatrany amin’ny maha-mpampianatra dia i Jesosy Kristy. Fantatra ho ilay “Mpampianatra” izy, ka resahina ho toy izany eo amin’ny in-50 eo ho eo ao amin’ny Filazantsara. Na dia teo aza ireo fanasitranana nampitolagaga sy fahagagana maro hafa nataony, dia tsy fantatra ho ilay Dokotera i Jesosy fa ho ilay Mpampianatra. — Matio 8:19; Lioka 5:5; Jaona 13:13.
Nety indrindra fa nampianatra ny mpianany sy ny apostoliny ho tonga mpampianatra tahaka azy i Jesosy. Afaka mahita izany isika ao amin’ny Matio 10:5 ka hatramin’ny 11:1 sy ny Lioka 10:1-11. Fotoana fohy talohan’ny niakarany ho any an-danitra, i Jesosy dia nanome ho an’ny mpianany ilay fanirahana hampianatra malaza voarakitra ao amin’ny Matio 28:19, 20. Ny bokin’ny Asan’ny Apostoly, ary koa ireo taratasy ara-tsindrimandry manaraka azy ao amin’ny Soratra Grika Kristiana, dia mitantara ny fomba nanatanterahan’ireo mpanara-dia an’i Jesosy voalohany an’io fanirahana hampianatra io tamin-jotom-po sy tamim-pahakingana ary tamim-pahatokiana.
Io asa fampianarana io dia mbola mahadodona lavitra amin’izao andro izao noho ny teo aloha. Miaina amin’ny andro faran’ity fandehan-javatra ity isika, ary noho izany, dia aina maro no voakasika. Mba tsy hiombonan’ny olona ota amin’i Babylona Lehibe sy tsy hahazoany anjara amin’ireo loza hanjo azy, dia tsy maintsy ampianarina sy ampiana izy ireo mba hivoaka avy ao amin’i Babylona ka hanapa-kevitra ny hiandany amin’i Jehovah sy ny Fanjakany. — Apokalypsy 18:4.
Mba hanampiana ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra eo amin’ny ezaka ataony hanatanterahana ny fanirahana azy hampianatra, i Jehovah, amin’ny alalan’ny fandaminany, dia nanomana ireo Fivoriamben’ny Distrika “Fampianaran’Andriamanitra”. Izany fivoriambe haharitra efatra andro izany dia hanomboka any amin’ny Ila bolan-tany Avaratra amin’ny fiandohan’ny lohataona. Enga anie ny tsirairay amin’ny mpanompon’i Jehovah vita fanoloran-tena mba hanao izay hahazoana antoka fa hanatrika, fara faharatsiny, ny iray amin’ireo fivoriambe ireo, ka ho tonga sy hihaino tsara manomboka amin’ny hira sy vavaka fanokafana ny alakamisy tolakandro ka hatramin’ny vavaka famaranana ny alahady tolakandro.