Ry loholona, hevero ho zava-dehibe ny andraikitrareo amin’ny maha-mpiandry
“Andraso ny ondrin’Andriamanitra izay eo aminareo.” — I PETERA 5:2.
1. Nahoana moa ny ohatra ny amin’ny ondry no marika mety mba hiresahana olona manana ny fankasitrahan’Andriamanitra?
NY OHATRA ny amin’ny ondry dia marika tena mety mba hiresahana ny olona izay manana ny fankasitrahan’i Jehovah Andriamanitra. Izy ireny tokoa dia zavaboary mora entina izay mihaino ny feon’ny mpiandry azy sy manaraka azy avy hatrany. Ny mpanompon’Andriamanitra, ny “ondry”, dia manaiky toy izany koa hotarihin’i Jesosy Kristy, Mpiandry tsara. Mahalala azy izy ireny, mihaino ny feony sy manaiky amim-pifaliana ny fitarihany (Jaona 10:11-16). Mazava ho azy fa raha tsy manana mpiandry tsara ny ondry, vetivety dia raiki-tahotra sy very. Tsy mahagaga àry raha nahatsiaro fangorahana ny olona izay ‘nampahantraina ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry’ i Jesosy. — Matio 9:36.
2. Nanao ahoana ny fihetsik’i Jehovah teo anoloan’ireo “ondry” izay nijaly teo ambany fanapahana tsy nisy fitiavan’ny “mpiandry ny Isiraely”?
2 Jehovah dia mihevitra mafy ny fiadanana ara-panahin’ny olona tso-po lazain’ny Soratra masina ho “ondry”. Ohatra, tamin’ny alalan’i Ezekiela mpaminany, Andriamanitra dia niantso loza ho an’ireo “mpiandry ny Isiraely”, dia lehilahy nanana andraikitra, izay namahan-tena, fa tsy niraharaha ny ondry. Tsy havelan’i Jehovah hanohy hijaly tsy misy fanantenana fanamaivanana anefa ny “ondry”. Izao tokoa no nambarany: “Ny very hotadiaviko, ny voaroaka hampodiko, ny folaka hohamarako, ny malemy hohatanjahiko.” — Ezekiela 34:2-16.
3. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa nikarakara ireo ondry izy?
3 Mikarakara tsy misy hafa amin’izany ny kristiana sahala amin’ny “ondry” i Jesosy Kristy, Mpiandry tsara. Talohan’ny hiakarana ho any an-danitra àry, dia naneho faniriana ny hahita ireo “ondry” hahazo ny fiheverana mety izy. Izao no nolazainy tamin’ny apostoly Petera: ‘Fahano ny ondrikeliko; andraso ny ondriko; fahano ny ondriko.’ (Jaona 21:15-17). Ary mba hahatonga ny “ondry” hanohy tsara handray fikarakarana voamariky ny fitiavana, Jesosy dia nanome ny sasany “ho mpiandry” ho fampandrosoana ny “tenan’i Kristy”. — Efesiana 4:11, 12.
4. Inona no fananarana nataon’ny apostoly Paoly ho an’ireo “loholona” voatendrin’ny fanahy masina?
4 Koa satria Andriamanitra sy Kristy maneho fiahiana sy fitiavana lalina toy izany ho an’ny ondry, dia andraikitra lehibe tokoa ny ho mpiandry lefitra ny ondrin’Andriamanitra. Raha niteny tamin’ireo ‘loholona’ tao amin’ny kongregasiona tany Efesosy voatendrin’ny fanahy ny apostoly Paoly, dia nananatra azy ireo mba ‘hiandry ny kongregasionan’Andriamanitra’, hitandrina azy (Asan’ny apostoly 20:17, 28). Fa ahoana no azon’ireo loholona voatendry hanao io raharaha io iantsorohana tsara io andraikitra io?
Mandray toromarika ireo mpiandry
5. Inona no torohevitra nomen’i Petera ho an’ireo rahalahiny izay nanompo tamin’ny naha-mpiandraikitra?
5 Ny apostoly Petera izay, araka ny nantenaina tokoa, dia hiandry ireo ondrin’i Jesosy, dia nanoratra toy izao ho an’ireo rahalahiny izay nanao ny asan’ny mpiandraikitra koa: “Andraso ny ondrin’Andriamanitra izay eo aminareo, mitandrina azy tsy an-tery, fa amin’ny sitrapo [araka an’Andriamanitra]; tsy amin’ny fitiavana harena maloto, fa amin’ny zotom-panahy; tsy ho mpanjakazaka amin’ny anjara-fiandrasana, fa ho fianaran’ny ondry.” (I Petera 5:1-3). Aoka hojerentsika hoe amin’ny fomba ahoana ireo loholona voatendrin’ny fanahy masina no afaka manaraka ireo torohevitra ireo amin’ny fomba mahafapo.
6. Amin’ny toe-tsaina manao ahoana moa no tokony hanampian’ireo loholona “ny ondrin’Andriamanitra”?
6 Nanome izao fananarana izao àry i Petera ho an’ireo loholona: “Andraso ny ondrin’Andriamanitra izay eo aminareo, mitandrina azy tsy an-tery, fa amin’ny sitrapo.” Ireo kristiana izay manana tombontsoa manompo amin’ny maha-mpiandry ara-panahy dia tsy tokony hiantsoroka izany amin’ny fimonomononana satria mahatsiaro ho voatery mikarakara ny ondry. Tsy tokony hihevi-tena ho voatery izy, toy ny hoe asa an-terivozona izany na toy ny hoe nanosika azy hiandry ny ondry ny olon-kafa. Tokony hanompo an-tsitrapo kosa izy ireny (jereo Salamo 110:3). Rehefa misy olona maniry hanao soa ho an’ny hafa, dia mandrakariva izy no manao izany amin’ny fony rehetra; manome avy amin’ny tenany izy ary miezaka mba hiasa ho an’ny tombontsoan’izy ireny. Ny loholona iray manompo an-tsitrapo dia manome avy hatrany amin’ny fotoanany sy ny heriny. Fantany fa mety haniasia ny ondry indraindray, koa iriny ny hanampy azy ireny, ka hanahaka amin’izany ny fiahian’Andriamanitra ny “ondry”. Niahy aoka izany ny Isiraelita naniasia i Jehovah ka nanambara toy izao: “Hoy Izaho tamin’ny firenena izay tsy nantsoina tamin’ny anarako: Inty Aho! Inty Aho!” — Isaia 65:1.
7, 8. a) Milaza inona moa ny fanaovana asan’ny mpiandry tsy misy fitiavana harena maloto? b) Milaza inona moa ny fanompoana amim-pahazotoana?
7 Nanoratra i Petera fa ilaina ny hanatanterahana ny asan’ny mpiandry, “tsy amin’ny fitiavana harena maloto, fa amin’ny zotom-panahy”. Tsy tian’ireo loholona ny ho enta-mavesatra ho an’ny ondry. Toy izany koa ny toe-tsain’ny apostoly Paoly, satria izao no nolazainy tamin’ireo kristiana tany Tesalonika: “Fa tsaroanareo, ry rahalahy, ny fikelezanay aina sy ny fisasaranay; fa niasa andro aman-alina, mba tsy hahavaky tratra na dia olona iray akory taminareo aza, no nitorianay ny filazantsaran’Andriamanitra taminareo.” Izao koa no nampahatsiahiviny azy ireo: “Nitoetra tsara teo aminareo izahay, ary tsy nihinana foana izay hanin’olona, fa niasa andro aman-alina tamin’ny fikelezan-aina sy ny fisasarana mba tsy hahavaky tratra na dia iray akory aminareo aza.” — I Tesaloniana 2:9; II Tesaloniana 3:7, 8.
8 Toy izany koa amin’izao andro izao, ireo mpiandry mahatoky ny ondrin’Andriamanitra dia tsy mitsiriritra ny fananan’ny ondry; tsy mitady hahazo tombontsoa tsy ara-drariny avy amin’izy ireny izy (Lioka 12:13-15; Asan’ny apostoly 20:33-35). Nasehon’i Paoly fa mba hahafenoana ireo fepetra takina amin’ny mpiandraikitra iray, ny kristiana dia ‘tsy tokony ho tia harena maloto’. (Titosy 1:7.) Hiasa amim-pahazotoana kosa ireo mpiandry, amin’ny fiheverana amin-kafanam-po ny adidiny sy amin’ny fitadiavana izay hahasoa an’ireo ondry ankinina aminy (Filipiana 2:4). Amin’ny fanaovana toy izany no ampisehoany fiahiana ny ondry tsy misy fitadiavana tombontsoa ho an’ny tena sahala amin’ny ataon’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy Zanany.
9. Nahoana moa ny mpiandry kristiana iray no tsy tokony “ho mpanjakazaka amin’ny anjara-fiandrasana”?
9 Nanampy teny i Petera fa ireo loholona dia tokony hiandry ireo mpanompon’Andriamanitra “tsy ho mpanjakazaka amin’ny anjara-fiandrasana, fa ho fianaran’ny ondry.” Ny mpiandry feno fitiavana iray dia tokony hiahy ny amin’ny tsy hanamparana ny fahefany amin’ny fisehoana ho ambony na amin’ny fibaikoana ny ondry toy ny tompo. Izay rehetra maniry hahazo sitraka amin’i Jehovah dia tokony hanary ny fieboeboana, toe-tsaina mifanohitra amin’ny kristianisma. Izao no vakintsika ao amin’ny Ohabolana 21:4: “Ny fiandranandran’ny maso sy ny fiavonavon’ny fo — izay jiron’ny ratsy fanahy — dia ota.” Ary izao no nolazain’i Jesosy tamin’ireo mpianany: “Fantatrareo fa ny andrianan’ny jentilisa mampanompo azy tokoa, ary ny lehibeny manapaka azy fatratra. Fa tsy mba ho toy izany aminareo; fa izay te-ho lehibe aminareo dia ho mpanompo anareo; ary izay te-ho ambony indrindra aminareo dia ho mpanomponareo.” (Matio 20:25-27). Tena tokony hotadidian’ireo loholona fa ondrin’Andriamanitra no mahaforona ny andiany ka tsy tokony hoentina amim-pahasiahana izy ireny.
10. a) Inona moa, tamin’ny andron’i Ezekiela, no nataon’ny mpiandry ny vahoaka sasany? b) Amin’ny ahoana moa ireo mpiandraikitra mahatoky no ohatra tsara ho an’ny ondry?
10 Izao no nolazain’i Jehovah tamin’ireo mpiandry tamin’ny andron’i Ezekiela izay tsy nitady afa-tsy ny tombontsoan’ny tenany: “Tsy manatanjaka ny malemy hianareo, na manasitrana ny marary, na manamatra ny folaka, na mampody ny noroahina, na mikatsaka ny very; fa loza loatra ny fampanompoanareo azy.” Nanampy teny Andriamanitra fa ireny mpiandry tsy nanam-pitiavana ireny dia ‘nanosika ny marary rehetra mandra-pandronjiny azy ho any ivelany’. (Ezekiela 34:4, 20, 21.) Tsy manao toy izany anefa amin’izao andro izao ireo mpiandry feno fitiavana notendrena hiandry “ny ondrin’Andriamanitra”. Tsy mampideradera ny fahefany izy ireo, fa miahy ny tsy hahatafintohina ny ondry rehetra (jereo Marka 9:42). Ireny loholona ireny dia manampy ny ondry sy mamporisika azy ireny amim-pitiavana. Ambonin’izany, dia mitady ny fanohanan’i Jehovah izy ireny amin’ny fivavahana aminy ary manao fiezahana lehibe mba hahatongavana ho ohatra tsara “amin’ny fiteny, amin’ny fitondrantena, amin’ny fitiavana, amin’ny finoana, amin’ny fahadiovana”. (I Timoty 4:12.) Noho izany, dia afapo ireo ondry ary mahatsiaro ho tsy manana ahiahy, noho ny fahafantarana fa mihevitra azy ireo ny mpiandry izay tia azy sy matahotra an’Andriamanitra.
Loza ho an’ny ondry
11. Nahoana moa ireo mpiandry ny andian’ondrin’Andriamanitra no tokony hikarakara tsara azy mba hahatsiarovan’ny ondry ho tsy manana ahiahy?
11 Ny “ondry” dia mila ny mahatsiaro tsy fananana ahiahy, mila fanomezan-toky amin’ny fiheverana rehetra ataon’ireo loholona ho fiarovana ny andian’ondry (Isaia 32:1, 2). Izany indrindra no hita amin’izao andro izao, amin’ny “andro mahory” manamarika ny “andro farany”, satria misetra loza maro ny kristiana (II Timoty 3:1-5). Norahonan’ny loza maro koa i Davida mpanao salamo, kanefa afaka nilaza hoe: “Jehovah no Mpiandry ahy (...). Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho; fa Hianao no amiko.” (Salamo 23:1-4). Amin’izao androntsika izao, ireo mpiandry ny ondrin’Andriamanitra dia tokony hihevitra aoka izany ireo ondry, hany ka, sahala amin’i Davida, ireo dia hahatsiaro tena ho akaiky dia akaiky an’i Jehovah sy tsy hanana ahiahy amin’ny maha-anisan’ny fandaminan’Andriamanitra.
12. Amin’ny fironana inona amin’izao andro izao moa no tokony hiarovana ny ondry, ary ahoana no azon’ireo loholona anampiana azy ireny amin’io lafiny io?
12 Anisan’ny loza ilàn’ny ondrin’Andriamanitra ny harovana, dia ao ny fironana ankehitriny hanana fiainana maloto, ivelan’izay rehetra mety ho fotopoto-pitsipika. Noho ny karazam-pialam-boly fatra-piely indrindra, toy ny televiziona sy ny maro hafa koa, dia olona be dia be no nanaraka fomba fiaina mifanohitra tanteraka amin’ireo fitsipika voalazan’ny Tenin’Andriamanitra. Ilaina ny manohitra ny filozofian’izao tontolo izao ilazana fa azo atao ny zavatra rehetra, anisan’izany ny fahalotoam-pitondrantena mahamenatra indrindra, amin’ny fanomezana ho an’ny ondry, torohevitra tsara araka ny Baiboly eo anivon’ny kongregasiona. Ireo mpiandry ny andian’ondry àry dia tokony hahalala tsara ny fampianaran’ny Baiboly momba ny fahatsaram-pitondrantena ka hampahatsiahy mandrakariva ny ondry ny andraikiny hadio hatrany mba hanompo an’i Jehovah. — Titosy 2:13, 14.
13. a) Mampitandrina antsika amin’ny loza inona moa ireo torohevitra ao amin’ny taratasin’i Joda? b) Inona moa no fihetsika tokony harahin’ireo loholona eo anoloan’ny mpivadi-pinoana?
13 Ao koa ny loza avy amin’ireo mpivadi-pinoana. Tadidio fa tamin’ny taonjato voalohany dia nisy “olona ratsy fanahy”, izay mpampianatra sandoka, nitsofoka tao anatin’ny kongregasiona. Izy ireny dia “harambato voasaron-drano” nampidi-doza, mpiandry sandoka namahan-tena, olona nitoetram-biby tsy nanana fiainana ara-panahy izay niteraka fisaratsarahana. Ny taratasin’i Joda dia manome torohevitra tsara dia tsara izay hanampy ireo loholona sy ny kristiana mahatoky rehetra ‘hiezaka mafy hiaro ny finoana’. (Joda 3, 4, 12, 19.) Tsy azo lavina fa ireo loholona dia manana adidy hanaraka fihetsika hentitra eo anoloan’izay rehetra hahatonga fisaratsarahana, satria nanoratra toy izao i Paoly: “Fa izaho mananatra anareo, ry rahalahy, mba hitandrina ny amin’izay mahatonga ny fisarahana sy ny fahatafintohinana tsy araka ny fampianarana efa nianaranareo; mialà amin’ireny olona ireny.” (Romana 16:17). Ireo mpiandry àry dia manana andraikitra hiaro ny ondry amin’ireny olona ireny sy amin’ny ‘amboadia mitafy hoditr’ondry’ hafa rehetra. — Matio 7:15.
Ampio amin’ny fomba hafa koa ireo ondry
14, 15. Ahoana no azon’ireo loholona anampiana rahalahy izay mifampitondra amim-pahasiahana?
14 Mba hiandrasana “ny ondrin’Andriamanitra”, ireo loholona angamba dia tsy maintsy manampy ny ondry handresy fahasahiranana mitranga ao anatin’ny kongregasiona. Indraindray dia misy ondry manomboka mifanditra. Noho ny fisehoan-javatra madinika, ny sasany dia manjary mifampitondra amim-pahasiahana. Mety ho tonga amin’ny fifampialonana aza izy ireny ka amin’ny farany dia mitsahatra tsy miaraka amin’ireo namany taloha eo amin’ny asan’i Jehovah, ka izany dia faran’izay manimba azy ireny eo amin’ny lafiny ara-panahy. — Ohabolana 18:1.
15 Tokony ho mailaka hanampy kristiana toy izany ireo mpiandry ara-panahy. Ohatra, ireo loholona angamba dia tokony hanazava hoe nahoana no ratsy ny mifampialona ka hampiseho ny fomba tokony hanaovan’ny kristiana mahatoky rehetra fiezahana mba hiarovana ny firaisan-tsaina ao anatin’ny kongregasiona (Levitikosy 19:16-18; Salamo 133:1-3; I Korintiana 1:10). Ho afaka hanampy ireo namany angamba izy ireny amin’ny fanintonana ny sainy ho amin’izao fampitandreman’i Paoly izao: “Fa raha mifandramatra sy mifampihinana hianareo, tandremo fandrao mifandringana.” — Galatiana 5:13-15; Jakoba 3:13-18.
16. Inona no tokony hataon’ireo loholona raha mahamarika fironan-dratsy eo anivon’ny kongregasiona izy ireo?
16 Ry loholona, aza hadinoina fa ny Devoly dia mandehandeha “tahaka ny liona mierona mitady izay harapany”. (I Petera 5:8.) Ny kristiana marina rehetra dia manana ady atao, tsy amin’ny nofo aman-dra, fa amin’ny hery ara-panahy ratsy (Efesiana 6:10-13). Azo antoka fa ireo mpiandry mahatoky dia tsy maniry ny haneken’ireo ondry ho resin’i Satana. Koa raha manomboka tsy tonga amin’ireo fivoriana kristiana ny anankiray amin’izy ireny, ireo loholona be fahamoram-panahy dia hitady hamantatra ny antony ka hanolotra ny fanampiana ara-panahy mety. Tokony ho fantany ny fisehoana ivelan’ny andian’ondriny ka ho malina izy ireo amin’ny famantarana izay rehetra mety ho fironan-dratsy eo anivon’ny kongregasiona (Ohabolana 27:23). Raha voamariny fa mirona hanao tsirambina ny fitoriana na ny fianarana manokana ny sasany, hanokana fotoana be loatra amin’ny fialam-boly na amin’ny fanatanterahana zava-kendrena mampiseho fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo, ireny lehilahy manana andraikitra ireny dia tokony hiezaka hitady fanafodin’ny tarehin-javatra. Amin’ny fanahafana amin’izany an’i Jehovah sy ilay Mpiandry tsara, Jesosy Kristy, ireo loholona dia mikarakara ny “ondrin’Andriamanitra” amin’ny fomba mety amin’ny fitondrana fanampiana manokana ho an’ny ondry na, indraindray, amin’ny fanomezana torohevitra feno fahendrena ho an’ny kongregasiona manontolo amin’ireo fivoriana (Galatiana 6:1). Amin’izany fomba izany na amin’ny fomba hafa iray, ireo loholona feno fitiavana dia manaporofo fa heveriny ho zava-dehibe ireo andraikiny amin’ny maha-mpiandry. — Asan’ny apostoly 20:28.
Ny asan’ny mpiandry: raharaha lehibe
17. Inona avy no fepetra mba hahatongavana ho loholona?
17 Asa mitaky fahasahiranana ny fiandrasana ny “ondrin’Andriamanitra” amin’ny maha-loholona. Ireo fitsipika ambony tokony hofenoin’ny kristiana rehetra maniry ho mendrika ny tombontsoa toy izany dia voalazalaza mazava ao amin’ny I Timoty 3:1-7, ao amin’ny Titosy 1:5-9 sy ao amin’ny I Petera 5:1-4. Tsy afaka miantsoroka an’io andraikitra io daholo akory na rahalahy iza na rahalahy iza, satria lehilahy araka ny fanahy ihany no afaka manatontosa tsara izany (I Korintiana 2:6-16). Lehilahy maro tsy loholona no mety hahafeno ireo fepetra takina mba hananana an’io tombontsoa io, nefa tokony “haniry ny asan’ny mpiandraikitra” izy aloha. Tokony ho mpianatra marisika ny Tenin’Andriamanitra àry izy mba hahazoana fahalalana lalina izany. Tokony hasehon’izy ireny tokoa fa mendrika ny hatolotra hanao io raharaha io izy amin’ny famenoana ireo fepetra araka ny Baiboly takina mba hanendrena ho loholona, dia mpiandry mahay ho an’ny “ondrin’Andriamanitra”.
18. Nanao ahoana ny fihetseham-pon’i Paoly teo anoloan’ireo kongregasiona? Misy kristiana hafa mitovy fihetseham-po aminy ve?
18 Miasa eo ambany fahefan’i Jehovah Andriamanitra, i Jesosy Kristy, Mpiandry tsara, dia filohan’ny kongregasiona kristiana (Jaona 10:11; I Korintiana 11:3; Efesiana 5:22, 23). Tsy maintsy ho faly izy afaka mampiasa mpiandry lefitra ny andian’ondry izay mitondra sy miaro tsara ny ondry. Ireny lehilahy araka ny fanahy ireny dia mahafeno ireo fitsipika ambony feran’ny Soratra masina ho an’ireo loholona. Ambonin’izany, izy ireny dia maneho fiahiana lalina ny ondry sahala amin’ny apostoly Paoly, izay nanoratra toy izao: “Afa-tsy ireo zavatra ivelany [ireo fahasahiranana sy ireo fahoriana] dia mbola misy koa izay mahazo ahy isan-andro, dia ny fiahiana ny fiangonana rehetra. Iza no malemy ka tsy malemy aho? Iza no tafintohina, ka tsy mirehitra aho?” (II Korintiana 11:23-29). Paoly, izay nandeha foana, dia nahatsapa isan’andro isan’andro “fiahiana ny fiangonana rehetra [fanahiana ny amin’ny kongregasiona rehetra, MN ], ka izany no hita amin’ireo mpiandraikitra mpitety faritany amin’izao andro izao. Toy izany koa, ireo loholona voatendry ao anatin’ireo kongregasiona dia manahy ny amin’ireo ondry anisan’ny andiany ankinina amin’izy ireo, dia izy izay mpiandry ara-panahy.
19. Ohatra tsara inona no ho azo raha toa ka ampiharina ny Hebreo 13:17 ary raha toa ireo loholona ka manohy miantsoroka tsara ireo andraikiny amin’ny maha-mpiandry?
19 Asa sarotra nefa mitondra soa betsaka tokoa àry ny fiandrasana “ny ondrin’Andriamanitra”. Noho izany, ry mpiandry ny ondry, tano amim-pitandremana ny tombontsoanareo sarobidy. Karakarao tsara ireo ondrin’Andriamanitra. Ary aoka ny “ondry” rehetra hiara-hiasa tanteraka amin’ireo mpiandry lefitra notendren’ny fanahy masina! “Manekè ny mpitondra anareo, ka manoava azy, hoy ny fananaran’i Paoly antsika; fa izy miambina ny fanahinareo araka izay tokony hataon’ny olona mbola hampamoahina.” (Hebreo 13:17). Raha miara-miasa ao anatin’ny firaisan-tsaina daholo izay rehetra nanolo-tena amim-pahatsorana ho an’i Jehovah, ny asa amim-pahatokiana ataon’ireo loholona izay mihevitra ho zava-dehibe ny andraikiny amin’ny maha-mpiandry dia hitondra hatrany, soa lehibe sy fitahiana amin’ny lafiny ara-panahy ho an’ny andian’ondry rehetra.
Afaka manazava ve ianao?
◻ Nahoana moa ireo mpiandry ara-panahy no tokony hanompo an-tsitrapo?
◻ Nahoana moa ireo loholona no tokony tsy ho tia harena maloto?
◻ Nahoana moa no tsy ho tsara ny hanjakazakan’ireo loholona amin’ny andian’ondrin’Andriamanitra?
◻ Nahoana moa ireo mpiandraikitra no tokony ho ohatra ho an’ny ondry?
◻ Inona moa no sasantsasany amin’ireo loza tokony hiarovan’ireo mpiandry “ny ondrin’Andriamanitra”?
[Sary, pejy 25]
Sahala amin’ireo mpiandry be fahamoram-panahy taloha, amin’izao andro izao ireo loholona dia ‘miandry amim-pitiavana ny ondrin’Andriamanitra’.