Miandry Amim-pangorahana ny Ondry Kely Izy Ireo
AMIN’IREO biby rehetra fiompin’olombelona, dia tsy misy mihitsy mitovy tanteraka amin’ny ondry fiompy. Ny ankamaroan’ny biby dia manana tanjaka sy fahaizana voajanahary ilaina mba hitadiavana sakafo sy hialana amim-pahakingana amin’ireo zavaboary izay mihaza azy, fa ny ondry kosa dia tsy mitovy amin’izany. Mora azon’ireo biby mpiremby izy, satria tsy mahay miaro tena firy. Raha tsy misy mpiandry ny ondry iray, dia saro-tahotra sy tsy manan-kiaro. Raha tafasaraka amin’ny andian’ondry izy, dia very mora foana. Ireo ondry mora entina àry, dia manana antony mahery hahatsapana firaiketam-po amin’ny mpiandry azy ireo. Raha tsy misy azy io, dia kely dia kely ny fahafahany ho velona. Noho ireo toetoetra mampiavaka azy ireo, dia ampiasain’ny Baiboly ara-panoharana ny ondry mba hilazana olona tsy manan-tsiny, natao ratsy fitondra, na tsy manan-kiaro.
Tsy isalasalana fa tena mendrika ho azy ny valisoa omena ny mpiandry ondry iray. Tsy mora ny fiainany. Sady danihin’ny hafanana izy no asian’ny hatsiaka, ary misy alina maro tsy atoriany. Tsy maintsy miaro ny andian’ondry amin’ny biby mpiremby izy, matetika amin’ny fanaovana vivery ny ainy. Koa satria tsy maintsy mitana ny andian’ondry hiaraka ny mpiandry ondry iray, ny ankamaroan’ny fotoany dia lany amin’ny fitadiavana ondry izay nania na very. Tsy maintsy mitsabo ireo marary sy maratra izy. Tsy maintsy lanjaina ireo zanak’ondry osaosa na reraka. Eo foana ny fanahiana momba ny fahazoana tahirin-tsakafo sy rano ampy. Tsy mahalana ho an’ny mpiandry ondry iray ny matory any an-tsaha mandritra ny alina mba hiantohana ny fiarovana ny andian’ondry. Noho izany, ny fiandrasana ondry dia fiainana mafy mitaky ny asan’ny lehilahy iray be herim-po sy malina ary mahay miatrika ny tarehin-javatra rehetra. Ambonin’ny zava-drehetra, dia tsy maintsy mahay maneho tena fiheverana marina ny andian’ondry nankinina taminy izy.
Fiandrasana ny andian’ondrin’Andriamanitra
Milazalaza ny vahoakan’Andriamanitra ho toy ny ondry mora entina ny Baiboly, ary ireo miandraikitra azy ho toy ny mpiandry ondry. Ny tenan’i Jehovah mihitsy no ‘Mpiandry sy Mpitandrina ny fanahintsika’. (1 Petera 2:25). I Jesosy Kristy, ilay “Mpiandry Tsara”, dia nilaza ny faniriany handraisan’ny ondry fikarakarana feno fangorahana rehefa niteny tamin’ny apostoly Petera izy hoe: ‘Fahano ny ondrikeliko, andraso ny ondriko, fahano ny ondriko.’ (Jaona 10:11; 21:15-17). Ireo mpiandraikitra kristiana dia nampiandraiketina tamim-panajana ny ‘fiandrasana ny fiangonan’Andriamanitra’. (Asan’ny Apostoly 20:28). Ary ny asan’izy ireo amin’ny maha-mpiandry ara-panahy dia mitaky ireo toetra ananan’ny mpiandry ondry tsara ara-bakiteny iray — herim-po, fahamalinana, fahaizana miatrika ny tarehin-javatra rehetra, ary, indrindra, fiahiana amim-pahatsorana ny amin’izay hahasoa ny andian’ondry.
Tamin’ny andron’i Ezekiela, mpaminanin’Andriamanitra, ny ankamaroan’ny mpiandry voatendry hikarakara izay nilain’ny vahoakan’i Jehovah teo amin’ny Isiraely dia tsy nanatanteraka ny adidiny. Nijaly mafy ny andian’ondrin’Andriamanitra, ka ny ankamaroan’izy ireo dia nahafoy ny fanompoam-pivavahana marina. (Ezekiela 34:1-10). Amin’izao andro izao, ny klerjin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana dia milazalaza ny tenany ho mpiandry an’ilay lazaina fa kongregasiona kristiana, kanefa ny fahararian’izy io ara-panahy dia manaporofo fa ny klerjy dia sahala amin’ireo mpisandoka ratsy fanahy izay nanao tsirambina sy nitondra tamin’ny fomba ratsy ny olona fony i Jesosy teto an-tany. Ireo mpitondra fivavahan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana dia sahala amin’ny “mpikarama” izay “tsy mitandrina [“mikarakara”, NW ] ny ondry”. (Jaona 10:12, 13). Na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana, dia tsy vonona mihitsy izy ireo, na tsy afaka, na tsy ampy fahaizana mba hiandrasana ny andian’ondrin’Andriamanitra.
Mpiandry izay tena mikarakara tokoa
Namela ohatra tanteraka ho an’izay rehetra hiandry ny andian’ondrin’i Jehovah, i Jesosy. Tamin’ny fomba rehetra, dia be fitiavana izy, tsara fanahy, nangoraka, ary nanampy ireo mpianany. Nanao ny dingana voalohany izy mba hikarohana ireo izay nila fanampiana. Na dia sahirana ary matetika reraka aza i Jesosy, dia naka fotoana foana izy mba hihainoana ny zava-nanahirana azy ireo sy mba hanomezana azy ireo fampaherezana. Ny fahavononany hanolotra ny ainy ho azy ireo no fisehoana tampony teo amin’ny fitiavana. — Jaona 15:13.
Amin’izao andro izao, ireo loholon’ny kongregasiona voatendry rehetra, ary koa ireo mpikarakara momba ny asa, dia mandray anjara amin’io andraikitra amin’ny andian’ondry io. Noho izany, na dia izay tombontsoa ara-nofo mety ho azon’izy ireo any an-tany hafa aza dia tsy nahataona ny ankamaroan’ireny lehilahy mandray andraikitra ireny hifindra toerana ka hamela amin’izany ny kongregasiona tsy hahazo fanampiana sy fanaraha-maso sahaza. Noho izy miaina amin’ny “fotoan-tsarotra tsy mora setraina”, dia mila fampaherezana sy fitarihana fatratra ny andian’ondry. (2 Timoty 3:1-5, NW ). Eo foana ny fisian’ilay loza hoe hisy sasany ho lasa rembin’i Satana izay “tahaka ny liona mierona mitady izay harapany”. (1 Petera 5:8). Tena zava-dehibe, mbola tsy nisy toy izany, amin’izao andro izao ny ‘hananaran’ireo mpiandry kristiana izay tsy mitoetra tsara, ny hanaovany teny mampionona amin’ireo fanahy ketraka, ny hanohanany ireo malemy’. (1 Tesaloniana 5:14, NW ). Tena ilaina ny fiambenana tsy ankijanona raha tian’izy ireo hosorohina ny fialan’ireo tsy miorina tsara tsy ho eo amin’ny andian’ondry. — 1 Timoty 4:1.
Ahoana no ahafahan’ny mpiandry mamantatra hoe rahoviana ny ondry iray no mila fanampiana? Anisan’ny famantarana miharihary indrindra ny tsy fanatrehana ireo fivoriana kristiana sy ny fandraisana anjara tapatapaka amin’ny asa fanompoana, ary ny fironana hanalavitra ny fifandraisana akaiky amin’ny hafa. Mety ho tsikaritra koa ny fahosana amin’ny fanamarihana amim-pitandremana ny fihetsiky ny ondry sy ny fironan’ny resadresaka ataony. Mety hirona hanakiana ny hafa izy ireo, angamba maneho amin’izany ny fisian’ny fahasosorana. Ny resadresak’izy ireo dia mety hifantoka tafahoatra amin’ny fikatsahana zavatra ara-nofo fa tsy amin’ny zava-kendrena ara-panahy. Ny tsy fisian’ny hafanam-po sy ny tsy fijerena lafy tsaran-javatra ary ny tsy fisian’ny fifaliana dia mety hidika fa nanjary nihaosa ny finoan’izy ireo. Ny endrika ketraka iray dia mety ho famantarana fa mahazo fanerena avy amin’ny havana manohitra na namana eo amin’izao tontolo izao izy ireo. Amin’ny fanamarihana ireo famantarana ireo, dia afaka miasa mba hamaritana izay karazam-panampiana ilaina ilay mpiandry.
Rehefa mitsidika mba hanampy mpiray finoana iray ireo mpiandry kristiana, dia ilain’izy ireo ny mitadidy ny zava-kendreny voalohany indrindra. Izany akory tsy fitsidihana ho fiarahana amin’ny namana fotsiny, anaovana resaka tsy dia manao ahoana. Ny zava-nokendren’ny apostoly Paoly tamin’ny fitsidihana ireo rahalahiny dia ny ‘hahazoany mampita fanomezam-pahasoavana tamin’izy ireo mba hankahery azy ireo ary mba hiarahan’izy ireo mifamporisika’. (Romana 1:11, 12, DIEM ). Mba hanatanterahana izany, dia ilaina ny fiomanana mialoha.
Voalohany, dia fakafakao aloha ny momba ilay olona, ary miezaha mamaritra hoe toy inona ny toe-piainany ara-panahy. Rehefa voamarina izany, dia eritrereto ny amin’ny karazana fitarihana na fampaherezana na torohevitra hahasoa indrindra. Tokony ho ny loharano voalohany indrindra hakana hevitra ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, noho izy io “mahery”. (Hebreo 4:12). Azo jerena ireo gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! mba hahitana lahatsoratra izay mivaofy ireo zavatra voafaritra tsara ilain’ny ondry mahita zava-manahirana manokana. Misy fitantarana mampifalifaly sy mamelombelona mety ho hita ao amin’ny Annuaire des Témoins de Jéhovah. Ny zava-kendrena dia ny hizarana zavatra ara-panahy izay “hahasoa sy hampandroso” ilay olona. — Romana 15:2.
Fiandrasana izay mampandroso
Ny mpiandry andian’ondry ara-bakiteny iray dia mahafantatra fa ireo ondry dia miankina aminy mba hahazoana fiarovana sy fikarakarana. Ny loza mahazatra indrindra dia avy amin’ny fahaverezana, ny aretina, ny harerahana sy ny ratra ary ny biby mpiremby. Amin’ny fomba mitovy amin’izany, ny mpiandry ara-panahy dia tsy maintsy mamantatra sy miatrika loza toy izany, izay mandrahona ny fiadanan’ny andian’ondry. Ireto manaraka ireto misy zava-manahirana iombonana sasany sy fanipazan-kevitra vitsivitsy momba izay azo lazaina mba hizarana fanazavana mampandroso ara-panahy.
1) Toy ny ondry tsy mailo, dia mihataka amin’ny andian’ondrin’Andriamanitra ny Kristiana sasany noho izy ireo voataonan’ny zavatra manintona izay toa tsy misy tsininy sy toa ahitana fahafinaretana. Mety ho variana izy ireo ary nindaosina hiala mihitsy aza noho ny fikatsahana zava-kendrena mifandray amin’ny fitiavana fatratra zavatra ara-nofo, na amin’ny fanalana andro, na fialam-boly. (Hebreo 2:1). Ny olona toy izany dia azo ampahatsiarovina ny amin’ny fahadodonan’ny fotoana, ny amin’ny ilana hitoetra ho akaikin’ny fandaminan’i Jehovah, ary ny amin’ny maha-zava-dehibe ny fametrahana ny tombontsoan’ilay Fanjakana eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainana. (Matio 6:25-33; Lioka 21:34-36; 1 Timoty 6:8-10). Misy torohevitra mahasoa hita ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Tano ny Fijoroanao — Amin’ny Fomba Ahoana?” ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Janoary 1985, pejy faha-22-25.
2) Ny mpiandry iray dia mila manome fitsaboana ho an’ny ondry izay resin’ny aretina. Toy izany koa, fa ny mpiandry ara-panahy dia tsy maintsy manampy ireo Kristiana izay manjary marary ara-panahy noho ny antony tsy manorina eo amin’ny fiainan’izy ireo. (Jakoba 5:14, 15). Mety ho tsy an’asa izy ireo, mety hanan-java-manahirana lehibe ara-pahasalamana, na mety hanam-pahasahiranana eo amin’ny fiainam-pianakaviany. Ny olona toy izany dia mety halain-komana eo amin’ny sakafo ara-panahy sy eo amin’ny fiarahana amin’ny vahoakan’Andriamanitra. Izany kosa, dia miteraka fitokanana sy fahakiviana. Mila ny homena toky izy ireo fa miahy azy ireo i Jehovah ary hanohana azy ireo izy mandritra ny fotoan-tsarotra. (Salamo 55:22; Matio 18:12-14; 2 Korintiana 4:16-18; 1 Petera 1:6, 7; 5:6, 7). Mety hahasoa koa ny fijerena indray ilay lahatsoratra hoe “Mijere Mahitsy eo Anoloanao”, hita ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Desambra 1980, pejy faha-12-15.
3) Ny mpiandry dia tsy maintsy manara-maso amim-pitandremana ireo ondry izay manjary reraka. Ny sasany dia niaritra tamim-pahatokiana tao amin’ny fanompoana an’i Jehovah efa an-taonany maro. Niady mafy izy ireo namakivaky fisedrana sy fitsapana maro. Izao izy ireo dia mampiseho soritry ny faharerahana eo amin’ny fanaovan-javatra tsara, ary mety hilaza fisalasalana mihitsy aza izy ireo mikasika ny ilana asa fitoriana bebe kokoa. Tena ilaina ny mamelona indray ny toe-tsain’izy ireo, ny manavao ny fankasitrahan’izy ireo ny fifaliana sy ny fitahiana azo avy amin’ny fanompoana an’Andriamanitra amin’ny fo rehetra, ho fanahafana an’i Jesosy Kristy. (Galatiana 6:9, 10; Hebreo 12:1-3). Angamba azo ampiana izy ireo mba hahita fa ankasitrahan’i Jehovah ny fanompoana mahatoky nataon’izy ireo ary afaka manatanjaka azy ireo izy ho amin’ireo asa hatao amin’ny hoavy ho fiderana azy. (Isaia 40:29, 30; Hebreo 6:10-12). Mety hitondra soa ny fizarana ireo hevitra ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Aoka Isika Tsy ho Ketraka Amin’ny Fanaovan-tsoa”, hita ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Oktobra 1988, pejy faha-9-14.
4) Toy ny ondry izay nanjary naratra, dia misy Kristiana sasany voaratra noho izay heverin’izy ireo fa fitondran-tena manafintohina. Raha mamela heloka ny hafa anefa isika, dia hanome antsika ny famelan-keloka ilaina koa ny Raintsika any an-danitra. (Kolosiana 3:12-14; 1 Petera 4:8). Misy rahalahy na anabavy sasany mety ho nahazo torohevitra na fifehezana izay heverin’izy ireo fa tsy ara-drariny. Isika rehetra anefa dia afaka mandray soa avy amin’ny torohevitra sy ny fifehezana ara-panahy, ary mampionona ny mahafantatra fa mifehy izay olona tiany i Jehovah. (Hebreo 12:4-11). Noho izy ireo tsy nomena tombontsoam-panompoana izay heveriny fa ananany fahaizana, dia misy hafa namela ny fahasosorana hahatonga hantsana teo aminy sy ny kongregasiona. Kanefa, raha sanatria ka manalavitra ny fandaminan’i Jehovah isika, dia tsy hisy toeran-kafa haleha mba hahazoana famonjena sy tena fifaliana. (Ampitahao amin’ny Jaona 6:66-69.) Misy fanazavana mahasoa mifanaraka amin’ireo hevitra ireo mety ho hita ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Aoka Isika Hiaro ny Firaisan-tsaina Kristiana”, ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Novambra 1988, pejy faha-28-30.
5) Tsy maintsy arovana amin’ny biby mpiremby ny ondry. Amin’ny fomba mitovy amin’izany, dia mety hahazo fanoherana sy fandrahonana avy amin’ny havana tsy mpino na mpiara-miasa ny sasany. Mety hiharam-pamelezana ny tsy fivadihan’izy ireo rehefa misy fanerena atao mba hahatonga azy ireo hampihena ny fanompoany an’Andriamanitra na hampitsahatra ny fandraisany anjara amin’ny fanompoana kristiana. Mahazo tanjaka anefa izy ireo, rehefa ampiana mba hahatakatra fa tsy maintsy ampoizina ny fanoherana, ary, raha ny marina, izany dia iray amin’ireo porofon’ny maha-tena mpianatr’i Jesosy Kristy marina antsika. (Matio 5:11, 12; 10:32-39; 24:9; 2 Timoty 3:12). Mety hahasoa ny mampahatsiaro fa raha mahatoky izy ireo, i Jehovah dia tsy hahafoy azy mihitsy, ary hamaly soa ny fiaretany. (2 Korintiana 4:7-9; Jakoba 1:2-4, 12; 1 Petera 5:8-10). Manome fampaherezana fanampiny ilay lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “Aoka Isika Hiaritra Amim-pifaliana ny Fanenjehana” ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Oktobra 1982, pejy faha-21-27.
Ry mpiandry — Tanteraho ny andraikitrareo
Maro ireo zavatra ilain’ny andian’ondrin’Andriamanitra, ary asa mitaky zavatra betsaka ny fanaovana fiambenana araka ny tokony ho izy. Noho izany, ireo mpiandry kristiana dia tsy maintsy mahay mangoraka, tena miahy marina, ary liana amin’ny fahafahana hanampy. Zava-dehibe ny faharetana sy ny fahaiza-manavaka. Raha mila torohevitra sy fananarana ny sasany, ny hafa kosa mandray soa indrindra amin’ny fampaherezana. Fitsidihana manokana vitsivitsy dia mety ho ampy amin’ny toe-javatra sasany, kanefa amin’ny toe-javatra hafa dia mety hilaina ny fianarana ny Baiboly tsy tapaka. Amin’ny toe-javatra rehetra, ny zava-kendrena voalohany indrindra dia ny hizarana fitarihana mampandroso ara-panahy na torohevitra feno fitiavana izay hanosika ilay olona hanomboka hanana fahazarana tsara eo amin’ny fianarana, hanjary hanatrika na hanohy tsy hanapatapaka amin’ireo fivorian’ny kongregasiona, ary hifaly amin’ny fandraisana anjara amim-paharisihana eo amin’ny fanompoana kristiana. Ireo dia fomba lehibe hanohanana ireo mpiray finoana ary hanampiana azy ireo hanokatra lalana mba hirotsahan’ny fanahy masin’i Jehovah malalaka tsara.
Ireo mpiandry izay manome izany karazana fanohanana izany dia manatanteraka fanompoana faran’izay sarobidy ho an’ny andian’ondrin’Andriamanitra. (Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Febroary 1986, pejy faha-23-27.) Izay ataon’ireo mpiandry ara-panahy dia tena ankasitrahan’ny andian’ondry tokoa. Rehefa avy nandray fanampiana toy izany ny loham-pianakaviana iray dia nilaza hoe: ‘Rehefa avy tao amin’ny fahamarinana nandritra ny 22 taona izahay dia voatarika tany amin’izao tontolo izao noho ny fitiavana fatratra zavatra ara-nofo. Matetika izahay no naniry hanatrika ireo fivoriana, kanefa dia toa tsy nahavita izany tsotra izao. Tsy tena tafiditra tsara tao amin’ny fandehan-javatr’i Satana izahay hany ka tafasaraka, nitokana tanteraka. Izany dia nahatonga anay ho kivy sy ho ketraka. Nila teny fampaherezana izahay. Rehefa nitsidika anay ny loholona iray, dia nekenay tamim-pifaliana ilay fandaharana fianarana ny Baiboly tany an-tranonay. Tafaverina ao amin’ny fandaminan’i Jehovah tsy ahitana ahiahy izahay rehetra izao. Tsy haiko lazaina ny fahasambarana tsapako!’
Misy antom-pifaliana be rehefa velombelona indray sy miasa indray ara-panahy ireo rahalahintsika sy anabavintsika izay nania na kivy. (Lioka 15:4-7). Tanteraka ny fikasan’i Jehovah mikasika ny vahoakany rehefa tafaray “toy ny ondry any amin’ny vala” izy ireo. (Mika 2:12). Ao amin’io toerana azo antoka tsy ahitana ahiahy io, dia ‘hahita famelombelomana ho an’ny fanahiny’ izy ireo noho ny fanampian’i Jesosy Kristy, ilay Mpiandry Tsara. (Matio 11:28-30, NW ). Ilay andian’ondry tafaray maneran-tany dia nahazo fitarihana sy fampiononana ary fiarovana miaraka amin’ny fahatondrahan’ny sakafo ara-panahy.
Amin’izao andro izao, amin’ny alalan’io asa fiandrasana io, i Jehovah dia mampanao asa feno fitiavana iray izay mifanaraka amin’ilay fampanantenany fahiny hoe: “Izaho no hiahy ny ondriko sy handinidinika azy (...) hamonjeko azy avy any amin’izay rehetra efa nielezany (...) Eny amin’ny fiandrasana tsara ahitra no hihinanany (...) Ny very hotadiaviko, (...) ny folaka hohamarako, ny malemy hohatanjahiko”. (Ezekiela 34:11-16). Fampiononana toy inona moa ny mahafantatra fa i Jehovah no Mpiandry antsika! — Salamo 23:1-4.
Noho ireo fandaharana avy amin’Andriamanitra momba ny fiandrasana ny andian’ondriny, dia afaka miray fihetseham-po amin’i Davida izay niteny toy izao isika, amin’ny maha-mpanompon’i Jehovah: “Handry amin’ny fiadanana aho, ka dia hatory miaraka amin’izay, satria Hianao, Jehovah ô, no mampitoetra ahy mitokana irery tsy manana ahiahy.” (Salamo 4:8). Eny, mahatsiaro tena ho tsy manana ahiahy ny vahoakan’i Jehovah ao anatin’ny fikarakarany feno fitiavana, ary velom-pisaorana izy ireo satria miandry amim-pangorahana ny ondry kely ireo loholona kristiana.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 20]
Potter’s Complete Bible Encyclopedia