FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w87 15/3 p. 15-20
  • Be voninahitra ny anaran’i Jehovah

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Be voninahitra ny anaran’i Jehovah
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Rahaba sy ny fianakaviany
  • Jeriko taloha sy ankehitriny
  • Fampiharana ny didim-pitsarana
  • Faharesen’ny mpivadi-pinoana iray
  • ‘Nambara ho Marina Izy Noho Izay Nataony’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Rahaba — Nambara fa Marina Noho Ireo Asam-pinoana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Nafenin’i Rahaba Ireo Mpitsikilo
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Nino An’i Jehovah i Rahaba
    Ampianaro ny Zanakao
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
w87 15/3 p. 15-20

Be voninahitra ny anaran’i Jehovah

“Jehovah, Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin’ny tany rehetra!” — SALAMO 8:1, 9.

1. Nahoana i Jehovah no nanao izay ‘handoavan’ny tany’ ny Kananita?

TAMIN’NY 1473 alohan’ny fanisan-taona iraisana, dia tonga tao amin’ilay tanin’ny fampanantenana ny Isiraely tamin’ny farany! Kanefa dia tsy maintsy hanao ady teokratika mandritra ny taona vitsivitsy izy, satria nilaina ny hanadiovana ilay tany tamin’ireo mponina ratsy fitondrantena tao. Nefa dia ratsy loatra tokoa ve ireo Kananita ireo? Eny tokoa. Ny fanompoan-tsampiny sy ny fomba fiainany maloto dia naharikoriko teo imason’i Jehovah sady nahaforona loza ho an’ny vahoakany. Noho izany Jehovah dia nanambara tamin’ny alalan’i Mosesy fa hampiasa ny fireneny masina, dia Isiraely, mba hanatanteraka ny didim-pitsarany. Hataony izay ‘handoavan’ny’ tany ireny vahoaka maloto ireny. — Levitikosy 18:1-30; Deoteronomia 12:29-32.

2. Vokatra manao ahoana no navoakan’ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao ankehitriny?

2 Afaka manontany tena koa isika ankehitriny hoe: Moa ve ratsy loatra tokoa ity izao tontolo izao ity ka mendrika ny fandringanana? Ary inona no azo lazaina ny amin’ireo fivavahana? Mampalahelo fa tsy manaja an’i Jehovah Andriamanitra Mpamorona izy ireo. Nandao azy ny mpikambana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, dia izy izay “loharanon’aina (...) ka nihady lavaka famorian-drano ho an’ny tenany, nefa lavaka mitriatriatra tsy mahatan-drano”. (Jeremia 2:13.) Ny zavatra inoan’ireny fivavahana mitondra fitokotokoana ireny dia tsy misy ‘ranom-pahamarinana’ mihitsy. Nasehon’izany ny maha-anisan’izao tontolo izao azy ireny tamin’ny fanohanana ny adiny, ny politikany, sy tamin’ny fankatoavany ireo fomba fanaony eo amin’ny lahy sy ny vavy. Araka ny nolazain’i Jesosy dia amin’ny “voany” no hahafantarana azy ireny. — Matio 7:16, 17; jereo Galatiana 6:7, 8.

3. Satria izao tontolo izao nandika ny lalàn’Andriamanitra, inona no vokatra naterak’izany?

3 Inona no holazaina ny amin’ireo fomban’izao tontolo izao ankehitriny? Tamin’izao taona faramparany izao, dia voalaza fa nidangana ny isan’ny fanalana zaza, ny fananana anaka teo amin’ny zatovovavy sy ny tokantrano rava, indrindra tao amin’ireo tany antsoina hoe kristiana. Ao amin’ny sasany amin’ireny tany ireny dia hatramin’ny 50 isan-jato amin’ny fanambadiana no miafara amin’ny fisarahana. Ilay nantsoina hoe “revaolisiona teo amin’ny lahy sy ny vavy” tao anatin’ireo taona 1960 dia nitondra vokatra nampidi-doza hafa koa. Ny iray tamin’izany dia nahariharin’ny lahatsoratra vaventy iray tamin’ny 13 jona 1986 tao amin’ny New York Times izay nampitondraina ny lohateny hoe “AMIN’NY 1991 DIA HAHAFATY OLONA AVO FOLO HENY NY SIDA”. Nilaza ilay lahatsoratra fa any Etazonia fotsiny amin’ny 1991, ny marary ho azon’ny SIDA (syndrome immuno-déficitaire acquis) dia mety hihoatra ny 100 000, ary handany vola maherin’ny 16 lavitrisa dôlara (maherin’ny 1 000 lavitrisa ariary) isan-taona izany. Io aretina mahafaty io dia mifindra indrindra amin’ny alalan’ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy, amin’ny alalan’ny fampiasana zavatra mahadomelina ary koa amin’ny alalan’ny fampidiran-dra, izay samy fanao melohin’ny lalàn’Andriamanitra. — I Korintiana 6:9, 10; Galatiana 5:19-21; Asan’ny apostoly 15:19, 20.

4. a) Amin’ny ahoana ny ady ataontsika no hafa noho izay nataon’ny Isiraely tamin’ny andron’i Josoa? b) Hatraiza ny fetra azontsika ifaneraserana amin’ny olona eo amin’izao tontolo izao, ary nahoana?

4 Tamin’ny andron’i Josoa, dia nampiandraiketin’i Jehovah ny fireneny masina, ny fanadiovana ny Tany nampanantenaina tamin’ny alalan’ny ady iray. Ny adintsika kosa izao dia ara-panahy (II Korintiana 10:3, 4). Tsy manomboka asa misy herisetra mihitsy ny Vavolombelona mba hampanjavonana ireo izay tsy mihevitra mihitsy ny Tenin’Andriamanitra. Jehovah no hanao izany amin’ny fotoany sy amin’izay fomba tiany (Deoteronomia 32:41, 43). Isika dia tsy mifanerasera akaiky amin’ny olona tsy manaraka fitsipika, na dia maneho fitiavana feno fahatsorana aminy aza amin’ny fampahafantarana azy ny vaovao tsara momba ilay Fanjakana (I Korintiana 15:33). Afaka miara-mianatra ny Tenin’Andriamanitra amin’izy ireny isika sy mamporisika azy mba ‘hibebaka ka hiverina hamonoana ny fahotany’. — Asan’ny apostoly 3:19; Matio 21:31, 32; Lioka 5:27-32.

Rahaba sy ny fianakaviany

5, 6. a) Nahoana ireo mpisafo tany no nandeha tao Jeriko sy tao an-tranon-dRahaba? b) Amin’izao androntsika izao, tamin’ny fomba ahoana matetika no namalian’i Jehovah ny fangatahana ny fanampiany? d) Tamin’ny fomba ahaona no nanehoan-dRahaba fa ‘sakaizan’ny fiadanana’ izy?

5 Jehovah dia nampitodika sahady ny saina ho amin’ny tanànan’i Jeriko talohan’ny fiampitan’ny Isiraely an’i Jordana. Naniraka mpisafo tany roa tao, izay nisolo tena ny Isiraely iray manontolo i Josoa ka niteny taminy hoe: “Mandehana, izahao ny tany, indrindra fa Jeriko.” Nahoana no zahana Jeriko? Marina aloha fa tanàna kely sady tsy afaka hifaninana amin’ny tafik’Isiraely izy, nefa nandidy ny fidirana tao amin’ny tany Kanana kosa izy. Raha jerena ny tohin’ny fitrangan-javatra dia hanome fahafahana ho an’ny mponina tao amin’io tanàna io hampiseho mazava na nomba an’i Jehovah izy ireo na tsia, ny fahatongavan’ireo mpisafo tany. “Dia niainga izy roa lahy [ireo mpisafo tany] niditra tao an-tranon’ny vehivavy janga anankiray atao hoe Rahaba, ka nandry tao.” (Josoa 2:1-7). Tsy isalasalana mihitsy fa Andriamanitra no nitarika azy ireo ho ao an-tranon-dRahaba, tahaka ny itarihan’ireo anjely matetika ny Vavolombelon’i Jehovah ho any amin’ireo olona mivavaka mba hahazo fanampiana ara-panahy amin’izao andro izao. “Ny mason’i Jehovah dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany.” — Salamo 34:15; jereo koa II Tantara 16:9.

6 Nefa nahoana moa ireo mpisafo tany ireo no niditra tao an-tranon’ny vehivavy janga iray? Tsy tamin’ny fikendren-javatra maloto akory, fa azo inoana fa mba hamitahana ny Kananita izay nandinika azy ireo. Rahaba kosa dia naneho tamin’ny teniny fa tsy nanan-tsaina maloto tamin’izy ireo. Fantany fa mpanompon’i Jehovah ireo ka afaka nampahafantatra tamin’izy ireo ny faniriany mahery ho tonga mpanompon’i Jehovah izy. Nanao vy very ny ainy mihitsy aza izy tamin’ny fanafenana azy ireo tao an-tafontranony. Sahala amin’ny “ondry” tao amin’ny fanoharana nataon’i Jesosy izy, izay mampiseho fahamoram-panahy amin’ireo “rahalahin’ny” Tompo (Matio 25:31-46). Sady miseho ho malina no tsy misalasala mitsidika any an-tranony ireo “sakaizan’ny fiadanana” toa an-dRahaba, mba hianatra ny Baiboly miaraka aminy, ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao. — Lioka 10:5-7, MN.

7. a) Ahoana no nanehoan-dRahaba ny finoany an’i Jehovah? b) Inona amin’izao andro izao no tokony ho fihetseham-pon’ireo vaovao, ary amin’ny fomba ahoana no tokony hanaovany zavatra?

7 Rahaba dia nandre ny amin’ny asa lehibe nataon’i Jehovah. Afaka nilaza ny finoany tamin’ireo mpisafo tany izy hoe: “Fantatro fa efa nomen’i Jehovah anareo ny tany, ary efa latsaka aminay ny fahatahorana anareo, sady efa ketraka ny mponina rehetra amin’ny tany noho ny tahotra anareo.” Rehefa avy nilaza izay fantany momba ireo asa lehiben’i Jehovah izy dia nanampy hoe: “Jehovah Andriamanitrareo, Izy no Andriamanitra any amin’ny lanitra ambony sy etỳ amin’ny tany ambany. Koa ankehitriny masìna hianareo, mba ianiano amin’i Jehovah aho fa araka ny namindrako fo taminareo no mba hamindranareo fo amin’ny ankohonan’ny raiko kosa, ka omeo famantarana mahatoky aho.” (Josoa 2:9-13). Tahaka an-dRahaba, izay rehetra mianatra ny fahamarinan’Andriamanitra ankehitriny dia tsy manana antony tokony hatahorana intsony satria hihatra ny didim-pitsarana amin’ny “andron’i Jehovah”. (Zefania 1:14-18.) Miala amin’ny lalany taloha, dia ny lalan’izao tontolo izao, izy ireny, ary mitady ny fanampian’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hahazoana ny famonjena. — Salamo 3:6-8; Ohabolana 18:10.

8. a) Inona no mifanitsy amin’ny famatoran-dRahaba ‘kofehy jaky’ teo am-baravarankeliny amin’izao andro izao? b) Nahoana Rahaba no nambara fa marina, ary inona no vokatr’izany?

8 Nanome famantarana ho an-dRahaba ny mpisafo tany, dia “kofehy jaky” iray izay tokony hafatony eo amin’ny varavarankely nandosiran’izy ireo (Josoa 2:17-21). Noho Rahaba nampiharihary io famantarana io, ny ankohonany dia voatsimbina rehefa noravana Jeriko. Toy izany koa fa raha tiany ny ho voatsimbina, ny olona maneho finoana toa an-dRahaba amin’izao andro izao dia tokony hampahafantatra ny tenany ho mpanompon’i Jehovah nanolo-tena taminy sy vita batisa. Apokalypsy 7:9, 10, 14 dia miresaka ny amin’izy ireo ho toy ny “olona betsaka” izay nanasa ny akanjony sy namotsy azy tamin’ny ran’ny Zanak’ondry”. Maneho finoana ny ram-pisoronan’i Jesosy izy ireo sady tohanany amin’ny asa kristiana izany (Romana 10:9, 10). Izao no vakintsika ao amin’ny Jakoba 2:24, 25: “Koa dia hitanareo fa hamarinina amin’ny asa ny olona, fa tsy amin’ny finoana ihany. Ary toy izany koa Rahaba janga, tsy nohamarinina tamin’ny asa va izy tamin’ny nandraisany ireny iraka ireny sy ny nampandehanany azy tamin’ny làlan-kafa?”

9. a) Inona ireo “asa” notanterahin-dRahaba? b) Inona moa ny vokatra azo tamin’ny fanaovana fanambarana tsy amin-tahotra?

9 Ny “asa” notanterahin-dRahaba indrindra dia ny fiarovana ireo mpisafo tany roa sy ny fanangonana ny mpianakaviny hafa ho famonjena azy ireny. Tahaka izany koa, ny lehilahy sy ny vehivavy anisan’ny “olona betsaka” amin’ny andro ankehitriny dia manao ny ainy tsy ho zavatra amin’ny fanohanana amim-pahatokiana ny kilasin’ny “mpanompo mahatoky sy malina”, kilasy voahosotry ny fanahy, izay manome “hanina [ara-panahy] amin’ny fotoana” sy mitarika ny fitoriana ilay Fanjakana maneran-tany (Matio 24:45-47, MN ). Tetsy an-daniny, Rahaba dia niseho ho be herim-po tamin’ny fanaovana fanambarana tamin’ny ankohonan-drainy. Nampidi-doza izany satria nety ho nisy nanolotra azy (jereo Matio 10:32-36). Toy izany koa fa any amin’ny tany maro ahitany fanoherana, ny Vavolombelon’i Jehovah dia tokony ho be herim-po mba hanao fanambarana. Ny vokatr’izany dia fanangonana tena lehibe ary matetika dia fianakaviana manontolo no nivoaka avy tao Babylona Lehibe sady naka toerana ho fanohanana ny fanompoam-pivavahana madio amin’i Jehovah. — Salamo 73:28; 107:21, 22.

Jeriko taloha sy ankehitriny

10. Nahoana no tsy maintsy nomena fiheverana manokana Jeriko?

10 Aoka hojerentsika amin’ny endriny hafa ireo fisehoan-javatra mahatalanjona ireo. “Ary nihidy mafy Jeriko tamin’izany noho ny Zanak’Isiraely: tsy nisy nivoaka, ary tsy nisy niditra.” Io no tanàna kananita voalohany izay niharan’ny fitsaran’i Jehovah. Noho izany, tamin’ny naha-voaloham-bokatra natolotra ho an’i Jehovah azy, dia tokony handray fiheverana manokana izy. Nanazava i Josoa hoe: “Dia hatolotra ho an’i Jehovah ho zavatra voaozona ny tanàna sy izay rehetra ao.” — Josoa 6:1, 17; jereo Eksodosy 22:29; Levitikosy 27:26.

11. a) Inona moa no zavatra mifanitsy manaitra voamarika ankehitriny? b) Manomeza ohatra ny amin’ny “fahatahorana” tsapan’i Babylona Lehibe.

11 Izany dia mifanandrify indrindra amin’i Babylona Lehibe, empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, izay ny faharatsiany dia nahatratra ny fara tampony tamin’ireo fandatsahan-dra nataony tamin’izao taonjato faha-20 izao. Nanandrana nanidy ny varavarany izy mba hanakanana ny fidiran’ny Vavolombelon’i Jehovah. Raha raisina indray ny teny nampiasain-dRahaba, “ny fahatahorana” ny vahoakan’Andriamanitra dia latsaka taminy. Ohatra, ny gazety italiana La Repubblica tamin’ny 12 novambra 1985, dia nitondra izao lohateny izao: “ANTSO FANAIRAN’NY EGLIZY HANOHERANA NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH.” Ilay lahatsoratra dia niresaka ny amin’ny fivoriana, nandraisan’ny kardinaly katolika iray anjara, natao tao Bologne izy io mba hoentina hanoherana ny “loza” ateraky ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny papa dia nandefa telegrama famporisihana sy fanohanana. Natao izao antsoantso fanairana izao: “Efa mameno sahady an’izao tontolo izao izy ireo” ary nolazaina fa “ny Eglizy dia hihetsiketsika amin’izay izao” mba hanakanana an’io “loza” io. Nefa hahomby ve izy? — Jeremia 1:17-19.

12. a) Amin’ny ahoana ny fandraisana ny hoe “andriamanitra” ao anatin’ny Babylona Lehibe no mifanipaka tanteraka amin’izay omen’ny Baiboly? b) Nahoana Jehovah no hiady ho an’ny vavolombelony?

12 Babylona Lehibe dia manana andriamanitra maro be ao aminy, manomboka amin’ny Trinite mifono zava-miafina an’ny fivavahana lazaina fa kristiana ka hatramin’ireo andriamanitra an-tapitrisany maro an’ireo fivavahana tatsinanana ary izany dia miteraka fisafotofotoana. Talohan’ny fametrahana an’i Josoa teo amin’ny raharahany, Mosesy dia nanambara izao: “Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany.” Amin’izao andro izao, dia tsy misy afa-tsy ny Vavolombelon’i Jehovah no manandratra avo an’io ‘Andriamanitra Ray tokana’ io. (Deoteronomia 6:4; Efesiana 4:6, MN.) Jehovah no hiady ho antsika tahaka ny nataony tamin’ny andron’i Josoa sy ireo mpitarika ny Isiraely nahatoky hafa. — II Tantara 20:15, 17; 32:7, 8; Isaia 54:17.

Fampiharana ny didim-pitsarana

13. a) Inona ireo zava-niseho izay niafara tamin’ny fakana an’i Jeriko? b) Inona no azo ampifanitsina amin’izany amin’izao andro izao?

13 Nomanin’i Josoa tamim-pitandremana tokoa ny fanaovana fahirano an’i Jeriko. Ny lehilahy nihalehibe tany an’efitra dia noforana. Nasehony ara-panoharana tamin’izany fa nariany izay rehetra nety hanakana azy ireo tsy hanolo-tena amin’ny fony rehetra ho an’i Jehovah (Deoteronomia 10:16; 30:5, 6.) Naverina tamin’ny laoniny ny fankalazana ny Paska. Nanomboka nihinana ny vokatr’ilay tany ny vahoaka ary nitsahatra koa ny mana mahagaga. Ankoatr’izany ny “Komandin’ny miaramilan’i Jehovah”, izay tsy isalasalana fa ny Teny tamin’ny fisiany talohan’ny naha-olombelona azy, dia niseho tamin’i Josoa sy nanome toky azy. Nandray azy tamim-panetren-tena Josoa. Amin’izany rehetra izany dia azontsika atao ny manorina zavatra mifanandrify amin’izay niainan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izao androntsika izao raha mbola nanokan-tena ho amin’ny asa natolotra azy izy ireo. Isika dia nandray sakafo ara-panahy mihamatavy sy maro karazana hatrany ihany noho ny fandrosoana nataon’ny “mpanompo mahatoky sy malina” teo ambany fitarihan’i Jesosy Kristy Tompo. — Josoa 5:1-15.

14. Inona moa ny tetika hafahafa nandidian’i Jehovah hatao rehefa haka an’i Jeriko?

14 Aoka hojerentsika izao ny fomba fizotran’ny ady. Nandidy ny fampiasana tetika toa hafahafa tokoa i Jehovah. Indray mandeha isan’andro, nandritra ny enina andro ny mpisoron’ny Isiraely dia hanodidina an’i Jeriko sady hitondra ny Fiara, izay nampiseho ny fanatrehan’i Jehovah. Hialohavan’ny mpisorona fito izay hitsoka anjomara natao tamin’ny tandrok’ondrilahy izy ireo. Ny miaramilan’ny Isiraely dia handeha eo aloha sy aoriany. Ny andro fahafito kosa dia ‘hifoha maraina izy, raha mbola mazava ratsy ny andro’ ary hanodidina impito ny tanàna. Ny mponina tao Jeriko dia tsy maintsy ho nangovitra noho ny tahotra. — Josoa 6:2-15.

15. Inona ireo endrika mitovy amin’izany hita eo amin’ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah?

15 Hitantsika ny mifanitsy mahagaga amin’izany rehetra izany amin’izay ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny maneran-tany. Nomarihina vao haingana ny fitomboana mahatalanjona teo amin’ny asa momba ilay Fanjakana. Tao anatin’izao dimy taona faramparany izao, izany hoe teo amin’ny 1981 ka hatramin’ny 1985, dia nitombo 134 isan-jato ny isan’ireo mpitory maharitra. Ny tafik’ireo mpitory maharitra sy ny mpitory mahatoky hafa an’ilay Fanjakana dia “mifoha maraina”, matetika ara-bakiteny, mba handray anjara amin-jotom-po amin’ny fanambarana ny fitsaran’i Jehovah. Eo imason’ireo filoha ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, ireny Vavolombelona ireny dia toa mahaforona “firenena lehibe sy matanjaka”. Ny klerjy dia “raiki-tahotra indrindra” rehefa nahita fa olona tso-po maro no niala taminy ka miandany amin’i Jehovah noho ny fitoriana ny fahamarinana. — Joela 2:1-3, 6.

16. a) Inona moa ireo fahagagana nanamarika ny fahazoana an’i Jeriko? b) Tamin’ny ahoana no novalian-tsoa ny finoan-dRahaba?

16 Nandidy ny vahoaka toy izao Josoa tamin’ny farany: “Manakorà! fa efa nomen’i Jehovah anareo ny tanàna!” Koa re àry ny fanakorana mahery fanao an’ady. Nihorohoro ny tany ary tena fahagagana lehibe, nirodana ny mandan’i Jeriko. Ny Isiraelita nankatò dia nihazakazaka nandringana ny zava-manan’aina rehetra. Nodorany ny tanàna. Nefa, indro, fa tapany kely amin’ny manda ivelany no mbola nijoro ary eo am-baravarankely dia misy tady mena mifatotra iray. Rahaba sy ny fianakavian-drainy dia nivoaka soa aman-tsara. Taty aoriana dia hovalian-tsoa lehibe kokoa ihany ny finoan-dRahaba satria nanambady Isiraelita iray izy, Salmona, ka tamin’izany izy no hisaina ho anisan’ny razamben’i Jesosy Kristy. — Josoa 6:16-26; Matio 1:5.

17. Inona no nambaran’ireny fahagagana ireny?

17 “Ary Jehovah nomba an’i Josoa ka niely tamin’ny tany rehetra ny lazany.” Ny anarana be voninahitr’i Jehovah dia hohamarinina koa rehefa hofoanana sy halana amin’ny Babylona Lehibe ny hareny sy ny voninahiny eo am-piandohan’ny “fahoriana lehibe”. — Josoa 6:27; Apokalypsy 17:16; 18:9, 10, 15-17; Matio 24:21, 22.

Faharesen’ny mpivadi-pinoana iray

18. a) Nahoana no “ketraka ny fon’ny vahoaka ka tonga tahaka ny rano”? b) Ahoana no fihetsik’i Josoa?

18 Tsy ela taorian’ny fandresena nanakoako tao Jeriko dia nisy fisehoan-javatra nanaitra iray. Ny tafika nirahin’i Josoa hamely ny tanànan’i Ay izay tsy lavitra teo, dia resy sady nandositra. “Dia ketraka ny fon’ny vahoaka ka tonga tahaka ny rano.” Very hevitra Josoa ka niantso an’Andriamanitra, tamin’ny fivavahana aminy toy izao: “Indrisy, Tompo [Jehovah Mpanjaka Tompo, MN ] ô! (...) hataonao ahoana ny anaranao lehibe?” — Josoa 7:2-9.

19, 20.a) Ahoana ny fihetsik’i Jehovah teo anoloan’ny hadalana vitan’i Akana sady inona no toky nomeny an’i Josoa? b) Inona no azo ampifanitsina amin’izany amin’izao androntsika izao?

19 Nampahafantarin’i Jehovah an’i Josoa avy eo fa nisy “nanao izay fady indrindra” teo amin’ny Isiraely. Tratra ilay mpandika lalàna, dia Akana, avy tao amin’ny fokon’i Joda. Nangalatra avy tamin’ny zavatra nobaboina tao Jeriko izy dia “kapôty tsara avy any Babylona” ary koa volamena sy volafotsy. ‘Nampiditra loza’ tamin’i Akana i Jehovah ka notoraham-bato izy sy ny fianakaviany. Nodorana koa avy eo ny fatiny sy ny fananany rehetra. Nananganana antontam-bato lehibe teo amin’i Akana mba ho Vavolombelona maharitra ny amin’io fampiharana ny fitsaran’i Jehovah io. Fanampin’izany dia nantsoina hoe “Lohasaha Akora” ilay toerana, teny izay midika hoe “fampidiran-doza; fijaliana”. Jehovah dia namerina izao teny izao tamin’i Josoa: “Aza matahotra na mivadi-po hianao.” Nomem-boninahitra ny anaran’i Jehovah satria naharesy tamin’ny ady rehetra nataony Josoa. — Josoa 7:10 hatramin’ny 8:1.

20 Moa ve amin’izao andro izao misy zavatra azo ampifanandrifina amin’ny fahotan’i Akana? Eny. Ny apostoly Paoly dia nampitandrina ny kristiana ny amin’ny fahatongavan’ny “amboadia masiaka” izay hanamavo ny fandaharana teokratika sy handeha araka ny faniriany feno fitiavan-tena. Hatramin’ny 1919 dia indraindray nipoitra teo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra ny olona nanana faniriana mihoa-pampana toy ireny. Ohatra, teo afovoan’ireo taona 1970 dia nisy loholona sasany fantatr’olona tsara naneho ny tsy fahalianany. Nihevitra izy ireo fa ‘nanambany’ azy ny fanaovana fanambarana isan-trano mba hitory ny hafatra momba ilay Fanjakana araka ny fomba nampiasain’ireo apostolin’i Jesosy (Asan’ny apostoly 5:42; 20:20, 21, 29, 30). Hitany ho tsara ny fiverenana tamin’ireo fampianarana babyloniana. Tamin’ny fomba feno hafetsena dia nitady hamafy fisalasalana ny amin’ny “andro farany” sy hampiadana ny asa ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ireo (II Petera 3:3, 4). Voatery noroahina izy ireny tamin’ny farany. — II Jaona 10, 11; jereo Filipiana 1:15-17; Hebreo 6:4-8.

21. a) Inona no antony toa nampiadana ny fitomboana tamin’ny faramparan’ireo taona 1970? b) Inona kosa no nahafahana ‘nanafaingana’ ny asa hatramin’izay?

21 Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 janoary 1980 dia nampiseho mazava tsara ny fototra ara-baiboly ny amin’ny fanompoana isan-trano sy ny maha-zava-dehibe an’izany. Ireo Vavolombelona nahatoky dia nanao izany tamin-kery lehibe tao anatin’ireo taona 1980. Ny fisian’ny antokon’olom-bitsy mpivadi-pinoana teo amin’ny Vavolombelona dia nampiadana tokoa ny asan’i Jehovah nandritra ny tapany faharoa tamin’ireo taona 1970. Ny ara-kevin’ny fitomboana isan-taona tamin’ny isan’ireo Vavolombelon’i Jehovah dia nidina tany amin’ny latsaka 1 isan-jato. Kanefa, nandritra ireo dimy taona farany dia nisy ara-kevin’ny fitomboana isan-taona maherin’ny 6 isan-jato. Tamin’ny 1985 dia nahitana tampon’isa 3 024 131 teo amin’ny mpitory ilay Fanjakana, raha 2 179 256 monja izany tamin’ny 1975. Manohy ‘manafaingana’ ny asany Jehovah. — Isaia 54:2, 3; 60:22.

22. Amin’ny fanohizana ny fandinihana ny bokin’i Josoa, inona no tokony hekentsika raha ny amin’ny anaran’i Jehovah?

22 Tena tonga be voninahitra tokoa ny anaran’Andriamanitra manerana ny tany rehetra! Nefa mbola ‘nanambara’ amintsika zavatra maro hafa koa Jehovah amin’ny alalan’ny bokin’i Josoa. Izany no hojerentsika. — Isaia 42:8, 9.

Ao amin’ny bokin’i Josoa...

◻ Manao ahoana ny fisehoan’izao tontolo izao ankehitriny?

◻ Inona moa no ianarantsika avy amin’ny fitantarana momba an-dRahaba?

◻ Inona moa no mifanitsy amin’ny asa mitombo ataontsika?

◻ Tandindon’ny inona moa ny faharavan’i Jeriko?

◻ Inona moa no asehon’ny fomba nitsarana ny fahotan’i Akana?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara