Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Ny mofo sy ny masirasira
NISY vahoaka betsaka nirohotra nanatona an’i Jesosy tany Dekapolisy. Mba hahatongavana hihaino azy ka ho sitrana amin’ny takaitrany, dia maro be no nandeha lavitra vao tonga tao amin’io faritra nonenan’ny Jentilisa maro io. Nitondra harona lehibe izy ireny, ka mandrakariva izany dia nampiasainy mba hitondrana ny vatsiny rehefa mamakivaky faritra jentilisa izy ireny.
Rehefa afaka kelikely anefa, dia niantso ireo mpianany i Jesosy ka nilaza tamin’izy ireny hoe: “Mahonena Ahy ireo vahoaka, fa hateloana izay no nitoerany tatỳ amiko, sady tsy manan-kohanina izy; koa raha hampodiko ho any an-tranony mbola tsy nihinana izy, dia ho reraka eny an-dàlana, sady avy lavitra ny sasany.”
“Aiza no hahazoana mofo atỳ an-efitra hahavoky ireto olona ireto?” hoy ny fanontanian’ireo mpianatra.
Nanontany azy ireo toy izao i Jesosy: “Misy mofo firy any aminareo?”
“Fito, hoy ny navalin’izy ireo, sy hazandrano madinika vitsy.”
Nandidy ny rehetra àry i Jesosy mba hipetraka amin’ny tany, avy eo dia nandray ny mofo sy ny hazandrano izy, nivavaka tamin’Andriamanitra, rehefa avy eo dia nozarainy izany sakafo izany ka nomeny ireo mpianany. Nizara izany tamin’ny vahoaka izay nihinana ka voky ireo. Taorian’izany, rehefa nangonina ny ambiny, dia nahafeno sobiky fito, kanefa lehilahy eo amin’ny 4 000 mbamin’ny zaza amam-behivavy no nihinana!
Taorian’izany, dia nalefan’i Jesosy ny vahoaka, niondrana an-tsambokely niaraka tamin’ireo mpianany izy ary nandalo teo amin’ny moron-tsiraka andrefana amin’ny ranomasin’i Galilia. Tany, ireo Fariseo, niaraka tamin’ny anisan’ny antokon’ny Sadoseo, dia nanandrana naka fanahy an’i Jesosy tamin’ny fangatahana azy mba hampiseho aminy famantarana avy any an-danitra.
Fantatr’i Jesosy fa nanandrana naka fanahy azy ireo, izany no antony namaliany hoe: “Nony hariva, dia hoy hianareo: Ho tsara ny andro, fa mena ny lanitra. Ary nony maraina, dia hoy hianareo: Ho ratsy ny andro, fa mena sy manjombona ny lanitra. Fantatrareo ny hamantatra ny tarehin’ny lanitra, fa ny famantarana ny fotoana dia tsy hainareo.”
Tamin’izay, dia nilaza azy ireny ho ratsy fanahy sy mijangajanga izy ary nampitandrina azy ireny, toy ny nampiomanany teo aloha ny Fariseo fa tsy hisy mihitsy famantarana homena azy ireny, afa-tsy ny famantarana ny amin’i Jona. Avy eo, dia nandao azy ireny izy ary niakatra niaraka tamin’ireo mpianany tao amin’ny sambokely iray niainga ho any Betsaida, teo amin’ny moron-tsiraka avaratra atsinanan’ny ranomasin’i Galilia. Rehefa niondrana izy ireny, dia tsikaritr’ireo mpianatra fa tsy nanana afa-tsy mofo iray monja izy ireo, satria hadinony ny nitondra.
Mbola nieritreritra ihany ny fihaonany tamin’ireo Fariseo sy Sadoseo mpanohana an’i Heroda i Jesosy ka nampitandrina ireo mpianany hoe: “Mihevera, ka mitandrema hianareo, fandrao azon’ny masirasiran’ny Fariseo sy ny masirasiran’i Heroda.” Tamin’ireo mpianatra izay nino fa nanisy fitenenana ny amin’ny fanadinoan’izy ireo i Jesosy, ny masirasira dia nampahatsiahy avy hatrany ny mofo, ary nanomboka niady hevitra ny amin’izany izy ireo. Tsapan’i Jesosy ny tsy fahazoan’izy ireo resaka, ka hoy izy tamin’izy ireo: “Nahoana hianareo no miara-misaina, satria tsy manana mofo?”
Fotoana fohy talohan’izay, angamba andro iray na roa monja, dia nanome tamin’ny fomba mahagaga, mofo ho an’ny olona an’arivony maro izy. Tokony ho fantatr’ireo mpianany fa tsy nanahy ny amin’ny tsy hananana mofo akory i Jesosy. “Tsy mahatadidy va hianareo? Raha mofo dimy no novakiko ho an’ny dimy arivo, firy harona moa no sombitsombiny nangoninareo?
“Roa ambin’ny folo”, hoy ny navalin’ireo.
“Ary raha mofo fito ho an’ny efatra arivo, firy sobiky moa no sombintsombiny nangoninareo?”
“Fito”, hoy ny navalin’ireo.
“Mbola tsy mahafantatra ihany va hianareo? hoy ny fanontanian’i Jesosy. Avy eo dia nanampy teny toy izao izy: “Ahoana no tsy ahafantaranareo fa tsy ny amin’ny mofo no nolazaiko taminareo? Fa tandremo, fandrao azon’ny masirasiran’ny Fariseo sy ny Sadoseo.”
Azon’ireo mpianatra rehefa ela ny ela. Ny masirasira, zavatra miteraka famorivoriana sy mampitombo ny koba fanaova-mofo, dia teny matetika no ampiasaina mba hanondroana ny faharatsiana. Takatr’ireo mpianatra izao fa nampiasa fanoharana i Jesosy, fa nampitandrina azy ireo tamin’ny “fampianaran’ny Fariseo sy ny Sadoseo” izay nisy vokany nanimba izy. Marka 8:1-21; Matio 15:32 ka hatramin’ny 16:12.
◆ Nahoana moa ny olona no nitondra sobiky fasiana vatsy?
◆ Rehefa niala tao Dekapolisy i Jesosy dia namakivaky an’iza?
◆ Inona no fahadisoan-kevitry ny mpianatra tamin’ny fanamarihana nataon’i Jesosy momba ny masirasira?
◆ Inona moa no tian’i Jesosy holazaina tamin’ny fitenenana hoe “masirasiran’ny Fariseo sy ny Sadoseo”?