FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w88 15/11 p. 31
  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny safodrano: tsy laza masaka mihitsy
  • Fanampiana ho an’ny mahantra ve?
  • Izao tontolo izao iray naringana
    Ny Fomba Hahavelomanao ao Amin’ny Tany Vaovao Iray
  • Safodrano
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Habakabaka
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Ny Vatikana Faharoa — Fitahiana sa Ozona?
    Mifohaza!—1994
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
w88 15/11 p. 31

Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Ny safodrano: tsy laza masaka mihitsy

Hatramin’ny ela no efa nanohanan’ny olona sasany fa ny fitantarana araka ny Baiboly ny amin’ny safodrano naneran-tany iray dia misy ifandraisana kokoa amin’ny angano noho ny amin’ny fahamarinana. Izao no vakina ao amin’ny Firaketana katolika vaovao (anglisy): “Amin’izao fotoana izao, dia ekena amin’ny ankapobeny fa ny fisehoan-javatra ny amin’ny sambo fiaran’i Noa dia tsy filazalazana ara-tantara, fa zavatra noforonina ara-pahaiza-manoratra tena hafa karazana kosa.” Misy olona be fisalasalana manatitrantitra fa ny rano rehetra misy eny amin’ny habakabaka dia tsy ho naharakotra ny tany manontolo afa-tsy soson-drano mirefy santimetatra vitsivitsy monja.

Tsy milaza anefa ny fitantarana ao amin’ny Genesisy fa ireo ranon’ny safodrano dia avy tamin’ny rano eny amin’ny habakabaka fotsiny. Araka ny hita ao amin’ny Genesisy 1:6, ny Mpamorona dia nanome izao didy izao: “Misia habakabaka eo anelanelan’ny rano ary aoka hampisaraka ny rano [an’ny ranomasina] amin’ny rano [eny ambonin’ny habakabaka] izy.” Toa nihantona teo ambonin’ny habakabaka ireo rano mandra-pahatongan’ny safodrano. Araka ny nambaran’ny apostoly Petera, dia tamin’ny alalan’ny “lanitra” eny amin’ny habakabaka sy ny rano nitoetra teo amboniny sy teo ambaniny no “nandravana izao rehetra izao taloha [tamin’ny andron’i Noa] tamin’ny nanasaforany azy”. — 2 Petera 3:5, 6; Genesisy 1:7.

Azo atao ny naka sary an-tsaina vao haingana ireo vokatra manimban’ny safodrano iray rehefa tratran’ny tondra-drano nahafaty olona 300 mahery ny provans’i Natal, atsy Afrika Atsimo. Toy izao no nambaran’i K. Cooper, mpiaro ny toerana manodidina, mikasika an’io loza aman’antambo io: “Nanontany tena matetika aho ny amin’izay hitranga amin’izao androntsika izao raha toa ka avy tsy an-kijanona ny orana mandritra ny 40 andro sy 40 alina. (...) Moa ve ny orana toy izany mety hampanjavona, araka ny teny ilazana azy, ny fiainana rehetra eto ambonin’ny tany? Ireo fahasimbana hita tao Natal tao anatin’ny efatra andro monja nisian’ny orana dia nampiaiky ahy ny amin’ny fahamarinan’ny fitantarana ao amin’ny Testamenta Taloha.”

Fanampiana ho an’ny mahantra ve?

Ahoana no fomba hanotofana ny hantsana mampisaraka ny mahantra amin’ny mpanan-karena? Izany no fanontaniana novoaboasan’ny papa Jean-Paul II vao haingana tao amin’ny taratasy iray nalefany ho an’ny eveka katolika rehetra, mitondra ny lohateny hoe Sollicitudo rei socialis (Tombontsoa miasa ho an’ny raharaha ara-tsosialy). Nohantitranteriny fa ny Fiangonana dia tokony hahatsiaro tena ho tsy maintsy manamaivana ny fahantran’ny mahantra. Amin’ny fomba ahoana? “Raha ilaina izany, dia tsy azo atao ny ho tia indrindra ny fandravahana mihoa-pampana an’ireo fiangonana sy ireo zava-tsarobidy fampiasa amin’ny fanompoam-pivavahana; mifanohitra amin’izany kosa, dia mety ho azo atao angamba ny tsy maintsy mamoy an’ireny fananana ireny mba hanomezana mofo, fisotro, fitafiana ary trano ho an’ireo izay tsy manana izany.”

Izao anefa no nambaran’i Domenico Del Rio, manam-pahaizana manokana avy ao Vatican, ny amin’io taratasy ho an’ny eveka rehetra io, tao amin’ny La Repubblica: “Azo antoka fa hantenain’ny olona izao ny (...) hanomezan’ny tenan’ny papa mihitsy sy ireo manodidina azy ohatra. Be ‘zava-tsarobidy fampiasa amin’ny fanompoam-pivavahana’ ary angamba koa ‘ravaka tafahoatra’ ao amin’ny trano fiangonana lehiben’i Vatican sy ao amin’ireo an’i Roma.” Kanefa, araka ny revio Fortune, “ireo manam-pahefana ao Vatican dia sosotra rehefa mieritreritra ny hamoy na dia vazy grika iray monja aza ho takalom-bola hanefana adidy”.

Rehefa niteny tamin’ny filoha mpanan-karena iray Jesosy mba ‘hivarotra ny fananany rehetra ary hizara vola amin’ny malahelo’, dia tsy nanaraka ny toroheviny io lehilahy io fa “niala tamin’alahelo izy, satria nanana harena be”. Tena mety àry ity fampitandreman’i Jesosy ity: “Fa izay itoeran’ny harenao, dia ho any koa ny fonao.” — Marka 10:21, 22; Matio 6:21.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara