Aoka isika hiaro ny firaisan-tsaina kristiana
“ALAO SARY an-tsaina fa miantso anao hoe rahalahy sy anabavy ny olona iray, hoy ny nosoratan’i Domenico Mosso, mpanoratra katolika, ary tsy pretra io olona io fa lehilahy lehibe iray na vehivavy mahafatifaty iray izay tonga mipetraka eo an-kavananao. ‘Miala tsiny hoe?’ ‘Niteny aho hoe: manao ahoana ianao rahalahy.’ ‘Ahoana no ahasahianao ... Nahoana no misy fifankazarana be toy izao, kanefa ianao tsy fantatro akory? Aza hadinoina fa atỳ am-piangonana isika.’ ”
Tsy misy tanteraka ny tena firahalahiana ao amin’ireo fiangonan’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Asehon’io tarehin-javatra io fa tsy manana firaisan-tsaina kristiana izy ireny. Tsy mba toy izany anefa no izy eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Sahala amin’ireo mpianatr’i Jesosy voalohany, isika dia mifampiantso amin-kalalahana hoe rahalahy sy ranabavy (2 Petera 3:15). Na aiza na aiza alehantsika eo amin’izao tontolo izao, dia miandry antsika ny fandraisana mafana sy feno firahalahiana any amin’ny Efitrano Fanjakana akaiky indrindra. Hita ihany koa ny firaisan-tsaina amin’ny hoe ny kongregasiona rehetra dia mandray fampianarana iray ihany ary ny Vavolombelona rehetra dia mandray anjara amin’ny fitoriana ny “vaovao tsaran’ny fanjakana”. — Matio 24:14, MN.
Tamin’ny alina nialoha ny nahafatesany, Jesosy Kristy dia nanao izao vavaka izao: “Angatahako, (...) ho an’izay mino Ahy (...) noho ny teniny; mba ho iray ihany izy rehetra tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao aminao.” (Jaona 17:20, 21). Asehon’ny fitantarana araka ny Baiboly fa nihaino io vavaka nataon’i Jesosy io Jehovah Andriamanitra. Noho ny hery mampirain’ireo fampianaran’i Kristy, ny tsy fifankahazoana nisy hatramin’ny ela be teo amin’ny Jiosy sy ny Jentilisa dia nisava teo amin’ny kristiana voalohany. — Galatiana 3:28.
Nilain’izy ireo anefa ny nanao fiezahana mba hiarovana izany firaisan-tsaina izany. Namporisika ireo namany ny apostoly Paoly mba ‘handeha miendrika ny fiantsoana izay niantsoana azy, amin’ny fiezahana amim-pahatsorana hitana ny firaisan-tsaina avy amin’ny fanahy ao anatin’ny fatorana mampirain’ny fihavanana’. Tsy tokony hizarazara ho antokom-pivavahana samihafa izy ireny. Tsia, fa “iray ny tena, ary iray ny fanahy, dia toy ny niantsoana anareo ho amin’ny fanantenana iray momba ny fiantsoana anareo; iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa, iray Andriamanitra sady Rain’izy rehetra”. Ireo apostoly, ireo mpiandry ary ireo mpampianatra dia tsy maintsy nanampy mpikambana tao amin’ny kongregasiona ‘mandra-pahatongan’izy rehetra ho amin’ny firaisan’ny finoana’. — Efesiana 4:1-6, 11-14, MN.
Amin’izao androntsika izao, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mahita fahombiazana amin’ny fiarovana an’izany “firaisan-tsaina” izany. Misy anefa anton-javatra sasany, toy ny toe-tsaina tsy tia fiankinana, ny tsy fitovian’ny kolontsaina sy ny firazanana, ary koa ny kileman-toetra sy ny tsy fahatanterahana samihafa hita eo amin’ny kristiana hafa, mety handrahona ny ‘firaisan’ny finoantsika’. Inona àry no azontsika atao mba hiarovana azy?
Voafahana eo amin’ny latabatra iray ihany
Tsy manazava ny kristiana tsirairay avy isan-batan’olona Jehovah. Kristy kosa dia nanendry kilasin’olona iray, “ny mpanompo mahatoky sy malina”, mba hanome amin’ny fotoana, zavatra vita an-tsoratra sy torohevitra araka ny Baiboly ho an’ny kristiana maneran-tany (Matio 24:45-47). Ny Tilikambo Fiambenana dia avokoa amin’ny fiteny 103 mba hanome izay ilain’izy ireo manerana ny tany.
Ny hoe misakafo eo amin’ny latabatra ara-panahy iray ihany isika dia mandray anjara be dia be amin’ny fampandrosoana sy ny fiarovana ny firaisan’ny finoana. Indraindray anefa ny torohevitra sasany dia toa tsy ampiharina any amin’ny tany toy izao na izao. Tsy misy antony ve izy ireny? Ho diso isika raha mieritreritra izany. Tsy isalasalana fa ny sasantsasany tamin’ireo fampitandremana nalefan’i Paoly ho an’ny kristiana izay nonina tao amin’ny tanàna ratsy fitondrantena sy mpanompo sampin’i Korinto dia toa tsy nahakasika ihany koa ny kristiana izay nipetraka tany amin’ny faritra ambanivohitra (1 Korintiana 6:15, 16; 10:14). Kanefa, ny kristiana rehetra na taiza na taiza dia nihevitra fa anisan’ny “Soratra Masina” ireo taratasin’i Paoly. — 2 Petera 3:16.
Toy izany koa amin’izao andro izao, ny lahatsoratra sasany dia mety ho toa tsy mifanaraka amin’ny toe-javatra eo an-toerana noho ny hafa. Na dia izany aza dia tokony hankasitrahantsika ireo fampitandremana omeny, noho ny fahafantarana fa amin’izao taonan’ny fifamoivoizana izao, ireo fironan-dratsy miseho any amin’ny faritra iray eo amin’izao tontolo izao dia mety hiely haingana dia haingana.
Tsy fahatanterahana sy fiheverana mihoa-pampana
Nilaza i Jakoba mpianatra hoe: “Fa tafintohina amin’ny zavatra maro isika rehetra.” (Jakoba 3:2). Noho ny tsy fahatanterahany, ny olombelona dia mirona ihany koa hampiseho fiheverana tafahoatra. Mety tsy hiteraka fahasahiranana izany fironana izany raha toa ka manana fomba fijery mitovy ny olona. Ohatra, ny olona roa tena sarotsarotiny dia tsy isalasalana fa hifankahazo tsara. Ampoizina hiady foana anefa izy ireo raha toa ka manao tsirambina ny iray ary ny iray kosa sarotsarotiny.
Ny Vavolombelon’i Jehovah dia ‘avy amin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena rehetra sy ny olona ary ny samy hafa fiteny’. (Apokalyspy 7:9.) Noho izany, dia azo inoana fa manana hevitra samy hafa tanteraka isika ny amin’ny raharaha toy ny fomba fihinana, ny fitafy, ny fitsaboan-tena ary na dia ny fiaraha-monina aza. Tsy tokony hampisy hantsana eo amintsika ireny fiheverana tsy mitovy ireny. Mampitandrina antsika amin’ny fiheverana tafahoatra ny Baiboly ary mamporisika antsika mba hiezaka hahay handanjalanja sy hahalala ny antonony. Vakina ao fa “ny fahendrena izay avy any ambony dia (...) tia fihavanana, mandefitra [mahalala ny antonony, MN ]. — Jakoba 3:17.
Marina aloha fa ny Baiboly dia manameloka fanao sasany tena manokana. Matetika mihitsy anefa izy no mamporisika antsika fotsiny hanaraka fihetsika voalanjalanja eo amin’ny zavatra tafahoatra mifanohitra. Aoka hodinihintsika izay lazainy mikasitra ireto raharaha manaraka ireto:
Ny asa: “Ny hakamoana mahasondriantory, ary ho mosarena ny olona malaina.” (Ohabolana 19:15). “Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy Mamôna [ny Harena, MN ] hianareo.” — Matio 6:24.
Ny fampiasana ny lela: “Izay mahatana ny molony dia hendry.” (Ohabolana 10:19). “Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy, (...) ao ny andro anginana, ary ao ny andro itenenana.” — Mpitoriteny 3:1, 7.
Ny fifandraisan’olombelona: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” (Jaona 13:35). “Aza miditra matetika ao an-tranon’ny namanao, fandrao tofoka anao izy, ka ho halany hianao.” — Ohabolana 25:17.
Ny fanabeazana ny ankizy: “Izay mitsitsy ny tsorakazony dia tsy tia ny zanany; fa izay tia zanaka dia manafay azy, raha mbola kely.” (Ohabolana 13:24). “Aza mampahasosotra ny zanakareo, fandrao mamoy fo izy.” — Kolosiana 3:21.
Arakaraka ny hahaizantsika mandanjalanja, fa tsy hanana fiheverana tafahoatra, no hahavitsy kokoa ny anton-javatra mahatonga tsy fifanarahana eo amin’ny samy kristiana. Inona anefa no hatao raha toa ka misy fifandirana mitranga noho ny tsy fahatanterahantsika? Raha izany no miseho, dia aoka hotsaroantsika ireto tenin’i Paoly voasoratra ao amin’ny Kolosiana 3:13 ireto: “Mifandefera, ka mifamelà heloka hianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany.”
‘Nanafintohina ahy izy’
Indraindray anefa dia misy mpikambana ao amin’ny kongregasiona miseho ho mora taitra loatra ary mahita antony ratsy manosika ao ambadiky ny fitenenana sasany na zavatra atao tsy misy tsininy sasany. Angamba izany fihetsika izany dia vokatry ny fitondrantena narahiny teo aloha. Na ahoana na ahoana, dia mampalahelo tokoa raha sosotra amin’ny zavatra tsy misy antony ireny olona mora taitra loatra ireny na, ny mbola ratsy kokoa aza, raha manakorontana ny hafa amin’ny famafazana voan’ny fisaratsarahana izy.
Marina fa melohin’ny Baiboly ny fitondrantena izay mety hanafintohina ny mpianatra hafa (Lioka 17:1, 2). Afa-tsy izany, ny kristiana matotra dia tokony ho mora hahatsapa ny fihetseham-pon’ireo namany. Kanefa, miaraka amin’izany koa, ny Baiboly dia manoro hevitra antsika amin’ny fomba hentitra mba hanary ny fahataitairana tafahoatra sy mba tsy hampitombo ny fahatafintohinana iaretantsika (Mpitoriteny 7:9). Ambonin’izany, ny mamafy ady eo amin’ny rahalahintsika, amin’ny fampisehoana ny fahadisoan’ny anankiray amin’izy ireny, dia iray amin’ireo zavatra ‘halan’i Jehovah’. — Ohabolana 6:16-19.
Afaka manampy antsika handresy ny fahataitairana tafahoatra ny fanahin’Andriamanitra. Noho ny fanampiany, dia tsy hamisavisa foana ny kileman-toetran’ireo rahalahintsika isika fa ho azontsika atao kosa ny hanana hevitra manorina sy mampandroso (Filipiana 4:8). Izany no manampy hihazona ny firaisan-tsaina.
Firaisan-tsaina tsy midika ho fitoviam-pomba
Tsy midika ho fandavana izay mety ho maha-izy ny tena na famonoana izay mety ho fanombohan-kevitra anefa ny hoe miaro ny firaisan-tsainantsika maneran-tany. Amin’ireo lafin-javatra tapahin’ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly, dia amim-pifaliana no handaozantsika ireo fomba fihevitra tsy tia fiankinan’ity izao tontolo izao ity sy hanekentsika ny fitarihan’ny fanahin’i Jehovah. Manana fahafahana maro anefa isika hampiseho ny maha-isika antsika, hanome porofon’ny fahaiza-mamoron-javatra, amin’ny fanatontosana ny asa nankinina tamintsika, dia ny fitoriana. Tsy misy iadian-kevitra fa matetika ireo rahalahintsika no mampiseho fahaizana lehibe eo amin’ny asa fanambarana amin’ny fampifanarahana ny fampisehoany amin’ny zava-miseho eo an-toerana.
Misy koa fanaovan-javatra maro tsy tapahin’ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly mivantana, toy ny fomba amam-panao sasany eo an-toerana, ohatra. Any Eoropa, dia fanao matetika ny mifandray tanana, fa any amin’ireo tany any amin’ny Farany Atsinanana kosa dia ny miondrika no fanao. Samy azo ekena ireo fanao roa ireo amin’ny kristiana. Aoka hodinihintsika koa ny lafin’ny fomba fitafy sy ny taovolo. Ny Baiboly dia tsy manome afa-tsy fitarihan-dalana fototra ihany amin’ny fanoroana hevitra hanaraka ny fahamaotinana sy ny fahaiza-mandalanjalanja. Araka izany, dia afaka manome fahafaham-po ny zavatra tiantsika isika no sady haneho “fahaiza-mitsara zavatra”. — 1 Timoty 2:9, 10, MN.
Hiahy mandrakariva amim-pitandremana àry ireo loholona mba hanome torohevitra miorina, tsy amin’ny zavatra tiany manokana, fa amin’ireo fotopoto-pitsipika araka ny Baiboly. Mazava ho azy fa hanome ohatra izy ireo raha ny amin’ny fanampiana hihazona ny tena firaisan-tsaina eo amin’ny lafin-javatra mahakasika ny raharaha ara-panahy. ‘Aoka isika hizaha toetra ny tenantsika raha mitoetra amin’ny finoana isika na tsia, ary aoka hataontsika tsy an-kijanona izany’ amin’ny fianarana tsy tapaka ny Baiboly sy ireo zavatra vita an-tsoratra natontan’ny ‘mpanompo mahatoky’. (2 Korintiana 13:5.) Hiaro ny firaisan-tsainantsika isika amin’ny fanaovana amin-jotom-po ny “fanambarana ampahibemaso” ny finoantsika. — Hebreo 13:15, MN.
Amin’ny fanaovana toy izany no hanarahantsika izao torohevitra ara-tsindrimandrin’Andriamanitra izao: “Ary mananatra anareo aho, ry rahalahy, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hiray teny hianareo rehetra, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa mba ho tafakambana tsara hianareo hiray saina sy hevitra.” — 1 Korintiana 1:10.
[Sary, pejy 30]
Mba hiarovana ny firaisan-tsaina dia zava-dehibe ny hifankahazoana hatrany amin’ny rehetra, eny fa na dia amin’ireo izay ananana antony itarainana aza.